Entrée tany
Partie du discours   nom
Définition malgache   Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly
¶ Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka
¶ Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina
¶ Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana
¶ Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo
¶ Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra [Rajemisa 1985]
Traduction anglaise   earth, soil, land; a country, a nation [Hallanger 1973]
Traduction française   terre, sol; pays, nation [Hallanger 1974]
Traduction française   terre, sol, terrain [SLP: Voambolana]
Vocabulaire  
Mots composés, titres, noms  
Citations  
Toponymie   Noms des lieux comprenant le mot tany (9)
Amboatany
Ambozontany
  Andriantany
Antanifotsy
  Antanimavo
Antanimena
  Nosy Tanikely
Tanifotsy
  Tsaratanimbary
Analogie   tanimanga ~ tanimangampoza ~ taniravo

Entrée tany (any)
Partie du discours   adverbe au passé [liste]
Définition malgache   Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina [Rajemisa 1985]
Exemples   na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[Fox: Hainteny, numéro 230]
Analogie   any

Entrée tany
Partie du discours   adverbe [liste]
Définition malgache   Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho [Rajemisa 1985]

Entrée tany
Partie du discours   nom
Définition malgache   [ tañy ] tomany, fitomany, fitomaniana [Bara] [Rakotosaona 1972]
   [ tañy ] ranomaso, tomany [Sihanaka] [Rakotosaona 1972]
   [ tañy ] tany, fitomaniana [Tanala] [Rakotosaona 1972]
   (teny tranainy) ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa [Rajemisa 1985]
Traduction française   les larmes, les pleurs, les gémissements
¶ regret [Abinal 1888]
Dérivations  
Synonymes   tañe
Citations  

Mis à jour le 2016/03/07