|
|
|
|

Entrée1  Ny Varavarankelinao
Mots élémentaires  2 varavarana, 3 kely
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet  7 
8  Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako
9  Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely
10  Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako
11  Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely.
12  Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany,
13  Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa !
14  Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany
15  Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo…
16  Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao…
17  Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ?
18  Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena…
19  Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao,
20  Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao.
21  Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena.

Mis à jour le 2025/12/08