|
|
|
|

Entrée1  Rabetsimandranto Fidelis-Justin
Mots élémentaires  2 Rabetsimandranto, 3 Fidelis, 4 Justin
Partie du discours  5  nom propre (anthroponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  6 Rabetsimandranto Fidelis-Justin (1907-1966) [1.1]
7 Fidelis-Justin Rabetsimandranto dia
8 teraka tao Antananarivo tamin'ny taona 1907, volana Oktaobra ary nodimandry tamin'ny volana Aogositra 1966.
9 Tao Mananjara, vohitra kely naorin'Andrianampoinimerina tany an-tendrony, ao ambany atsimon'Ambohijanahary, no akany nahitany masoandro.
10 Ny razambeny dia anisan'ireo " Valopololahy " sy " Valopolovavy " nafindran'ny Ombalahibemaso fonenana tao.
11 Tao amin'ny Sekolim-panjakana tao Fiadanana no nanombohan-dRabetsimandranto nianatra, dia nifindra tao amin'ny "Ecole-Supérieure " tao Faravohitra izy, ary avy ao dia niditra ho kilasimandry tao amin'ny " Collège Saint-Michel" Amparibe;
12 dia tao no nianarany nandritra ny efa-taona ka nahazoany ny diplaoman'ny fahazoa-mampianatra.
13 Nony nivoaka ny fianarana izy, tamin'ny taona 1925, noho ny talenta hita taratra nananany tamin'ny fanoratana, dia nangatahina mba ho isan'ny Mpanoratra amin'ny " Feon'ny Marina " , ka dia tao no nanombohany ny asany voalohany amin'ny soratra ary nahalalan'ny maro ny hakanton'ny diam-peniny mitondra ny solon'anarana hoe:
14 Fidelis-Justin, "anarana indrana" nentiny mandra-pahafatiny.
15 Ny poezia no isan'ny soratra nahavanana azy sy nankafiziny fatratra ary nokaliny sy nanorenany fo tokoa.
16 Raha vao herintaona monja no nanoratany an-gazety, dia namoaka ho boky ny asany voalohany izy, izay nomeny anarana hoe "Fehezam-boninkazo" , tononkalo mirindra sy feno aingam-panahy ambony ka toa niavaka tamin'ny asa soratra fahita tamin'izany andro izany.
17 Hatramin'io taona 1926 io, dia tsy nitsahatra ny nanoratra i Fidelis Justin Rabetsimandranto, ary nifototra tamin'ny literatiora ka ny amboaran-tononkalo sy tantara poezia vitany hatramin' izay dia miisa amin-jatony;
18 ny tantara foronina, enina ambin'ny folo;
19 ny tantara fampisehoana, enina;
20 ny Vako-drazana, enina, ka anisan'ireo ny "Kabary taloha sy ankehitriny ". [2.314]
Vocabulaire  21  Littérature: auteurs
Ouvrages littéraires  22  Adidy nandresy fitiavana Tritriva
23  Andraikiba
24  Antananarivo sy Ambanivohitra
25  Avonavona resim-pitia
26  Diksionera Malagasy : A-Doka
27  Fehezam-boninkazo
28  Fo idealy
29  Fomba amam-panao malagasy : 1887-1962
30  Hady folo sosona
31  Hain-teny malagasy
32  Iangivola
33  Kabary vaovao
34  Ny kabary taloha sy ankehitriny
35  Ny voninkazon-dohataona
36  Ralibenja
37  Ranokombe
38  Sahy sedra Mizana tsindrian’ ila
39  Soaniary
40  Sorobaton’ilay jamba
41  Trimofoloalina
42  Vatolahy
43  Votso-droa

Mis à jour le 2025/11/20