| Explications en malgache  | 
4 Ilazana olona tenenina izay tsy tsaroana eo no ho eo ny anarany: Andeha antsoy Ranona, ry Koto a ~ Asaivo mankaty Ranona 
 lantsoana na anondroana olona itenenana, saingy fanaon' ny samy vehivavy na lehilahy sy vehivavy: Ranona ity koa mahasosotra ~ Aoka re, Ranona, fa mahaketraka izany zaoatra lazainao 
 Teny ifampiantsoan' ny samy vehivavy rehefa miresaka, na ilazany olona tsy tiana hotononina ny anarany na hadinony tsy tonga ao am-bavany: Tsy hitandRanona angaha ilay olona teto anikeheo? ~ Ranona atsy avaratra no nandrenesako an' izany [1.1] 
 |