Entrée Mitaraina ny tany (taraina, tany)
Partie du discours nom propre (titre de livre)
Auteur Andry Andraina, 1975
Editions 2004. Librairie Mixte. Largeur: 13,5cm. Hauteur: 18cm. Pages: 264.
Description Ny tapatapany amin' ny tantaram-pirenena iankinan' itỳ lahatsoratra itỳ dia maneho zava-marina avokoa. Fantatry ny besinimaro rahateo moa izany. Tsy afenina kosa anefa fa ny tenon' ny tantara dia vokatry ny famoronan-tsaina, noho izany tsy mitory zavatra tena nisy. Na eo aza izany, ny votoatiny, ny rivotra iainana ao anatin' ny lahatsoratra manontolo dia tsy noforonina fa ny tena izy no aseho. Izany koa moa no nokendrena tamin' ny nanoratana azy. Betsaka ny toe-javatra mandona mafy anatin' ny tantara, lazaina fa manan-tandrify tsirairay avy ireny tany ho any ary tamin' ny fotoanany.

Noho izany, raha misy anarana mitovy voalaza amin' itỳ tantara itỳ, dia vokatry ny kisendrasendra ihany, na momba olon-kafa na momba ny mpanoratra rahateo, ary dia ialana tsiny indrindra.

Ny fironana toy izany dia voatery nahiboka anefa nandritra ireo taona rehetra nianarana sy naha-amperin' asa, satria ny natao tamin' izany dia tsy azo novadiana zavatra hafa mihitsy. Raha tsy tonga ny fotoana nahafa-patotra tamin' ny asam-panjakana, tsy azo nomena fahafaham-po ilay hetaheta nampandeferina ela.

Ny mpanoratra dia niaina tamin' ny faritany anisan' ny nizaka mafy noho ny fitondran-janatany. Ny niseho tany Ambatondrazaka sy ny moron' Alaotra manontolo dia vitsy mpahalala, toy ny niseho tamin' ny faritany hafa tsy mba manana mpitondra teny koa moa. Hanarenana izany toe-javatra izany no nanoratana ny boky, sady hametraka azy amin' ny toerana tandrifiny eo amin' ny tantaran' ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Na ny fifotoran' ny asasoratra amin' ny fianakaviana mahantra anankiray, na ny fampisehoana antsipiriany ny nozakain' io fianakaviana io noho ny zava-mizy sy ny toetr' andro, na ny fandraisany anjara, araka ny tandrifiny amin' ny zava-dehibe nampihovitrovitra ny tany, dia tsy natao mihitsy ho fandranitana na fanamelohana na iza na iza, na antokon' olona na firenana, fa ho fampisehoana kosa zava-marina anankiray hita hatraiza hatraiza:

Ny vahoaka, ny vahoaka madinika indrindra, no manoratra ny tantaran' ny fireneny amin' ny fiaretany, ny herim-pony, ny rany.

Tableaux et planches Tous les titres
Illustrations 

Mis à jour le 2023/04/02