Entrée sampana
Partie du discours nom
Définition malgache Ny rantsana madinika miray amin' ny vataben' ny hazo: Be sampana ity hazo ity. / Sampan-kazo
¶ Rehefa mety ho fizarazaran-javatra mivoaka avy amin' ny foto-be: Amin' ireo rano avy any Ankaratra, ny sampana mianavaratra dia mivarina any Ikopa
¶ Fizarazarana, antokon-javatra ao anatin' ny firaisam-be: Ny marika dia sampan' ny fianarana ambaratonga voalohany
¶ Fikambanana kely izay mifandray amin' ny foibe, na iray fileovana aminy: Ny sampana atsy Ananona no mandeha indrindra amin' ny sampan' ny Fikambanan' ny Ray aman-drenin' ny mpianatra eto amin' ny faritany [Rajemisa 1985]
Traduction anglaise a branch, a branching off; a branch group or organization [Hallanger 1973]
Traduction française branche; branchement; filiale [Hallanger 1974]
 . Bifurcations d'une tige, surtout lorsqu'elles sont divariquées. Plus généralement : ramifications. D'où : [Boiteau 1997]
Vocabulaire 
Dérivations 
Exemples Vao vita kelikely ny lalam-by Antananarivo-Toamasina, dia nasiany sampana avy ao Moramanga mankany amoron' Alaotra. [Andraina: Mitaraina, page 63]
Toponymie Noms des lieux comprenant le mot sampana (1): Antsampandrano

Mis à jour le 2020/10/12