Texte complet |
12 Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
13 Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
14 Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
15 Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …
16 Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay …
17 Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay
18 No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa
19 Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?
20 Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
21 Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
22 Fa mampita hazavana mampionona fanahy …
23 Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
24 Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
25 Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!
|