Entrée tsiravina
Partie du discours   adjectif
Définition malgache   Raiki-tahotra mafy, mivadi-po: Tsiravina aho nahita ilay olona nanao saron-tava nitana antsy [Rajemisa 1985]
Traduction française   tremblant, effrayé, alarmé [Abinal 1888]
Exemples  
1Tsiravina izahay telo mianaka nanatrika teo nahita ireto zavatra namelezan' olona anay mianakavy. [Andraina: Mitaraina, page 94]
2Nony tonga teny atsimotsimo akaikin'ny tanàna izy, dia tsiravina nahita ny faty niampatrampatra teny, na fatin'olo-marina matin'ny jirika, na fatin'ny jirika matin'ny miaramila. [Rajohanesa: Kintana]
3Hehin' ny matahotra anefa, ka vava misokatra hafahafa anatin' endrika tsiravina izany no hita. [Andraina: Mitaraina, page 248]
Dérivations  
Citations  

Mis à jour le 2013/07/29