|
|
|
|

Entrée (1/3)1  volan-tsinana
Mots élémentaires  2 volana, 3 tsinana
Partie du discours  4  nom
Explications en français  5 les premiers jours de la lune
6 croissant [1.3]
Exemples  7  Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana [2.996]
Vocabulaire  8  Astronomie

Entrée (2/3)9  volan-tsinana
Partie du discours  10  nom
Explications en français  11 demi-cercle [1.3]
Exemples  12  Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana [2.996]
Vocabulaire  13  Mathématiques: géométrie

Entrée (3/3)14  Volan-tsinana
Mots élémentaires  15 volana, 16 tsinana
Partie du discours  17  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  18  Littérature: poèmes
Auteur  19 Razafintsalama Josefa
Texte complet  20 
21  Raha nisoka, natao tsy hiverina;
22  nony maty, natao tsy hiposaka,
23  kanjo io ihany io mitsingerina,
24  fa ny zava-malefa-pitosaka ;
25  fisehoany dia mihelontrelona ,
26  fa mitsidi-mitranga milentika
27  ary impito no maty ka velona
28  fa tsy tena dia lasa mirendrika
29  iry volan-tsinana andrefana
30  mahalala fotoam-piherenana!

31  Samy faly no sady finaritra,
32  ka indreny miainga mirohotra
33  eo an-kianja hikorana maharitra
34  ireo maro kilonga isam-bohitra;
35  fa ny zaza kamboty, manjonitra,
36  mahatsiahy ilay kibo nitoerana
37  sy ny ray nanao sikim-ponitra ,
38  faingy hani-mandalo miserana
39  toraka io volan-tsinana andrefana,
40  tsy mandika fotoam-piherenana.

41  Ireo hazo amoron'ny tevana
42  velon-tsento mangina tarafiny,
43  fa ny sainy he! mihevangevana
44  ka maniry azy io hotahafiny...
45  Dia voavetso ny ela nilaozana,
46  ka ny endrika, bika, nananana,
47  no tanian-kimpody , hiaranana
48  toraka io volan-tsinana andrefana
49  tsy mandiso fotoam-piherenana!

Anagrammes  volan-tsinana, Volan-tsinana

Mis à jour le 2025/11/26