<-
->

2Sm / 2Sam 11:1 And it came to pass, after the year was expired, at the time when kings go forth to battle, that David sent Joab, and his servants with him, and all Israel; and they destroyed the children of Ammon, and besieged Rabbah. But David tarried still at Jerusalem. Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin' ny andro fandehanan' ny mpanjaka hiady, dia naniraka an' i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak' i Amona ireo sady nanao fahirano an' i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Tamin' ny fitsingerenan' ny taona, nony mby amin' ny fotoana fandehanan' ny mpanjaka hiady, dia nalefan' i Davida Joaba mbamin' ny mpanompony sy Israely rehetra, ka nofongoran' ireo ny taranak' i Amona, ary nataony fahirano Rabà; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Au retour de l' année, au temps où les rois se mettent en campagne, David envoya Joab et avec lui sa garde et tout Israël : ils massacrèrent les Ammonites et mirent le siège devant Rabba. Cependant David restait à Jérusalem.
2Sm / 2Sam 11:2 And it came to pass in an eveningtide, that David arose from off his bed, and walked upon the roof of the king' s house: and from the roof he saw a woman washing herself; and the woman was very beautiful to look upon. Ary nony harivariva, dia niala tao ampandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon' ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery. Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriany iny Davida ka nitsangantsangana teo amin' ny tafon-tranon' ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy ery ravehivavy io. Il arriva que, vers le soir, David, s'étant levé de sa couche et se promenant sur la terrasse du palais, aperçut, de la terrasse, une femme qui se baignait. Cette femme était très belle.
2Sm / 2Sam 11:3 And David sent and enquired after the woman. And one said, Is not this Bathsheba, the daughter of Eliam, the wife of Uriah the Hittite? Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin' i Eliama, sady vadin' i Oria Hetita? Nasain' i Davida nanontaniana hoe: Iza io vehivavy io? ka izao no nolazain' ny olona azy: Io no Betsabea, zanakavavin' i Eliama, vadin' i Oria, Heteana. David fit prendre des informations sur cette femme, et on répondit : " Mais c' est Bethsabée, fille d'Éliam et femme d' Urie le Hittite! "
2Sm / 2Sam 11:4 And David sent messengers, and took her; and she came in unto him, and he lay with her; for she was purified from her uncleanness: and she returned unto her house. Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin' ny halotoany, dia nody tany an-tranony. Dia naniraka olona haka azy Davida ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy. Nandio tena ho afaka amin' ny halotoany ravehivavy, dia nody tany an-tranony, Alors David envoya des émissaires et la fit chercher. Elle vint chez lui et il coucha avec elle, alors qu' elle venait de se purifier de ses règles. Puis elle retourna dans sa maison.
2Sm / 2Sam 11:5 And the woman conceived, and sent and told David, and said, I am with child. Ary nanan' anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin' i Davida hoe: Manan' anaka aho. kanjo nanana anaka ravehivavy, ka naniraka hilaza amin' i Davida hoe: Manana anaka aho. La femme conçut et elle envoya dire à David : " Je suis enceinte! "
2Sm / 2Sam 11:6 And David sent to Joab, saying, Send me Uriah the Hittite. And Joab sent Uriah to David. Ary Davida naniraka tany amin' i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain' i Joaba nankany amin' i Davida Oria. Tamin' izay, naniraka tany amin' i Joaba Davida handidy azy hoe: Alefaso hankaty amiko Oria Heteana. Dia nalefan' i Joaba hankany amin' i Davida Oria. Alors David expédia un message à Joab : " Envoie-moi Urie le Hittite ", et Joab envoya Urie à David.
2Sm / 2Sam 11:7 And when Uriah was come unto him, David demanded of him how Joab did, and how the people did, and how the war prospered. Ary nony tonga teo amin' i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr' i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady. Ka nony tonga tany amin' i Davida Oria, dia nanontaniany ny vaovao momba an' i Joaba sy ny tafika ary ny ady. Lorsque Urie fut arrivé auprès de lui, David demanda comment allaient Joab et l' armée et la guerre.
2Sm / 2Sam 11:8 And David said to Uriah, Go down to thy house, and wash thy feet. And Uriah departed out of the king' s house, and there followed him a mess of meat from the king. Ary hoy Davida tamin' i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon' ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin' ny mpanjaka izy. Izay Davida vao nanao tamin' i Oria hoe: Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasa ny tongotrao. Nivoaka ny tranon' ny mpanjaka Oria, nampanarahina nahandro fanomezana avy amin' ny mpanjaka; Puis David dit à Urie : " Descends à ta maison et lave-toi les pieds. " Urie sortit du palais, suivi d' un présent de la table royale.
2Sm / 2Sam 11:9 But Uriah slept at the door of the king' s house with all the servants of his lord, and went not down to his house. Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon' ny mpanjaka, teo amin' ny mpanompon' ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory. nefa niara-nandry tamin' ny mpanompon' ny tompony Oria, teo am-baravaran' ny tranon' andriana, fa tsy nidina nody tany an-tranony. Mais Urie coucha à la porte du palais avec tous les gardes de son maître et ne descendit pas à sa maison.
2Sm / 2Sam 11:10 And when they had told David, saying, Uriah went not down unto his house, David said unto Uriah, Camest thou not from thy journey? why then didst thou not go down unto thine house? Ary nisy nanambara tamin' i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin' i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao? Nolazaina tamin' i Davida izany, natao hoe: Tsy nidina nody any an-tranony Oria. Ka hoy Davida tamin' i Oria: Moa tsy tonga avy amin' ny dia hianao? Nahoana no tsy nidina nody any an-tranonao? On en informa David : " Urie, lui dit-on, n' est pas descendu à sa maison. " David demanda à Urie : " N' arrives-tu pas de voyage ? Pourquoi n' es-tu pas descendu à ta maison ? "
2Sm / 2Sam 11:11 And Uriah said unto David, The ark, and Israel, and Judah, abide in tents; and my lord Joab, and the servants of my lord, are encamped in the open fields; shall I then go into mine house, to eat and to drink, and to lie with my wife? as thou livest, and as thy soul liveth, I will not do this thing. Fa hoy Oria tamin' i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin' ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon' ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin' ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho. Dia hoy ny navalin' i Oria tamin' i Davida: Ny fiara sy Israely mbamin' i Jodà, mitoetra an-day; Joaba tompoko sy ny mpanompon' ny tompoko, mitoby any an-tsaha foana, ary izaho ve dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin' ny vadiko? Marina amin' ny ainao sy ny ain' ny fanahinao raha hanao izany aho! Urie répondit à David : " L' arche, Israël et Juda logent sous les huttes, mon maître Joab et la garde de Monseigneur campent en rase campagne, et moi j' irais à ma maison pour manger et boire et coucher avec ma femme! Aussi vrai que Yahvé est vivant et que tu vis toi-même, je ne ferai pas une chose pareille! "
2Sm / 2Sam 11:12 And David said to Uriah, Tarry here to day also, and to morrow I will let thee depart. So Uriah abode in Jerusalem that day, and the morrow. Ary hoy Davida tamin' i Oria: Mitoera ihany ary atý anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson' iny Oria. Ary hoy Davida tamin' i Oria: Mitoera ihany àry aty anio; fa rahampitso dia halefako hianao. Dia nitoetra tany Jerosalema ihany Oria androtr' izay sy ny ampitson' izay. Alors David dit à Urie : " Reste encore aujourd' hui ici, et demain je te donnerai congé. " Urie resta donc à Jérusalem ce jour-là. Le lendemain,
2Sm / 2Sam 11:13 And when David had called him, he did eat and drink before him; and he made him drunk: and at even he went out to lie on his bed with the servants of his lord, but went not down to his house. Ary nasain' i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin' ilay nandriany teo amin' ny mpanompon' ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony. Nasain' i Davida hihinana sy hisotro teo anatrehany izy ka nomamoiny. Nony hariva dia nivoaka nandry teo amin' ny fandriany, teo amin' ny mpanompon' ny tompony ihany Oria, fa tsy nidina nody tany an-tranony. David l' invita à manger et à boire en sa présence et il l' enivra. Le soir Urie sortit et s'étendit sur sa couche avec les gardes de son maître, mais il ne descendit pas à sa maison.
2Sm / 2Sam 11:14 And it came to pass in the morning, that David wrote a letter to Joab, and sent it by the hand of Uriah. Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin' i Joaba, ka nampitondrainy an' i Oria izany. Nony ampitso maraina nanoratra taratasy ho any amin' i Joaba Davida ka tànan' i Oria no nampitondrainy azy. Le matin suivant, David écrivit une lettre à Joab et la fit porter par Urie.
2Sm / 2Sam 11:15 And he wrote in the letter, saying, Set ye Uriah in the forefront of the hottest battle, and retire ye from him, that he may be smitten, and die. Ary izao no soratra nataony tao amin' ny taratasy: Arosoinareo amin' ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty. Izao no nosoratany tamin' ny taratasy: Apetraho amin' izay toerana iadiana mafy indrindra Oria, dia mihataha avy eo aoriany hianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy. Il écrivait dans la lettre : " Mettez Urie au plus fort de la mêlée et reculez derrière lui : qu' il soit frappé et qu' il meure. "
2Sm / 2Sam 11:16 And it came to pass, when Joab observed the city, that he assigned Uriah unto a place where he knew that valiant men were. Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an' i Oria ho eo amin' izay hitany misy lehilahy mahery. Nanao fahirano ny tanàna Joaba ka napetrany tamin' ny toerana fantany ho nisy ny lehilahy mahery indrindra Oria. Joab, qui bloquait la ville, plaça Urie à l' endroit où il savait que se trouvaient de vaillants guerriers.
2Sm / 2Sam 11:17 And the men of the city went out, and fought with Joab: and there fell some of the people of the servants of David; and Uriah the Hittite died also. Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin' i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon' i Davida, ary maty koa Oria Hetita. Nivoaka hamely an' i Joaba ny olona tao an-tànana, ka maro tamin' ny vahoaka, tamin' ny mpanompon' i Davida, no maty; ary maty koa Oria, Heteana. Les gens de la ville firent une sortie et attaquèrent Joab. Il y eut des tués dans l' armée, parmi les gardes de David, et Urie le Hittite mourut aussi.
2Sm / 2Sam 11:18 Then Joab sent and told David all the things concerning the war; Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin' i Davida ny toetry ny ady; Dia naniraka hilaza ny toetry ny ady any amin' i Davida Joaba; Joab envoya à David un compte rendu de tous les détails du combat.
2Sm / 2Sam 11:19 And charged the messenger, saying, When thou hast made an end of telling the matters of the war unto the king, ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin' ny mpanjaka ny toetry ny ady, ary ny iraka dia nomeny didy hoe: Rahefa vita ny fitantaranao amin' ny mpanjaka ny toetry ny ady, raha misondrotra ny hatezeran' ny mpanjaka ka milaza aminao hoe: Il donna cet ordre au messager : " Quand tu auras fini de raconter au roi tous les détails du combat,
2Sm / 2Sam 11:20 And if so be that the king' s wrath arise, and he say unto thee, Wherefore approached ye so nigh unto the city when ye did fight? knew ye not that they would shoot from the wall? ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin' ny manda izy? Ahoana no nanakekezanareo ny tanàna toy izany, raha niady? Tsy fantatrareo va fa hozerany ny tsipìka avy any ambony manda hianareo? si la colère du roi s'élève et qu' il te dise : "Pourquoi vous êtes-vous approchés de la ville pour livrer bataille ? Ne saviez-vous pas qu' on tire du haut des remparts ?
2Sm / 2Sam 11:21 Who smote Abimelech the son of Jerubbesheth? did not a woman cast a piece of a millstone upon him from the wall, that he died in Thebez? why went ye nigh the wall? then say thou, Thy servant Uriah the Hittite is dead also. Fa iza no namely an' i Abimeleka, zanak' i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin' ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa. Iza no namely an' i Abimeleka zanak' i Jerobaala? Moa tsy nozeran' ny vehivavy anankiray vakim-bato fitotoam-bary avy any ambony manda va izy, ka matin' izay tao Tebesa? Ahoana àry no nanakekezanareo ny manda? Dia ataovy hoe: Maty koa Oria, Heteana, mpanomponao. Qui a tué Abimélek, le fils de Yerubbaal ? N' est-ce pas une femme, qui a lancé une meule sur lui, du haut du rempart, et il est mort à Tébèç ? Pourquoi vous êtes-vous approchés du rempart ?", tu diras : Ton serviteur Urie le Hittite est mort lui aussi. "
2Sm / 2Sam 11:22 So the messenger went, and came and shewed David all that Joab had sent him for. Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin' i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan' i Joaba azy. Dia nandeha ilay iraka, ka nony tonga izy dia nambarany tamin' i Davida avokoa izay nasain' i Joaba nambara. Le messager partit et, à son arrivée, il rapporta à David tout le message dont Joab l' avait chargé. David s' emporta contre Joab et dit au messager : " Pourquoi vous êtes-vous approchés du rempart de la ville pour livrer bataille ? Ne saviez-vous pas qu' on tire du haut des remparts ? Qui a tué Abimélek, le fils de Yerubbaal ? N' est-ce pas une femme qui a jeté une meule sur lui du haut du rempart, et il est mort à Tébèç ? Pourquoi vous êtes-vous approchés du rempart ? "
2Sm / 2Sam 11:23 And the messenger said unto David, Surely the men prevailed against us, and came out unto us into the field, and we were upon them even unto the entering of the gate. Ary hoy ny iraka tamin' i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan' ny vavahady kosa izy. Hoy ilay iraka tamin' i Davida: Nivoahan' ireny olona matanjaka noho izahay ireny tany an-tsaha izahay, fa notoherinay hatreny anoloan' ny vavahady kosa izy, Le messager répondit à David : " C' est que ces gens l' avaient emporté sur nous et étaient sortis vers nous en rase campagne, nous les avons refoulés jusqu'à l' entrée de la porte
2Sm / 2Sam 11:24 And the shooters shot from off the wall upon thy servants; and some of the king' s servants be dead, and thy servant Uriah the Hittite is dead also. Ary ny mpitifitra teo amin' ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon' ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa. ary notofirin' ny mpandefa zana-tsipìka avy ery ambony manda ny mpanomponao, ka maro tamin' ny mpanompon' ny mpanjaka no maty; Oria, Heteana, mpanomponao koa mba maty. mais les archers ont tiré sur tes gardes du haut des remparts, certains des gardes du roi ont péri et ton serviteur Urie le Hittite est mort lui aussi. "
2Sm / 2Sam 11:25 Then David said unto the messenger, Thus shalt thou say unto Joab, Let not this thing displease thee, for the sword devoureth one as well as another: make thy battle more strong against the city, and overthrow it: and encourage thou him. Dia hoy Davida tamin' ny iraka: Izao no holazainao amin' i Joaba: Aza malahelo amin' izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin' ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba. Dia hoy Davida tamin' ilay iraka: Izao no lazao amin' i Joaba: Aza malahelo loatra amin' izany hianao, fa mbetika ny iray mbetika kosa ny hafa no asian' ny sabatra. Ka ampitomboy ihany ny hamafin' ny famelezana ny tanàna, dia ravao izy. Ary hianao koa mba mankahereza azy. Alors David dit au messager : " Voici ce que tu diras à Joab : "Que cette affaire ne t' affecte pas : l'épée dévore tantôt celui-ci et tantôt celui-là. Force ton attaque contre la ville et détruis-là. " Ainsi tu lui rendras courage. "
2Sm / 2Sam 11:26 And when the wife of Uriah heard that Uriah her husband was dead, she mourned for her husband. Ary nony ren' ny vadin' i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy. Nony ren' ny vadin' i Oria fa maty ny lahy, dia nitomany azy izy. Lorsque la femme d' Urie apprit que son époux, Urie, était mort, elle fit le deuil pour son mari.
2Sm / 2Sam 11:27 And when the mourning was past, David sent and fetched her to his house, and she became his wife, and bare him a son. But the thing that David had done displeased the Lord. Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain' i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak' i Jehovah izany nataon' i Davida izany. Ka nony afa-tsaona ravehivavy dia nampanalain' i Davida sy noraisiny tao an-tranony. Tonga vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Ary tsy sitrak' Iaveh izany zavatra nataon' i Davida izany. Quand le deuil fut achevé, David l' envoya chercher et la recueillit chez lui, et elle devint sa femme. Elle lui enfanta un fils. Mais l' action que David avait commise déplut à Yahvé.

<-
->