<-
->

2Sm / 2Sam 15:1 And it came to pass after this, that Absalom prepared him chariots and horses, and fifty men to run before him. Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany. Taty aorian' izany nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimampolo lahy izay nihazakazaka teo alohany Absaloma. Il arriva après cela qu' Absalom se procura un char et des chevaux, et cinquante hommes couraient devant lui.
2Sm / 2Sam 15:2 And Absalom rose up early, and stood beside the way of the gate: and it was so, that when any man that had a controversy came to the king for judgment, then Absalom called unto him, and said, Of what city art thou? And he said, Thy servant is of one of the tribes of Israel. Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan' ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin' ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin' i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin' ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin' ny firenen' Isiraely ny mpanomponao. Nifoha maraina koa Absaloma dia nitoetra teo akaikin' ny làlana mankao am-bavahady, ka isaky ny nisy olona manana ady, nankao amin' ny mpanjaka hangataka fitsarana, dia nantsoin' i Absaloma izy nataony hoe: An' inona no tanàna ihavianareo? ka nony namaly hoe: Avy any an' Ananona amin' ny fokon' Israely ny mpanomponao, Levé de bonne heure, Absalom se tenait au bord du chemin qui mène à la porte, et chaque fois qu' un homme, ayant un procès, devait venir au tribunal du roi, Absalom l' interpellait et lui demandait : " De quelle ville es-tu ? " Il répondait : " Ton serviteur est de l' une des tribus d' Israël. "
2Sm / 2Sam 15:3 And Absalom said unto him, See, thy matters are good and right; but there is no man deputed of the king to hear thee. Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin' ny mpanjaka hihaino anao. dia hoy Absaloma taminy: Etsy ange! tsara sy marina ny raharahanao, fa ny olona hihaino anao avy amin' ny mpanjaka no tsy misy. Alors Absalom lui disait : " Vois! Ta cause est bonne et juste, mais tu n' auras personne qui t'écoute de la part du roi. "
2Sm / 2Sam 15:4 Absalom said moreover, Oh that I were made judge in the land, that every man which hath any suit or cause might come unto me, and I would do him justice! Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin' ny tany, ary ho avy atý amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy! Ary nanampy indray Absaloma nanao hoe: Iza re no hanangana ahy ho mpitsara amin' ny tany? Fa na iza na iza manana ady aman-draharaha dia ho tonga aty amiko ka homeko ny rariny avokoa. Absalom continuait : " Ah! qui m'établira juge dans le pays ? Tous ceux qui ont un procès et un jugement viendraient à moi et je leur rendrais justice! "
2Sm / 2Sam 15:5 And it was so, that when any man came nigh to him to do him obeisance, he put forth his hand, and took him, and kissed him. Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany. Ary isaky ny misy olona manatona hiankohoka eo anoloany, dia tolorany tànana, ary noraisiny sy norohany. Et lorsque quelqu' un s' approchait pour se prosterner devant lui, il tendait la main, l' attirait à lui et l' embrassait.
2Sm / 2Sam 15:6 And on this manner did Absalom to all Israel that came to the king for judgment: so Absalom stole the hearts of the men of Israel. Ary toy izany no nataon' i Absaloma tamin' ny Isiraely rehetra izay nankao amin' ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin' i Absaloma ho azy ny fon' ny lehilahy amin' ny Isiraely. Izany no nataon' i Absaloma tamin' ny olona rehetra amin' Israely izay nankao amin' ny mpanjaka nangataka fitsarana, ka nangoleny ny fon' ny olona amin' Israely. Absalom agissait de la sorte envers tous les Israélites qui en appelaient au tribunal du roi et Absalom séduisait le coeur des gens d' Israël.
2Sm / 2Sam 15:7 And it came to pass after forty years, that Absalom said unto the king, I pray thee, let me go and pay my vow, which I have vowed unto the Lord, in Hebron. Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin' ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin' i Jehovah. Nony afaka efa-taona dia hoy Absaloma tamin' ny mpanjaka: Raha sitrakao, avelao kely aho ho any Hebrona, hanefa ny voady nataoko tamin' ny Tompo. Au bout de quatre ans, Absalom dit au roi : " Permets que j' aille à Hébron accomplir le voeu que j' ai fait à Yahvé.
2Sm / 2Sam 15:8 For thy servant vowed a vow while I abode at Geshur in Syria, saying, If the Lord shall bring me again indeed to Jerusalem, then I will serve the Lord. Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin' i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an' i Jehovah. Fa fony nitoetra tany Gesora any Arama dia nanao voady ny mpanomponao ka nanao hoe: Raha averin' ny Tompo any Jerosalema indray aho, dia hanompo an' ny Tompo aho. Car, lorsque j'étais à Geshur en Aram, ton serviteur a fait ce voeu : Si Yahvé me ramène à Jérusalem, je rendrai un culte à Yahvé à Hébron. "
2Sm / 2Sam 15:9 And the king said unto him, Go in peace. So he arose, and went to Hebron. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona. Ka hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana amim-piadanana! Dia niainga izy nankany Hebrona. Le roi lui dit : " Va en paix. " Il se mit donc en route et alla à Hébron.
2Sm / 2Sam 15:10 But Absalom sent spies throughout all the tribes of Israel, saying, As soon as ye hear the sound of the trumpet, then ye shall say, Absalom reigneth in Hebron. Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin' ny firenen' Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon' ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona. Nandefa iraka mangingina hitety ny fokon' Israely rehetra Absaloma nanao hoe: Raha vao mandre ny feon' ny anjomara hianareo, dia lazao hoe: Manjaka ao Hebrona Absaloma! Absalom dépêcha des émissaires à toutes les tribus d' Israël pour dire : " Quand vous entendrez le son du cor, vous direz : Absalom est devenu roi à Hébron. "
2Sm / 2Sam 15:11 And with Absalom went two hundred men out of Jerusalem, that were called; and they went in their simplicity, and they knew not any thing. Ary nisy roan-jato lahy izay nasain' i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin' ny fahatsoran' ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona. Ary nisy olona roan-jato lahy avy any Jerosalema niaraka tamin' i Absaloma, dia olona nasaina izy ireo ka nandeha tamim-pahatsoram-po, fa tsy nahalala na inona na inona. Avec Absalom étaient partis deux cents hommes de Jérusalem; c'étaient des invités qui étaient venus en toute innocence, n'étant au courant de rien.
2Sm / 2Sam 15:12 And Absalom sent for Ahithophel the Gilonite, David' s counsellor, from his city, even from Giloh, while he offered sacrifices. And the conspiracy was strong; for the people increased continually with Absalom. Ary Absaloma naniraka naka an' i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an' i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an' i Absaloma. Mbola eo am-panaterana ny sorona Absaloma, dia naniraka haka an' i Akitofela, Gilaonita, mpanolo-tsaina an' i Davida tany Gilao tanànany. Nihamasaka fatratra ny firaisan-tetika hikomy, fa nitombo teo ihany ny vahoaka nomba an' i Absaloma. Absalom envoya chercher, de sa ville de Gilo, Ahitophel le Gilonite, conseiller de David, et l' eut avec lui en offrant les sacrifices. La conjuration était puissante et la foule des partisans d' Absalom allait augmentant.
2Sm / 2Sam 15:13 And there came a messenger to David, saying, The hearts of the men of Israel are after Absalom. Ary nisy olona tonga tao amin' i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an' i Absaloma fon' ny lehilahy amin' ny Isiraely. Dia nisy olona tonga nilaza tamin' i Davida, nanao hoe: Tafaraikitra amin' ny fanarahana an' i Absaloma ny fon' ny lehilahy amin' Israely. Quelqu' un vint informer David : " Le coeur des gens d' Israël, dit-il, est passé à Absalom. "
2Sm / 2Sam 15:14 And David said unto all his servants that were with him at Jerusalem, Arise, and let us flee; for we shall not else escape from Absalom: make speed to depart, lest he overtake us suddenly, and bring evil upon us, and smite the city with the edge of the sword. Ary hoy Davida tamin' ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin' i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin' ny lelan-tsabatra ny tanàna. Ka hoy Davida tamin' ny mpanompony rehetra tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy misy hahafahantsika amin' i Absaloma. Andao faingana fandrao dia tampohiny isika, ka ataony idiran-doza eto, sady hasiany amin' ny lelan-tsabatra ny tanàna. Alors David dit à tous ses officiers qui étaient avec lui à Jérusalem : " En route, et fuyons! Autrement nous n'échapperons pas à Absalom. Hâtez-vous de partir, de crainte qu' il ne se presse et ne nous attaque, qu' il ne nous inflige le malheur et ne passe la ville au fil de l'épée. "
2Sm / 2Sam 15:15 And the king' s servants said unto the king, Behold, thy servants are ready to do whatsoever my lord the king shall appoint. Ary hoy ny mpanompon' ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko. Ary hoy ny mpanompon' ny mpanjaka taminy: Na inona na inona no hevitra hotapahin' ny mpanjaka tompoko, dia indreto ny mpanomponao. Les officiers du roi lui répondirent : " Quelque choix que fasse Monseigneur le roi, nous sommes à ton service. "
2Sm / 2Sam 15:16 And the king went forth, and all his household after him. And the king left ten women, which were concubines, to keep the house. Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin' ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin' ny vaditsindranony hiandry trano. Dia niainga ny mpanjaka, narahin' ny fianakaviany rehetra, nandeha an-tongotra; fa vaditsindrano folo no najanony hiandry trano. Le roi sortit à pied avec toute sa famille; cependant le roi laissa dix concubines pour garder le palais.
2Sm / 2Sam 15:17 And the king went forth, and all the people after him, and tarried in a place that was far off. Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy. Nivoaka ny mpanjaka niaraka tamin' ny olona rehetra, nandeha an-tongotra, ary nijanona teo amin' ny trano farany. Le roi sortit à pied avec tout le peuple et ils s' arrêtèrent à la dernière maison.
2Sm / 2Sam 15:18 And all his servants passed on beside him; and all the Cherethites, and all the Pelethites, and all the Gittites, six hundred men which came after him from Gath, passed on before the king. Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan' ny mpanjaka. Ny mpanompony rehetra nandeha teny anindrany; ny Keretiana sy ny Feletiana, ary ny Geteana rehetra enin-jato lahy, izay nanaraka azy hatrany Geta, dia nandeha teo alohan' ny mpanjaka. Tous ses officiers se tenaient à ses côtés. Tous les Kerétiens, tous les Pelétiens, Ittaï et tous les Gittites qui étaient venus de Gat à sa suite, six cents hommes, défilaient devant le roi.
2Sm / 2Sam 15:19 Then said the king to Ittai the Gittite, Wherefore goest thou also with us? return to thy place, and abide with the king: for thou art a stranger, and also an exile. Ary hoy ny mpanjaka tamin' Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin' ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin' ny fonenanao. Ary hoy ny mpanjaka tamin' i Etaia, Geteana: Nahoana kosa ity hianao no hiaraka aminay? Miverena hitoetra amin' ny mpanjaka, fa mpivahiny hianao, ary voasesi-tany tsy manam-ponenana. Celui-ci dit à Ittaï le Gittite : " Pourquoi viens-tu aussi avec nous ? Retourne et demeure avec le roi, car tu es un étranger, tu es même exilé de ton pays.
2Sm / 2Sam 15:20 Whereas thou camest but yesterday, should I this day make thee go up and down with us? seeing I go whither I may, return thou, and take back thy brethren: mercy and truth be with thee. Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin' izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana. Vao omaly no omaly hianao no tonga, ka anio sahady ve dia hoentiko hiara-manjenjena aminay, nefa izaho aza ity tsy mahalala izay tany alehako akory? Koa miverena hianao, ary ento miaraka aminao koa ireo rahalahinao, fa ho aminao anie ny fahasoavana amam-pahamarinan' ny Tompo! Tu es arrivé d' hier, et aujourd' hui je te ferais errer avec nous, quand je m' en vais à l' aventure! Retourne et remmène tes frères avec toi, et que Yahvé te témoigne miséricorde et bonté. "
2Sm / 2Sam 15:21 And Ittai answered the king, and said, As the Lord liveth, and as my lord the king liveth, surely in what place my lord the king shall be, whether in death or life, even there also will thy servant be. Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran' ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran' ny mpanomponao. Dia izao no navalin' i Etaia ny mpanjaka nataony hoe: Velona Iaveh ary velona koa ny mpanjaka tompoko! Fa na ho aiza na ho aiza ny mpanjaka, na ho faty na ho velona, dia ho ao koa ny mpanomponao. Mais Ittaï répondit au roi : " Par la vie de Yahvé et par la vie de Monseigneur le roi, partout où sera Monseigneur le roi, pour la mort et pour la vie, là aussi sera ton serviteur. "
2Sm / 2Sam 15:22 And David said to Ittai, Go and pass over. And Ittai the Gittite passed over, and all his men, and all the little ones that were with him. Ary hoy Davida tamin' Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin' ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo. Ka hoy Davida tamin' i Etaia: Andeha àry handroso. Dia nandeha Etaia Geteana, sy ny olony rehetra mbamin' ny zaza rehetra niaraka taminy. David dit alors à Ittaï : " Va et passe. " Et Ittaï le Gittite passa avec tous ses hommes et toute sa smala.
2Sm / 2Sam 15:23 And all the country wept with a loud voice, and all the people passed over: the king also himself passed over the brook Kidron, and all the people passed over, toward the way of the wilderness. Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin' ny lalana mankany an-efitra. Nitomany nikaikaika avokoa ny tany ama-monina tamin' ny nandalovan' ireo vahoaka rehetra ireo. Nony tafita ny ranon-driaka Sedrona ny mpanjaka, dia nandroso tamin' ny tandrifin' ny làlana mankany an' efitra ny vahoaka. Tout le monde pleurait à grands sanglots. Le roi se tenait dans le torrent du Cédron et tout le peuple défilait devant lui en direction du désert.
2Sm / 2Sam 15:24 And lo Zadok also, and all the Levites were with him, bearing the ark of the covenant of God: and they set down the ark of God; and Abiathar went up, until all the people had done passing out of the city. Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran' ny faneken' Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran' Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna. Ary indro ny fiaran' Andriamanitra fa napetrak' i Sadaoka, mbamin' ny Levita rehetra nitondra ny fiaran' ny faneken' Andriamanitra, raha ilay niakatra iny Abiatara, mandra-pahatapitry ny vahoaka rehetra nivoaka avy ao an-tanàna. On vit aussi Sadoq et tous les lévites portant l' arche de Dieu. On déposa l' arche de Dieu auprès d'Ébyatar jusqu'à ce que tout le peuple eût fini de défiler hors de la ville.
2Sm / 2Sam 15:25 And the king said unto Zadok, Carry back the ark of God into the city: if I shall find favour in the eyes of the Lord, he will bring me again, and shew me both it, and his habitation: Ary hoy ny mpanjaka tamin' i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran' Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason' i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany. Dia hoy ny mpanjaka tamin' i Sadaoka: Ento miverina ao an-tanàna ihany ny fiaran' Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason' ny Tompo aho dia mbola hoentiny miverina sy hataony mahita ny fiara sy ny fonenany ihany. Le roi dit à Sadoq : " Rapporte en ville l' arche de Dieu. Si je trouve grâce aux yeux de Yahvé, il me ramènera et me permettra de le revoir ainsi que sa demeure,
2Sm / 2Sam 15:26 But if he thus say, I have no delight in thee; behold, here am I, let him do to me as seemeth good unto him. Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara. Fa raha hoy kosa izy: Tsy sitrako hianao! dia inty aho, izay heveriny ho mety no aoka hataony ahy. et s' il dit : "Tu me déplais", me voici : qu' il me fasse comme bon lui semble. "
2Sm / 2Sam 15:27 The king said also unto Zadok the priest, Art not thou a seer? return into the city in peace, and your two sons with you, Ahimaaz thy son, and Jonathan the son of Abiathar. Ary hoy koa ny mpanjaka tamin' i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin' ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak' i Abiatara. Izao koa no nolazain' ny mpanjaka tamin' i Sadaoka mpisorona: Ary hianao, ry mpahita, miverena ao an-tanàna amim-piadanana, miaraka amin' i Akimaasa zanakao sy Jonatasy zanak' i Abiatara, izy roalahy zanakareo miaraka aminareo. Le roi dit au prêtre Sadoq : " Voyez, toi et Ébyatar, retournez en paix à la ville, et vos deux fils avec vous, Ahimaaç ton fils et Yehonatân le fils d'Ébyatar.
2Sm / 2Sam 15:28 See, I will tarry in the plain of the wilderness, until there come word from you to certify me. Indro, izaho hijanonjanona eny amin' ny fitàna any amin' ny efitra mandra-pahatongan' izay teny avy atý aminareo hambara amiko. Jereo, izaho hijanonjanona any amin' ny tany lemaky ny efitra, mandra-pahazoko teny avy aty aminareo mampandre ahy. Voyez, moi je m' attarderai dans les passes du désert jusqu'à ce que vienne un mot de vous qui m' apporte des nouvelles. "
2Sm / 2Sam 15:29 Zadok therefore and Abiathar carried the ark of God again to Jerusalem: and they tarried there. Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran' Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy. Koa dia nentin' i Sadaoka sy Abiatara niverina tany Jerosalema ny fiaran' Andriamanitra ka nitoetra tao izy. Sadoq et Ébyatar ramenèrent donc l' arche de Dieu à Jérusalem et ils y demeurèrent.
2Sm / 2Sam 15:30 And David went up by the ascent of mount Olivet, and wept as he went up, and had his head covered, and he went barefoot: and all the people that was with him covered every man his head, and they went up, weeping as they went up. Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa. Niakatra ny tendrombohitra Oliva Davida, niakatra sy nitomany izy, sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro; ny vahoaka rehetra nanaraka azy koa nisaron-doha ary nitomany teny am-piakarana. David gravissait en pleurant la Montée des Oliviers, la tête voilée et les pieds nus, et tout le peuple qui l' accompagnait avait la tête voilée et montait en pleurant.
2Sm / 2Sam 15:31 And one told David, saying, Ahithophel is among the conspirators with Absalom. And David said, O Lord, I pray thee, turn the counsel of Ahithophel into foolishness. Ary nisy nanambara tamin' i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan' ny mpiray tetika amin' i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon' i Ahitofela. Ary nisy nilaza vaovao tamin' i Davida nanao hoe: Akitofela koa, isan' ny mpiray tetika amin' i Absaloma; ka hoy Davida: Iaveh ô, mangataka aminao aho, ampanjario ho tsinontsinona ny hevitr' i Akitofela. On avertit alors David qu' Ahitophel était parmi les conjurés avec Absalom, et David dit : " Rends fous, Yahvé, les conseils d' Ahitophel! "
2Sm / 2Sam 15:30 And it came to pass, that when David was come to the top of the mount, where he worshipped God, behold, Hushai the Archite came to meet him with his coat rent, and earth upon his head: Ary nony tonga teo an-tampon' ny tendrombohitra Davida, dia teo amin' izay fivavahan' ny olona tamin' Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; Nony tonga tao an-tampony Davida teo amin' izay ivavahan' ny olona amin' Andriamanitra dia inty Kosaia, ilay Arakita, tonga teo anatrehany, ka ny akanjony rovitra, ny lohany mihosom-bovoka. Comme David arrivait au sommet, là où l' on adore Dieu, il vit venir à sa rencontre Hushaï l' Arkite, le familier de David, avec la tunique déchirée et de la terre sur la tête.
2Sm / 2Sam 15:33 Unto whom David said, If thou passest on with me, then thou shalt be a burden unto me: ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko; Hoy Davida taminy: Raha mandeha miaraka amiko hianao, tonga enta-mavesatra ho ahy foana. David lui dit : " Si tu pars avec moi, tu me seras à charge.
2Sm / 2Sam 15:34 But if thou return to the city, and say unto Absalom, I will be thy servant, O king; as I have been thy father' s servant hitherto, so will I now also be thy servant: then mayest thou for me defeat the counsel of Ahithophel. fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin' i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon' ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon' i Ahitofela. Fa raha miverina any an-tanàna kosa hianao ka milaza amin' i Absaloma hoe: Ry mpanjaka ô, te ho mpanomponao aho; mpanompon-drainao aho taloha ka dia ho mpanomponao aho hatramin' izao, amin' izany ho voahodinao hahasoa ahy ny torohevitr' i Akitofela. Mais si tu retournes en ville et si tu dis à Absalom : "Je serai ton serviteur, Monseigneur le roi; auparavant je servais ton père, maintenant je te servirai", alors tu déjoueras à mon profit les conseils d' Ahitophel.
2Sm / 2Sam 15:35 And hast thou not there with thee Zadok and Abiathar the priests? therefore it shall be, that what thing soever thou shalt hear out of the king' s house, thou shalt tell it to Zadok and Abiathar the priests. Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon' ny mpanjaka, dia ambarao amin' i Zadoka sy Abiatara mpisorona. Ho mpiaraka aminao ao koa i Sadaoka sy Abiatara mpisorona, ka hanambaranao izay rehetra ho renao ny amin' ny tranon' ny mpanjaka i Sadaoka sy Abiatara mpisorona. Sadoq et Ébyatar, les prêtres, ne seront-ils pas avec toi ? Tout ce que tu entendras du palais, tu le rapporteras aux prêtres Sadoq et Ébyatar.
2Sm / 2Sam 15:36 Behold, they have there with them their two sons, Ahimaaz Zadok' s son, and Jonathan Abiathar' s son; and by them ye shall send unto me every thing that ye can hear. Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak' i Zadoka, sy Jonatana, zanak' i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atý amiko. Ary ao amin' izy ireo ny zanany roa lahy dia Akimaasa zank' i Sadaoka sy Jonatasy zanak' i Abiatara, ka ireo no hampandrenesanareo ahy izay rehetra ho renareo. Il y a avec eux leurs deux fils, Ahimaaç pour Sadoq, et Yehonatân pour Ébyatar : vous me communiquerez par leur intermédiaire tout ce que vous aurez appris. "
2Sm / 2Sam 15:37 So Hushai David' s friend came into the city, and Absalom came into Jerusalem. Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan' i Davida, tamin' ny nahatongavan' i Absaloma tany Jerosalema. Dia niverina nankany an-tanàna Kosaia sakaizan' i Davida, ka tamin' izay indrindra no nidiran' i Absaloma tao Jerosalema. Hushaï, le familier de David, rentra en ville au moment où Absalom arrivait à Jérusalem.

<-
->