<-
->

Neh / Ne 13:1 On that day they read in the book of Moses in the audience of the people; and therein was found written, that the Ammonite and the Moabite should not come into the congregation of God for ever; Tamin' izany andro izany dia novakiana teo anatrehan' ny olona ny teny tao amin' ny bokin' i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' Andriamanitra mandrakizay, Tamin' izany andro izany, dia nisy namaky teny tao amin' ny bokin' i Moizy mba ho ren' ny vahoaka; ka hita voasoratra ao fa tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' Andriamanitra, na oviana na oviana, ny Amonita sy ny Moabita, En ce temps-là, on lut au peuple dans le livre de Moïse et l' on y trouva écrit : "L' Ammonite et le Moabite ne seront pas admis à l' assemblée de Dieu, et cela pour toujours,
Neh / Ne 13:2 Because they met not the children of Israel with bread and with water, but hired Balaam against them, that he should curse them: howbeit our God turned the curse into a blessing. satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak' Isiraely izy, fa nanamby an' i Balama hanozona azy; kanjo nampodin' Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana. satria tsy mba nitsena ny zanak' Israely, nitondra mofo sy rano ireo, ary satria nanamby an' i Balaama hanozona azy, saingy nampodin' Andriamanitra ho tso-drano ny ozona. car ils ne sont pas venus à la rencontre des Israélites avec le pain et l' eau. Ils soudoyèrent contre eux Balaam, pour les maudire, mais notre Dieu changea la malédiction en bénédiction."
Neh / Ne 13:3 Now it came to pass, when they had heard the law, that they separated from Israel all the mixed multitude. Ary rehefa ren' ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin' ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra. Nony ren' ny olona izany lalàna izany, dia navahana hiala tamin' Israely ny olon-kafa firenena rehetra. Dès qu' on eut entendu la Loi, on exclut d' Israël tout élément étranger.
Neh / Ne 13:4 And before this, Eliashib the priest, having the oversight of the chamber of the house of our God, was allied unto Tobiah: Ary talohan' izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin' ny efi-trano ao an-tranon' Andriamanitsika sady havan' i Tobia akaikiny, Talohan' izany, Eliasiba mpisorona, izay mpitandrina ny efi-tranon' Andriamanitsika, sy tonga havan' i Tobia, Mais auparavant, le prêtre Elyashib avait été préposé aux salles du Temple de notre Dieu. Lié à Tobiyya,
Neh / Ne 13:5 And he had prepared for him a great chamber, where aforetime they laid the meat offerings, the frankincense, and the vessels, and the tithes of the corn, the new wine, and the oil, which was commanded to be given to the Levites, and the singers, and the porters; and the offerings of the priests. dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin' ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon' ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an' ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an' ny mpisorona. efa nanamboatra ho an' io, efitrano anankiray lehibe, nitehirizana talohan' izany ny fanatitra, ny emboka, ny fanaka, ny ampahafolon' ny vary, divay vaovao, diloilo, ny hetra ho an' ny levita, ny mpiandry varavarana, ary izay natokana ho an' ny mpisorona. il lui avait aménagé une salle spacieuse, où l' on plaçait précédemment les offrandes, l' encens, les ustensiles, la dîme du blé, du vin et de l' huile, c' est-à-dire les parts des lévites, des chantres et des portiers et ce qu' on prélevait pour les prêtres.
Neh / Ne 13:6 But in all this time was not I at Jerusalem: for in the two and thirtieth year of Artaxerxes king of Babylon came I unto the king, and after certain days obtained I leave of the king: Fa tamin' izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin' ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan' i Artaksersesy, mpanjakan' i Babylona, no nahatongavako tany amin' ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin' ny mpanjaka aho; Tsy tao Jerosalema aho, fony nisy izany rehetra izany, satria tamin' ny taona faharoa amby teloplo nanjakan' i Artakserksesa, mpanjakan' i Babilona, dia niverina tany amin' ny mpanjaka aho. Ary afaka andro vitsivitsy, J'étais, durant tout cela, absent de Jérusalem, car dans la trente-deuxième année d' Artaxerxès, roi de Babylone, j'étais parti auprès du roi; mais, au bout d' un certain temps, je demandai au roi un congé
Neh / Ne 13:7 And I came to Jerusalem, and understood of the evil that Eliashib did for Tobiah, in preparing him a chamber in the courts of the house of God. ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon' i Eliasiba ho an' i Tobia tamin' ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin' ny kianjan' ny tranon' Andriamanitra. nahazo làlana tamin' ny mpanjaka hiverina ho any Jerosalema aho, ka izay vao nahita ity ratsy nataon' i Eliasiba, ho fankasitrahana an' i Tobia, fa nanamboatra efitrano ho azy, tao anatin' ny kianjan' ny tranon' Andriamanitra. et revins à Jérusalem. J' appris alors la mauvaise action qu' avait faite Elyashib en faveur de Tobiyya, en lui aménageant une salle dans le parvis du Temple de Dieu.
Neh / Ne 13:8 And it grieved me sore: therefore I cast forth all the household stuff to Tobiah out of the chamber. Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an' i Tobia hiala tamin' ny efi-trano. Tsindrian' ny alahelo lehibe aho tamin' izany, ka natsipiko tany ivelan' ny efitrano ny fanaka rehetra tao amin' ny fonenan' i Tobia. Cela me déplut fort : je jetai donc à la rue, hors de la salle, tout le mobilier de Tobiyya,
Neh / Ne 13:9 Then I commanded, and they cleansed the chambers: and thither brought I again the vessels of the house of God, with the meat offering and the frankincense. Ary nasaiko nodiovin' ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon' Andriamanitra mbamin' ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona. Rahefa izay, nasaiko nodiovina ny efitrano, ary naveriko tao indray ny fanaky ny tranon' Andriamanitra, mbamin' ny fanatitra sy ny emboka. et j' ordonnai qu' on purifiât les salles; puis j' y fis réintégrer les ustensiles du Temple de Dieu, les offrandes et l' encens.
Neh / Ne 13:10 And I perceived that the portions of the Levites had not been given them: for the Levites and the singers, that did the work, were fled every one to his field. Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman' ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha. Reko koa fa tsy voaloa ny anjaran' ny levita, ary efa samy nitsoaka ho any amin' ny taniny avy ny levita sy ny mpihira niandraikitra ny fanompoana. J' appris également que les parts des lévites ne rentraient plus et que les lévites et les chantres chargés du service s'étaient enfuis chacun vers son champ.
Neh / Ne 13:11 Then contended I with the rulers, and said, Why is the house of God forsaken? And I gathered them together, and set them in their place. Dia nifandahatra tamin' ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon' Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin' ny toerany avy. Noteneniko mafy ny andriambaventy, nataoko hoe: Nahoana no dia nilaozana ity tranon' Andriamanitra? Dia novoriko ny levita sy ny mpihira, ka napetrako teo amin' ny zara toerany avy. Aussi tançai-je les magistrats en ces termes : "Pourquoi le Temple de Dieu est-il à l' abandon?" Je les rassemblai donc et les rétablis dans leur fonction.
Neh / Ne 13:12 Then brought all Judah the tithe of the corn and the new wine and the oil unto the treasuries. Dia nentin' ny Joda rehetra ho ao amin' ny trano firaketana ny ampahafolon' ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo. Izay, Jodà rehetra, vao nitondra ho ao an-trano fitehirizana ny fahafolon' ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo. Alors tout Juda apporta aux magasins la dîme du blé, du vin et de l' huile.
Neh / Ne 13:13 And I made treasurers over the treasuries, Shelemiah the priest, and Zadok the scribe, and of the Levites, Pedaiah: and next to them was Hanan the son of Zaccur, the son of Mattaniah: for they were counted faithful, and their office was to distribute unto their brethren. Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin' ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak' i Zakora, zanak' i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin' ireo dia ny hizara ho an' ny rahalahiny. Ary notendreko ho mpitandrina ny trano fitehirizana Selemiasa mpisorona, Sadaoka mpanora-dalàna, Fadaiasa, anankiray tamin' ny levita; ary nataoko mpanampy an' ireo Hanàna zanak' i Zakora, zanak' i Mataniasa, fa ireo no hita toetra ho mahatoky. Azy ireo ny mizara ho an' ny rahalahiny. Je préposai aux magasins le prêtre Shélémya, le scribe Sadoq, Pedaya, l' un des lévites, et, pour les assister, Hanân, fils de Zakkur, fils de Mattanya, car ils passaient pour intègres; leur office fut de faire les distributions à leurs frères.
Neh / Ne 13:14 Remember me, O my God, concerning this, and wipe not out my good deeds that I have done for the house of my God, and for the offices thereof. Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin' ny tranon' Andriamanitro sy ny amin' ny raharaha tokony hatao ao. Tsarovy aho, noho izany, ry Andriamanitro ô; ary aza kosehina ny asa fitiavam-bavaka nataoko momba ny tranon' Andriamanitra sy amin' ny fanompoana fanao ao. Pour cela, souviens-toi de moi, mon Dieu : n' efface pas les actes de piété que j' ai accomplis pour le Temple de mon Dieu et ses observances.
Neh / Ne 13:15 In those days saw I in Judah some treading wine presses on the sabbath, and bringing in sheaves, and lading asses; as also wine, grapes, and figs, and all manner of burdens, which they brought into Jerusalem on the sabbath day: and I testified against them in the day wherein they sold victuals. Ary tamin' izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin' ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin' ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin' ny andro nivarotany hanina. Tamin' izany andro izany aho nahita olona sasany, tany Jodà, nanosihosy teo amin' ny famiazam-boaloboka, tamin' ny andro sabata, nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny ampondrany aza, dia divay, voaloboka, aviavy, mbamin' ny entana isan-karazany, ka nentina ho any Jerosalema tamin' ny andro sabata; noteneniko izy ireo nony nivarotra ny entam-barony. En ces jours-là, je vis en Juda des gens qui foulaient au pressoir, le jour du sabbat; d' autres apportaient des gerbes de blé, les chargeaient sur des ânes, avec du vin, des raisins, des figues et toutes sortes de fardeaux, qu' ils voulaient introduire à Jérusalem le jour du sabbat : je les avertis de ne point vendre de denrées.
Neh / Ne 13:16 There dwelt men of Tyre also therein, which brought fish, and all manner of ware, and sold on the sabbath unto the children of Judah, and in Jerusalem. Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin' ny taranak' i Joda sy tany Jerosalema tamin' ny Sabata; Nisy Tiriana nonina tao Jerosalema koa nitondra hazandrano sy entam-barotra isan-karazany, namidiny tamin' ny taranak' i Jodà sy tao Jerosalema, tamin' ny andro sabata. A Jérusalem même, des Tyriens, qui habitaient là, apportaient du poisson et des marchandises de tout genre pour les vendre aux Judéens le jour du sabbat.
Neh / Ne 13:17 Then I contended with the nobles of Judah, and said unto them, What evil thing is this that ye do, and profane the sabbath day? Dia nifandahatra tamin' ireo manan-kaja amin' ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo? Noteneniko mafy ny lehibe amin' i Jodà, nataoko hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo mandoto ny andro sabata izao? Aussi tançai-je les grands de Juda, leur déclarant : "Quelle chose exécrable vous faites là, en profanant le jour du sabbat!
Neh / Ne 13:18 Did not your fathers thus, and did not our God bring all this evil upon us, and upon this city? yet ye bring more wrath upon Israel by profaning the sabbath. Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran' Andriamanitsika amintsika sy amin' ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin' ny Isiraely amin' ny andotoanareo ny Sabata. Tsy toy izao indrindra va no nataon' ny razanareo, ka nampidiran' Andriamanitra izao loza manjo antsika sy ity tanôna ity izao? Ary inty indray hianareo manampy ny hatezerany amin' Israely, amin' ny fandotoana ny sabata! N' est-ce pas ainsi qu' ont agi vos pères? Alors notre Dieu fit venir tout ce malheur sur nous et sur cette ville. Et vous, vous accroissez la Colère contre Israël en profanant le sabbat."
Neh / Ne 13:19 And it came to pass, that when the gates of Jerusalem began to be dark before the sabbath, I commanded that the gates should be shut, and charged that they should not be opened till after the sabbath: and some of my servants set I at the gates, that there should no burden be brought in on the sabbath day. Ary raha vao malomaloka ny vavahadin' i Jerosalema talohan' ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin' ny andro Sabata. Taorian' izany, nony efa maizimaizina ny teo amin' ny fidirana ho ao Jerosalema, alohan' ny sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana raha tsy efa tapitra ny sabata. Fanampin' izany, napetrako teo am-bavahady ny oloko sasany, mba tsy hisy hampidirana amin' ny andro sabata ny entana rehetra. Aussi, dès que l' ombre eut gagné les portes de Jérusalem, juste avant le sabbat, j' ordonnai la fermeture des battants et je dis qu' on ne les rouvre qu' après le sabbat. Je postai quelques-uns de mes gens aux portes pour qu' aucun fardeau n' entrât le jour du sabbat.
Neh / Ne 13:20 So the merchants and sellers of all kind of ware lodged without Jerusalem once or twice. Ka dia nandry teo ivelan' i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa; Tamin' izay, tafandry tany ivelan' i Jerosalema, indray mandeha na indroa, ny mpandranto amam-pivarotra, Une fois ou deux, des marchands, des trafiquants en tous genres de marchandises passèrent la nuit hors de Jérusalem,
Neh / Ne 13:21 Then I testified against them, and said unto them, Why lodge ye about the wall? if ye do so again, I will lay hands on you. From that time forth came they no more on the sabbath. dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan' ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin' izany andro izany dia tsy tonga tamin' ny Sabata intsony izy. ka noteneniko izy ireo nataoko hoe: Ahoana no andrianareo eto anoloan' ny manda? Raha mbola manao izany hianareo, dia hosamboriko. Hatramin' izay andro izay, dia tsy tonga tamin' ny sabata intsony izy ireo. mais je les avertis, leur déclarant : "Pourquoi passer la nuit aux abords du mur? Si vous recommencez, je mettrai la main sur vous!" Depuis ce moment, ils ne sont plus venus le jour du sabbat.
Neh / Ne 13:22 And I commanded the Levites that they should cleanse themselves, and that they should come and keep the gates, to sanctify the sabbath day. Remember me, O my God, concerning this also, and spare me according to the greatness of thy mercy. Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben' ny famindram-ponao. Ary nasaiko nanadio ny tenany ny levita, sy ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasina ny andro sabata. Tsarovy noho izany koa aho, ry Andriamanitro o, ary tsimbino araka ny haben' ny famindram-ponao aho. J' ordonnai aux lévites de se purifier et de venir surveiller les portes, pour qu' on observât saintement le jour du sabbat. Pour cela aussi souviens-toi de moi, mon Dieu, et prends-moi en pitié, selon ta grande miséricorde!
Neh / Ne 13:23 In those days also saw I Jews that had married wives of Ashdod, of Ammon, and of Moab: Ary tamin' izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba; Tamin' izany andro izany koa aho, dia nahita Jody namponina tao aminy vehivavy Azotiana, Amonita, Moabita. En ces jours-là encore, je vis des Juifs qui avaient épousé des femmes Ashdodites, ammonites ou moabites.
Neh / Ne 13:24 And their children spake half in the speech of Ashdod, and could not speak in the Jews' language, but according to the language of each people. ary ny antsasaky ny zanany dia nanao tenin' ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy. Ny antsasaky ny zanak' ireo nanao teny azotiana, fa tsy nahay teny jodeana; tahaka izany koa ny amin' ny fitenin' ny vahoaka hafa sasany. Quant à leurs enfants, la moitié parlait l' Ashdodien ou la langue de tel ou tel peuple, mais ne savait plus parler le juif.
Neh / Ne 13:25 And I contended with them, and cursed them, and smote certain of them, and plucked off their hair, and made them swear by God, saying, Ye shall not give your daughters unto their sons, nor take their daughters unto your sons, or for yourselves. Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin' Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin' ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin' ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo. Nasiako teny mafy izy ireo sy nozoniko; maro no nokapohiko, nombotako ny volony, ary nangataka nitalaho tamin' izy ireo aho, tamin' ny anaran' Andriamanitra, nanao hoe: Ny zanakareo vavy, tsy homenareo ho vadin' ny zanany lahy, ary ny zanany vavy tsy halainareo ho vadin' ny zanakareo lahy, na ho vadinareo. Je les tançai et les maudis, en frappai plusieurs, leur arrachai les cheveux et les adjurai de par Dieu : "Vous ne devez pas donner vos filles à leurs fils, ni prendre pour femmes aucune de leurs filles, pour vos fils ou pour vous-mêmes!
Neh / Ne 13:26 Did not Solomon king of Israel sin by these things? yet among many nations was there no king like him, who was beloved of his God, and God made him king over all Israel: nevertheless even him did outlandish women cause to sin. Tsy izany va no nanotan' i Solomona, Mpanjakan' i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin' ny firenena maro, fa tian' Andriamaniny izy ka nataon' Andriamanitra ho mpanjaka tamin' ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain' ny vehivavy hafa firenena. Moa tsy izao indrindra va no nanotan' i Salomona mpanjakan' Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy, teo amin' ny firenena maro; tian' Andriamaniny izy; nataon' Andriamanitra mpanjaka amin' Israely rehetra izy. Kanefa izy koa dia notarihin' ireo vehivavy hafa firenena ho amin' ny fahotana. N' est-ce pas en cela qu' a péché Salomon, roi d' Israël? Parmi tant de nations, aucun roi ne lui fut semblable; il était aimé de son Dieu; Dieu l' avait fait roi sur tout Israël. Même lui, les femmes étrangères l' entraînèrent à pécher!
Neh / Ne 13:27 Shall we then hearken unto you to do all this great evil, to transgress against our God in marrying strange wives? Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin' Andriamanitsika amin' ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo? Ka moa tokony ho re akory va, fa hianareo koa mahavita heloka be vava sy manota amin' Andriamanitsika toy izany, fa namponina ao aminareo vehivavy hafa firenena! Faudra-t-il entendre dire que vous commettez aussi ce grand crime : trahir notre Dieu en vous mariant avec des femmes étrangères?"
Neh / Ne 13:28 And one of the sons of Joiada, the son of Eliashib the high priest, was son in law to Sanballat the Horonite: therefore I chased him from me. Ary vinanton' i Sanbala Horonita ny anankiray amin' ny zanak' i Joiada, zanak' i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy. Ny iray amin' ny zanak' i Joiadà, zanak' i Eliasiba mpisorona lehibe, dia vinantolahin' i Sanabalata, ka noroahiko hiala teo amiko. L' un des fils de Yoyada, fils d' Elyashib, le grand prêtre, était le gendre de Sânballat, le Horonite. Je le chassai loin de moi.
Neh / Ne 13:29 Remember them, O my God, because they have defiled the priesthood, and the covenant of the priesthood, and of the Levites. Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken' ny fisoronana sy ny Levita. Tsarovy izy ireo, ry Andriamanitro ô, ny amin' ny nanalany baraka ny fisoronana sy ny andraikitra masin' ny mpisorona sy ny levita! Souviens-toi de ces gens, mon Dieu, pour l' avilissement causé au sacerdoce et à l' alliance des prêtres et lévites.
Neh / Ne 13:30 Thus cleansed I them from all strangers, and appointed the wards of the priests and the Levites, every one in his business; Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin' ny tamin' ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan' ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin' ny raharahany avy, Dia voadioko ho afaka amin' ny hafa firenena rehetra izy ireo, ary novelomiko indray ny lalàna momba ny mpisorona sy ny levita, samy amin' ny raharahany avy, Je les purifiai donc de tout élément étranger. J'établis, pour les prêtres et les lévites, les règlements qui délimitaient à chacun sa tâche.
Neh / Ne 13:31 And for the wood offering, at times appointed, and for the firstfruits. Remember me, O my God, for good. ary ny amin' ny fanaterana ny kitay hazo tamin' izay fotoan' androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô. mbamin' ny momba ny fanaterana kitay hazo ara-potoana voafetra, ary ny amin' ny voaloham-bokatra. Tsarovy izany hanasoavana ahy, ry Andriamanitro ô, mba ho soa ho ahy! J' en établis également pour les livraisons du bois à dates fixées, et pour les prémices. Souviens-toi de moi, mon Dieu, pour mon bonheur!

<-
->