<-
->

Neh / Ne 5:1 And there was a great cry of the people and of their wives against their brethren the Jews. Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin' ny Jiosy rahalahiny. Velon-taraina mafy ny sarababem-bahoaka mbamin' ny vadiny, noho ny amin' ireo Jody rahalahiny. Une grande plainte s'éleva parmi les gens du peuple et leurs femmes contre leurs frères juifs.
Neh / Ne 5:2 For there were that said, We, our sons, and our daughters, are many: therefore we take up corn for them, that we may eat, and live. Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin' ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay. Hoy ny sasany: Maro izahay, mbamin' ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ka aoka handray vary hohaninay ka ho velona izahay. Les uns disaient : "Nous devons donner en gage nos fils et nos filles pour recevoir du blé, manger et vivre."
Neh / Ne 5:3 Some also there were that said, We have mortgaged our lands, vineyards, and houses, that we might buy corn, because of the dearth. Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary. Hoy koa ny sasany: Ataonay antoka ny taninay mbamin' ny tanimboalobokay sy ny tranonay, mba hahazoanay vary mandritra ny mosary. D' autres disaient : "Nous devons engager nos champs, nos vignes et nos maisons pour recevoir du blé pendant la famine."
Neh / Ne 5:4 There were also that said, We have borrowed money for the king' s tribute, and that upon our lands and vineyards. Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran' ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka. Hoy koa ny hafa: Ny taninay aman-tanimboalobokay izao, efa nataonay antoky ny vola nosamborinay handoavana ny hetran' ny mpanjaka. D' autres encore disaient : "Pour acquitter l' impôt roi, nous avons dû emprunter de l' argent sur nos champs et nos vignes;
Neh / Ne 5:5 Yet now our flesh is as the flesh of our brethren, our children as their children: and, lo, we bring into bondage our sons and our daughters to be servants, and some of our daughters are brought unto bondage already: neither is it in our power to redeem them; for other men have our lands and vineyards. Kanefa mba tahaka ny nofon' ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin' ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan' ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay. Ary ankehitriny dia mba toy ny nofon' ny rahalahinay ihany ny nofonay ka mba toy ny zanany ihany koa ny zanakay, kanjo indro fa ampidirinay amin' ny fanandevozana ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ary ny sasany amin' ny zanakay vavy efa andevo sahady. Ary ataonay ahoana moa fa efa lasan' ny sasany ny taninay aman-tanimboalobokay. et alors que nous avons la même chair que nos frères, que nos enfants valent les leurs, nous devons livrer en esclavage nos fils et nos filles; il en est, parmi nos filles, qui sont asservies! Nous n' y pouvons rien, puisque nos champs et nos vignes sont déjà à d' autres."
Neh / Ne 5:6 And I was very angry when I heard their cry and these words. Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany. Loza ny hatezerako nony nandre ny fitarainan' izy ireo, sy izany teny izany. Je me mis fort en colère quand j' entendis leur plainte et ces paroles.
Neh / Ne 5:7 Then I consulted with myself, and I rebuked the nobles, and the rulers, and said unto them, Ye exact usury, every one of his brother. And I set a great assembly against them. Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin' ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy. Nony nieritreritra aho anakampoko, dia ireo lehibe aman' andriambaventy no nanariko mafy sy nataoko hoe: Mampanjanaka vola hianareo izany, samy amin' ny rahalahiny avy! Koa nanao fivorian-dehibe noho ny amin' izy ireo aho, Ayant délibéré en moi-même, je tançai les grands et les magistrats en ces termes : "Quel fardeau chacun de vous impose à son frère!" Et convoquant contre eux une grande assemblée,
Neh / Ne 5:8 And I said unto them, We after our ability have redeemed our brethren the Jews, which were sold unto the heathen; and will ye even sell your brethren? or shall they be sold unto us? Then held they their peace, and found nothing to answer. Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin' ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny. dia nilaza taminy hoe: Izahay nanavotra ny Jody rahalahintsika namidy tamin' ny firenena araka ny anananay, ka hianareo kosa ve, hivarotra ny rahalahinareo, sady hivarotra azy aminay! Gina tsy nahita havaly izy ireo. je leur dis : "Nous avons, dans la mesure de nos moyens, racheté nos frères juifs qui s'étaient vendus aux nations. Et c' est vous maintenant qui vendez vos frères pour que nous les rachetions!" Ils gardèrent le silence et ne trouvèrent rien à répliquer.
Neh / Ne 5:9 Also I said, It is not good that ye do: ought ye not to walk in the fear of our God because of the reproach of the heathen our enemies? Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin' ny fahatahorana an' Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian' ny jentilisa fahavalontsika? Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao nataonareo izao. Moa tsy tokony ho nandeha tamim-pahatahorana an' Andriamanitsika va hianareo, mba tsy ho voan' ny fanaratsian' ny firenena fahavalontsika? Je poursuivis : "Ce que vous faites là n' est pas bien. Ne voulez-vous pas marcher dans la crainte de notre Dieu, pour éviter les insultes des nations, nos ennemies?
Neh / Ne 5:10 I likewise, and my brethren, and my servants, might exact of them money and corn: I pray you, let us leave off this usury. Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany; Izaho mbamin' ireo rahalahiko sy ny mpanompoko koa, efa samy nampisambotra taminy vola sy vary. Ka andeha isika samy hamoy izany trosa izany. Moi aussi, mes frères et mes gens, nous leur avons prêté de l' argent et du blé. Eh bien! faisons abandon de cette dette.
Neh / Ne 5:11 Restore, I pray you, to them, even this day, their lands, their vineyards, their oliveyards, and their houses, also the hundredth part of the money, and of the corn, the wine, and the oil, that ye exact of them. eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin' olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton' ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy. Anio ihany dia samia mamerina ny tanin' izy ireo, ny tanimboalobony, ny fototr' olivany, ny tranony, ary ny ampahazaton' ny vola mbamin' ny divay vaovao aman-diloilo nasainareo haloany ho zana-bola. Restituez-leur sans délai leurs champs, leurs vignes, leurs oliviers et leurs maisons, et remettez-leur la dette de l' argent, du blé, du vin et de l' huile que vous leur avez prêtés."
Neh / Ne 5:12 Then said they, We will restore them, and will require nothing of them; so will we do as thou sayest. Then I called the priests, and took an oath of them, that they should do according to this promise. Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany, Ka izao no navalin' izy ireo: Haverinay izany, ary tsy hitaky na inona na inona aminy intsony izahay, fa hotanterahinay ny voalazanao. Dia nantsoiko ny mpisorona ary nampanaoviko fianianana fa araka izany teny izany no hataony. Ils répondirent : "Nous restituerons; nous n' exigerons plus rien d' eux; nous agirons comme tu l' as dit."
Neh / Ne 5:13 Also I shook my lap, and said, So God shake out every man from his house, and from his labour, that performeth not this promise, even thus be he shaken out, and emptied. And all the congregation said, Amen, and praised the Lord. And the people did according to this promise. sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan' Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin' ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an' i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona. Ka sady nanakopaka ny kapaotiko aho no nilaza hoe: Hakopak' Andriamanitra toy izao anie ny olona rehetra tsy mahatanteraka izany teny izany, ho eo ivelan' ny tranony amam-pananany, ka dia ho voakopaka sy ho avela tsy manana na inona na inona izy. Dia indray namaly ny fiangonana nanao hoe: Amena, sady nidera an' Andriamanitra; ary notanterahin' ny vahoaka tokoa izany teny izany. Puis je secouai le pli de mon vêtement en disant : "Que Dieu secoue de la sorte, hors de sa maison et de son bien, tout homme qui ne tiendra pas cette parole : qu' il soit ainsi secoué et vidé!" Et toute l' assemblée répondit : "Amen!" et loua Yahvé. Et le peuple agit suivant cet engagement.
Neh / Ne 5:14 Moreover from the time that I was appointed to be their governor in the land of Judah, from the twentieth year even unto the two and thirtieth year of Artaxerxes the king, that is, twelve years, I and my brethren have not eaten the bread of the governor. Ary koa, hatramin' ny andro nanendrena ahy ho governora amin' ny tany Joda, dia hatramin' ny taona faharoa-polo ka hatramin' ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan' i Artaksersesy, dia roa ambin' ny folo taona izay, izaho sy ny raha!ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman' ny governora. Hatramin' ny andro nametrahan' ny mpanjaka ahy ho governora teo amin' ny tanin' i Jodà, izany hoe: hatramin' ny taona faharoapolo, ka hatramin' ny taona faharoa amby telopolo nanjakan' i Artakserksesa, dia nandritra ny roa ambin' ny folo taona, tsy mba nihinana ny mofon' ny governora, na izaho na ireo rahalahiko. Bien plus, depuis le jour où le roi m' institua gouverneur au pays de Juda, de la vingtième à la trente-deuxième année du roi Artaxerxès, pendant douze ans, moi et mes frères n' avons jamais mangé la provende du gouverneur.
Neh / Ne 5:15 But the former governors that had been before me were chargeable unto the people, and had taken of them bread and wine, beside forty shekels of silver; yea, even their servants bare rule over the people: but so did not I, because of the fear of God. Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin' ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an' Andriamanitra. Ny governora teo alohako, nahavaky tratra ny vahoaka ary nandray mofo aman-divay taminy, ivelan' ny volafotsy efapolo sikla; hatramin' ny mpanompony avy no nampahory ny vahoaka; fa izaho kosa dia tsy mba nanao toy izany, noho ny fahatahorako an' Andriamanitra. Or les anciens gouverneurs, qui m' ont précédé, pressuraient le peuple : ils lui prenaient chaque jour, pour la provende, 40
Neh / Ne 5:16 Yea, also I continued in the work of this wall, neither bought we any land: and all my servants were gathered thither unto the work. Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa. Mainka fa nimasoako ny fanamboarana io manda io; tsy mba nividy tany akory izahay, fa vory nihohoka teo amin' ny asa avokoa ny oloko. Je me suis également appliqué au travail de ce rempart, bien que je ne fusse propriétaire d' aucun champ! Tous mes gens étaient là, réunis à la tâche.
Neh / Ne 5:17 Moreover there were at my table an hundred and fifty of the Jews and rulers, beside those that came unto us from among the heathen that are about us. Ary teo amin' ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin' ny firenena manodidina anay. Ny nihinana eo amin' ny latabatro dia dimampolo amby zato lahy, Jody sy andriambaventy, afa-tsy izay tonga ao aminay, avy amin' ny firenena manodidina. A ma table mangeaient les grands et les magistrats, au nombre de 150, sans compter ceux qui nous venaient des nations environnantes.
Neh / Ne 5:18 Now that which was prepared for me daily was one ox and six choice sheep; also fowls were prepared for me, and once in ten days store of all sorts of wine: yet for all this required not I the bread of the governor, because the bondage was heavy upon this people. Ary ny namboarina ho ahy isan' andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman' ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana. Ka izao no natokana isan' andro: omby iray, ondry voafantina enina, ary vorona no nahandroina, ka izaho no nandoa ny lany; isan-kafoloana koa namononana ny divay ilaina natao betsaka. Na dia izany aza anefa, tsy mba nitaky ny mofon' ny governora aho, satria efa mavesatra loatra tamin' izany vahoaka izany ny asa nataony. Quotidiennement on apprêtait à mes frais un boeuf, six moutons de choix et des volailles; tous les dix jours, on apportait quantité d' outres de vin. Malgré cela, je n' ai jamais réclamé la provende du gouverneur, car sur ce peuple pesait un lourd service.
Neh / Ne 5:19 Think upon me, my God, for good, according to all that I have done for this people. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an' ity firenena ity. Tsarovy, ry Andriamanitra ô, ka hahazoako sitraka anie izay rehetra nataoko ho an' izany vahoaka izany. Souviens-toi, mon Dieu, en ma faveur, de tout ce que j' ai fait pour ce peuple!

<-
->