<-
->

Eks 16:1 And they took their journey from Elim, and all the congregation of the children of Israel came unto the wilderness of Sin, which is between Elim and Sinai, on the fifteenth day of the second month after their departing out of the land of Egypt. Ary tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folo tamin' ny volana faharoa taorian' ny nialany tany amin' ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, ka nankany amin' ny efitra Sina, izay eo anelanelan' i Elima sy Sinay. Niala tao Elima izy ireo ary ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra dia tonga tany an' efitra Sina, anelanelan' i Elima sy Sinaia tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folon' ny volana faharoa, taorian' ny nialany tany amin' ny tany Ejipta. Ils partirent d'Élim, et toute la communauté des Israélites arriva au désert de Sîn, situé entre Élim et le Sinaï, le quinzième jour du second mois qui suivit leur sortie d'Égypte.
Eks 16:2 And the whole congregation of the children of Israel murmured against Moses and Aaron in the wilderness: Dia nimonomonona tamin' i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, Nimonomonona tamin' i Moizy sy Aarona tao an' efitra ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra. Toute la communauté des Israélites se mit à murmurer contre Moïse et Aaron dans le désert.
Eks 16:3 And the children of Israel said unto them, Would to God we had died by the hand of the Lord in the land of Egypt, when we sat by the flesh pots, and when we did eat bread to the full; for ye have brought us forth into this wilderness, to kill this whole assembly with hunger. ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin' ny tànan' i Jehovah tany amin' ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan' ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atý an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao. Hoy ny zanak' Israely tamin' izy ireo hoe: Inay anie izahay mba matin' ny tànan' ny Tompo tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan' ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo aty an' efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao. Les Israélites leur dirent : " Que ne sommes-nous morts de la main de Yahvé au pays d'Égypte, quand nous étions assis auprès de la marmite de viande et mangions du pain à satiété !A coup sûr, vous nous avez amenés dans ce désert pour faire mourir de faim toute cette multitude. "
Eks 16:4 Then said the Lord unto Moses, Behold, I will rain bread from heaven for you; and the people shall go out and gather a certain rate every day, that I may prove them, whether they will walk in my law, or no. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan' andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Indro aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan' andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin' ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia. Yahvé dit à Moïse : " Je vais faire pleuvoir pour vous du pain du haut du ciel. Les gens sortiront et recueilleront chaque jour leur ration du jour ; je veux ainsi les mettre à l'épreuve pour voir s' ils marcheront selon ma loi ou non.
Eks 16:5 And it shall come to pass, that on the sixth day they shall prepare that which they bring in; and it shall be twice as much as they gather daily. Ary raha mby amin' ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan' andro. Amin' ny andro fahenina, homaniny izay efa nangoniny, ka hisy indroa toraky ny fanangony isan' andro. Et le sixième jour, quand ils prépareront ce qu' ils auront rapporté, il y en aura le double de ce qu' ils recueillent chaque jour. "
Eks 16:6 And Moses and Aaron said unto all the children of Israel, At even, then ye shall know that the Lord hath brought you out from the land of Egypt: Ary hoy Mosesy sy Arona tamin' ny Zanak' Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta; Koa hoy Moizy sy Aarona tamin' ny zanak' Israely rehetra: Ho fantatrareo anio hariva, fa Iaveh no namoaka anareo tany Ejipta, Moïse et Aaron dirent à toute la communauté des Israélites : " Ce soir vous saurez que c' est Yahvé qui vous a fait sortir du pays d'Égypte
Eks 16:7 And in the morning, then ye shall see the glory of the Lord; for that he heareth your murmurings against the Lord: and what are we, that ye murmur against us? ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr' i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin' i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo? ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitry ny Tompo, satria reny ny fimonomononanareo tamin' ny Tompo, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo? et au matin vous verrez la gloire de Yahvé. Car il a entendu vos murmures contre Yahvé. Et nous, que sommes-nous pour que vous murmuriez contre nous ? "
Eks 16:8 And Moses said, This shall be, when the Lord shall give you in the evening flesh to eat, and in the morning bread to the full; for that the Lord heareth your murmurings which ye murmur against him: and what are we? your murmurings are not against us, but against the Lord. Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen' i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren' i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah. Hoy koa Moizy: Ho hitanareo izany amin' ny hanomezan' ny Tompo anareo hena hohanina anio hariva, ary mofo hahavoky raha maraina; satria ren' ny Tompo ny nimonomononanareo taminy. Fa ny aminay izahay moa no inona? tsy izahay no iharanan' ny fimonomononanareo fa Iaveh ihany. Moïse dit : " Yahvé vous donnera ce soir de la viande à manger et, au matin, du pain à satiété, car Yahvé a entendu vos murmures contre lui. Nous, que sommes-nous ? Ce n' est pas contre nous que vont vos murmures, mais contre Yahvé. "
Eks 16:9 And Moses spake unto Aaron, Say unto all the congregation of the children of Israel, Come near before the Lord: for he hath heard your murmurings. Ary hoy Mosesy tamin' i Arona: Lazao amin' ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan' i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo. Ary hoy Moizy tamin' i Aarona: Lazao amin' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra hoe: Manatòna eo anatrehan' ny Tompo hianareo, fa efa reny ny fimonomononanareo. Moïse dit à Aaron : " Dis à toute la communauté des Israélites : Approchez-vous devant Yahvé, car il a entendu vos murmures. "
Eks 16:10 And it came to pass, as Aaron spake unto the whole congregation of the children of Israel, that they looked toward the wilderness, and, behold, the glory of the Lord appeared in the cloud. Ary raha Arona mbola niteny tamin' ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr' i Jehovah niseho teo amin' ny rahona. Mbola miteny amin' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra eo Aarona, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin' ny rahona ny voninahitry ny Tompo. Comme Aaron parlait à toute la communauté des Israélites, ils se tournèrent vers le désert, et voici que la gloire de Yahvé apparut dans la nuée.
Eks 16:11 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
Eks 16:12 I have heard the murmurings of the children of Israel: speak unto them, saying, At even ye shall eat flesh, and in the morning ye shall be filled with bread; and ye shall know that I am the Lord your God. Efa reko ny fimonomononan' ny Zanak' Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Reko ny fimonomononan' ny zanak' Israely, ka lazao azy ireo hoe: Amin' ny àty takariva hianareo dia hihinan-kena; ary raha maraina koa dia hivoky mofo, ka ho fantatrareo fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. " J' ai entendu les murmures des Israélites. Parle-leur et dis-leur : Au crépuscule vous mangerez de la viande et au matin vous serez rassasiés de pain. Vous saurez alors que je suis Yahvé votre Dieu. "
Eks 16:13 And it came to pass, that at even the quails came up, and covered the camp: and in the morning the dew lay round about the host. Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby; Nony hariva indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby; maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby. Le soir, des cailles montèrent et couvrirent le camp, et au matin, il y avait une couche de rosée tout autour du camp.
Eks 16:14 And when the dew that lay was gone up, behold, upon the face of the wilderness there lay a small round thing, as small as the hoar frost on the ground. ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin' ny efitra, madinika toy ny fanala amin' ny tany. Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin' ny tany. Cette couche de rosée évaporée, apparut sur la surface du désert quelque chose de menu, de granuleux, de fin comme du givre sur le sol.
Eks 16:15 And when the children of Israel saw it, they said one to another, It is manna: for they wist not what it was. And Moses said unto them, This is the bread which the Lord hath given you to eat. Ary rehefa hitan' ny Zanak' Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen' i Jehovah ho fihinanareo. Nahita ireny ny zanak' Israely dia nifanontany hoe: Inona itony? satria tsy fantany. Hoy Moizy tamin' izy ireo: Itony no mofo omen' ny Tompo ho fihinanareo. Lorsque les Israélites virent cela, ils se dirent l' un à l' autre : " Qu' est-ce cela ? " car ils ne savaient pas ce que c'était. Moïse leur dit : " Cela, c' est le pain que Yahvé vous a donné à manger.
Eks 16:16 This is the thing which the Lord hath commanded, Gather of it every man according to his eating, an omer for every man, according to the number of your persons; take ye every man for them which are in his tents. Izao no teny izay nandidian' i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran' ny vata omera avy ho amin' ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an' izay ao an-dainy avy. Ary izao no didin' ny Tompo: Samia hianareo manangona izay sahaza hohaniny avy, eran' ny gomora, isan' olona, araka ny isan' ny olona; samia maka ho an' izay ao an-dainy avy. Voici ce qu' a ordonné Yahvé : Recueillez-en chacun selon ce qu' il peut manger, un gomor par personne. Vous en prendrez chacun selon le nombre de personnes qu' il a dans sa tente. "
Eks 16:17 And the children of Israel did so, and gathered, some more, some less. Dia nanao izany ny Zanak' Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely. Dia nataon' ny zanak' Israely izany; samy nanangona izy, ny an' ny sanany be, ny an' ny sasany kely. Les Israélites firent ainsi et en recueillirent les uns beaucoup, les autres peu.
Eks 16:18 And when they did mete it with an omer, he that gathered much had nothing over, and he that gathered little had no lack; they gathered every man according to his eating. Ary raha nafatrany tamin' ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy. Rahefa izay dia nafatra tamin' ny gomora, ka ny nahatonga be tsy nanana ambiny, ny nahangona kely tsy latsa-patra, fa samy izay sahaza ho haniny avy ihany no voavoriny. Quand ils mesurèrent au gomor, celui qui avait beaucoup recueilli n' en avait pas trop, et celui qui avait peu recueilli en avait assez : chacun avait recueilli ce qu' il pouvait manger.
Eks 16:19 And Moses said, Let no man leave of it till the morning. Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina. Nilazan' i Moizy izy ireo nataony hoe: Aza misy mamela ho tra-maraina. Moïse leur dit : " Que personne n' en mette en réserve jusqu' au lendemain. "
Eks 16:20 Notwithstanding they hearkened not unto Moses; but some of them left of it until the morning, and it bred worms, and stank: and Moses was wroth with them. Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin' i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin' ny olona Mosesy. Nefa tsy nihaino an' i Moizy izy fa nisy namela ho tra-maraina, ka sady niloak' olitra izany no maimbo. Tezitra tamin' izy ireo Moizy. Certains n'écoutèrent pas Moïse et en mirent en réserve jusqu' au lendemain, mais les vers s' y mirent et cela devint infect. Moïse s' irrita contre eux.
Eks 16:21 And they gathered it every morning, every man according to his eating: and when the sun waxed hot, it melted. Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny. Isa-maraina izy ireo no nanangona ny mana, samy araka izay fihinany avy; fa rehefa mafana ny andro, dia levona niempo. Ils en recueillirent chaque matin, chacun selon ce qu' il pouvait manger, et quand le soleil devenait chaud, cela fondait.
Eks 16:22 And it came to pass, that on the sixth day they gathered twice as much bread, two omers for one man: and all the rulers of the congregation came and told Moses. Ary nony tamin' ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan' andro ny olona, dia indroan' ny vata omera ho an' ny isan-olona avy; dia avy ny lohan' ny fiangonana ka nanambara tamin' i Mosesy. Tamin' ny andro fahenina nanangona indroa toraky ny fihinany izy ireo, roa gomora isan' olona. Nanatona an' i Moizy ny filohan' ny vahoaka rehetra nanambara izany taminy ka nilazany hoe: Or le sixième jour, ils recueillirent le double de pain, deux gomor par personne, et tous les chefs de la communauté vinrent l' annoncer à Moïse.
Eks 16:23 And he said unto them, This is that which the Lord hath said, To morrow is the rest of the holy sabbath unto the Lord: bake that which ye will bake to day, and seethe that ye will seethe; and that which remaineth over lay up for you to be kept until the morning. Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain' i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an' i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. Izany no nasain' ny Tompo hatao, andro fitsaharana rahampitso, andro sabata, voatokana ho an' ny Tompo; ka endaso amin' ny lafaoro izay hendasinareo, andrahoy izay handrahoinareo, ary tahirizo ny sisa rehetra, avelao ho ampitso maraina. Il leur dit : " Voici ce qu' a dit Yahvé : Demain est un jour de repos complet, un saint sabbat pour Yahvé. Cuisez ce que vous voulez cuire, faites bouillir ce que vous voulez faire bouillir, et tout le surplus, mettez-le en réserve jusqu'à demain. "
Eks 16:24 And they laid it up till the morning, as Moses bade: and it did not stink, neither was there any worm therein. Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian' i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany. Dia navelan' izy ireo notahiriziny ho tra-maraina izay sisa, araka ny tenin' i Moizy, nefa tsy maimbo na niloak' olitra. Ils le mirent en réserve jusqu' au lendemain, comme Moïse l' avait ordonné ; ce ne fut pas infect et il n' y eut pas de vers dedans.
Eks 16:25 And Moses said, Eat that to day; for to day is a sabbath unto the Lord: to day ye shall not find it in the field. Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an' i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. Ary hoy Moizy: Hano anio izay, fa andro sabata fankalazana an' ny Tompo, ka anio hianareo tsy hahita eny an-tsaha. Moïse dit : " Mangez-le aujourd' hui, car ce jour est un sabbat pour Yahvé ; aujourd' hui vous n' en trouveriez pas dans les champs.
Eks 16:26 Six days ye shall gather it; but on the seventh day, which is the sabbath, in it there shall be none. Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin' izany. Amin' ny andro enina no hakanareo izany, fa amin' ny andro fahafito izay sabata dia tsy hisy. Pendant six jours vous en recueillerez mais le septième jour, le sabbat, il n' y en aura pas. "
Eks 16:27 And it came to pass, that there went out some of the people on the seventh day for to gather, and they found none. Ary nony tamin' ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza. Tamin' ny andro fahafito nivoaka haka ihany ny sasany tamin' ny vahoaka saingy tsy nahita. Le septième jour cependant, des gens sortirent pour en recueillir mais ils n' en trouvèrent pas.
Eks 16:28 And the Lord said unto Moses, How long refuse ye to keep my commandments and my laws? Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? Ka hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? Yahvé dit à Moïse : " Jusqu'à quand refuserez-vous d'écouter mes commandements et mes lois ?
Eks 16:29 See, for that the Lord hath given you the sabbath, therefore he giveth you on the sixth day the bread of two days; abide ye every man in his place, let no man go out of his place on the seventh day. Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin' ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin' ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin' ny fitoerany amin' ny andro fahafito. Jereo ange: noho Iaveh nanome anareo ny sabata, dia omeny mofo ampy indroa andro hianareo, amin' ny andro fahenina. Koa samia mitoetra eo amin' ny fitoerany hianareo, fa aza misy mivoaka hiala amin' ny toerana misy azy amin' ny andro fahafito. Voyez, Yahvé vous a donné le sabbat, c' est pourquoi le sixième jour il vous donne du pain pour deux jours. Restez chacun là où vous êtes, que personne ne sorte de chez soi le septième jour. "
Eks 16:30 So the people rested on the seventh day. Dia nitsahatra ny olona tamin' ny andro fahafito. Ka dia nitsahatra ny olona tamin' ny andro fahafito. Le peuple chôma donc le septième jour.
Eks 16:31 And the house of Israel called the name thereof Manna: and it was like coriander seed, white; and the taste of it was like wafers made with honey. Ary ny anarany dia nataon' ny taranak' Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely. Mana no nataon' ny taranak' Israely anaran' io zava-pihinana io; tahaka ny voan-koriandra izy, ary fotsy, ary toy ny mofo misy tantely ny tsirony. La maison d' Israël donna à cela le nom de manne. On eût dit de la graine de coriandre, c'était blanc et cela avait un goût de galette au miel.
Eks 16:32 And Moses said, This is the thing which the Lord commandeth, Fill an omer of it to be kept for your generations; that they may see the bread wherewith I have fed you in the wilderness, when I brought you forth from the land of Egypt. Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian' i Jehovah: Analao eran' ny vata omera izy hotehirizina hatramin' ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta Aho. Hoy Moizy: Izao no didin' ny Tompo: Fenoy izany ny gomora iray, ka tehirizo ho an' ny taranakareo, mba hahitany ny mofo namelomako anareo taty an' efitra raha namoaka anareo avy any amin' ny tany Ejipta aho. Moïse dit : " Voici ce qu' a ordonné Yahvé : Remplissez-en un gomor et préservez-le pour vos descendants, afin qu' ils voient le pain dont je vous ai nourris dans le désert, quand je vous ai fait sortir du pays d'Égypte. "
Eks 16:33 And Moses said unto Aaron, Take a pot, and put an omer full of manna therein, and lay it up before the Lord, to be kept for your generations. Ary hoy Mosesy tamin' i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran' ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan' i Jehovah mba hotehirizina hatramin' ny taranakareo fara mandimby. Ary hoy Moizy tamin' i Aarona: Makà kapoaka iray, asio mana iray gomora, ka apetraho eo anatrehan' ny Tompo hotehirizina ho an' ny taranakareo. Moïse dit à Aaron : " Prends un vase, mets-y un plein gomor de manne et place-le devant Yahvé afin de le préserver pour vos générations. "
Eks 16:34 As the Lord commanded Moses, so Aaron laid it up before the Testimony, to be kept. Ary araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nametrahan' i Arona izany teo anatrehan' ny Vavolombelona mba hotehirizina. Dia napetrak' i Aarona teo anatrehan' ny Vavolombelona izany, mba hotehirizina, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse, Aaron le plaça devant le Témoignage, pour qu' il y soit préservé.
Eks 16:35 And the children of Israel did eat manna forty years, until they came to a land inhabited; they did eat manna, until they came unto the borders of the land of Canaan. Ary ny Zanak' Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin' izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin' ny sisin' ny tany Kanana. Efa-polo taona no nihinanan' ny zanak' Israely ny mana, dia mandra-pahatongany amin' ny tany misy mponina: nihinana mana ihany izy ireo, mandra-pahatongany tamin' ny sisin-tanin' i Kanaana. Les Israélites mangèrent de la manne pendant quarante ans, jusqu'à ce qu' ils arrivent en pays habité ; ils mangèrent la manne jusqu'à ce qu' ils arrivent aux confins du pays de Canaan.
Eks 16:36 Now an omer is the tenth part of an ephah. Ary ny omera dia ampahalofon' ny vata efaha. Ny gomora dia ampahafolon' ny efah. Le gomor, c' est un dixième de mesure.

<-
->