<-
->

Eks 40:1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
Eks 40:2 On the first day of the first month shalt thou set up the tabernacle of the tent of the congregation. Amin' ny andro voalohany amin' ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin' ny trano-lay fihaonana. Amin' ny andro voalohan' ny volana voalohany no hanangananao ny Fonenana, ny trano lay fihaonana. " Le premier jour du premier mois, tu dresseras la Demeure, la Tente du Rendez-vous,
Eks 40:3 And thou shalt put therein the ark of the testimony, and cover the ark with the vail. Ary ataovy ao ny fiaran' ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara. Hapetrakao ao ny fiaran' ny vavolombelona ka hokoboninao amin' ny lamba. tu y placeras l' arche du Témoignage et tu voileras l' arche avec le rideau.
Eks 40:4 And thou shalt bring in the table, and set in order the things that are to be set in order upon it; and thou shalt bring in the candlestick, and light the lamps thereof. Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro. Dia hoentinao ny latabatra, ka halahatrao eo amboniny izay tsy maintsy hatao eo; hoentinao ny fanaovan-jiro dia hapetrakao eo amboniny ny lalampiny. Tu apporteras la table et tu disposeras sa garniture. Tu apporteras le candélabre et tu monteras ses lampes.
Eks 40:5 And thou shalt set the altar of gold for the incense before the ark of the testimony, and put the hanging of the door to the tabernacle. Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan' ny fiaran' ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin' ny varavaran' ny tabernakely. Hataonao eo anoloan' ny fiaran' ny vavolombelona ny otely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin' ny fidirana ao amin' ny Fonenana ny varavarana lamba. Tu mettras l' autel d' or des parfums devant l' arche du Témoignage, et tu placeras le voile à l' entrée de la Demeure.
Eks 40:6 And thou shalt set the altar of the burnt offering before the door of the tabernacle of the tent of the congregation. Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan' ny tabernakelin' ny trano-lay fihaonana. Hataonao eo anoloan' ny fidirana ao amin' ny Fonenana, ao amin' ny trano lay fihaonana, ny otely fanaovan-tsorona dorana. Tu mettras l' autel des holocaustes devant l' entrée de la Demeure, de la Tente du Rendez-vous.
Eks 40:7 And thou shalt set the laver between the tent of the congregation and the altar, and shalt put water therein. Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan' ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny. Hapetrakao eo anelanelan' ny trano lay fihaonana sy ny otely ny tavy, ka hasianao rano. Tu mettras le bassin entre la Tente du Rendez-vous et l' autel, et tu y mettras de l' eau.
Eks 40:8 And thou shalt set up the court round about, and hang up the hanging at the court gate. Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin' ny vavahadin' ny kianja. Hatsanganao ny kianja manodidina dia hataonao amin' ny kianja ny vavahady lamba. Tu placeras le parvis tout autour et tu mettras le voile à la porte du parvis.
Eks 40:9 And thou shalt take the anointing oil, and anoint the tabernacle, and all that is therein, and shalt hallow it, and all the vessels thereof: and it shall be holy. Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin' ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy. Halainao ny diloilo fanosorana dia hohosoranao ny Fonenana mbamin' izay rehetra ao aminy; hohamasininao izy sy ny fanaka rehetra momba azy, dia ho masina izy. Tu prendras l' huile d' onction et tu oindras la Demeure et tout ce qui est dedans ; tu la consacreras, elle et tous ses accessoires, et elle sera éminemment sainte.
Eks 40:10 And thou shalt anoint the altar of the burnt offering, and all his vessels, and sanctify the altar: and it shall be an altar most holy. Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy. Hanosotra ny otely fanaovan-tsorona dorana mbamin' ny fanaka rehetra momba azy hianao, hanamasina ny otely, dia ho masina indrindra ny otely. Tu oindras l' autel des holocaustes et tous ses accessoires, tu consacreras l' autel, et l' autel sera éminemment saint.
Eks 40:11 And thou shalt anoint the laver and his foot, and sanctify it. Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy. Hanosotra ny tavy amam-paladiany hianao dia hanamasina azy. Tu oindras le bassin et son socle et tu le consacreras.
Eks 40:12 And thou shalt bring Aaron and his sons unto the door of the tabernacle of the congregation, and wash them with water. Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin' ny rano izy. Hasainao handroso ho eo akaikin' ny fidirana amin' ny trano lay fihaonana Aarona sy ireo zanany, ka hanadio azy amin' ny rano hianao. Puis tu feras approcher Aaron et ses fils de l' entrée de la Tente du Rendez-vous, tu les laveras avec de l' eau,
Eks 40:13 And thou shalt put upon Aaron the holy garments, and anoint him, and sanctify him; that he may minister unto me in the priest' s office. Ary ampiakanjoy an' i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy. Rahefa izany dia hatafinao an' i Aarona ny fanamiana masina ka hohosoranao sy hohamasininao izy dia ho mpisorona hanao ny fanompoana ahy. et tu revêtiras Aaron de ses vêtements sacrés, tu l' oindras et tu le consacreras pour qu' il exerce mon sacerdoce.
Eks 40:14 And thou shalt bring his sons, and clothe them with coats: Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava. Hasainao handroso koa ireo zanany ka hatafinao azy ny toniky, Ses fils, tu les feras approcher, tu les revêtiras de tuniques,
Eks 40:15 And thou shalt anoint them, as thou didst anoint their father, that they may minister unto me in the priest' s office: for their anointing shall surely be an everlasting priesthood throughout their generations. Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin' ny taranany fara mandimby. dia hohosoranao toy ny nanosoranao an-drainy izy, dia ho mpisorona hanao ny fanompoana ahy. Izany fanosorana izany no hampahazo azy ny fahefam-pisoronana mandrakizay amin' ny taranany mandimby azy. et tu les oindras comme tu auras oint leur père, pour qu' ils exercent mon sacerdoce. Cela se fera pour que leur onction leur confère un sacerdoce éternel, dans leurs générations.
Eks 40:16 Thus did Moses: according to all that the Lord commanded him, so did he. Dia nataon' i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah azy no nataony. Dia nataon' i Moizy izay rehetra nandidian' ny Tompo azy, dia vitany arak' izany. Moïse le fit. Il fit tout comme Yahvé l' avait ordonné.
Eks 40:17 And it came to pass in the first month in the second year, on the first day of the month, that the tabernacle was reared up. Ary tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana voalohany tamin' ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely. Tamin' ny andro voalohan' ny volana voalohany amin' ny taona faharoa, dia voatsangana ny Fonenana. Le premier jour du premier mois de la seconde année, on dressa la Demeure.
Eks 40:18 And Moses reared up the tabernacle, and fastened his sockets, and set up the boards thereof, and put in the bars thereof, and reared up his pillars. Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny. Natsangan' i Moizy ny Fonenana; naoriny ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin' ny barany, dia natsangany ny andriny. Moïse dressa la Demeure ; il mit ses socles, plaça ses cadres, mit ses traverses et dressa ses colonnes.
Eks 40:19 And he spread abroad the tent over the tabernacle, and put the covering of the tent above upon it; as the Lord commanded Moses. Ary namelatra ny lay teo ambonin' ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Novelariny ny lay teo ambonin' ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Il étendit la tente pour la Demeure et plaça dessus la couverture de la tente, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 40:20 And he took and put the testimony into the ark, and set the staves on the ark, and put the mercy seat above upon the ark: Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin' ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin' ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin' ny fiara. Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin' ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin' ny fiara ny fanaovam-panavotana. Il prit le Témoignage, le mit dans l' arche, plaça les barres sur l' arche et mit le propitiatoire sur l' arche.
Eks 40:21 And he brought the ark into the tabernacle, and set up the vail of the covering, and covered the ark of the testimony; as the Lord commanded Moses. Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin' ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran' ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nentiny tao anatin' ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran' ny vavolombelona, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Il introduisit l' arche dans la Demeure et plaça le rideau du voile ; il voila ainsi l' arche du Témoignage, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 40:22 And he put the table in the tent of the congregation, upon the side of the tabernacle northward, without the vail. Ary ny latabatra dia napetrany teo amin' ny trano-lay fihaonana, dia teo amin' ny lafin' ny tabernakely avaratra, teo ivelan' ny efitra lamba. Napetrany tao an-trano lay fihaonana ny latabatra amin' ny lafiny avaratra amin' ny Fonenana, aty ivelan' ny efitra lamba, Il mit la table dans la Tente du Rendez-vous, sur le côté de la Demeure, au nord, à l' extrémité du voile,
Eks 40:23 And he set the bread in order upon it before the Lord; as the Lord had commanded Moses. Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan' i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. dia nalahany eo amboniny, tao anatrehan' ny Tompo ny mofo, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. et il disposa avec ordre le pain devant Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 40:24 And he put the candlestick in the tent of the congregation, over against the table, on the side of the tabernacle southward. Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin' ny trano-lay fihaonana, tandrifin' ny latabatra, teo amin' ny lafin' ny tabernakely atsimo. Nataony tao an-trano lay fihaonana koa ny fanaovan-jiro, tandrifin' ny latabatra, amin' ny lafiny atsimo amin' ny Fonenana, Il plaça le candélabre dans la Tente du Rendez-vous, en face de la table, sur le côté de la Demeure, au sud,
Eks 40:25 And he lighted the lamps before the Lord; as the Lord commanded Moses. Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan' i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. dia nametrahany ny lalampy, teo anatrehan' ny Tompo, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. et monta les lampes devant Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 40:26 And he put the golden altar in the tent of the congregation before the vail: Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin' ny trano-lay fihaonana, teo anoloan' ny efitra lamba; Napetrany tao an-trano lay fihaonana, anoloan' ny efitra lamba, ny otely volamena, Il plaça l' autel d' or dans la Tente du Rendez-vous, devant le voile,
Eks 40:27 And he burnt sweet incense thereon; as the Lord commanded Moses. ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. dia nandoroany emboka, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. et fit fumer dessus l' encens aromatique, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 40:28 And he set up the hanging at the door of the tabernacle. Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin' ny varavaran' ny tabernakely; Nataony teo amin' ny fidirana amin' ny Fonenana ny varavarana lamba. Puis il plaça le voile à l' entrée de la Demeure.
Eks 40:29 And he put the altar of burnt offering by the door of the tabernacle of the tent of the congregation, and offered upon it the burnt offering and the meat offering; as the Lord commanded Moses. ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan' ny varavaran' ny tabernakelin' ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nataony teo amin' ny fidirana amin' ny Fonenana, amin' ny trano lay fihaonana, ny otely fanaovan-tsorona dorana, dia nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. L' autel des holocaustes, il le plaça à l' entrée de la Demeure, de la Tente du Rendez-vous, et offrit dessus l' holocauste et l' oblation, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 40:30 And he set the laver between the tent of the congregation and the altar, and put water there, to wash withal. Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan' ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana. Napetrany teo anelanelan' ny trano lay fihaonana sy ny otely ny tavy, dia nasiany rano ho fiafanana; Il plaça le bassin entre la Tente du Rendez-vous et l' autel et il y mit, pour les ablutions, de l' eau
Eks 40:31 And Moses and Aaron and his sons washed their hands and their feet thereat: Ary teo no nanasan' i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany. ary nanasa ny tànany sy ny tongony teo Moizy sy Aarona mbamin' ny zanany. avec laquelle Moïse, Aaron et ses fils se lavaient les mains et les pieds.
Eks 40:32 When they went into the tent of the congregation, and when they came near unto the altar, they washed; as the Lord commanded Moses. Raha niditra tao amin' ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Rahefa hiditra ao an-trano lay fihaonana sy hanatona ny otely izy ireo, dia nisasa, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Quand ils entraient dans la Tente du Rendez-vous ou qu' ils s' approchaient de l' autel, ils se lavaient, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 40:33 And he reared up the court round about the tabernacle and the altar, and set up the hanging of the court gate. So Moses finished the work. Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin' ny vavahadin' ny kianja. Dia vitan' i Mosesy ny asa rehetra. Ary nanangana ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny otely izy, sy nanantona ny lamba amin' ny vavahadin' ny kianja. Toy izany no nahavitan' i Moizy izany raharaha izany. Il dressa le parvis autour de la Demeure et de l' autel, et il mit le voile à la porte du parvis. Ainsi Moïse termina les travaux.
Eks 40:34 Then a cloud covered the tent of the congregation, and the glory of the Lord filled the tabernacle. Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr' i Jehovah nameno ny tabernakely. Tamin' izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana: ary ny voninahitry ny Tompo nameno ny Fonenana. La nuée couvrit la Tente du Rendez-vous, et la gloire de Yahvé emplit la Demeure.
Eks 40:35 And Moses was not able to enter into the tent of the congregation, because the cloud abode thereon, and the glory of the Lord filled the tabernacle. Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin' ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr' i Jehovah nameno ny tabernakely. Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana Moizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitry ny Tompo. Moïse ne put entrer dans la Tente du Rendez-vous, car la nuée demeurait sur elle, et la gloire de Yahvé emplissait la Demeure.
Eks 40:36 And when the cloud was taken up from over the tabernacle, the children of Israel went onward in all their journeys: Ary raha niakatra niala tamin' ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak' Isiraely tamin' ny nandehanany rehetra; Nandritra ny andro rehetra nandehanan' ny zanak' Israely, dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin' ny Fonenana ny rahona, A toutes leurs étapes, lorsque la nuée s'élevait au-dessus de la Demeure, les Israélites se mettaient en marche.
Eks 40:37 But if the cloud were not taken up, then they journeyed not till the day that it was taken up. fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin' izay andro hiakarany. fa tsy niainga kosa izy ireo raha tsy niakatra ny rahona, mandra-pahatongan' ny andro niakaran' ny rahona indray. Si la nuée ne s'élevait pas, ils ne se mettaient pas en marche jusqu' au jour où elle s'élevait.
Eks 40:38 For the cloud of the Lord was upon the tabernacle by day, and fire was on it by night, in the sight of all the house of Israel, throughout all their journeys. Fa ny rahon' i Jehovah dia teo ambonin' ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason' ny taranak' Isiraely rehetra, tamin' ny nandehanany rehetra. Fa ny rahon' ny Tompo dia nijanona teo ambonin' ny Fonenana, raha antoandro ny andro, ary amin' ny alina dia nisy afo, hitan' ny taranak' Israely rehetra, teo amin' ny rahona, mandritra ny andro rehetra nandehanany. Car, le jour, la nuée de Yahvé était sur la Demeure et, la nuit, il y avait dedans un feu, aux yeux de toute la maison d' Israël, à toutes leurs étapes.

<-
->