<-
->

Eks 29:1 And this is the thing that thou shalt do unto them to hallow them, to minister unto me in the priest' s office: Take one young bullock, and two rams without blemish, Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr' ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema, Izao no ataovy amin' ny fanamasinana azy ireo ho mpisorona ho ahy: Makà vantotr' ombalahy iray sy ondralahy roa, samy tsy misy kilema. " Voici ce que tu leur feras pour les consacrer à mon sacerdoce. Prends un jeune taureau et deux béliers sans défaut,
Eks 29:2 And unleavened bread, and cakes unleavened tempered with oil, and wafers unleavened anointed with oil: of wheaten flour shalt thou make them. ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy. Mofo tsy misy lalivay, mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin' ny diloilo, mofo mamy manify tsy misy lalivay voatondraka diloilo, ka lafarinim-barim-bazaha tsara indrindra no hanaovana azy. puis des pains sans levain, des gâteaux sans levain pétris à l' huile, des galettes sans levain frottées d' huile que tu auras faites de fleur de farine de froment.
Eks 29:3 And thou shalt put them into one basket, and bring them in the basket, with the bullock and the two rams. Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin' ny harona; ary ny vantotr' ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa. Ataovy an-tsobika iray ihany izy, dia atero izany ao anatin' ny sobika miaraka amin' ny vantotr' ombalahy iray sy ny ondralahy roa. Tu les mettras dans une même corbeille et tu les offriras, dans la corbeille, en même temps que le taureau et les deux béliers.
Eks 29:4 And Aaron and his sons thou shalt bring unto the door of the tabernacle of the congregation, and shalt wash them with water. Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin' ny rano izy Dia ampandrosoy Aarona sy ireo zanany, ho eo amin' ny fidirana amin' ny trano lay fihaonana, ka ampandroy amin' ny rano izy. " Tu feras approcher Aaron et ses fils de l' entrée de la Tente du Rendez-vous, et tu les laveras avec de l' eau.
Eks 29:5 And thou shalt take the garments, and put upon Aaron the coat, and the robe of the ephod, and the ephod, and the breastplate, and gird him with the curious girdle of the ephod: Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an' i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin' ny fehin-kibo mamba ny efoda izy; Rahefa izany alao ireo fanamiana, ka ampiankanjoy an' i Aarona ny akanjo anatiny, ny akanjo lavan' ny efoda, ary ny efoda sy ny saron-tratra, dia hetrao amin' ny fehin-kibon' ny efoda izy. Tu prendras les vêtements et tu revêtiras Aaron de la tunique, du manteau de l'éphod, de l'éphod, du pectoral, et tu lui fixeras l'écharpe de l'éphod.
Eks 29:6 And thou shalt put the mitre upon his head, and put the holy crown upon the mitre. ary ny hamama dia ataovy eo amin' ny lohany, ary ny diadema masina dia ataovy eo amin' ny hamama. Ataovy eo an-dohany ny hamama, ary ataovy eo amin' ny hamama ilay diademam-pahamasinana. Tu placeras le turban sur sa tête, et tu y mettras le signe de la sainte consécration.
Eks 29:7 Then shalt thou take the anointing oil, and pour it upon his head, and anoint him. Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin' ny lohany, dia manosora azy. Dia alaovy ny diloilo fanosorana, ka aidino eo amin' ny lohany hanosoranao azy. Tu prendras l' huile d' onction, tu en répandras sur sa tête et tu l' oindras.
Eks 29:8 And thou shalt bring his sons, and put coats upon them. Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava. Ary ampandrosoy koa ireo zanany, ka ampiakanjoy ny toniky. Tu feras alors approcher ses fils et tu les revêtiras de tuniques.
Eks 29:9 And thou shalt gird them with girdles, Aaron and his sons, and put the bonnets on them: and the priest' s office shall be theirs for a perpetual statute: and thou shalt consecrate Aaron and his sons. Ary fehezo amin' ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an' i Arona sy ny zanany. Aarona sy ireo zanany samy hetrao amin' ny fehin-kibo; ary ireo zanak' i Aarona ampisatrohy mitra. Dia ho azy ireo, amin' ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; ary hanokana an' i Aarona sy ireo zanany hianao. Tu les ceindras d' une ceinture et tu assujettiras leur calotte. Le sacerdoce leur appartiendra alors par un décret perpétuel. Tu investiras Aaron et ses fils.
Eks 29:10 And thou shalt cause a bullock to be brought before the tabernacle of the congregation: and Aaron and his sons shall put their hands upon the head of the bullock. Ary asaovy entina ho eo anoloan' ny trano-lay fihaonana ny vantotr' ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin' ny lohan' ny vantotr' ombilahy; Ny ombalahy hoentinao mankeo anoloan' ny trano lay fihaonana, ary Aarona sy ireo zanany hametraka ny tànany eo ambonin' ny lohan' ny ombalahy. " Tu amèneras le jeune taureau devant la Tente du Rendez-vous. Aaron et ses fils poseront leurs mains sur la tête du taureau
Eks 29:11 And thou shalt kill the bullock before the Lord, by the door of the tabernacle of the congregation. dia vonoy eo anatrehan' i Jehovah ny vantotr' ombilahy, eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana; Hovonoinao eo anatrehan' ny Tompo ny ombalahy eo amin' ny fidirana ho ao an-trano lay fihaonana; puis tu abattras le taureau devant Yahvé, à l' entrée de la Tente du Rendez-vous.
Eks 29:12 And thou shalt take of the blood of the bullock, and put it upon the horns of the altar with thy finger, and pour all the blood beside the bottom of the altar. ary analao ny ran' ny vantotr' ombilahy, dia atenteno eo amin' ny tandroky ny alitara amin' ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin' ny alitara; ka angalao ny ran' ny ombalahy atenteno amin' ireo tandroky ny otely amin' ny fanondronao, dia araraho eo am-pototry ny otely avokoa ny sisa. Tu prendras du sang du taureau et tu le mettras avec ton doigt sur les cornes de l' autel : tout le sang, tu le répandras à la base de l' autel.
Eks 29:13 And thou shalt take all the fat that covereth the inwards, and the caul that is above the liver, and the two kidneys, and the fat that is upon them, and burn them upon the altar. ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin' ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin' ny alitara; Alaovy avokoa ny sabora safodrorohany, ny saron' atiny, ny voany roa mbamin' ny fonom-boany, ka indray dory hanetona eo ambony otely. Tu prendras toute la graisse qui recouvre les entrailles, la masse graisseuse partant du foie, les deux rognons avec la graisse qui y adhère, et tu les feras fumer à l' autel.
Eks 29:14 But the flesh of the bullock, and his skin, and his dung, shalt thou burn with fire without the camp: it is a sin offering. fa ny henan' ny vantotr' ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin' ny afo eny ivelan' ny toby; fanatitra noho ny ota izany. Fa ny nofon' ny ombalahy kosa mbamin' ny hodiny sy ny tain-drorohany, dory amin' ny afo any ivelan' ny toby: sorona noho ny ota izany. Mais la chair du jeune taureau, sa peau et sa fiente, tu les brûleras au feu hors du camp, car c' est un sacrifice pour le péché.
Eks 29:15 Thou shalt also take one ram; and Aaron and his sons shall put their hands upon the head of the ram. Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin' ny lohan' ny ondrilahy; Alao ny iray amin' ireo ondralahy, ka Aarona sy ny zanany hametraka ny tànany ambonin' ny lohan' ny ondralahy; Tu prendras ensuite l' un des béliers ; Aaron et ses fils poseront leurs mains sur la tête du bélier,
Eks 29:16 And thou shalt slay the ram, and thou shalt take his blood, and sprinkle it round about upon the altar. dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin' ny lafin' ny alitara; hianao kosa hamono ny ondralahy sy hananty ny rany ary handraraka izany manodidina ambony otely. puis tu abattras le bélier et tu prendras son sang que tu répandras contre l' autel, tout autour.
Eks 29:17 And thou shalt cut the ram in pieces, and wash the inwards of him, and his legs, and put them unto his pieces, and unto his head. ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin' ny voarasa sy ny lohany; Teteho ny ondralahy ary rehefa voasasanao ny taovany sy ny ranjony dia hapetrakao eo ambonin' ny tetiny sy ny lohany; Tu couperas le bélier en quartiers, tu en laveras les entrailles et les pattes, et tu les mettras sur ses quartiers et sur sa tête.
Eks 29:18 And thou shalt burn the whole ram upon the altar: it is a burnt offering unto the Lord: it is a sweet savour, an offering made by fire unto the Lord. ary dory ho fofona eo ambonin' ny alitara ny tenan' ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an' i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah. dia hodoranao hanetona eo ambony otely ny ondralahy manontolo. Sorona dorana ho an' ny Tompo izany, hankasitrahany ny fofony, fanatitra atao amin' ny afo ho an' ny Tompo. Puis tu feras fumer le bélier tout entier à l' autel. C' est là un holocauste pour Yahvé. C' est un parfum d' apaisement, un mets consumé pour Yahvé.
Eks 29:19 And thou shalt take the other ram; and Aaron and his sons shall put their hands upon the head of the ram. Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin' ny lohan' ny ondrilahy; Alao koa ny ondralahy faharoany, ka Aarona sy ny zanay hametraka ny tànany ambony lohan' ny ondralahy. Tu prendras ensuite le second bélier ; Aaron et ses fils poseront leurs mains sur la tête du bélier ;
Eks 29:20 Then shalt thou kill the ram, and take of his blood, and put it upon the tip of the right ear of Aaron, and upon the tip of the right ear of his sons, and upon the thumb of their right hand, and upon the great toe of their right foot, and sprinkle the blood upon the altar round about. dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin' ny tendron' ny ravin-tsofina ankavanan' i Arona sy amin' ny tendron' ny ravin-tsofina ankavanan' ny zanany, ary amin' ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin' ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin' ny lafin' ny alitara Hianao hamono ny ondralahy dia haka amin' ny rany, ka hantentinao amin' ny tendron-dravintsofina ankavanan' i Aarona, sy amin' ny tendron-dravintsofina ankavanan' ireo zanany, ary amin' ny ankiben-tànany ankavanana, mbamin' ny ankiben-tongony ankavanana, ary hararakao manodidina eo ambonin' ny otely ny rà. tu abattras le bélier. Tu prendras de son sang et tu le mettras sur le lobe de l' oreille droite d' Aaron, sur le lobe de l' oreille droite de ses fils, sur le pouce de leur main droite et sur le gros orteil de leur pied droit. Puis tu répandras le sang contre l' autel, tout autour.
Eks 29:21 And thou shalt take of the blood that is upon the altar, and of the anointing oil, and sprinkle it upon Aaron, and upon his garments, and upon his sons, and upon the garments of his sons with him: and he shall be hallowed, and his garments, and his sons, and his sons' garments with him. Ary analao ny rà, izay eo ambonin' ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin' i Arona sy amin' ny fitafiany, ary amin' ny zanany sy amin' ny fitafian' ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian' ny zanany koa. Makà amin' ny rà izay eo ambony otely, sy ny diloilo fanosorana, ka fafazo amin' i Aarona mbamin' ny fanamiany, sy amin' ny zanany mbamin' ny fanamiany dia ho voahasina avokoa izy, na ny tenany amam-panamiany na ny zanany amam-panamiany miaraka aminy. Tu prendras du sang qui est sur l' autel et de l' huile d' onction, et tu en aspergeras Aaron et ses vêtements, ainsi que ses fils et les vêtements de ses fils ; ils seront ainsi consacrés, lui et ses vêtements, ainsi que ses fils et les vêtements de ses fils.
Eks 29:22 Also thou shalt take of the ram the fat and the rump, and the fat that covereth the inwards, and the caul above the liver, and the two kidneys, and the fat that is upon them, and the right shoulder; for it is a ram of consecration: Ary alao ny saboran' ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin' ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy; Halainao ny saboran' ny ondralahy, ny hofany, ny safodrorohany, ny saron' atiny, ny voany roa mbamin' ny fonom-boany ary ny sorony havanana, fa ondralahy fanokanana io. " Du bélier, tu prendras la graisse, la queue, la graisse qui recouvre les entrailles et la masse graisseuse partant du foie, les rognons et la graisse qui y adhère, ainsi que la patte droite, car c' est un bélier d' investiture.
Eks 29:23 And one loaf of bread, and one cake of oiled bread, and one wafer out of the basket of the unleavened bread that is before the Lord: ary manala iray amin' ny mofo sy iray amin' ny mofo voaisy diloilo ary iray amin' ny mofo manify izay eo amin' ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan' i Jehovah; Ao amin' ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay voapetraka eo anatrehan' ny Tompo, dia angalao vonga-mofo iray sy mofo mamy miharo diloilo iray ary mofo mamy manify iray. Tu prendras aussi un pain rond, un gâteau à l' huile et une galette dans la corbeille d' azymes qui est devant Yahvé.
Eks 29:24 And thou shalt put all in the hands of Aaron, and in the hands of his sons; and shalt wave them for a wave offering before the Lord. ary ataovy eo an-tànan' i Arona sy eo an-tànan' ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah. Dia hapetrakao eo amin' ny felatànan' i Aarona sy amin' ny felatànan' ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' ny Tompo. Tu placeras le tout sur les paumes d' Aaron et les paumes de ses fils, et tu feras le geste de présentation devant Yahvé.
Eks 29:25 And thou shalt receive them of their hands, and burn them upon the altar for a burnt offering, for a sweet savour before the Lord: it is an offering made by fire unto the Lord. Dia raiso amin' ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin' ny alitara, miaraka amin' ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan' i Jehovah, dia fanatitra atao amin' ny afo, ho an' i Jehovah. Rahefa izany hoesorinao eo an-tànany ireo ka hodoranao eo ambony otely, ambonin' ny sorona dorana, ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan' ny Tompo: sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo izany. Tu les prendras ensuite de leurs mains et tu les feras fumer à l' autel, par-dessus l' holocauste, en parfum d' apaisement devant Yahvé ; c' est là un mets consumé pour Yahvé.
Eks 29:26 And thou shalt take the breast of the ram of Aaron' s consecration, and wave it for a wave offering before the Lord: and it shall be thy part. Ary alao ny tratran' ny ondrilahy fanokanana an' i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah; dia ho anjaranao izany. Ary halainao ny tratran' ny ondralahy izay nenti-nanokanana an' i Aarona, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' ny Tompo: io no ho anjaranao. Tu prendras la poitrine du bélier d' investiture d' Aaron, et tu feras avec elle le geste de présentation devant Yahvé ; ce sera ta part.
Eks 29:27 And thou shalt sanctify the breast of the wave offering, and the shoulder of the heave offering, which is waved, and which is heaved up, of the ram of the consecration, even of that which is for Aaron, and of that which is for his sons: Ary hamasino ny tratran' ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin' ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an' i Arona sy izay ho an' ny zanany. Amin' ny ondralahy fanokanana, amin' izay anjaran' i Aarona sy amin' izay anjaran' ny zanany, dia hohamasininao izay efa voahevaheva sy izay efa voasandratra, dia izao avy: ny tratra voahevaheva sy ny soroka voasandratra: Tu consacreras la poitrine qui a été présentée, ainsi que la patte qui a été prélevée, qui ont été présentées et prélevées sur le bélier d' investiture d' Aaron et de ses fils.
Eks 29:28 And it shall be Aaron' s and his sons' by a statute for ever from the children of Israel: for it is an heave offering: and it shall be an heave offering from the children of Israel of the sacrifice of their peace offerings, even their heave offering unto the Lord. Ary ho anjara mandrakizay ho an' i Arona sy ho an' ny taranany avy amin' ny Zanak' Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin' ny Zanak' Isiraely avy amin' ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an' i Jehovah. izany no ho anjaran' i Aarona sy ny zanany, tsy maintsy hafoin' ny zanak' Israely ho azy ireo mandrakizay; fa fanatitra voasandratra izany, ary ny zanak' Israely tsy maintsy hanokana fanatitra avy amin' ny sorona fisaorana, fanatitra atokany ho an' ny Tompo. Ce sera, selon un décret perpétuel, ce qu' Aaron et ses fils recevront des Israélites, car c' est un prélèvement, le prélèvement de Yahvé, fait par les Israélites sur leurs sacrifices de communion ; un prélèvement pour Yahvé.
Eks 29:29 And the holy garments of Aaron shall be his sons' after him, to be anointed therein, and to be consecrated in them. Ary ny fitafiana masina izay an' i Arona dia ho an' ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy. Ny fanamiana masin' i Aarona dia ho an' ny zanany handimby azy koa, ka hatafy azy izany, rahefa avy izay hanosorana azy sy hanokanana azy; Les vêtements sacrés d' Aaron passeront après lui à ses fils qui les revêtiront lors de leur onction et de leur investiture.
Eks 29:30 And that son that is priest in his stead shall put them on seven days, when he cometh into the tabernacle of the congregation to minister in the holy place. Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin' ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin' ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin' ny fitoerana masina. ka hitafy izany mandritra ny hafitoana, izay anankiray amin' ny zanany ho tonga mpisorona handimby azy; dia izay hiditra ao an-trano lay fihaonana, hanao ny fanompoam-pivavahana ao amin' ny fitoerana masina. Pendant sept jours il les revêtira, celui des fils d' Aaron qui sera prêtre après lui et qui entrera dans la Tente du Rendez-vous pour servir dans le sanctuaire.
Eks 29:31 And thou shalt take the ram of the consecration, and seethe his flesh in the holy place. Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin' izay fitoerana masina ny henany Halainao ny ondralahy fanokanana, ka handrahoinao eo amin' izay toerana masina ny henany. " Tu prendras le bélier d' investiture et tu en feras cuire la viande dans un lieu saint.
Eks 29:32 And Aaron and his sons shall eat the flesh of the ram, and the bread that is in the basket by the door of the tabernacle of the congregation. Ary hohanin' i Arona sy ny zanany eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana ny henan' ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin' ny harona. Dia hohanin' i Aarona sy ny zanany eo anoloan' ny trano lay fihaonana ny henan' ny ondralahy, sy ny mofo ao anatin' ny sobika. Aaron et ses fils mangeront la viande du bélier et le pain qui est dans la corbeille, à l' entrée de la Tente du Rendez-vous.
Eks 29:33 And they shall eat those things wherewith the atonement was made, to consecrate and to sanctify them: but a stranger shall not eat thereof, because they are holy. Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany. Toy izany koa no hihinanany izay nanaovana ny fanoneram-pahotana tamin' ny nanokanana azy sy nanamasinana azy; tsy hisy olon-kafa hihinana amin' izany, satria zava-masina izany. Ils mangeront ce qui aura servi à faire l' expiation pour eux, lors de leur investiture et de leur consécration. Nul profane n' en mangera, car ce sont choses saintes.
Eks 29:34 And if ought of the flesh of the consecrations, or of the bread, remain unto the morning, then thou shalt burn the remainder with fire: it shall not be eaten, because it is holy. Ary raha misy sisa tsy lany amin' ny henan' ny fanatitra fanokanana, na amin' ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin' ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masina. Raha misy sisa tsy lany ka tra-maraina ny hena avy amin' ny fanokanana sy ny mofo, dia hodoranao izany fa tsy hohanina, satria zava-masina. Si, au matin, il reste de la viande du sacrifice d' investiture et du pain, tu brûleras le reste au feu, on ne le mangera pas : c' est chose sainte.
Eks 29:35 And thus shalt thou do unto Aaron, and to his sons, according to all things which I have commanded thee: seven days shalt thou consecrate them. Dia manaova izany amin' i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy. Izany no hataonao amin' i Aarona sy ny zanany, araka ny didy rehetra nomeko anao. Hafitoana no hanokananao azy. Tu feras ainsi pour Aaron et ses fils, conformément à tout ce que je t' ai ordonné : tu emploieras sept jours pour leur investiture.
Eks 29:36 And thou shalt offer every day a bullock for a sin offering for atonement: and thou shalt cleanse the altar, when thou hast made an atonement for it, and thou shalt anoint it, to sanctify it. Ary vantotr' ombilahy iray no haterinao isan' andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy. Vantotr' ombalahy iray isan' andro no hatolotrao ho sorona noho ny ota, ho fanoneram-pahotana. Izany fanonerana izany no hanavotanao ny fahotana amin' ny otely, dia hanosotra azy hianao, hanamasinana azy. " Chaque jour tu offriras aussi un jeune taureau en sacrifice pour le péché - en expiation. Tu offriras pour l' autel un sacrifice pour le péché, quand tu feras pour lui l' expiation, et tu l' oindras pour le consacrer.
Eks 29:37 Seven days thou shalt make an atonement for the altar, and sanctify it; and it shall be an altar most holy: whatsoever toucheth the altar shall be holy. Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an' ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara, ary ho masina izay rehetra manendry azy. Hafitoana no hanaovanao fanoneram-pahotana ho an' ny otely sy hanamasinanao azy, dia ho masina indrindra ny otely, ary ho masina avokoa izay hikasika ny otely. Pendant sept jours tu feras l' expiation pour l' autel et tu le consacreras ; il sera alors éminemment saint et tout ce qui touchera l' autel sera saint.
Eks 29:38 Now this is that which thou shalt offer upon the altar; two lambs of the first year day by day continually. Ary izao no haterinao eo ambonin' ny alitara: zanak' ondry roa izay iray taona isan' andro isan' andro Izao no hatolotrao eo ambonin' ny otely: zanak' ondry efa iray taona, roa isan' andro tsy tapaka. " Voici ce que tu offriras sur l' autel : deux agneaux mâles d' un an, chaque jour, à perpétuité.
Eks 29:39 The one lamb thou shalt offer in the morning; and the other lamb thou shalt offer at even: (ny zanak' ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak' ondry iray koa haterinao nony hariva), Ny iray amin' ireo zanak' ondry ireo hatolotrao ny maraina, ny iray kosa hatolotrao amin' ny àty takariva. Tu offriras l' un de ces agneaux le matin et l' autre au crépuscule ;
Eks 29:40 And with the one lamb a tenth deal of flour mingled with the fourth part of an hin of beaten oil; and the fourth part of an hin of wine for a drink offering. ary koba tsara toto ampahafolon' ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin' ny isan-janak' ondry iray. Miaraka amin' ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra ampahafolon' ny efah voadity tamin' ny diloiloin' oliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra araraka. avec le premier agneau, un dixième de mesure de fleur de farine pétrie avec un quart de setier d' huile d' olives broyées et une libation d' un quart de setier de vin.
Eks 29:41 And the other lamb thou shalt offer at even, and shalt do thereto according to the meat offering of the morning, and according to the drink offering thereof, for a sweet savour, an offering made by fire unto the Lord. Ary ny zanak' ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin' ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah. Ny zanak' ondry faharoa hatolotrao amin' ny àty takariva dia hampombainao fanatitra sy divay hatao fanatitra araraka toraky ny tamin' ny maraina, ankasitrahana ny fofony, sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo. Le second agneau, tu l' offriras au crépuscule ; tu l' offriras avec une oblation et une libation semblables à celles du matin : en parfum d' apaisement, en offrande consumée pour Yahvé.
Eks 29:42 This shall be a continual burnt offering throughout your generations at the door of the tabernacle of the congregation before the Lord: where I will meet you, to speak there unto thee. Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin' ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana eo anatrehan' i Jehovah, dia ao amin' izay hihaonako aminareo hiteny aminao Sorona dorana tsy tapaka izay tsy maintsy hatolotrareo amin' ny taona mifandimby ao amin' ny fidirana ny trano lay fihaonana, eo anatrehan' ny Tompo, dia eo amin' izay hihaonako aminareo mba hitenenako aminao. Ce sera un holocauste perpétuel pour toutes vos générations, à l' entrée de la Tente du Rendez-vous, en présence de Yahvé, où je te donnerai rendez-vous pour te parler.
Eks 29:43 And there I will meet with the children of Israel, and the tabernacle shall be sanctified by my glory. Ary hihaona amin' ny Zanak' Isiraely ao Aho, ka hohamasinin' ny voninahitro izy. Fa hihaona amin' ny zanak' Israely eo aho, ka ho voahasin' ny voninahitro izany fitoerana izany. Je donnerai rendez-vous aux Israélites en ce lieu, et il sera consacré par ma gloire.
Eks 29:44 And I will sanctify the tabernacle of the congregation, and the altar: I will sanctify also both Aaron and his sons, to minister to me in the priest' s office. Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy. Hohamasiniko ny trano lay fihaonana sy ny otely, hohamasiniko Aarona sy ny zanany, mba ho mpisorona manao fanompoana ahy. Je consacrerai la Tente du Rendez-vous et l' autel. Je consacrerai aussi Aaron et ses fils pour qu' ils exercent mon sacerdoce.
Eks 29:45 And I will dwell among the children of Israel, and will be their God. Ary honina eo amin' ny Zanak' Isiraely Aho ka ho Andriamaniny. Honina eo afovoan' ny zanak' Israely aho, dia izaho no Andriamanitr' izy ireo. Je demeurerai au milieu des Israélites et je serai leur Dieu,
Eks 29:46 And they shall know that I am the Lord their God, that brought them forth out of the land of Egypt, that I may dwell among them: I am the Lord their God. Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny. Ho tantany fa izaho Iaveh no Andriamanitr' izy ireo, izay namoaka azy tany amin' ny tany Ejipta, mba honenako eo afovoan' izy ireo, dia izaho Iaveh Andriamaniny. et ils sauront que je suis Yahvé, leur Dieu, qui les a fait sortir du pays d'Égypte pour demeurer parmi eux, moi Yahvé, leur Dieu.

<-
->