<-
->

Job / Jb 20:1 Then answered Zophar the Naamathite, and said, Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: Dia niteny Sofara avy any Naama ka nanao hoe: Çophar de Naama prit la parole et dit :
Job / Jb 20:2 Therefore do my thoughts cause me to answer, and for this I make haste. Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko. Koa noho izany, dia asesiky ny saiko hanome valy aho, ka tsy andriko ny handefasako azy noho ny fikoratabako. Oui, mes pensées s' agitent pour répondre, à cause de l' impatience qui me possède.
Job / Jb 20:3 I have heard the check of my reproach, and the spirit of my understanding causeth me to answer. Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin' ny fahalalako. Nandre faniniana manala baraka ahy aho, ka hahita hahavaly avy amin' ny fahalalako ny saiko. J' entends une leçon qui m' outrage, mais mon esprit me souffle la réponse.
Job / Jb 20:4 Knowest thou not this of old, since man was placed upon earth, Tsy fantatrao va fa hatramin' ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetý ambonin' ny tany, Fantatrao tsara va, fa hatrizay ela izay, hatrizay nametrahana ny olombelona teto an-tany, Ne sais-tu pas que, de tout temps, depuis que l' homme fut mis sur terre,
Job / Jb 20:5 That the triumphing of the wicked is short, and the joy of the hypocrite but for a moment? Dia vetivety foana ny firavoravoan' ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian' ny mpihatsaravelatsihy?44 dia vetivety foana no nahombiazan' ny ratsy fanahy, ary mihelina ihany ny fifalian' ny tsy mivavaka. l' allégresse du méchant est brève et la joie de l' impie ne dure qu' un instant.
Job / Jb 20:6 Though his excellency mount up to the heavens, and his head reach unto the clouds; Fa na dia mipaka amin' ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin' ny rahona ny lohany, Na hapakany amin' ny lanitra aza ny reharehany, ka hitehina amin' ny rahona ny lohany, Même si sa taille s'élevait jusqu' aux cieux, si sa tête touchait la nue,
Job / Jb 20:7 Yet he shall perish for ever like his own dung: they which have seen him shall say, Where is he? Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy? dia levona mandritra ny mandrakizay toy ny dikiny izy; izay nahita azy manao hoe: Aiza izy? comme un fantôme il disparaît à jamais, et ceux qui le voyaient disent : " Où est-il ? "
Job / Jb 20:8 He shall fly away as a dream, and shall not be found: yea, he shall be chased away as a vision of the night. Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin' ny alina izy. manidina toy ny nofy izy, ka tsy hita intsony, mihalevona toy ny fahitana amin' ny alina izy. Il s' envole comme un songe insaisissable, il s' enfuit comme une vision nocturne.
Job / Jb 20:9 The eye also which saw him shall see him no more; neither shall his place any more behold him. Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany. Ny maso nahita azy, tsy mahatazana azy intsony; ny fonenany tsy hahatsinjo azy intsony. L' oeil habitué à sa vue ne l' aperçoit plus, à sa demeure il devient invisible.
Job / Jb 20:10 His children shall seek to please the poor, and his hands shall restore their goods. Ny zanany hitambitamby amin' ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny. Ny zanany hangataka amin' ny malahelo, ny tanany no hanonerany ny nalainy an-keriny. Ses fils devront indemniser les pauvres, ses propres mains restituer ses richesses.
Job / Jb 20:11 His bones are full of the sin of his youth, which shall lie down with him in the dust. Ny taolany dia feno ny herin' ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin' ny vovoka izany. Ny taolany feno ny otany miafina, izay hiara-mandry aminy eo amin' ny vovoka. Ses os étaient pleins d' une vigueur juvénile : la voilà étendue avec lui dans la poussière.
Job / Jb 20:12 Though wickedness be sweet in his mouth, though he hide it under his tongue; Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin' ny lelany, Fa mamy tao am-bavany ny ratsy, ka nafeniny tao ambany lelany, Le mal était doux à sa bouche : il l' abritait sous sa langue,
Job / Jb 20:13 Though he spare it, and forsake it not; but keep it still within his mouth: Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin' ny lanilaniny ihany, nankamamy ka tsy foiny, ary nakombony tao an-danilaniny. il le gardait soigneusement, le retenait au milieu du palais.
Job / Jb 20:14 Yet his meat in his bowels is turned, it is the gall of asps within him. Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon' ny vipera no ao anatiny. Ho zary poizina amin' ny tsinainy ny haniny, ka ho tonga poizim-bibilava an-kibony. Cet aliment dans ses entrailles se corrompt, devient au-dedans du fiel d' aspic.
Job / Jb 20:15 He hath swallowed down riches, and he shall vomit them up again: God shall cast them out of his belly. Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran' Andriamanitra hiala ao an-kibony izany. Fa nitelina harena izy, ka handoa izany; Andriamanitra no handoatra izany, avy ao an-kibony. Il doit vomir les richesses englouties, de son ventre, Dieu les lui fait dégurgiter.
Job / Jb 20:16 He shall suck the poison of asps: the viper' s tongue shall slay him. Ny poizin' ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan' ny menarana. Nitsentsitra ny poizin' ny bibilava izy, ka ho fatin' ny lelan' ny menarana. Il suçait du venin d' aspic : la langue de la vipère le tue.
Job / Jb 20:17 He shall not see the rivers, the floods, the brooks of honey and butter. Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono. Tsy mba ho hitany misononoka na oviana na oviana ny ony, ny ria-tantely aman-dronono. Il ne connaîtra plus les ruisseaux d' huile, les torrents de miel et de laitage.
Job / Jb 20:18 That which he laboured for shall he restore, and shall not swallow it down: according to his substance shall the restitution be, and he shall not rejoice therein. Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany. Hamerina izay azony izy, fa tsy hambosika an' izany, araka ny tombony azony, ka tsy hiarana amin' izany izy. Il rendra ses gains sans pouvoir les avaler, il ne jouira pas de la prospérité de ses affaires.
Job / Jb 20:19 Because he hath oppressed and hath forsaken the poor; because he hath violently taken away an house which he builded not; Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy. Fa nampahory sy nandao ny mahantra izy, nandroba ny tranon' ireny,nefa tsy nanangana azy indray. Parce qu' il a détruit les cabanes des pauvres, volé des maisons au lieu d' en bâtir,
Job / Jb 20:20 Surely he shall not feel quietness in his belly, he shall not save of that which he desired. Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin' ny tiany indrindra izy. Tsy nety nianina ny fahalianany; tsy hoentiny izay maminy indrindra. parce que son appétit s' est montré insatiable, ses trésors ne le sauveront pas;
Job / Jb 20:21 There shall none of his meat be left; therefore shall no man look for his goods. Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany. Tsy misy tsy tratry ny fahalianany te-handrapaka, koa tsy haharitra ny fiadanany. parce que nul n'échappait à sa voracité, sa prospérité ne durera pas.
Job / Jb 20:22 In the fulness of his sufficiency he shall be in straits: every hand of the wicked shall come upon him. Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan' ny ory no hamely azy. Ao anatin' ny fananam-be izy, nefa latsaka amin' ny tsy fahampiana, iharan' izao kapoky ny loza rehetra izao izy. En pleine abondance, l' angoisse le saisira, la misère, de toute sa force, fondra sur lui,
Job / Jb 20:23 When he is about to fill his belly, God shall cast the fury of his wrath upon him, and shall rain it upon him while he is eating. Halefan' Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy. zao no hameno ny kibony: Halatsak' Andriamanitra aminy, ny afom-pahatezerany, ka hirotsaka aminy, hatrany an-kibony. Dieu lâche sur lui l' ardeur de sa colère, lance contre sa chair une pluie de traits.
Job / Jb 20:24 He shall flee from the iron weapon, and the bow of steel shall strike him through. Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina; Raha afaka amin' ny fiadiana vy izy ho trobaran' ny tsipika varahina. S' il fuit devant l' arme de fer, l' arc de bronze le transperce.
Job / Jb 20:25 It is drawn, and cometh out of the body; yea, the glittering sword cometh out of his gall: terrors are upon him. Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin' ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin' ny aferony; Lasa izy azon' ny fahatahorana mafy. Tsoahany ny zana-tsipika, ka mitsoaka miala amin' ny tenany izany, dia mivoaka manelatselatra avy amin' ny atiny ny varahina; ka azon' ny tahotry ny fahafatesana izy. Une flèche sort de son dos, une pointe étincelante de son foie. Les terreurs s' avancent contre lui,
Job / Jb 20:26 All darkness shall be hid in his secret places: a fire not blown shall consume him; it shall go ill with him that is left in his tabernacle. Ny aizim-pito no voarakitra ho amin' ny raki-malalany; afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin' ny lainy. Aizim-pito no mitelina ny rakiny; afo tsy narehtir' olombelona no mandevona azy, sy mandany izay sisa tavela rehetra ao an-dainy. toutes les ténèbres cachées lui sont réservées. Un feu qu' on n' allume pas le dévore et consume ce qui reste sous sa tente.
Job / Jb 20:27 The heaven shall reveal his iniquity; and the earth shall rise up against him. Hambaran' ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy, Ny lanitra hanambara ny helony, ary ny tany hitsangana hiampanga azy. Les cieux dévoilent son iniquité, et la terre se dresse contre lui.
Job / Jb 20:28 The increase of his house shall depart, and his goods shall flow away in the day of his wrath. Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin' ny andro fahatezerany. Ny fananam-be ao an-tranony, haely, ho levona izany amin' ny andron' ny fahatezerana. Le revenu de sa maison s'écoule, comme des torrents, au jour de la colère.
Job / Jb 20:29 This is the portion of a wicked man from God, and the heritage appointed unto him by God. Izany no anjaran' ny ratsy fanahy avy amin' Andriamanitra, sy lova voatendrin' Andriamanitra ho azy. Izany no anjara naraikitr' Andriamanitra ho an' ny ratsy fanahy, sy lova voatendrin' Andriamanitra ho azy. Tel est le sort que Dieu réserve au méchant, l' héritage qu' il destine à sa personne.

<-
->