<-
->

Job / Jb 39:1 Knowest thou the time when the wild goats of the rock bring forth? or canst thou mark when the hinds do calve? Fantatrao va ny fotoana fiterahan' ny osi-dia any amin' ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan' ny dieravavy? Mahalala ny fotoana fiterahan' ny osy dia va hianao? Nodinihinao va ny serfavavy raha miteraka izy? Sais-tu quand les bouquetins font leurs petits? As-tu observé des biches en travail?
Job / Jb 39:2 Canst thou number the months that they fulfil? or knowest thou the time when they bring forth? Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? Mba efa nanisa ny volana maha-bevohoka ireny va hianao, ka mahafantatra ny fotoana fiterahany? Combien de mois dure leur gestation, quelle est l'époque de leur délivrance?
Job / Jb 39:3 They bow themselves, they bring forth their young ones, they cast out their sorrows. Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany. Mandohalika ireny, miteraka ny zanany, dia tapitra eo no ho eo ny fanaintainany. Alors elles s' accroupissent pour mettre bas, elles se débarrassent de leurs portées.
Job / Jb 39:4 Their young ones are in good liking, they grow up with corn; they go forth, and return not unto them. Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony. Mihamatanjaka sy mihalehibe any an' efitra ny zanany, dia lasa izy ka tsy miverina intsony. Et quand leurs petits ont pris des forces et grandi, ils partent dans le désert et ne reviennent plus près d' elles.
Job / Jb 39:5 Who hath sent out the wild ass free? or who hath loosed the bands of the wild ass? Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran' ny boriki-dia, Iza no nandefa ny ampondra dia hikarenjy, ary zovy no namaha fatorana ny boriky dia, Qui a lâché l' onagre en liberté, délié la corde de l'âne sauvage?
Job / Jb 39:6 Whose house I have made the wilderness, and the barren land his dwellings. Izay nomeko ny tani' hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany? izay nomeko ny efitra ho tranony, sy ny tany lemaka misy sira ho fonenany? A lui, j' ai donné la steppe pour demeure, la plaine salée pour habitat.
Job / Jb 39:7 He scorneth the multitude of the city, neither regardeth he the crying of the driver. Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson' ny mpampandeha; Tsy ahoany akory izay fitabatan' ny any an-tanana, tsy reny akory izay hoe feon' ny tompo. Il se rit du tumulte des villes et n' entend pas l'ânier vociférer.
Job / Jb 39:8 The range of the mountains is his pasture, and he searcheth after every green thing. Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy. Mitetitety ny tendrombohitra hahitany hanina izy, izay mety hahitana volon' ahi-maitso dia alehany avokoa. Il explore les montagnes, son pâturage, à la recherche de toute verdure.
Job / Jb 39:9 Will the unicorn be willing to serve thee, or abide by thy crib? Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin' ny alina? Mba mety manompo anao va ny ombimanga, na handry ao an-tranony amin' ny alina? Le boeuf sauvage voudra-t-il te servir, passer la nuit chez toi devant la crèche?
Job / Jb 39:10 Canst thou bind the unicorn with his band in the furrow? or will he harrow the valleys after thee? Mahafatotra ny ombimanga amin' ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy? Hafatotrao amin' ny tady eny am-bava-asanao, na hanaraka anao hamaky bainga eny an-dohasaha? Attacheras-tu une corde à son cou, hersera-t-il les sillons derrière toi?
Job / Jb 39:11 Wilt thou trust him, because his strength is great? or wilt thou leave thy labour to him? Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao? Hitokianao va izy satria matanjaka tokoa, ka havelanao hanao ny asanao va? Peux-tu compter sur sa force très grande et lui laisser la peine de tes travaux?
Job / Jb 39:12 Wilt thou believe him, that he will bring home thy seed, and gather it into thy barn? Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao? Hitokianao hampiditra ny vokatrao va izy? sy hanangona ny varinao ho eo am-pamoloanao? Seras-tu assuré de son retour, pour amasser ton grain sur ton aire?
Job / Jb 39:13 Gavest thou the goodly wings unto the peacocks? or wings and feathers unto the ostrich? Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony? Mikopakopaka an-kafaliana ny elatry ny ostritsa, fa tsy mba manana ny elatra be antra na ny volon' ny vanobe izy. L' aile de l' autruche peut-elle se comparer au pennage de la cigogne et du faucon?
Job / Jb 39:14 Which leaveth her eggs in the earth, and warmeth them in dust, Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin' ny tany izy ka mamela azy ho afanain' ny vovoka, Fa ilaozany eo amin' ny tany ny atodiny, dia avelany hohafanain' ny fasika. Elle abandonne à terre ses oeufs, les confie à la chaleur du sol.
Job / Jb 39:15 And forgetteth that the foot may crush them, or that the wild beast may break them. Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia. Hadinony fa mety ho voashitsaky ny tongotra, na ho montsan' ny biby any an-tsaha. Elle oublie qu' un pied peut les fouler, une bête sauvage les écraser.
Job / Jb 39:16 She is hardened against her young ones, as though they were not her' s: her labour is in vain without fear; Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany; Mafy fo ho an' ny zanany, hoatra ny tsy azy akory izy, tsy mampaninona azy na dia foana aza ny asany. Dure pour ses petits comme pour des étrangers, d' une peine inutile elle ne s' inquiète pas.
Job / Jb 39:17 Because God hath deprived her of wisdom, neither hath he imparted to her understanding. Fa efa nampanadinoin' Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana. Fa nolavin' Andriamanitra tsy ho azy ny fahendrena, ary tsy mba nomeny azy ny fahalalana. C' est que Dieu l' a privée de sagesse, ne lui a point départi l' intelligence.
Job / Jb 39:18 What time she lifteth up herself on high, she scorneth the horse and his rider. Raha mikopakopak' elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy. Rehefa mikopak' elatra sy miezaka kosa anefa izy, ihomehezany foana ny soavaly sy ny mpitaingina azy. Mais sitôt qu' elle se dresse et se soulève, elle défie le cheval et son cavalier.
Job / Jb 39:19 Hast thou given the horse strength? hast thou clothed his neck with thunder? Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony? Hianao va no manome hery ny soavaly, sy mandravaka vombo mihofahofa amin' ny vozony, Donnes-tu au cheval la bravoure, revêts-tu son cou d' une crinière?
Job / Jb 39:20 Canst thou make him afraid as a grasshopper? the glory of his nostrils is terrible. Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin' ny fiefonefony! ary mampitsipika azy hoatra ny valala? Mamelona fampatahorana ny fanenony miandranandrana. Le fais-tu bondir comme la sauterelle? Son hennissement altier répand la terreur.
Job / Jb 39:21 He paweth in the valley, and rejoiceth in his strength: he goeth on to meet the armed men. Mihehy ao amin' ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy. Mihehy tany amin' ny tongony izy sady miedinedina noho ny heriny, miantoraka hanetra ny ady izy. Il piaffe de joie dans le vallon, avec vigueur il s'élance au-devant des armes.
Job / Jb 39:22 He mocketh at fear, and is not affrighted; neither turneth he back from the sword. Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin' ny sabatra. Ihomehezany fotsiny ny fampitahorana, fa tsy misy mampimalo azy akory, ka tsy mianotra izy eo anoloan' ny sabatra. Il se moque de la peur et ne craint rien, il ne recule pas devant l'épée.
Job / Jb 39:23 The quiver rattleth against him, the glittering spear and the shield. Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy. Mifioka eny amboniny eny ny zana-tsipika, ny lefona manelatselatra sy ny longy. Sur lui résonnent le carquois, la lance étincelante et le javelot.
Job / Jb 39:24 He swalloweth the ground with fierceness and rage: neither believeth he that it is the sound of the trumpet. Miriotra mafy amin' ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara. Mihivingivina izy, mihoalahoala izy, mirimorimo mafy ery izy, tsy mahajanona intsony nony vao velona ny bingona. Frémissant d' impatience, il dévore l' espace; il ne se tient plus quand sonne la trompette
Job / Jb 39:25 He saith among the trumpets, Ha, ha; and he smelleth the battle afar off, the thunder of the captains, and the shouting. Na oviana na oviana no anenoan' ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban' ny manamboninahitra. Vao mandre ny feon' ny bingona izy dia milaza hoe: ndao! mbola lavitra izy, dia efa manimbolo ny ady, ny feo mikotrokotroky ny lehibe, ny akoralavan' ny mpiady. à chaque coup de trompette, il crie : Héah! Il flaire de loin la bataille, la voix tonnante des chefs et les cris.
Job / Jb 39:26 Doth the hawk fly by thy wisdom, and stretch her wings toward the south? Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo? Fahendrenao va no iezahan' ny voromahery hanidina, sy hamelarany ny elany hianatsimo? Est-ce avec ton discernement que le faucon prend son vol, qu' il déploie ses ailes vers le sud?
Job / Jb 39:27 Doth the eagle mount up at thy command, and make her nest on high? Noho ny didinao va no iakaran' ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy? Baikonao va no isondrotan' ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy? Sur ton ordre que l' aigle s'élève et place son nid dans les hauteurs?
Job / Jb 39:28 She dwelleth and abideth on the rock, upon the crag of the rock, and the strong place. Eny amin' ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon' ny harambato sy ao amin' ny fiarovana. Monina eny amin' ny haram-bato izy, miorim-ponenana eny an-tsefatsefa-bato, an-tampon' ny havoana. Il fait du rocher son habitat nocturne, d' un pic rocheux sa forteresse.
Job / Jb 39:29 From thence she seeketh the prey, and her eyes behold afar off. Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony. Avy eny izy, no mitsikilo ny rembiny, ka mahiratra mahatazana lavitra ny masony. Il guette de là sa proie et ses yeux de loin l' aperçoivent.
Job / Jb 39:30 Her young ones also suck up blood: and where the slain are, there is she. Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran' ny faty dia any izy. Ra no fisotron' ny zanany; ary izay misy faty, dia ahitana azy avokoa. Ses petits lapent le sang, où il y a des tués, il est là.

<-
->