<-
->

Job / Jb 6:1 But Job answered and said, Dia namaly Joba ka nanao hoe: Tamin' izay, dia niteny Joba ka nanao hoe: Job prit la parole et dit :
Job / Jb 6:2 Oh that my grief were throughly weighed, and my calamity laid in the balances together! Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin' ny mizana izy sy ny fahoriako! Eh, raha mba azo lanjaina mantsy ny fahoriako, ka azo atambatra atao eo ambony mizana avokoa ny loza manjo ahy, Oh! Si l' on pouvait peser mon affliction, mettre sur une balance tous mes maux ensemble!
Job / Jb 6:3 For now it would be heavier than the sand of the sea: therefore my words are swallowed up. Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho. dia havesatra noho ny fasiky ny ranomasina izy: ka noho izany, dia tafahoatra ho rediredy ny teniko. Mais c' est plus lourd que le sable des mers, voilà pourquoi mes paroles bredouillent.
Job / Jb 6:4 For the arrows of the Almighty are within me, the poison whereof drinketh up my spirit: the terrors of God do set themselves in array against me. Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy. Fa ny zana-tsipìkan' ny Tsitoha no manindrona ahy, ary ny poizina amin' ireo, fohin' ny fanahiko; ny fampitahoran' Andriamanitra tafalahatra hiady amiko. Les flèches de Shaddaï en moi sont plantées, mon humeur boit leur venin et les terreurs de Dieu sont en ligne contre moi.
Job / Jb 6:5 Doth the wild ass bray when he hath grass? or loweth the ox over his fodder? Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin' ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin' ny fihinany? Minananana eo akaikin' ny vilo-maitso va ny ampondra dia? Mimama eo anoloan' ny haniny va ny ombalahy? Voit-on braire l' onagre auprès de l' herbe tendre, le boeuf mugir à portée du fourrage ?
Job / Jb 6:6 Can that which is unsavoury be eaten without salt? or is there any taste in the white of an egg? Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin' atody? Atao ahoana no fihinan-kanina matsatso sy tsy misy sira? Atao ahoana no fakafy ron' anana tsy misy tsirony? Un aliment fade se mange-t-il sans sel, le blanc de l' oeuf a-t-il quelque saveur ?
Job / Jb 6:7 The things that my soul refused to touch are as my sorrowful meat. Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza. Izay lavin' ny foko tsy hokasihina akory, no indro tonga haniko, sady feno loto maharikoriko. Or ce que mon appétit se refuse à toucher, c' est là ma nourriture de malade.
Job / Jb 6:8 Oh that I might have my request; and that God would grant me the thing that I long for! Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen' Andriamanitra ahy anie izay iriko! Aiza no hahitako izay hahato ny faniriako, sy izay hahatanterahan' Andriamanitra ny antenaiko! Oh! que se réalise donc ma prière, que Dieu réponde à mon attente!
Job / Jb 6:9 Even that it would please God to destroy me; that he would let loose his hand, and cut me off! Ka ho sitrak' Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko, Ho sitrak' Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy, handefa ny tanany sy hanapitra ny androko! Que Lui consente à m'écraser, qu' il dégage sa main et me supprime!
Job / Jb 6:10 Then should I yet have comfort; yea, I would harden myself in sorrow: let him not spare; for I have not concealed the words of the Holy One. Dia hahita fiononana amin' izany aho ka hiravoravo na dia amin' ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin' ny Iray Masina aho. Aoka tsy ho afaka amiko izao fiononam-po izao, ka iravoravoako ao anatin' ny loza anindriany ahy: dia ny tsy nandikako na oviana na oviana ny didin' ny Masina. J' aurai du moins cette consolation, ce sursaut de joie en de cruelles souffrances, de n' avoir pas renié les décrets du Saint.
Job / Jb 6:11 What is my strength, that I should hope? and what is mine end, that I should prolong my life? Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho? Inona moa ny heriko, mba hanantenako? Ohatrinona no halavan' ny androko, mba haharetako? Ai-je donc assez de force pour attendre ? Voué à une telle fin, à quoi bon patienter ?
Job / Jb 6:12 Is my strength the strength of stones? or is my flesh of brass? Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko? Herim-bato va ny heriko? Ary varahina va ny nofoko? Ma force est-elle celle du roc, ma chair est-elle de bronze ?
Job / Jb 6:13 Is not my help in me? and is wisdom driven quite from me? Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana? Tsy efa foana amiko va ny vonjy rehetra? Tsy efa alana amiko va ny toky rehetra hahitana famonjena? Aurai-je pour appui le néant et tout secours n' a-t-il pas fui loin de moi ?
Job / Jb 6:14 To him that is afflicted pity should be shewed from his friend; but he forsaketh the fear of the Almighty. Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran' ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy. Mendrika hiantran' ny sakaizany izay tra-pahoriana, na dia nandao ny fahatahorana ny Tsitoha aza izy. Refuser la pitié à son prochain, c' est abandonner la crainte de Shaddaï.
Job / Jb 6:15 My brethren have dealt deceitfully as a brook, and as the stream of brooks they pass away; Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra, Ireo rahalahiko kosa, namadika toy ny ranotrambo, toy ny rano an-dahasahan-driaka, izay mikoriana; Mes frères ont trahi comme un torrent, comme le cours des torrents qui débordent.
Job / Jb 6:16 Which are blackish by reason of the ice, and wherein the snow is hid: Izay mainty azon' ny ranomandry Sady iafenan' ny oram-panala; Sakantsakanan' ny vongan-dranomandry ny fandehany, levona anatin' ny onjany, ny oram-panala. La glace assombrit leurs eaux, au-dessus d' eux fond la neige,
Job / Jb 6:17 What time they wax warm, they vanish: when it is hot, they are consumed out of their place. Fa raha taninin' ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin' ny fitoerany izy; Rahefa maina ny andro dia levona izy; raha vao mafana ny andro, ritra an-toerana izy. mais, dès la saison brûlante, ils tarissent, ils s'évanouissent sous l' ardeur du soleil.
Job / Jb 6:18 The paths of their way are turned aside; they go to nothing, and perish. Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona. Eny amin' izao sakeli-dalana rehetra izao ny ranony dia lany; eny amin' ny habakabaka izy, manjary etona, dia tankina. Pour eux, les caravanes quittent les pistes, s' enfoncent dans le désert et s' y perdent.
Job / Jb 6:19 The troops of Tema looked, the companies of Sheba waited for them. Ny antokon' i Tema mitazana, ny andian' i Sheba manantena azy; Nanandrandra azy ny andiam-pivahiny avy any Tema; nanantena azy ny mpandeha avy any Saba. Les caravanes de Téma les fixent des yeux, en eux espèrent les convois de Saba.
Job / Jb 6:20 They were confounded because they had hoped; they came thither, and were ashamed. Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay. Kanjo foana ny fanantenan' ireny, fa nony tonga teo amorony indreo nangaihay. Leur confiance se voit déçue; arrivés près d' eux, ils restent confondus.
Job / Jb 6:21 For now ye are nothing; ye see my casting down, and are afraid. Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra. Toy izany koa hianareo manary ahy amin' izao; fa vao nahita ny fahoriana hianareo, dia nihodina raiki-tahotra. Tels vous êtes pour moi à cette heure : à la vue du fléau, vous prenez peur.
Job / Jb 6:22 Did I say, Bring unto me? or, Give a reward for me of your substance? Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin' ny fanananareo, Kanefa moa ve aho nanao hoe: Mba omeo zavatra kely aho? mba omeo anjara amin' izay anananareo aho? Vous ai-je donc dit : " Faites-moi tel don, offrez tel présent pour moi sur vos biens;
Job / Jb 6:23 Or, Deliver me from the enemy' s hand? or, Redeem me from the hand of the mighty? Ary vonjeo amin' ny tanan' ny fahavalo aho, ka afaho amin' ny tanan' ny mpitohatoha? Vonjeo amin' ny tanan' ny fahavalo aho, afaho amin' ny tanan' ny mpitoha aho? arrachez-moi à l'étreinte d' un oppresseur, délivrez-moi des mains d' un violent " ?
Job / Jb 6:24 Teach me, and I will hold my tongue: and cause me to understand wherein I have erred. Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho. Ampianaro aho, fa hangina hihaino anareo, ampahafantaro ahy izay nahadiso ahy. Instruisez-moi, alors je me tairai; montrez-moi en quoi j' ai pu errer.
Job / Jb 6:25 How forcible are right words! but what doth your arguing reprove? Endrey ny herin' ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo? Endrey izany herin' ny teny marina! Fa mba inona kosa no iharan' ny faninianareo? On supporte sans peine des discours équitables, mais vos critiques, que visent-elles ?
Job / Jb 6:26 Do ye imagine to reprove words, and the speeches of one that is desperate, which are as wind? Ny amin' ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin' ny rivotra ny tenin' ny olona mamoy fo. Sao dia ny hisambo-teny fotsiny no tadiavinareo? Raha izay tenin' ny mamoy fo anefa, dia entin-drivotra foana. Prétendez-vous critiquer des paroles, propos de désespoir qu' emporte le vent ?
Job / Jb 6:27 Yea, ye overwhelm the fatherless, and ye dig a pit for your friend. Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra. Indrisy, latsahanareo harato ity kamboty, ary ihadianareo lavaka ny sakaizanareo hamandrihana azy! Vous iriez jusqu'à tirer au sort un orphelin, à faire bon marché de votre ami!
Job / Jb 6:28 Now therefore be content, look upon me; for it is evident unto you if I lie. Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho. Fa ankehitriny mba mitodiha kely aty amiko, dia ho hitanareo, raha hilazako lainga manatrika hianareo. Allons, je vous en prie, tournez-vous vers moi, vous mentirais-je en face ?
Job / Jb 6:29 Return, I pray you, let it not be iniquity; yea, return again, my righteousness is in it. Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako. Miverena, ka aza mety ho tsy marina, miverena, dia hiharihary ny tsy fananako tsiny. Retournez-vous, je vous en prie, pas de fausseté; retournez-vous, car je reste dans mon droit.
Job / Jb 6:30 Is there iniquity in my tongue? cannot my taste discern perverse things? Moa misy heloka va eo amin' ny lelako? Nisy faharatsiana va eo am-bavako? Sa tsy mahay manavaka ny ratsy va ny vavako? Y a-t-il de la fausseté sur mes lèvres ? Mon palais ne sait-il plus discerner l' infortune ?

<-
->