<-
->

Oha / Oh 15:1 A soft answer turneth away wrath: but grievous words stir up anger. Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. Ny valin-teny mora, mampitony havinirana; fa ny teny henjana, mampirehi-katezerana. Une aimable réponse apaise la fureur, une parole blessante fait monter la colère.
Oha / Oh 15:2 The tongue of the wise useth knowledge aright: but the mouth of fools poureth out foolishness. Ny lelan' ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan' ny adala miboiboika fahadalana. Ny lelan' ny hendry, mahatonga ny fahaizana ho mahate-ho tia, ny vavan' ny adala miboiboika hadalana. La langue des sages rend le savoir agréable, la bouche des sots éructe la folie.
Oha / Oh 15:3 The eyes of the Lord are in every place, beholding the evil and the good. Ny mason' i Jehovah amin' izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. Ny mason' ny Tompo, dia amin' ny fitoerana rehetra; mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. En tout lieu sont les yeux de Yahvé, ils observent méchants et bons.
Oha / Oh 15:4 A wholesome tongue is a tree of life: but perverseness therein is a breach in the spirit. Ny teny malemy dia hazon' aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy. Ny teny mora, dia hazon' aina; fa ny vava ratsy, mamaky ny fo. Langue apaisante est un arbre de vie, langue perverse brise le coeur.
Oha / Oh 15:5 A fool despiseth his father' s instruction: but he that regardeth reproof is prudent. Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry. Ny adala maniratsira ny fampianaran-drainy; fa izay manararaotra ny fananarana kosa mihahendry. Le fou méprise la correction paternelle, qui observe la réprimande est avisé.
Oha / Oh 15:6 In the house of the righteous is much treasure: but in the revenues of the wicked is trouble. Ao an-tranon' ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan' ny haren' ny ratsy fanahy dia misy loza. Harem-be no ao an-tranon' ny marina; fikorontanana kosa no ao amin' ny fitomboan-karen' ny ratsy fanahy. Biens abondants dans la maison du juste, mais les revenus du méchant sont source d' inquiétude.
Oha / Oh 15:7 The lips of the wise disperse knowledge: but the heart of the foolish doeth not so. Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon' ny adala. Ny molotry ny hendry mampiely ny fahaizana; fa tsy mba ny fon' ny adala. Les lèvres des sages répandent le savoir, mais non le coeur des sots.
Oha / Oh 15:8 The sacrifice of the wicked is an abomination to the Lord: but the prayer of the upright is his delight. Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason' i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany. Ny soron' ny ratsy fanahy, dia ankahalain' ny Tompo; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahany. Le sacrifice des méchants est une abomination pour Yahvé, mais la prière des hommes droits fait ses délices.
Oha / Oh 15:9 The way of the wicked is an abomination unto the Lord: but he loveth him that followeth after righteousness. Fahavetavetana eo imason' i Jehovah ny lalan' ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany. Ny lalan' ny ratsy fanahy, fahavetavetana eo imason' ny Tompo; fa ny manaraka ny rariny, no tiany. Abomination pour Yahvé : la mauvaise conduite; mais il chérit qui poursuit la justice.
Oha / Oh 15:10 Correction is grievous unto him that forsaketh the way: and he that hateth reproof shall die. Famaizana mafy no hihatra amin' izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty. Famaizana mafy no mihatra amin' izay mivily lalana; izay mankahala anatra dia ho faty. Sévère correction pour qui s'écarte du sentier; qui hait la réprimande mourra.
Oha / Oh 15:11 Hell and destruction are before the Lord: how much more then the hearts of the children of men? Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan' i Jehovah, Koa mainka ny fon' ny zanak' olombelona! Ny seoly sy ny hantsana miharihary eo anatrehan' ny Tompo: ka mainka ny fon' ny zanak' olombelona! Shéol et Perdition sont devant Yahvé : combien plus le coeur des enfants des hommes!
Oha / Oh 15:12 A scorner loveth not one that reproveth him: neither will he go unto the wise. Tsy tian' ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy. Tsy te-hanarina ny mpamazivavy; ka tsy manatona ny hendry izy. Le railleur n' aime pas qu' on le reprenne, avec les sages il ne va guère.
Oha / Oh 15:13 A merry heart maketh a cheerful countenance: but by sorrow of the heart the spirit is broken. Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon' ny fo mahareraka ny fanahy. Ny fo ravoravo, mahamiramiran' endrika, fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy. Coeur joyeux fait bon visage, coeur chagrin a l' esprit abattu.
Oha / Oh 15:14 The heart of him that hath understanding seeketh knowledge: but the mouth of fools feedeth on foolishness. Ny fon' ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan' ny adala mankamamy ny fahadalana. Ny fo manan-tsaina, mikatsaka ny fahaizana, fa ny vavan' ny adala mifahana fahadalana. Coeur intelligent recherche le savoir, la bouche des sots se repaît de folie.
Oha / Oh 15:15 All the days of the afflicted are evil: but he that is of a merry heart hath a continual feast. Ratsy avokoa ny andron' ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva. Ratsy avokoa ny andron' ny mijaly, fa fanasana lava ny fo ravoravo. Pour le pauvre tous les jours sont mauvais, pour le coeur joyeux, c' est un banquet perpétuel.
Oha / Oh 15:16 Better is little with the fear of the Lord than great treasure and trouble therewith. Aleo ny kely misy ny fahatahorana an' i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy. Aleo ny kely ombam-pahatahorana an' ny Tompo, toy izay ny harem-be omban' ahiahy. Mieux vaut peu avec la crainte de Yahvé qu' un riche trésor avec l' inquiétude.
Oha / Oh 15:17 Better is a dinner of herbs where love is, than a stalled ox and hatred therewith. Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo. Aleo anana ombam-pitiavana; toy izay omby mifahy, ombam-pankahalana. Mieux vaut une portion de légumes avec l' affection qu' un boeuf gras avec la haine.
Oha / Oh 15:18 A wrathful man stirreth up strife: but he that is slow to anger appeaseth strife. Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana. Ny olo-masiaka manetsik' ady, ny mahatsindry fo kosa, mampitsahatra fifandirana. L' homme emporté engage la querelle, l' homme lent à la colère apaise la dispute.
Oha / Oh 15:19 The way of the slothful man is as an hedge of thorns: but the way of the righteous is made plain. Ny lalan' ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben' ny marina dia voalamina tsara. Ny lalan' ny kamo, toa fefy tsilo; ny lalan' ny olo-mahitsy dia voarina tsara. Le chemin du paresseux est comme une haie d'épines, le sentier des hommes droits est une grand-route.
Oha / Oh 15:20 A wise son maketh a glad father: but a foolish man despiseth his mother. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; ny adala kosa maneso ny reniny. Le fils sage réjouit son père, l' homme sot méprise sa mère.
Oha / Oh 15:21 Folly is joy to him that is destitute of wisdom: but a man of understanding walketh uprightly. Ny fahadalana dia fifalian' ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy Hafaliana ho an' ny olona tsy ampy saina, ny hadalana, fa ny olona manan-tsaina, momba ny lala-mahitsy. La folie fait la joie de l' homme privé de sens, l' homme intelligent va droit son chemin.
Oha / Oh 15:22 Without counsel purposes are disappointed: but in the multitude of counsellors they are established. Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany. Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina. Faute de réflexion les projets échouent, grâce à de nombreux conseillers, ils prennent corps.
Oha / Oh 15:23 A man hath joy by the answer of his mouth: and a word spoken in due season, how good is it! Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran' ny teny atao amin' izay andro mahamety azy! Fifaliana ho an' ny olona, raha nahavaly tsara ny vavany; ary mahafinaritra aoka izany ny teny atao amin' izay antonina azy. Joie pour l' homme qu' une réplique de sa bouche, que c' est bon, une réponse opportune!
Oha / Oh 15:24 The way of life is above to the wise, that he may depart from hell beneath. Làlan' aina ho any ambony no alehan' ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany, Ny hendry mizotra lalan' aina miakatra ho any ambony; mba hivily tsy hankany amin' ny seoly izay any ambany. A l' homme de bon sens, le sentier de la vie, qui mène en haut, afin d'éviter le shéol, en bas.
Oha / Oh 15:25 The Lord will destroy the house of the proud: but he will establish the border of the widow. Ravan' i Jehovah ny tranon' ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin' ny mpitondra-tena aoriny mafy. Ny tranon' ny mpiavonavona, ravan' ny Tompo; fa ny baorina mamaritra ny an' ny mpitondra-tena kosa aoriny mafy. Yahvé renverse la maison des superbes, mais il relève la borne de la veuve.
Oha / Oh 15:26 The thoughts of the wicked are an abomination to the Lord: but the words of the pure are pleasant words. Fahavetavetana eo imason' i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra. Halan' ny Tompo ny hevi-dratsy; fa madio eo imasony, ny teny maneho fitiavana. Abomination pour Yahvé : les mauvais desseins; mais les paroles bienveillantes sont pures.
Oha / Oh 15:27 He that is greedy of gain troubleth his own house; but he that hateth gifts shall live. Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin' ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona. Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly, no ho velona. Qui est avide de rapines trouble sa maison, qui hait les présents vivra.
Oha / Oh 15:28 The heart of the righteous studieth to answer: but the mouth of the wicked poureth out evil things. Ny fon' ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan' ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana. Ny fon' ny marina, mihevitra izay tokony ho valiany, fa ny vavan' ny adala mitsaontsaon-dratsy. Le coeur du juste médite pour répondre, la bouche des méchants éructe la méchanceté.
Oha / Oh 15:29 The Lord is far from the wicked: but he heareth the prayer of the righteous. Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny. Lavitra ny ratsy fanahy Iaveh, fa ny vavaky ny marina, henoiny. Yahvé s'éloigne des méchants, mais il entend la prière des justes.
Oha / Oh 15:30 The light of the eyes rejoiceth the heart: and a good report maketh the bones fat. Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana. Ny fijery maneho fitiavana maharavo ny fo; ny vaovao mahafaly mankatavy ny taolana. Un regard bienveillant réjouit le coeur, une bonne nouvelle ranime les forces.
Oha / Oh 15:31 The ear that heareth the reproof of life abideth among the wise. Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin' ny hendry. Ny sofina mihaino anatra mahavonjy, manana anjara toerana eo amin' ny hendry. L' oreille attentive à la réprimande salutaire a sa demeure parmi les sages.
Oha / Oh 15:32 He that refuseth instruction despiseth his own soul: but he that heareth reproof getteth understanding. Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana. Izay manda anatra manamavo ny fanahiny; fa izay mihaino fananarana mahazo ny fahendrena. Qui rejette la correction se méprise lui-même, qui écoute la réprimande acquiert du sens.
Oha / Oh 15:33 The fear of the Lord is the instruction of wisdom; and before honour is humility. Ny fahatahorana an' i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana. Ny fahatahorana an' ny Tompo, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana. La crainte de Yahvé est discipline de sagesse, avant la gloire, il y a l' humilité.

<-
->