<-
->

Oha / Oh 4:1 Hear, ye children, the instruction of a father, and attend to know understanding. Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara. Henoy, anaka, ny anatry ny ray, ary mitandrema mba hahazo fahalalana, Écoutez, mes fils, l' instruction d' un père, soyez attentifs à connaître l' intelligence.
Oha / Oh 4:2 For I give you good doctrine, forsake ye not my law. Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko. fa fampianarana soa no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako. Car c' est une bonne doctrine que je vous livre : n' abandonnez pas mon enseignement.
Oha / Oh 4:3 For I was my father' s son, tender and only beloved in the sight of my mother. Fa zanak' ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason' ineny. Izaho koa dia zanaka ho an' Ikaky fahizay, zanaka tokana sy feno fitiavana teo anilan' ineny. Je fus un fils pour mon père, tendre et unique aux yeux de ma mère.
Oha / Oh 4:4 He taught me also, and said unto me, Let thine heart retain my words: keep my commandments, and live. Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao. Dia notoroany sy nataony hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; tandremo ny didiko dia ho velona hianao. Or il m' enseignait en ces termes : " Que ton coeur retienne mes paroles, observe mes préceptes et tu vivras;
Oha / Oh 4:5 Get wisdom, get understanding: forget it not; neither decline from the words of my mouth. Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana; aza hadinoinao ny tenin' ny vavako, ary aza mivily miala amin' izany. acquiers la sagesse, acquiers l' intelligence, ne l' oublie pas et ne t'écarte pas des paroles de ma bouche.
Oha / Oh 4:6 Forsake her not, and she shall preserve thee: love her, and she shall keep thee. Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao. Aza mahafoy azy fa harovany hianao; tiavo izy fa hitahiry anao. Ne l' abandonne pas, elle te gardera, aime-la, elle veillera sur toi.
Oha / Oh 4:7 Wisdom is the principal thing; therefore get wisdom: and with all thy getting get understanding. Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara. Izao no fiandohan' ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana. Commencement de la sagesse : acquiers la sagesse; au prix de tout ce que tu possèdes, acquiers l' intelligence!
Oha / Oh 4:8 Exalt her, and she shall promote thee: she shall bring thee to honour, when thou dost embrace her. Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao. Tombano ho ambony vidy izy, fa hanandratra anao; fihino tsara, fa ho tonga voninahitrao izy. Étreins-la et elle t'élèvera, elle fera ta gloire si tu l' embrasses;
Oha / Oh 4:9 She shall give to thine head an ornament of grace: a crown of glory shall she deliver to thee. Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao. Hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; horavahany satro-boninahitra tsara indrindra hianao. sur ta tête elle posera un diadème de grâce, elle t' offrira une couronne d' honneur. "
Oha / Oh 4:10 Hear, O my son, and receive my sayings; and the years of thy life shall be many. Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao. Henoy, anaka, ary raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao. Écoute, mon fils, accueille mes paroles, et les années de ta vie se multiplieront.
Oha / Oh 4:11 I have taught thee in the way of wisdom; I have led thee in right paths. Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin' ny lalana mahitsy aho. Manoro anao ny lalam-pahendrena aho, mitarika anao amin' ny sakeli-dalan' ny fahitsiana. Dans la voie de la sagesse je t' ai enseigné, je t' ai fait cheminer sur la piste de la droiture.
Oha / Oh 4:12 When thou goest, thy steps shall not be straitened; and when thou runnest, thou shalt not stumble. Raha mandeha ianao, dia tsy ho etý ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina. Raha mandeha hianao tsy ho ety lalana, raha mihazakazaka tsy ho tafintohina. Dans ta marche tes pas seront sans contrainte, si tu cours, tu ne trébucheras pas.
Oha / Oh 4:13 Take fast hold of instruction; let her not go: keep her; for she is thy life. Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao. Tano ny fahalalana ka aza avela; iraiketo izy fa fiainanao. Saisis la discipline, ne la lâche pas, garde-la, c' est ta vie.
Oha / Oh 4:14 Enter not into the path of the wicked, and go not in the way of evil men. Aza mankany amin' ny alehan' ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin' ny lalan' ny ratsy. Aza miditra ny sakeli-dalan' ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin' ny lalan' ny olon-dratsy. Ne suis pas le sentier des méchants, ne t' avance pas sur le chemin des mauvais.
Oha / Oh 4:15 Avoid it, pass not by it, turn from it, and pass away. Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora. Halaviro izany fa aza lalovana akory; mivilia hianao, dia mizora. Évite-le, n' y passe pas, détourne-toi, passe outre.
Oha / Oh 4:16 For they sleep not, except they have done mischief; and their sleep is taken away, unless they cause some to fall. Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany. Fa tsy matory tsy nahefa ratsy ireny; ary mahita tory tsy nahalavo olona; Car ils ne s' endorment pas qu' ils n' aient fait le mal, le sommeil leur manque s' ils n' ont fait trébucher quelqu' un;
Oha / Oh 4:17 For they eat the bread of wickedness, and drink the wine of violence. Fa mihinana ny mofon' ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain' ny fahalozàna. Mofom-paharatsiana no fihinany, divaim-pahalozana no fisotrony, car ils mangent un pain de méchanceté et boivent le vin des violents.
Oha / Oh 4:18 But the path of the just is as the shining light, that shineth more and more unto the perfect day. Fa ny lalan' ny marina dia toy ny fipoak' andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan' ny andro. Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan' ny marina, ka mitombo hazavana hatramin' ny fiposahan' ny andro. La route des justes est comme la lumière de l' aube, dont l'éclat grandit jusqu' au plein jour;
Oha / Oh 4:19 The way of the wicked is as darkness: they know not at what they stumble. Ny alehan' ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy. Fa toy ny aizina kosa ny lalan' ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy. le chemin des méchants est comme l' obscurité : ils ne savent sur quoi ils trébuchent.
Oha / Oh 4:20 My son, attend to my words; incline thine ear unto my sayings. Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Anaka, tandremo ny teniko, mampandria sofina amin' ny lahateniko. Mon fils, sois attentif à mes paroles, à mes discours prête l' oreille!
Oha / Oh 4:21 Let them not depart from thine eyes; keep them in the midst of thine heart. Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao. Aza avela hanalavitra ny masonao izy, fa tahirizo ao anatin' ny fonao, qu' ils n'échappent pas à tes regards, au fond du coeur garde-les!
Oha / Oh 4:22 For they are life unto those that find them, and health to all their flesh. Fa aina ho an' ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an' ny nofony rehetra. Satria aina ho an' izay mahazo azy izany, ary fahasalamana ho an' ny vatany manontolo. Car pour qui les trouve ils sont vie et santé pour toute chair.
Oha / Oh 4:23 Keep thy heart with all diligence; for out of it are the issues of life. Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian' ny aina. Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no ihavian' ny loharanon' aina. Plus que sur toute chose, veille sur ton coeur, c' est de lui que jaillit la vie.
Oha / Oh 4:24 Put away from thee a froward mouth, and perverse lips put far from thee. Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. Ampanalaviro ny vavanao ny teny misafelipelika; ary ampanalaviro ny molotrao ny zavatra tsy marina. Écarte loin de toi la bouche perverse, et les lèvres trompeuses, éloigne-les.
Oha / Oh 4:25 Let thine eyes look right on, and let thine eyelids look straight before thee. Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. Aoka ny masonao hahitsy fijery, ary ny hodi-masonao hanitsy eo anoloanao. Que tes yeux regardent en face, que tes regards se dirigent droit devant toi.
Oha / Oh 4:26 Ponder the path of thy feet, and let all thy ways be established. Ataovy marina ny alehan' ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra; Ataovy marina ny alehan' ny tongotrao, ary aoka ho mahitsy ny lalanao rehetra. Aplanis la piste sous tes pas et que tous tes chemins soient bien affermis.
Oha / Oh 4:27 Turn not to the right hand nor to the left: remove thy foot from evil. Aza mivily, na ho amin' ny ankavanana, na ho amin' ny ankavia; Esory amin' ny ratsy ny tongotrao. Aza mivily miankavanana na miankavia; ary esory amin' ny ratsy ny tongotrao. Ne dévie ni à droite ni à gauche, écarte ton pied du mal.

<-
->