<-
->

Oha / Oh 22:1 A GOOD name is rather to be chosen than great riches, and loving favour rather than silver and gold. Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena. Aleo laza tsara, toy izay harem-be, ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena. Le renom l' emporte sur de grandes richesses, la faveur, sur l' or et l' argent.
Oha / Oh 22:2 The rich and poor meet together: the Lord is the maker of them all. Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta. Mihaona ny mpanana sy ny mahantra, samy asan' ny Tompo, izy roa tonta. Riche et pauvre se rencontrent, Yahvé les a faits tous les deux.
Oha / Oh 22:3 A prudent man foreseeth the evil, and hideth himself: but the simple pass on, and are punished. Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa. Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery; fa ny kely saina kosa, mandroso ihany, ka voa. L' homme avisé voit le malheur et se cache, les niais passent outre, à leurs dépens.
Oha / Oh 22:4 By humility and the fear of the Lord are riches, and honour, and life. Ny valin' ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an' i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana. Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an' ny Tompo; harena amam-boninahitra ary fiainana izany. Le fruit de l' humilité, c' est la crainte de Yahvé, la richesse, l' honneur et la vie.
Oha / Oh 22:5 Thorns and snares are in the way of the froward: he that doth keep his soul shall be far from them. Tsilo sy fandrika no amin' ny alehan' ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany. Tsilo amam-pandrika no eny amin' ny lalan' ny ratsy fanahy, fa izay miaro ny fanahiny kosa manalavitra izany. Épines et pièges sur le chemin du pervers, qui tient à la vie s' en éloigne.
Oha / Oh 22:6 Train up a child in the way he should go: and when he is old, he will not depart from it. Zaro amin' izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin' izany. Ampianaro ny zaza ny lalana tokony alehany, dia tsy hiala amin' izany izy, na rahefa antitra aza. Instruis le jeune homme selon ses dispositions, devenu vieux, il ne s' en détournera pas.
Oha / Oh 22:7 The rich ruleth over the poor, and the borrower is servant to the lender. Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon' ny mampisambotra. Ny manan-karena manapaka ny mahantra; ary ny misambotra mpanompon' ny mpampisambotra. Le riche domine les pauvres, du créancier l' emprunteur est esclave.
Oha / Oh 22:8 He that soweth iniquity shall reap vanity: and the rod of his anger shall fail. Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon' ny fahatezerany. Izay mamafy heloka, hijinja fahoriana, ary ho foana ny tsorakazon' ny fahatezerany. Qui sème l' injustice récolte le malheur et le bâton de sa colère disparaîtra.
Oha / Oh 22:9 He that hath a bountiful eye shall be blessed; for he giveth of his bread to the poor. Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an' ny malahelo ny haniny. Hambinina ny olona antra fijery, fa anomezany ny mahantra ny mofony. L' homme bienveillant sera béni, car il donne de son pain au pauvre.
Oha / Oh 22:10 Cast out the scorner, and contention shall go out; yea, strife and reproach shall cease. Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka. Roahy ny mpamazivazy, dia ho tapaka ny fifandirana, hitsahatra ny ady amam-panalam-baraka. Chasse le railleur et la querelle cessera, procès et mépris s' apaiseront.
Oha / Oh 22:11 He that loveth pureness of heart, for the grace of his lips the king shall be his friend. Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan' ny mpanjaka izy. Izay tia ny fahadiovam-po sy mahafinaritra ny tenin' ny molony, dia ho sakaizan' ny mpanjaka. Celui qui aime les coeurs purs, qui a la grâce sur les lèvres, a le roi pour ami.
Oha / Oh 22:12 The eyes of the Lord preserve knowledge, and he overthroweth the words of the transgressor. Ny mason' i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin' ny mpivadika dia foanany. Miaro ny fahaizana ny mason' ny Tompo, fa mamaky betroka ny tenin' ny olon-dratsy kosa izy. Les yeux de Yahvé protègent le savoir, mais il confond les discours du traître.
Oha / Oh 22:13 The slothful man saith, There is a lion without, I shall be slain in the streets. Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin' ny sasany any an-dalambe aho. Hoy ny kamo: Misy liona any ivelany! Ho vonoin-ko faty eny an-kianja eny aho! Le paresseux dit : " Il y a un lion dehors! dans la rue je vais être tué! "
Oha / Oh 22:14 The mouth of strange women is a deep pit: he that is abhorred of the Lord shall fall therein. Ny vavan' ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon' i Jehovah no ho latsaka ao. Lavaka lalina ny vavan' ny vehivavy an' olon-kafa; izay mahatezitra an' ny Tompo ho latsaka ao. Fosse profonde, la bouche des étrangères : celui que Yahvé réprouve y tombe.
Oha / Oh 22:15 Foolishness is bound in the heart of a child; but the rod of correction shall drive it far from him. Miraikitra amin' ny fon' ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy. Miraikitra amin' ny fon' ny zaza ny hadalana; ny tsorakazon' ny famaizana no hanesotra izany aminy. La folie est ancrée au coeur du jeune homme, le fouet de l' instruction l' en délivre.
Oha / Oh 22:16 He that oppresseth the poor to increase his riches, and he that giveth to the rich, shall surely come to want. Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an' ny manana kosa dia mampihena ny hareny. Ny mampahory ny mahantra no mampitombo harena azy; ny manome ny manankarena no mampihena ny ananany. (Tenin' ny olon-kendry) Opprimer un pauvre, c' est l' enrichir, donner au riche, c' est l' appauvrir.
Oha / Oh 22:17 Bow down thine ear, and hear the words of the wise, and apply thine heart unto my knowledge. Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin' ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao; Mampandria sofina ka henoy ny tenin' ireo hendry, manombena saina amin' ny fampianarako. Prête l' oreille, entends les paroles des sages, à mon savoir, applique ton coeur,
Oha / Oh 22:18 For it is a pleasant thing if thou keep them within thee; they shall withal be fitted in thy lips. Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin' ny molotrao. Fa zava-mahafinaritra izany raha tany tehirizinao ao anatinao; aoka hipetraka eo amin' ny molotrao avokoa izy! car il y aura plaisir à les garder au-dedans de toi, à les avoir toutes assurées sur tes lèvres.
Oha / Oh 22:19 That thy trust may be in the Lord, I have made known to thee this day, even to thee. Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin' i Jehovah. Mba hianteheran' ny fitokianao amin' ny Tompo, dia hianao no tiako ho toroana izao. Pour qu' en Yahvé soit ta confiance, je veux t' instruire aujourd' hui, toi aussi.
Oha / Oh 22:20 Have not I written to thee excellent things in counsels and knowledge, Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana, Moa tsy efa imbetsaka va izaho no nanao an-tsoratra, torohevitra amam-pampianarana ho anao? N' ai-je pas écrit pour toi trente chapitres de conseils et de science,
Oha / Oh 22:21 That I might make thee know the certainty of the words of truth; that thou mightest answer the words of truth to them that send unto thee? Mba hampahafantariko ny fahamarinan' ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin' izay naniraka anao? Mba ampianarana anao ny mahamarina ny zavatra fantatra tsara, hahazoanao mamaly teny marina an' izay maniraka anao. pour te faire connaître la certitude des paroles vraies et que tu rapportes des paroles sûres à qui t' enverra ?
Oha / Oh 22:22 Rob not the poor, because he is poor: neither oppress the afflicted in the gate: Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady; Aza endahanao ny mahantra noho izy mahantra, ary aza mampahory ny ory eo am-bavahady. Ne dépouille pas le faible, car il est faible, et n' opprime pas à la porte le pauvre,
Oha / Oh 22:23 For the Lord will plead their cause, and spoil the soul of those that spoiled them. Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin' ny adiny. Ary hanimba ny ain' izay manimba azy. Fa Iaveh hiaro azy ireny amin' ny adiny; sy hanala aina an' izay nanendaka an' ireny. car Yahvé épouse leur querelle et ravit à leurs ravisseurs la vie.
Oha / Oh 22:24 Make no friendship with an angry man; and with a furious man thou shalt not go: Aza misakaiza amin' ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin' ny olona foizina, Aza mikambakambana amin' izay olona foizina, na miarakaraka amin' izay olona masiaka: Ne te lie pas avec un homme emporté, ne va pas avec un homme irascible,
Oha / Oh 22:25 Lest thou learn his ways, and get a snare to thy soul. Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an' ny ainao. fandrao mianatra ny lalany hianao, ka manomana fandrika ho an' ny fanahinao. de peur que tu n' apprennes ses manières et n' y trouves un piège pour ta vie.
Oha / Oh 22:26 Be not thou one of them that strike hands, or of them that are sureties for debts. Aza mety ho isan' ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa; Aza mba mety ho isan' izay mora manao fanekena, dia ireo izay miantoka trosan' olona. Ne sois pas de ceux qui topent dans la main, qui se portent garants pour dettes;
Oha / Oh 22:27 If thou hast nothing to pay, why should he take away thy bed from under thee? Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao? Raha tsy manan-kaloa hianao, nahoana no dia mitono-tena, halain' olom-parafara eo ambaninao? si tu n' as pas de quoi t' acquitter, on prendra ton lit de dessous toi.
Oha / Oh 22:28 Remove not the ancient landmark, which thy fathers have set. Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin' ny razanao. Aza mamindra ny faritany fahataloha, izay efa naorin' ireo razanao. Ne déplace pas la borne antique que posèrent tes pères.
Oha / Oh 22:29 Seest thou a man diligent in his business? he shall stand before kings; he shall not stand before mean men. Mahita olona mailaka amin' ny raharahany va ianao? Eo anatrehan' ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan' ny olona ambany izy. Mahita olona mailaka amin' ny raharahany va hianao? Ho eo anilan' ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin' ny olona ambany izy. Vois-tu un homme preste à sa besogne ? au service des rois il se tiendra. il ne se tiendra pas au service des gens obscurs.

<-
->