<-
->

Fah 5:1 Amin' izay hitsangana amim-pitokiana lehibe ny marina, eo anoloan' izay nanenjika azy, sy nanamavo ny fisasarany. Alors le juste se tiendra debout, plein d' assurance, en présence de ceux qui l' opprimèrent, et qui, pour ses labeurs, n' avaient que mépris.
Fah 5:2 Raha hahita izany izy ireo dia hihavatravatra amim-pivadiham-po mahatsiravina; ho hana foana amin' ny fanehoana ny famonjena: A sa vue, ils seront troublés par une peur terrible, stupéfaits de le voir sauvé contre toute attente.
Fah 5:3 hifampiteny izy sady henika ny nenina sy hitoloko amim-pangitaham-po mafy hanao hoe: Indro ilay nataontsika fihomehezantsika fahiny, sy izay nokendren' ny fandatsantsika! Ils se diront entre eux, saisis de regrets et gémissant, le souffle oppressé
Fah 5:4 Adala isika nanao ny toe-piainany ho hadalana, sy ny hiafarany ho fahafaham-baraka! "Le voilà, celui que nous avons jadis tourné en dérision et dont nous avons fait un objet d' outrage, nous, insensés! Nous avons tenu sa vie pour folie, et sa fin pour infâme.
Fah 5:5 Kanjo indro, ny tenany eo amin' ny zanak' Andriamanitra, ary ny anjarany eo amin' ny olo-masina! Comment donc a-t-il été compté parmi les fils de Dieu? Comment a-t-il son lot parmi les saints?
Fah 5:6 Koa naniasia isika lavitry ny làlan' ny fahamarinana; tsy namirapiratra tamintsika ny fahazavan' ny fahamarinana; ary tsy niposaka tamintsika ny masoandro. Oui, nous avons erré hors du chemin de la vérité; la lumière de la justice n' a pas brillé pour nous, le soleil ne s' est pas levé pour nous.
Fah 5:7 Niala liana teny amin' ny làlan' ny tsy fahamarinana amam-pahaverezana isika, nizotra tamin' ny tany efitra tsy misy làlana isika, ka tsy nahalala ny làlan' ny Tompo. Nous nous sommes rassasiés dans les sentiers de l' iniquité et de la perdition, nous avons traversé des déserts sans chemins, et la voie du Seigneur, nous ne l' avons pas connue!
Fah 5:8 Nahasoa antsika inona ny avonavona? Inona no soa azontsika tamin' ny harena aman-draharaha? A quoi nous a servi l' orgueil? Que nous ont valu richesse et jactance?
Fah 5:9 Ireny zavatra rehetra ireny dia nandalo toy ny aloka, toy ny hahohaho lasa nihelina; Tout cela a passé comme une ombre, comme une nouvelle fugitive.
Fah 5:10 toy ny sambo mamaky rano manonja, ka tsy mety ho hita akory izay dian' ny nalehany, na ny mariky ny montsifany ao afovoan' ny rano; Tel un navire qui parcourt l' onde agitée, sans qu' on puisse découvrir la trace de son passage ni le sillage de sa carène dans les flots;
Fah 5:11 na toy ny voromanidina mamakivaky ny rivotra, ka tsy misy hita akory izay dian' ny nalehany; fa mikopak' elatra mamely ny rivotra maivana izy, manao an' ezaka mafy mamaky azy, manori-dalana eo izy manakopaka ny elany, nony inona dia tsy hita velively izay dian' ny nolalovany. tel encore un oiseau qui vole à travers les airs, sans que de son trajet on découvre un vestige; il frappe l' air léger, le fouette de ses plumes, il le fend en un violent sifflement, s' y fraie une route en remuant les ailes, et puis, de son passage on ne trouve aucun signe;
Fah 5:12 Na tahaka ny zana-tsipìka efa nalefa amin' izay kendrena, ka miverina amin' izay nisy azy teo indray ny rivotra nalehany: dia tsy hita intsony ny toerana nolalovany. telle encore une flèche lancée vers le but; l' air déchiré revient aussitôt sur lui-même, si bien qu' on ignore le chemin qu' elle a pris.
Fah 5:13 Toy izany koa isika, fa teraka isika ary izao tapitra ny aintsika: tsy mba manamarika ny hatsaram-panahy haseho akory isika, ary mbola eo anatin' ny tsy fahamarinantsika isika dia efa voaesotra. Ainsi de nous : à peine nés, nous avons disparu, et nous n' avons à montrer aucune trace de vertu; dans notre malice nous nous sommes consumés!"
Fah 5:14 Marina izany fa ny fanantenan' ny ratsy fanahy dia tahaka ny volo malemy entin' ny rivotra, tahaka ny fanala maivana aelin' ny ranonoram-baratra, tahaka ny setroka ahahaky ny tsio-drivotra, tahaka ny fahatsiarovana ny vahiny indray andro mihelina. Oui, l' espoir de l' impie est comme la bale emportée par le vent, comme l'écume légère chassée par la tempête; il se dissipe comme fumée au vent, il passe comme le souvenir de l' hôte d' un jour.
Fah 5:15 Fa ny marina kosa velona mandrakizay; ny valisoany eo amin' ny Tompo; ary ny Tsitoha no miahy azy ireo. Mais les justes vivent à jamais, leur récompense est auprès du Seigneur, et le Très-Haut a souci d' eux.
Fah 5:16 Ka dia horaisiny avy eo an-tànan' ny Tompo ny fanjakana tsara indrindra aman-tsatro-boninahitra mamirapiratra; fa hiaro azy ireo amin' ny tànany ankavanana izy, ary hosaronany amin' ny sandriny toy ny amin' ny ampinga. Aussi recevront-ils la couronne royale magnifique et le diadème de beauté, de la main du Seigneur; car de sa droite il les protégera, et de son bras, comme d' un bouclier, il les couvrira.
Fah 5:17 Handray ny zotom-pony ho fiadiana izy, ary ny zava-boahary homeny fiadiana, ho entiny mamaly ny fahavalony. Pour armure, il prendra son ardeur jalouse, il armera la création pour repousser ses ennemis;
Fah 5:18 Hitafy ny fahamarinana ho fiarovan-tratra izy, ary handray ny fitsarana marina ho fiarovan-doha. pour cuirasse il revêtira la justice, il mettra pour casque un jugement sans feinte,
Fah 5:19 Handray ny fahamasinana ho ampinga tsy lai-piadiana izy. il prendra pour bouclier la sainteté invincible;
Fah 5:20 Hanao sabatra maranitra izy amin' ny hatezerany tsy azo ifonana, ary hiaraka aminy hiady amin' ny adala avokoa izao tontolo izao. de sa colère inexorable il fera une épée tranchante, et l' univers ira au combat avec lui contre les insensés.
Fah 5:21 Hitsoriaka ny hela-baratra mikendry tsara, ary avy amin' ny rahona toy ny zana-tsipìka avy amin' ny tsipìka voahenjana mafy dia hanidina hiantefa amin' izay nikendrena azy. Traits bien dirigés, les éclairs jailliront, et des nuages, comme d' un arc bien bandé, voleront vers le but;
Fah 5:22 Handefa havandra mivatravatra ny hatezerany toa milina fandefasam-bato; hisamboaravoara hamely azy ny ranomasina, ary ny ony hivarina mafy ery aminy. une baliste lancera des grêlons chargés de courroux, les flots de la mer contre eux feront rage, les fleuves les submergeront sans merci,
Fah 5:23 Hitsangan-kamely azy ireo, ny fifofofofon' ny herin' Andriamanitra ary hampihahaka azy toy ny tadio; ka dia hovan' ny tsy fahamarinana ho efitra ny tany; ary haongan' ny faharatsiana, ny seza fiandrianan' ny mahery. un souffle puissant se lèvera contre eux et les vannera comme un ouragan. Ainsi l' iniquité dévastera la terre entière et la malfaisance renversera des trônes de puissants.

<-
->