<-
->

Rot Rt 2:1 And Naomi had a kinsman of her husband' s, a mighty man of wealth, of the family of Elimelech; and his name was Boaz. Ary nisy havan' ny vadin' i Naomy avy amin' ny fokon' i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany. Nanana havam-bady anankiray Noemì; lehilahy manan-jò sy manan-karena, avy amin' ny fianakavian' i Elimeleka izy io, ary Booza no anarany. Noémi avait, du côté de son mari, un parent. C'était un homme de condition qui appartenait au même clan qu'Élimélek, il s' appelait Booz.
Rot Rt 2:2 And Ruth the Moabitess said unto Naomi, Let me now go to the field, and glean ears of corn after him in whose sight I shall find grace. And she said unto her, Go, my daughter. Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin' i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian' izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka. Ary hoy Rota ilay Moabita tamin' i Noemì: Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian' izay hahitako fitia eo imasony. Ka hoy izy namaly azy: Andeha, anaka. Ruth la Moabite dit à Noémi : " Permets-moi d' aller dans les champs glaner des épis derrière celui aux yeux duquel je trouverai grâce. " Elle lui répondit : " Va, ma fille. "
Rot Rt 2:3 And she went, and came, and gleaned in the field after the reapers: and her hap was to light on a part of the field belonging unto Boaz, who was of the kindred of Elimelech. Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian' ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin' ny tanimbarin' i Boaza, izay avy amin' ny fokon' i Elimeleka, izy. Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary tany amin' ny saha anankiray teo aorian' ny mpijinja, ary sendra teo amin' ny tanimbarin' i Booza, fianakavian' i Elimeleka indrindra, no nalehany. Ruth partit donc et s' en vint glaner dans les champs derrière les moissonneurs. Sa chance la conduisit dans une pièce de terre appartenant à Booz, du clan d'Élimélek.
Rot Rt 2:4 And, behold, Boaz came from Bethlehem, and said unto the reapers, The Lord be with you. And they answered him, The Lord bless thee. Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin' ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah. Ary indro, tonga any Betleema Booza, ka niteny tamin' ny mpijinja hoe: Ho aminareo anie Iaveh. Dia hoy kosa ireo namaly azy: Hanambina anao anie Iaveh. Or voici que Booz arrivait de Bethléem : " Que Yahvé soit avec vous! " dit-il aux moissonneurs, et eux répondirent : " Que Yahvé te bénisse! "
Rot Rt 2:5 Then said Boaz unto his servant that was set over the reapers, Whose damsel is this? Dia hoy Boaza tamin' ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak' iza moa io zazavavy io? Ary hoy Booza tamin' ny mpanompony, izay nitandrina ny mpijinja: Booz demanda alors à celui de ses serviteurs qui commandait aux moissonneurs : " A qui est cette jeune femme ? "
Rot Rt 2:6 And the servant that was set over the reapers answered and said, It is the Moabitish damsel that came back with Naomi out of the country of Moab: Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an' i Naomy avy tany amin' ny tany Moaba io; An' iza io zazavavy io? Dia namaly ilay mpanompo nitandrina ny mpijinja nanao heo: Zazavavy Moabita niara-tonga tamin' i Noemì io avy any amin' ny tanin' i Moaba. Et le serviteur qui commandait aux moissonneurs répondit : " Cette jeune femme est la Moabite, celle qui est revenue des Champs de Moab avec Noémi.
Rot Rt 2:7 And she said, I pray you, let me glean and gather after the reapers among the sheaves: so she came, and hath continued even from the morning until now, that she tarried a little in the house. fa hoy izy: Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian' ny mpijinja eny anelanelan' ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin' ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano. Nilaza taminay izy nanao hoe: Mba avelao kely aho hitsimpona sy hanangona ny salohim-bary eny anelanelan' ny amboarany, eo aorian' ny mpijinja. Dia tsy nipetraka izy hatrizay nahatongavany aninaraina ka mandrak' ankehitriny, ary izay fialany sasatra ao an-trano dia fohy. Elle a dit : "Permets-moi de glaner et de ramasser ce qui tombe des gerbes derrière les moissonneurs. " Elle est donc venue et elle est restée; depuis le matin jusqu'à présent elle s' est à peine reposée. "
Rot Rt 2:8 Then said Boaz unto Ruth, Hearest thou not, my daughter? Go not to glean in another field, neither go from hence, but abide here fast by my maidens: Dia hoy Boaza tamin' i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan' ny zatovovavy. Dia hoy Booza tamin' i Rota: Izao no izy, anaka: Aza mandeha hitsimpona any amin' ny tanimbary hafa, aza miala eto, fa mijanòna toy izao miaraka amin' ny ankizivaviko. Booz dit à Ruth : " Tu entends, n' est-ce pas ma fille ? Ne va pas glaner dans un autre champ, ne t'éloigne pas d' ici mais attache-toi à mes servantes.
Rot Rt 2:9 Let thine eyes be on the field that they do reap, and go thou after them: have I not charged the young men that they shall not touch thee? and when thou art athirst, go unto the vessels, and drink of that which the young men have drawn. Aoka ny masonao ho amin' ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin' ny siny, ka misotroa amin' izay antsakain' ny zatovo. Jereo izay tanimbary hojinjàna dia manaraha eo aorian' ireo. Efa nilazako ny mpanompoko mba tsy hikasika anao. Ary raha mangetaheta hianao, mandehana eo amin' ny siny dia misotroa amin' izay nantsakain' ny mpanompo. Regarde la pièce de terre qu' on moissonne et suis-les. Sache que j' ai interdit aux serviteurs de te frapper. Si tu as soif, va aux cruches et bois de ce qu' ils auront puisé. "
Rot Rt 2:10 Then she fell on her face, and bowed herself to the ground, and said unto him, Why have I found grace in thine eyes, that thou shouldest take knowledge of me, seeing I am a stranger? Dia niondrika sy niankohoka tamin' ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho? Tamin' izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin' ny tany, ka nanao taminy hoe: Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny? Alors Ruth, tombant la face contre terre, se prosterna et lui dit : " Comment ai-je trouvé grâce à tes yeux pour que tu t' intéresses à moi qui ne suis qu' une étrangère ? " -
Rot Rt 2:11 And Boaz answered and said unto her, It hath fully been shewed me, all that thou hast done unto thy mother in law since the death of thine husband: and how thou hast left thy father and thy mother, and the land of thy nativity, and art come unto a people which thou knewest not heretofore. Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin' ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan' ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin' ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atý amin' ny firenena tsy mbola fantatrao. Dia hoy ny navalin' i Booza azy: Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an' ny rafozanao hatrizay nahafatesan' ny vadinao aho; sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin' ny tany nahaterahanao, ka nankanesanao aty amin' ny firenena tsy fantatrao akory taloha. " C' est qu' on m' a bien rapporté, lui dit Booz, tout ce que tu as fait pour ta belle-mère après la mort de ton mari; comment tu as quitté ton père, ta mère et ton pays natal pour te rendre chez un peuple que tu n' avais jamais connu, ni d' hier ni d' avant-hier.
Rot Rt 2:12 The Lord recompense thy work, and a full reward be given thee of the Lord God of Israel, under whose wings thou art come to trust. Hamaly ny nataonao anie Jehovah. ka homen' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin' ny elany ianao. Hamaly ny nataonao anie Iaveh ary ho valisoa feno anie no horaisinao avy amin' ny Tompo Andriamanitr' Israely, fa efa eo ambany elany no nalehanao hialofana. Que Yahvé te rende ce que tu as fait et que tu obtiennes pleine récompense de la part de Yahvé, le Dieu d' Israël, sous les ailes de qui tu es venue t' abriter! "
Rot Rt 2:13 Then she said, Let me find favour in thy sight, my lord; for that thou hast comforted me, and for that thou hast spoken friendly unto thine handmaid, though I be not like unto one of thine handmaidens. Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin' ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin' ny zatovovavinao aza aho. Ary hoy izy: Akory ity fitia hitako teo imasonao, tompoko! Fa nampionona ahy hianao, ary niteny tamin' ny fon' ny ankizivavinao hianao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin' ny ankizivavinao akory aza aho. Elle dit : " Puissé-je toujours trouver grâce à tes yeux, Monseigneur! Tu m' as consolée et tu as parlé au coeur de ta servante, alors que je ne suis même pas l'égale d' une de tes servantes. "
Rot Rt 2:14 And Boaz said unto her, At mealtime come thou hither, and eat of the bread, and dip thy morsel in the vinegar. And she sat beside the reapers: and he reached her parched corn, and she did eat, and was sufficed, and left. Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atý, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin' ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan' ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza. Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia hoy Booza tamin' i Rota: Mandrosoa hihinana mofo ary atsobohy amin' ny vinaingitra ny tapa-mofonao. Dia nipetraka teo anilan' ny mpijinja izy, ary nomen' i Booza lango. Dia nihinana izy, ka voky, ary ny sisa notehiriziny. Au moment du repas, Booz dit à Ruth : " Approche-toi, mange de ce pain et trempe ton morceau dans le vinaigre. " Elle s' assit donc à côté des moissonneurs et Booz lui fit aussi un tas de grains rôtis. Après qu' elle eut mangé à satiété, elle en eut de reste.
Rot Rt 2:15 And when she was risen up to glean, Boaz commanded his young men, saying, Let her glean even among the sheaves, and reproach her not: Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian' i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan' ny amboara aza, ka aza maninona azy. Avy eo dia nitsangana izy hitsimpona salohim-bary. Ary izao no teny nomen' i Booza ny mpanompony: Aoka izy hitsimpona eny anelanelan' ny amboarany eny koa, fa aza manao izay hahamenatra azy, Lorsqu' elle se fut levée pour glaner, Booz donna cet ordre à ses serviteurs : " Laissez-la glaner entre les gerbes, et vous, ne la molestez pas.
Rot Rt 2:16 And let fall also some of the handfuls of purpose for her, and leave them, that she may glean them, and rebuke her not. Ary asio latsadatsaka avy amin' ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna izy. ary misariha salohy avy amin' ny amboarany aza ho azy, ka avelao mba hotsimponiny fa aza maninitsiny azy. Et même, ayez soin de tirer vous-mêmes quelques épis de vos javelles, vous les laisserez tomber, elle pourra les ramasser et vous ne crierez pas après elle. "
Rot Rt 2:17 So she gleaned in the field until even, and beat out that she had gleaned: and it was about an ephah of barley. Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan' ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha. Nitsimpona teo an-tanimbary mandra-paharivan' ny andro izy, dia noveleziny izay voatsimpony, ka orja sahabo ho iray efah. Ruth glana dans le champ jusqu' au soir, et lorsqu' elle eut battu ce qu' elle avait ramassé, il y avait environ une mesure d' orge.
Rot Rt 2:18 And she took it up, and went into the city: and her mother in law saw what she had gleaned: and she brought forth, and gave to her that she had reserved after she was sufficed. Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan' ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin' ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany. Noraisiny izany dia nody nankany an-tanàna izy, ka hitan' ity rafozany izay voatsimpony, ary nalainy koa ilay sisa tsy laniny tamin' ny sakafony ka natolony azy. Elle l' emporta, rentra à la ville et sa belle-mère vit ce qu' elle avait glané; elle tira ce qu' elle avait mis en réserve après avoir mangé à sa faim et le lui donna.
Rot Rt 2:19 And her mother in law said unto her, Where hast thou gleaned to day? and where wroughtest thou? blessed be he that did take knowledge of thee. And she shewed her mother in law with whom she had wrought, and said, The man' s name with whom I wrought to day is Boaz. Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin' ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran' ny lehilahy, izay tompon' ny tanimbary nitsimponako androany Dia hoy ny rafozany taminy: Taiza no nitsimpona hianao androany ary taiza no niasa? Hambinina anie izay nangoraka anao! Nambaran' i Rota tamin' ny rafozany izay olona niasany nataony hoe: Tany amin' ny lehilahy atao hoe Booza aho no niasa androany. " Où as-tu glané aujourd' hui, lui dit sa belle-mère, où as-tu travaillé ? Béni soit celui qui s' est intéressé à toi! " Ruth fit connaître à sa belle-mère chez qui elle avait travaillé; elle dit : " L' homme chez qui j' ai travaillé aujourd' hui s' appelle Booz. "
Rot Rt 2:20 And Naomi said unto her daughter in law, Blessed be he of the Lord, who hath not left off his kindness to the living and to the dead. And Naomi said unto her, The man is near of kin unto us, one of our next kinsmen. Dia hoy Naomy tamin' ny vinantonivavy: Hotahin' i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin' ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan' izay mahavotra antsika izy. Ary hoy Noemì tamin' ity vinantony: Hambinin' ny Tompo anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin' ireo maty ihany koa. Hoy Noemì taminy: Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan' izay mahazo manavotra antsika koa. Noémi dit à sa bru : " Qu' il soit béni de Yahvé qui ne cesse d' exercer sa bienveillance envers les vivants et les morts! " Et Noémi ajouta : " Cet homme est notre proche parent, il est de ceux qui ont sur nous droit de rachat. "
Rot Rt 2:21 And Ruth the Moabitess said, He said unto me also, Thou shalt keep fast by my young men, until they have ended all my harvest. Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan' ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana. Dia hoy Rota, ilay Moabita: Izao koa no nolazainy tamiko: Miaraha amin' ny mpanompoko hianao, mandra-pahataperan' ny fijinjana. Ruth la Moabite dit à sa belle-mère : " Il m' a dit aussi : Reste avec mes serviteurs jusqu'à ce qu' ils aient achevé toute la moisson. "
Rot Rt 2:22 And Naomi said unto Ruth her daughter in law, It is good, my daughter, that thou go out with his maidens, that they meet thee not in any other field. Ary hoy Naomy tamin' i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin' ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa. Ka hoy Noemì tamin' i Rota vinantony: Tsara, anaka, raha miaraka amin' ny mpanompovaviny hianao, fandrao dia asian' ny olona ratsy, raha any an-tsaha hafa. Noémi dit à Ruth, sa bru : " Il est bon, ma fille, que tu ailles avec ses servantes, ainsi on ne te maltraitera pas dans un autre champ. "
Rot Rt 2:23 So she kept fast by the maidens of Boaz to glean unto the end of barley harvest and of wheat harvest; and dwelt with her mother in law. Ary izy tsy nety nisaraka tamin' ny zatovovavin' i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin' ny rafozani-vavy Izy. Ka dia niaraka tamin' ireo mpanompovavin' i Booza izy no nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny orja sy ny fromanta. Ary tao amin' ny rafozany ihany izy no nitoetra. Et elle resta parmi les servantes de Booz pour glaner jusqu'à la fin de la moisson des orges et de la moisson des blés, et elle habitait avec sa belle-mère.

<-
->