<-
->

Rot Rt 3:1 Then Naomi her mother in law said unto her, My daughter, shall I not seek rest for thee, that it may be well with thee? Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao? Dia hoy Noemì rafozany taminy: Te-hitady toeram-pitsaharana hiadananao aho, anaka. Noémi, sa belle-mère, lui dit : " Ma fille, ne dois-je pas chercher à t'établir pour que tu sois heureuse ?
Rot Rt 3:2 And now is not Boaz of our kindred, with whose maidens thou wast? Behold, he winnoweth barley to night in the threshingfloor. Ary ankehitriny tsy isan' ny havantsika va Boaza, tompon' ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina. Ary amin' izao moa tsy havantsika va Booza, tompon' ny ankizivavy niarahanao? Indro fa hikororoka ny orja eo am-pamoloana izy anio alina. Eh bien! Booz n' est-il pas notre parent, lui dont tu as suivi les servantes ? Cette nuit, il doit vanner l' orge sur l' aire.
Rot Rt 3:3 Wash thyself therefore, and anoint thee, and put thy raiment upon thee, and get thee down to the floor: but make not thyself known unto the man, until he shall have done eating and drinking. Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy. Koa mandroa hianao, mihosora diloilo, miakanjoa, ary midìna any am-pamoloana. Aza atao hitany anefa hianao, raha tsy efa tapi-nihinana sy nisotro izy. Lave-toi donc et parfume-toi, mets ton manteau et descends à l' aire, mais ne te laisse pas reconnaître par lui avant qu' il ait fini de manger et de boire.
Rot Rt 3:4 And it shall be, when he lieth down, that thou shalt mark the place where he shall lie, and thou shalt go in, and uncover his feet, and lay thee down; and he will tell thee what thou shalt do. Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao. Nony injay handeha handry izy, kendreo tsara izay toerana handriany dia midira ao, ka sokafy ny firakofany eo an-tongony ary mandria eo, fa holazainy aminao izay hataonao. Quand il sera couché, observe l' endroit où il repose, alors tu iras, tu dégageras une place à ses pieds et tu te coucheras. Il te fera savoir lui-même ce que tu devras faire. "
Rot Rt 3:5 And she said unto her, All that thou sayest unto me I will do. Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko. Dia hoy razazavavy namaly azy: Eny, fa hataoko avokoa izay asainao hataoko. Et Ruth lui répondit : " Tout ce que tu me dis, je le ferai. "
Rot Rt 3:6 And she went down unto the floor, and did according to all that her mother in law bade her. Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian' ny rafozani-vavy azy. Dia nidina nankany am-pamoloana izy, ka nanao izay rehetra nasain-drafozany hatao. Elle descendit donc à l' aire et fit tout ce que sa belle-mère lui avait commandé.
Rot Rt 3:7 And when Boaz had eaten and drunk, and his heart was merry, he went to lie down at the end of the heap of corn: and she came softly, and uncovered his feet, and laid her down. Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin' ny faran' ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo. Nihinana sy nisotro Booza dia mirana ny fony ka lasa nandry tarý amin' ny faran' ny antontan' amboaram-bary; nitsaitsaika nanatona Rota dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo. Booz mangea et but, puis, le coeur joyeux, s' en alla dormir auprès du tas d' orge. Alors Ruth s' en alla tout doucement, dégagea une place à ses pieds et se coucha.
Rot Rt 3:8 And it came to pass at midnight, that the man was afraid, and turned himself: and, behold, a woman lay at his feet. Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony. Nony nisasaka ny alina, taitra ralehilahy ka niondrika dia indro nisy vehivavy nandry teo an-tongony. Au milieu de la nuit, l' homme eut un frisson; il se retourna et vit une femme couchée à ses pieds.
Rot Rt 3:9 And he said, Who art thou? And she answered, I am Ruth thine handmaid: spread therefore thy skirt over thine handmaid; for thou art a near kinsman. Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao. Dia hoy izy: Iza izato? Ary hoy ny navaliny azy: Izaho no Rota ankizivavinao; mba rakofy ny ila lambanao ny ankizivavinao, fa havana mahazo manavotra hianao. " Qui es-tu ? " dit-il. - " Je suis Ruth, ta servante, lui dit-elle. Étends sur ta servante le pan de ton manteau, car tu as droit de rachat. " -
Rot Rt 3:10 And he said, Blessed be thou of the Lord, my daughter: for thou hast shewed more kindness in the latter end than at the beginning, inasmuch as thou followedst not young men, whether poor or rich. Dia hoy izy: Hotahin' i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin' ny ato aoriana ianao noho ny tamin' ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena. Dia hoy izy: Hohasoavin' ny Tompo anie hianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora hianao, na manan-karena izany, na mahantra. " Bénie sois-tu de Yahvé, ma fille, lui dit-il, ce second acte de piété que tu accomplis l' emporte sur le premier, car tu n' as pas recherché des jeunes gens, pauvres ou riches.
Rot Rt 3:11 And now, my daughter, fear not; I will do to thee all that thou requirest: for all the city of my people doth know that thou art a virtuous woman. Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr' izay rehetra ao an-tanànan' ny fireneko fa vehivavy tsara ianao. Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra fa hataoko ho anao avokoa izay rehetra holazainao, sady fantatry ny olona rehetra eto Betleema fa vehivavy tsara toe-panahy hianao. Et maintenant, ma fille, sois sans crainte, tout ce que tu me diras, je le ferai pour toi, car tout le peuple à la porte de ma ville sait que tu es une femme parfaite.
Rot Rt 3:12 And now it is true that I am thy near kinsman: howbeit there is a kinsman nearer than I. Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho. Ary amin' izao dia marina tokoa fa mahazo manavotra aho; nefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho. Toutefois, s' il est vrai que j' ai droit de rachat, il y a un parent plus proche que moi.
Rot Rt 3:13 Tarry this night, and it shall be in the morning, that if he will perform unto thee the part of a kinsman, well; let him do the kinsman' s part: but if he will not do the part of a kinsman to thee, then will I do the part of a kinsman to thee, as the Lord liveth: lie down until the morning. Mitoera ihany atý anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atý mandra-pahamarain' ny andro. Ka anio alina, mitoera eto ihany; fa rahampitso raha ta-hanavotra anao izy, dia tsara, aoka hanavotra izy; fa raha tsy te-hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao. Velona Iaveh! Fa mandria eo mandra-pahamarain' ny andro. Passe la nuit ici et, au matin, s' il veut exercer son droit à ton égard, c' est bien, qu' il te rachète; mais s' il ne veut pas te racheter, alors, par Yahvé vivant, c' est moi qui te rachèterai. Reste couchée jusqu' au matin. "
Rot Rt 3:14 And she lay at his feet until the morning: and she rose up before one could know another. And he said, Let it not be known that a woman came into the floor. Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain' ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr' olona fa tatý am-pamoloana ravehivavy. Dia nijanona nandry teo an-tongony teo izy mandra-pahamarain' ny andro, ary nifoha mbola maizimaizina tsy ahafataran-dahy, fa hoy Booza: Aoka tsy ho fantatr' olona akory fa taty am-pamoloana ity vehivavy ity. Elle resta donc couchée à ses pieds jusqu' au matin, puis elle se leva avant l' heure où un homme peut en reconnaître un autre; il se disait : " Il ne faut pas qu' on sache que cette femme est venue à l' aire. "
Rot Rt 3:15 Also he said, Bring the vail that thou hast upon thee, and hold it. And when she held it, he measured six measures of barley, and laid it on her: and she went into the city. Dia hoy koa izy: Ento etý ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin' ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza. Ary hoy kosa izy: Ento aty ny lamba itafianao ka hazony. Dia nohazoniny ka namàtra orja inenin' ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy. Il dit alors : " Présente le manteau que tu as sur toi et tiens-le. " Elle le tint et il mesura six parts d' orge qu' il chargea sur elle, puis elle retourna à la ville.
Rot Rt 3:16 And when she came to her mother in law, she said, Who art thou, my daughter? And she told her all that the man had done to her. Ary rehefa tonga tany amin' ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy. Nony tonga tany amin-drafozany Rota, dia hoy Noemì: Inona no nataonao, anaka? Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy. Lorsque Ruth rentra chez sa belle-mère, celle-ci lui dit : " Qu' en est-il de toi, ma fille ? " Ruth lui raconta tout ce que cet homme avait fait pour elle.
Rot Rt 3:17 And she said, These six measures of barley gave he me; for he said to me, Go not empty unto thy mother in law. Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin' ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin' ny rafozanao-vavy. Ary nomeny ity orja inenin' ny famarana ity koa aho, hoy izy, nataony hoe: Tsy hody any amin-drafozanao mitondra tanam-polo fotsiny hianao. Elle dit : " Ces six parts d' orge, il me les a données en disant : Tu ne reviendras pas les mains vides chez ta belle-mère. " -
Rot Rt 3:18 Then said she, Sit still, my daughter, until thou know how the matter will fall: for the man will not be in rest, until he have finished the thing this day. Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan' ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha. Ka hoy Noemì: Mijanòna eto, anaka, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io. " Ma fille, reste en repos, lui dit Noémi, jusqu'à ce que tu saches comment finira cette affaire; assurément, cet homme n' aura de cesse qu' il ne l' ait terminée aujourd' hui même. "

<-
->