<-
->

Rot Rt 4:1 Then went Boaz up to the gate, and sat him down there: and, behold, the kinsman of whom Boaz spake came by; unto whom he said, Ho, such a one! turn aside, sit down here. And he turned aside, and sat down. Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka. Niakatra teo am-bavahadin' ny tanàna Booza ka nipetraka tao. Ary inty tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan' i Booza, ka hoy izy taminy: ô Ranona ity ô, mijanòna kely, mipetraha eto. Dia nijanona ilay lehilahy, sady nipetraka. Or Booz était monté à la porte et s' y était assis, et voici que le parent dont Booz avait parlé vint à passer. " Toi, dit Booz, approche et assieds-toi ici. " L' homme s' approcha et vint s' asseoir.
Rot Rt 4:2 And he took ten men of the elders of the city, and said, Sit ye down here. And they sat down. Dia naka folo lahy tamin' ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo. Ary naka folo lahy tamin' ny loholona tao an-tanàna Booza, ka hoy izy: Mipetraha eto hianareo. Dia nipetraka izy ireo. Booz prit dix hommes parmi les anciens de la ville : " Asseyez-vous ici ", dit-il, et ils s' assirent.
Rot Rt 4:3 And he said unto the kinsman, Naomi, that is come again out of the country of Moab, selleth a parcel of land, which was our brother Elimelech' s: Dia niteny tamin' Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin' ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an' i Elimeleka rahalahintsika. Dia hoy izy tamin' ilay mahazo manavotra: Ny anjara tanin' i Elimeleka rahalahintsika dia namidin' i Noemì, ity efa tonga avy any amin' ny tanin' i Moaba. Alors il dit à celui qui avait droit de rachat : " La pièce de terre qui appartenait à notre frère Élimélek, Noémi, qui est revenue des Champs de Moab, la met en vente.
Rot Rt 4:4 And I thought to advertise thee, saying, Buy it before the inhabitants, and before the elders of my people. If thou wilt redeem it, redeem it: but if thou wilt not redeem it, then tell me, that I may know: for there is none to redeem it beside thee; and I am after thee. And he said, I will redeem it. Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan' izay mipetraka eto sy eto anatrehan' ny loholona amin' ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho. Ka hoy aho hoe: tiako ny hampandre anao izany sy ny hilaza aminao hoe: Vidio izany eto anatrehan' izay mipetraka eto sy eo anoloan' ny loholona amin' ny fireneko. Raha ta-hanavotra hianao avoty; raha tsy tianao, dia ambarao izany mba ho fantatro; fa tsy misy olona mahazo manavotra alohanao; ary izaho no manarakaraka anao. Dia hoy ny navaliny hoe: Hanavotra aho. Je me suis dit que j' allais t' en informer en disant : "Acquiers-la en présence de ceux qui sont assis là et des anciens de mon peuple. " Si tu veux exercer ton droit de rachat, rachète. Mais si tu ne le veux pas, déclare-le moi pour que je le sache. Tu es le premier à avoir le droit de rachat, moi je ne viens qu' après toi. " L' autre répondit : " Oui! je veux racheter. "
Rot Rt 4:5 Then said Boaz, What day thou buyest the field of the hand of Naomi, thou must buy it also of Ruth the Moabitess, the wife of the dead, to raise up the name of the dead upon his inheritance. Dia hoy Boaza: Amin' izay andro ividiananao ny tany amin' ny tànan' i Naomy, dia amin' i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin' ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran' ny maty ao amin' ny lovany ianao. Ka hoy Booza: Amin' ny andro hahazoanao ny tany amin' ny tànan' i Noemì dia ho azonao koa izany amin' ny tànan' i Rota, ilay Moabita, vadin' ny maty, mba hamelomanao maso ny anaran' ny maty eo amin' ny lovany. Mais Booz dit : " Le jour où, de la main de Noémi, tu acquerras ce champ, tu acquiers aussi Ruth la Moabite, la femme de celui qui est mort, pour perpétuer le nom du mort sur son patrimoine. "
Rot Rt 4:6 And the kinsman said, I cannot redeem it for myself, lest I mar mine own inheritance: redeem thou my right to thyself; for I cannot redeem it. Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an' ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho. Ary namaly ilay mahazo manavotra: Tsy afa-manavotra izany amin' ny anarako aho fandrao dia manimba ny lovako indray. Ka ento ho anao ny fahazoako manavotra fa tsy afa-manavotra aho. Celui qui avait droit de rachat répondit alors : " Je ne puis exercer mon droit, car je craindrais de nuire à mon patrimoine. Exerce pour toi-même mon droit de rachat, car moi je ne puis l' exercer. "
Rot Rt 4:7 Now this was the manner in former time in Israel concerning redeeming and concerning changing, for to confirm all things; a man plucked off his shoe, and gave it to his neighbour: and this was a testimony in Israel. Ary ny amin' ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin' ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin' ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an' ny namany; dia vavolombelona teo amin' ny Isiraely izany. Fanao teo amin' Israely fahiny, raha misy fanavotana na fanakalozana, ny manala ny kirarony ny anankiray dia omeny ny iray hafa mba handraikitra ny raharaha, dia izany no natao vavolombelona teo amin' Israely. Or c'était autrefois la coutume en Israël, en cas de rachat ou d' héritage, pour valider toute affaire : l' un ôtait sa sandale et la donnait à l' autre. Telle était en Israël la manière de témoigner.
Rot Rt 4:8 Therefore the kinsman said unto Boaz, Buy it for thee. So he drew off his shoe. Ary hoy ilay havana mahavotra tamin' i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy. Ka hoy itsy nahazo nanavotra, tamin' i Booza: Vidio ho anao izany. Sady nesoriny ny kirarony. Celui qui avait droit de rachat dit donc à Booz : " Fais l' acquisition pour toi-même ", et il retira sa sandale.
Rot Rt 4:9 And Boaz said unto the elders, and unto all the people, Ye are witnesses this day, that I have bought all that was Elimelech' s, and all that was Chilion' s and Mahlon' s, of the hand of Naomi. Ary hoy Boaza tamin' ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin' ny tànan' i Naomy izay rehetra an' i Elimeleka sy izay rehetra an' i Kiliona sy Malona. Ary hoy Booza tamin' ireto loholona sy ny olona rehetra: Vavolombelona androany hianareo fa lasako tamin' ny tànan' i Noemì izay rehetra an' i Elimeleka sy izay rehetra an' i Seljòna sy Mahalòna; Booz dit aux anciens et à tout le peuple : " Vous êtes témoins aujourd' hui que j' acquiers de la main de Noémi tout ce qui appartenait à Élimélek et tout ce qui appartenait à Mahlôn et à Kilyôn,
Rot Rt 4:10 Moreover Ruth the Moabitess, the wife of Mahlon, have I purchased to be my wife, to raise up the name of the dead upon his inheritance, that the name of the dead be not cut off from among his brethren, and from the gate of his place: ye are witnesses this day. Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin' i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran' ny maty ao amin' ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran' ny maty eo amin' ny rahalahiny sy eo amin' ny vavahadin' ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany. lasako miaraka amin' izany koa ho vadiko Rota Moabita, vadin' i Mahalòna, mba hamelo-maso ny anaran' ny maty eo amin' ny lovany, ary mba tsy ho faty eo amin' ny rahalahiny sy eo am-bavahadin' ny fonenany ny anaran' ny maty. Hianareo no vavolombelon' izany androany. et que j' acquiers en même temps pour femme Ruth la Moabite, veuve de Mahlôn, pour perpétuer le nom du mort sur son héritage et pour que le nom du mort ne soit pas retranché d' entre ses frères ni de la porte de sa ville. Vous en êtes aujourd' hui les témoins. "
Rot Rt 4:11 And all the people that were in the gate, and the elders, said, We are witnesses. The Lord make the woman that is come into thine house like Rachel and like Leah, which two did build the house of Israel: and do thou worthily in Ephratah, and be famous in Bethlehem: Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin' ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon' i Jehovah tahaka an' i Rahely sy tahaka an' i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon' ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao; Dia hoy ny vahoaka rehetra teo am-bavahady mbamin' ny loholona: Vavolombelona izahay. Enga anie ka hataon' ny Tompo tahaka an-dRasely sy Lià ny vehivavy izay miditra ao amin' ny tranonao, dia tahaka azy roa vavy izay nanangana ny tranon' Israely. Ary hianao kosa, matanjaha any Efrata ary aoka hianao hampanan-daza ny anaranao any Betleema. Tout le peuple qui se trouvait à la porte répondit : " Nous en sommes témoins ", et les anciens répondirent : " Que Yahvé rende la femme qui va entrer dans ta maison semblable à Rachel et à Léa qui, à elles deux, ont édifié la maison d' Israël. Deviens puissant en Ephrata et fais-toi un nom dans Bethléem.
Rot Rt 4:12 And let thy house be like the house of Pharez, whom Tamar bare unto Judah, of the seed which the Lord shall give thee of this young woman. ary ho tahaka ny taranak' i Fareza, izay naterak' i Tamara tamin' i Joda, anie ny taranakao avy amin' ny zanaka izay homen' i Jehovah anao amin' ity vehivavy ity. Hanahaka ny tranon' i Fareza izay naterak' i Tamara tamin' i Jodà anie ny tranonao, amin' ny taranaka homen' ny Tompo anao amin' ity zazavavy ity. Que grâce à la postérité que Yahvé t' accordera de cette jeune femme, ta maison soit semblable à celle de Pérèç, que Tamar enfanta à Juda. "
Rot Rt 4:13 So Boaz took Ruth, and she was his wife: and when he went in unto her, the Lord gave her conception, and she bare a son. Ary Boaza dia nampakatra an' i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan' anaka azy, ka niteraka zazalahy izy. Dia nampakarin' i Booza Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy Booza. Ary nampanan' anaka an' i Rota Iaveh ka niteraka zazalahy izy. Booz prit Ruth et elle devint sa femme. Il alla vers elle, Yahvé donna à Ruth de concevoir et elle enfanta un fils.
Rot Rt 4:14 And the women said unto Naomi, Blessed be the Lord, which hath not left thee this day without a kinsman, that his name may be famous in Israel. Ary hoy ireo vehivavy tamin' i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin' ny Isiraely. Dia hoy ny vehivavy tamin' i Noemì: Isaorana anie Iaveh fa tsy navelany tsy hanam-panavotra hianao ankehitriny. Hankalazaina anie ny anarany eo amin' Israely! Les femmes dirent alors à Noémi : " Béni soit Yahvé qui ne t' a pas laissé manquer aujourd' hui de quelqu' un pour te racheter. Que son nom soit proclamé en Israël!
Rot Rt 4:15 And he shall be unto thee a restorer of thy life, and a nourisher of thine old age: for thy daughter in law, which loveth thee, which is better to thee than seven sons, hath born him. Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy. Io no hamelona ny ainao sy ho tohan' ny fahanteranao, fa naterak' ilay vinantonao izay tia anao ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao. Il sera pour toi un consolateur et le soutien de ta vieillesse, car il a pour mère ta bru qui t' aime, elle qui vaut mieux pour toi que sept fils. "
Rot Rt 4:16 And Naomi took the child, and laid it in her bosom, and became nurse unto it. Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy. Dia noraisin' i Noemì ny zaza ka nataony teny an-trotroany, ary izy no nitaiza azy. Et Noémi, prenant l' enfant, le mit sur son sein, et ce fut elle qui prit soin de lui.
Rot Rt 4:17 And the women her neighbours gave it a name, saying, There is a son born to Naomi; and they called his name Obed: he is the father of Jesse, the father of David. Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an' i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain' i Jese, rain' i Davida. Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy nanao hoe: Nahazo zazalahy Noemì, ka nataony hoe Obeda, no anarany. Izy no rain' i Isaia, rain' i Davida. Les voisines lui donnèrent un nom, elles dirent : " Il est né un fils à Noémi " et elles le nommèrent Obed. C' est le père de Jessé, père de David.
Rot Rt 4:18 Now these are the generations of Pharez: Pharez begat Hezron, Ary izao no taranak' i Fareza: Fareza niteraka an' i Hezrona; Izao no taranak' i Faresa niteraka an' i Esrona: Voici la postérité de Pérèç : Pérèç engendra Heçrôn.
Rot Rt 4:19 And Hezron begat Ram, and Ram begat Amminadab, ary Hezrona niteraka an' i Rama; ary Rama niteraka an' i Aminadaba; Esrona niteraka an' i Arama, Arama niteraka an' i Aminadaba, Heçrôn engendra Ram et Ram engendra Amminadab.
Rot Rt 4:20 And Amminadab begat Nahshon, and Nahshon begat Salmon, ary Aminadaba niteraka an' i Nasona; ary Nasona niteraka an' i Salmona; Aminadaba niteraka an' i Nahasona, Nahasona niteraka an' i Salmona, Amminadab engendra Nahshôn et Nahshôn engendra Salmôn.
Rot Rt 4:21 And Salmon begat Boaz, and Boaz begat Obed, ary Salmona niteraka an' i Boaza; ary Boaza niteraka an' i Obeda; Salmona niteraka an' i Booza, Booza niteraka an' i Obeda, Salmôn engendra Booz et Booz engendra Obed.
Rot Rt 4:22 And Obed begat Jesse, and Jesse begat David. ary Obeda niteraka an' i Jese; ary Jese niteraka an' i Davida. Obeda niteraka an' i Isaia, Isaia niteraka an' i Davida. Et Obed engendra Jessé et Jessé engendra David.

<-
->