Chapitres et versets citant Noe

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 5.29 And he called his name Noah, saying, This same shall comfort us concerning our work and toil of our hands, because of the ground which the Lord hath cursed. ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin' ny asantsika sy ny fisasaran' ny tanantsika noho ny tany izay voaozon' i Jehovah. nataony hoe Noe no anarany, fa hoy izy: Ity no hanamaivana antsika amin' ny fahasasarantsika sy amin' ny asa tànana mahasasatra avy amin' ity tany efa voaozon' ny Tompo. Il lui donna le nom de Noé, car, dit-il, celui-ci nous apportera, dans notre travail et le labeur de nos mains, une consolation tirée du sol que Yahvé a maudit .
Gen / Jen 5.30 And Lamech lived after he begat Noah five hundred ninety and five years, and begat sons and daughters: Ary ny andro niainan' i Lameka taorian' ny niterahany an' i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Mbola velona dimy amby fitopolo sy fiton-jato taona Lameka taorian' ny niterahany an' i Noe, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. Après la naissance de Noé, Lamek vécut cinq cent quatre-vingt-quinze ans et il engendra des fils et des filles.
...............
Gen / Jen 5.32 And Noah was five hundred years old: and Noah begat Shem, Ham, and Japheth. Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an' i Sema sy Hama ary Jafeta izy. Rahefa diman-jato taona Noe, dia niteraka an' i Sema sy Kama ary Jafeta. Quand Noé eut atteint cinq cents ans, il engendra Sem, Cham et Japhet.
...............
Gen / Jen 6.8 But Noah found grace in the eyes of the Lord. Fa Noa kosa nahita fitia teo imason' i Jehovah. Noe kosa anefa dia nahita fitia teo imason' ny Tompo. Mais Noé avait trouvé grâce aux yeux de Yahvé.
Gen / Jen 6.9 These are the generations of Noah: Noah was a just man and perfect in his generations, and Noah walked with God. Ary izao no tantaran' i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin' ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin' Andriamanitra Noa. Izao no tantaran' i Noe: Lehilahy marina Noe, nanao ny rariny teo amin' ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin' Andriamanitra Noe. Voici l' histoire de Noé : Noé était un homme juste, intègre parmi ses contemporains, et il marchait avec Dieu.
Gen / Jen 6.10 And Noah begat three sons, Shem, Ham, and Japheth. Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta. Niteraka telo mirahalahy izy, dia Sema sy Kama ary Jafeta. Noé engendra trois fils, Sem, Cham et Japhet.
...............
Gen / Jen 6.13 And God said unto Noah, The end of all flesh is come before me; for the earth is filled with violence through them; and, behold, I will destroy them with the earth. Dia hoy Andriamanitra tamin' i Noa: Ny faran' ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin' olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin' ny tany Aho. Ka hoy Andriamanitra tamin' i Noe: Efa mby eto anatrehako ny fara fiafaran' ny nofo rehetra, fa feno haratsiana ny tany noho izy ireo, ka haringako izy mbamin' ny tany. Dieu dit à Noé : La fin de toute chair est arrivée, je l' ai décidé, car la terre est pleine de violence à cause des hommes et je vais les faire disparaître de la terre.
...............
Gen / Jen 6.22 Thus did Noah; according to all that God commanded him, so did he. Dia nataon' i Noa izany; araka izay rehetra nandidian' Andriamanitra azy no nataony. Nanomboka nanao izany Noe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain' Andriamanitra nataony. Noé agit ainsi; tout ce que Dieu lui avait commandé, il le fit.
Gen / Jen 7.1 And the Lord said unto Noah, Come thou and all thy house into the ark; for thee have I seen righteous before me in this generation. Ary hoy Jehovah tamin' i Noa: Midira ao anatin' ny sambo-fiara ianao mbamin' ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin' izao olona miara-belona aminao izao. Hoy Iaveh tamin' i Noe: Midira ao an-tsambo fiara hianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin' izao olona miara-belona aminao izao, dia hianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako. Yahvé dit à Noé : Entre dans l' arche, toi et toute ta famille, car je t' ai vu seul juste à mes yeux parmi cette génération.
...............
Gen / Jen 7.5 And Noah did according unto all that the Lord commanded him. Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian' i Jehovah azy. Notanterahin' i Noe avokoa izay rehetra nasain' ny Tompo hataony. Noé fit tout ce que Yahvé lui avait commandé.
Gen / Jen 7.6 And Noah was six hundred years old when the flood of waters was upon the earth. Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin' ny tany ny safo-drano. Efa enin-jato taona izy tamin' ny nahatongavan' ny safo-drano nanafotra ny tany. Noé avait six cents ans quand arriva le déluge, les eaux sur la terre.
Gen / Jen 7.7 And Noah went in, and his sons, and his wife, and his sons' wives with him, into the ark, because of the waters of the flood. Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin' ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin' ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano. Niditra tao an-tsambo fiara Noe mbamin' ny zanany sy ny vadiny ary ny vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safo-drano. Noé - avec ses fils, sa femme et les femmes de ses fils - entra dans l' arche pour échapper aux eaux du déluge.
...............
Gen / Jen 7.9 There went in two and two unto Noah into the ark, the male and the female, as God had commanded Noah. dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin' i Noa tao anatin' ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian' Andriamanitra an' i Noa. dia samy nanatona tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin' i Noe, ao an-tsambo fiara, araka ny nandidian' Andriamanitra an' i Noe. un couple entra dans l' arche de Noé, un mâle et une femelle, comme Dieu avait ordonné à Noé.
...............
Gen / Jen 7.11 In the six hundredth year of Noah' s life, in the second month, the seventeenth day of the month, the same day were all the fountains of the great deep broken up, and the windows of heaven were opened. Tamin' ny andro fahafito ambin' ny folo tamin' ny volana faharoa tamin' ny fahenin-jato taona niainan' i Noa, tamin' izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin' ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran' ny lanitra. Tamin' ny taona fahenin-jato niainan' i Noe, tamin' ny volana faharoa, andro fahafito ambin' ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin' ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon' ny lanitra, En l' an six cent de la vie de Noé, le second mois, le dix-septième jour du mois, ce jour-là jaillirent toutes les sources du grand abîme et les écluses du ciel s' ouvrirent.
...............
Gen / Jen 7.13 In the selfsame day entered Noah, and Shem, and Ham, and Japheth, the sons of Noah, and Noah' s wife, and the three wives of his sons with them, into the ark; Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin' ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin' i Noa, mbamin' ny vadin' i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy; Tamin' izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara Noe, nomban' i Sema sy Kama ary Jafeta, zanakalahin' i Noe, ary ny vadin' i Noe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy; Ce jour même, Noé et ses fils, Sem, Cham et Japhet, avec la femme de Noé et les trois femmes de ses fils, entrèrent dans l' arche,
...............
Gen / Jen 7.15 And they went in unto Noah into the ark, two and two of all flesh, wherein is the breath of life. Dia niditra tao amin' i Noa tao anatin' ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin' ny nofo rehetra izay manam-pofonaina. Nanatona tsiroaroa izy ireo avy amin' ny nofo rehetra manam-pofon' aina nankeo amin' i Noe tao an-tsambo fiara. Auprès de Noé, entra dans l' arche un couple de tout ce qui est chair, ayant souffle de vie,
Gen / Jen 7.16 And they that went in, went in male and female of all flesh, as God had commanded him: and the Lord shut him in. Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin' ny nofo rehetra, araka izay nandidian' Andriamanitra an' i Noa; ary narindrin' i Jehovah tao izy. Lahy sy vavy avy amin' ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian' Andriamanitra an' i Noe. Dia narindrin' ny Tompo teo ivohony ny varavarana. et ceux qui entrèrent étaient un mâle et une femelle de tout ce qui est chair, comme Dieu le lui avait commandé. Et Yahvé ferma la porte sur Noé.
...............
Gen / Jen 7.23 And every living substance was destroyed which was upon the face of the ground, both man, and cattle, and the creeping things, and the fowl of the heaven; and they were destroyed from the earth: and Noah only remained alive, and they that were with him in the ark. Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin' ny tany, hatramin' ny olona ka hatramin' ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin' ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin' ny sambo-fiara ihany no sisa velona. Ringana avokoa rahefa mety ho zavatra tambonin' ny tany, hatramin' ny olombelona ka hatramin' ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin' ny vorona eny amin' ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa Noe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa. Ainsi disparurent tous les êtres qui étaient à la surface du sol, depuis l' homme jusqu' aux bêtes, aux bestioles et aux oiseaux du ciel; ils furent effacés de la terre et il ne resta que Noé et ce qui était avec lui dans l' arche.
Gen / Jen 8.1 And God remembered Noah, and every living thing, and all the cattle that was with him in the ark: and God made a wind to pass over the earth, and the waters asswaged; Ary Andriamanitra nahatsiaro an' i Noa mbamin' ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin' ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran' ny tany, ka dia nihena ny rano. Ary Andriamanitra nahatsiaro an' i Noe sy ny biby ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao an-tsambo fiara; ary Andriamanitra nandefa rivotra tamin' ny tany ary nihena ny rano; Alors Dieu se souvint de Noé et de toutes les bêtes sauvages et de tous les bestiaux qui étaient avec lui dans l' arche; Dieu fit passer un vent sur la terre et les eaux désenflèrent.
...............
Gen / Jen 8.6 And it came to pass at the end of forty days, that Noah opened the window of the ark which he had made: Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan' i Noa ny varavarankelin' ny sambo-fiara izay efa nataony. Nony afaka efa-polo andro, Noe dia namoha ny varavarankely nataony tamin' ny sambo fiara, Au bout de quarante jours, Noé ouvrit la fenêtre qu' il avait faite à l' arche
...............
Gen / Jen 8.9 But the dove found no rest for the sole of her foot, and she returned unto him into the ark, for the waters were on the face of the whole earth: then he put forth his hand, and took her, and pulled her in unto him into the ark. Fa tsy hitan' ilay voromailala izay hipetrahan' ny faladiany, dia niverina tamin' i Noa tao anatin' ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin' ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin' ny sambo-fiara. Tsy nahita izay hipetrahan' ny faladiany anefa ny voromailala, ka niverina nankeo amin' i Noe teo amin' ny sambo fiara, fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin' ny tany. Dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin' ny sambo fiara. La colombe, ne trouvant pas un endroit où poser ses pattes, revint vers lui dans l' arche, car il y avait de l' eau sur toute la surface de la terre; il étendit la main, la prit et la fit rentrer auprès de lui dans l' arche.
...............
Gen / Jen 8.11 And the dove came in to him in the evening; and, lo, in her mouth was an olive leaf pluckt off: so Noah knew that the waters were abated from off the earth. Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin' oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran' i Noa fa efa kely ny rano tambonin' ny tany. Ary niverina nankeo aminy ny voromailala nony harivariva, ary indro ravin' oliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany, ka fantatr' i Noe fa efa tsy voasaron' ny rano intsony ny tany. La colombe revint vers lui sur le soir et voici qu' elle avait dans le bec un rameau tout frais d' olivier ! Ainsi Noé connut que les eaux avaient diminué à la surface de la terre.
...............
Gen / Jen 8.13 And it came to pass in the six hundredth and first year, in the first month, the first day of the month, the waters were dried up from off the earth: and Noah removed the covering of the ark, and looked, and, behold, the face of the ground was dry. Ary tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana voalohany tamin' ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin' ny tany; ary nanaisotra ny tafon' ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany. Tamin' ny taona faharaika amby enin-jato, tamin' ny volana voalohany, andro voalohan' ny volana, dia ritra ny rano teo ambonin' ny tany. Nesorin' i Noe ny tafon' ny sambo fiara, dia nijery izy, ka hitany fa efa maina ny vohon' ny tany. C' est en l' an six cent un de la vie de Noé, au premier mois, le premier du mois, que les eaux séchèrent sur la terre. Noé enleva la couverture de l' arche; il regarda et voici que la surface du sol était sèche !
...............
Gen / Jen 8.15 And God spake unto Noah, saying, Ary Andriamanitra dia niteny tamin' i Noa ka nanao hoe: Ary tamin' izay dia niteny tamin' i Noe Andriamanitra nanao hoe: Alors Dieu parla ainsi à Noé :
...............
Gen / Jen 8.18 And Noah went forth, and his sons, and his wife, and his sons' wives with him: Dia nivoaka Noa mbamin' ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy; Dia nivoaka Noe, izy sy ny zanany sy ny vadiny sy ny vinantovaviny. Noé sortit avec ses fils, sa femme et les femmes de ses fils;
...............
Gen / Jen 8.20 And Noah builded an altar unto the Lord; and took of every clean beast, and of every clean fowl, and offered burnt offerings on the altar. Ary Noa dia nanorina alitara ho an' i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin' ny alitara. Ary Noe dia nanorina otely ho an' ny Tompo, ka naka tamin' ny biby madio rehetra mbamin' ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony otely. Noé construisit un autel à Yahvé, il prit de tous les animaux purs et de tous les oiseaux purs et offrit des holocaustes sur l' autel.
Gen / Jen 9.1 And God blessed Noah and his sons, and said unto them, Be fruitful, and multiply, and replenish the earth. Ary Andriamanitra nitso-drano an' i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany. Dia nitso-drano an' i Noe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany. Dieu bénit Noé et ses fils et il leur dit : Soyez féconds, multipliez, emplissez la terre.
...............
Gen / Jen 9.8 And God spake unto Noah, and to his sons with him, saying, Ary Andriamanitra niteny tamin' i Noa sy tamin' ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe: Hoy koa Andriamanitra tamin' i Noe sy ny zanany niaraka taminy: Dieu parla ainsi à Noé et à ses fils :
...............
Gen / Jen 9.17 And God said unto Noah, This is the token of the covenant, which I have established between me and all flesh that is upon the earth. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin' ny nofo rehetra ambonin' ny tany. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Noe: Inona àry no famantaran' ny fanekena naoriko amiko sy amin' ny nofo rehetra ambonin' ny tany. Dieu dit à Noé : Tel est le signe de l' alliance que j'établis entre moi et toute chair qui est sur la terre.
Gen / Jen 9.18 And the sons of Noah, that went forth of the ark, were Shem, and Ham, and Japheth: and Ham is the father of Canaan. Ary ny zanakalahin' i Noa izay izay nivoaka avy tamin' ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain' i Kanana. Ny zanak' i Noe nivoaka tao an-tsambo fiara dia Sema sy Kama ary Jafeta; ary Kama no rain' i Kanaana. Les fils de Noé qui sortirent de l' arche étaient Sem, Cham et Japhet; Cham est le père de Canaan.
Gen / Jen 9.19 These are the three sons of Noah: and of them was the whole earth overspread. Ireo telo lahy ireo no zanak' i Noa; ary avy tamin' ireo no nielezan' ny olona tambonin' ny tany rehetra. Izy telo lahy ireo no zanak' i Noe, ary avy amin' izy ireo ny olo-monina amin' ny tany rehetra. Ces trois-là étaient les fils de Noé et à partir d' eux se fit le peuplement de toute la terre.
Gen / Jen 9.20 And Noah began to be an husbandman, and he planted a vineyard: Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka. Mpiasa tany Noe, ka nanomboka namboly voaloboka izy. Noé, le cultivateur, commença de planter la vigne.
...............
Gen / Jen 9.24 And Noah awoke from his wine, and knew what his younger son had done unto him. Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon' ny zanany faralahy taminy. Niamboho ny tavan' izy ireo, ka tsy nahita izay fitanjahan-drainy. Nony nahatsiaro tamin' ny hamamoany Noe dia nahare izay nataon-janany farahaly taminy, Lorsque Noé se réveilla de son ivresse, il apprit ce qui lui avait fait son fils le plus jeune.
...............
Gen / Jen 9.28 And Noah lived after the flood three hundred and fifty years. Ary ny andro niainan' i Noa taorian' ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona. Mbola velona dimam-polo sy telon-jato taona Noe taorian' ny safo-drano. Après le déluge, Noé vécut trois cent cinquante ans.
Gen / Jen 9.29 And all the days of Noah were nine hundred and fifty years: and he died. Ary ny andro rehetra niainan' i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. Ary dimam-polo sy sivin-jato taona ny andro rehetra niainan' i Noe, dia maty izy. Toute la durée de la vie de Noé fut de neuf cent cinquante ans, puis il mourut.
Gen / Jen 10.1 Now these are the generations of the sons of Noah, Shem, Ham, and Japheth: and unto them were sons born after the flood. Ary izao no taranaky ny zanakalahin' i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian' ny safo-drano. Izao no taranak' i Sema sy Kama ary Jafeta, zanak' i Noe. Nitera-dahy izy ireo taorian' ny safo-drano. Voici la descendance des fils de Noé, Sem, Cham et Japhet, auxquels des fils naquirent après le déluge :
...............
Gen / Jen 10.32 These are the families of the sons of Noah, after their generations, in their nations: and by these were the nations divided in the earth after the flood. Ireo no mpianakavin' ny zanak' i Noa, araka ny taranany, amin' ny fireneny; ary avy tamin' ireo no niavakavahan' ny firenena tambonin' ny tany taorian' ny safo-drano. Ireo no fianakavian' ny zanak' i Noe, araka ny taranany, any amin' ny fireneny avy. Avy amin' ireo ny firenena niely teto ambonin' ny tany, aorian' ny safo-drano. Tels furent les clans des descendants de Noé, selon leurs lignées et d' après leurs nations. Ce fut à partir d' eux que les peuples se dispersèrent sur la terre après le déluge.

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
...............
Nom / Fan 26.33 And Zelophehad the son of Hepher had no sons, but daughters: and the names of the daughters of Zelophehad were Mahlah, and Noah, Hoglah, Milcah, and Tirzah. Ary Zelofada, zanak' i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran' ny zanakavavin' i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza. Salfaada, zanak' i Hefera tsy nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ka ireto no anaran' ny zanakavavin' i Salfaada: Maalà, Noà, Heglà, Melkà ary Tersà. Çelophehad, fils de Hépher, n' eut pas de fils, mais des filles ; voici les noms des filles de Çelophehad ; Mahla, Noa, Hogla, Milka et Tirça.
Nom / Fan 27.1 Then came the daughters of Zelophehad, the son of Hepher, the son of Gilead, the son of Machir, the son of Manasseh, of the families of Manasseh the son of Joseph: and these are the names of his daughters; Mahlah, Noah, and Hoglah, and Milcah, and Tirzah. Ary avy ny zanakavavin' i Zelofada, zanakalahin' i Hefera, zanak' i Gileada, zanak' i Makira, zanak' i Manase, avy tamin' ny fokon' i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza), Tamin' izay tonga ny zanakavavin' i Salfaada, zanak' i Hefera, zanak' i Galaada, zanak' i Makira, zanak' i Manase, avy amin' ny fokon' i Manase, zanak' i Josefa; ny anaran' izy ireo dia izao: Maalà, Noà, Heglà, ary Tersà. Alors s' approchèrent les filles de Çelophehad. Celui-ci était fils de Hépher, fils de Galaad, fils de Makir, fils de Manassé ; il était des clans de Manassé, fils de Joseph. Voici les noms de ses filles : Mahla, Noa, Hogla, Milka et Tirça.
...............
Nom / Fan 36.11 For Mahlah, Tirzah, and Hoglah, and Milcah, and Noah, the daughters of Zelophehad, were married unto their father' s brothers' sons: ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin' i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin' ny rainy avy. Samy nanambady ny zana-drahalahin-drainy avy ny zanakavavin' i Salfaada, Maalà, Tersà, Heglà, Melkà sy Hoà; Mahla, Tirça, Hogla, Milka et Noa, filles de Çelophehad, épousèrent les fils de leurs oncles paternels.

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
...............
Jos 17.3 But Zelophehad, the son of Hepher, the son of Gilead, the son of Machir, the son of Manasseh, had no sons, but daughters: and these are the names of his daughters, Mahlah, and Noah, Hoglah, Milcah, and Tirzah. Fa Zelofada, zanak' i Hefera, zanak' i Gileada, zanak' i Matira, zanak' i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran' ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza. Salfaada, zanak' i Hefera, zanak' i Galaada, zanak' i Makira, zanak' i Manase, tsy nanan-janakalahy, fa zanakavavy no nananany; ka ireto no anaran' ny zanany vavy: Maalà, Noà, Heglà, Melkà, ary Tersà. Çelophehad, fils de Hépher, fils de Galaad, fils de Makir, fils de Manassé, n' avait pas de fils mais seulement des filles, dont voici les noms : Mahla, Noa, Hogla, Milka et Tirça.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 1.4 Noah, Shem, Ham, and Japheth. Noa, Sema, Hama ary Jafeta. Noe, Sema, Kama, Jafeta. Noé, Sem, Cham et Japhet.

      Eklesiastika L'Ecclésiastique
...............
Si 44.17 Hita fa lavorary sady marina Noe; izy no avotra ho an' ny olombelona tamin' ny andron' ny fahatezerana, hany ka mbola nisy sisa tavela tamin' ny tany, tamin' ny nahatongavan' ny safo-drano. Noé fut trouvé parfaitement juste, au temps de la colère il fut le surgeon grâce à lui un reste demeura à la terre lorsque se produisit le déluge.

  Book of Isaiah Isaia Izaia Livre d'Isaïe
...............
Isa / Iz 54.9 For this is as the waters of Noah unto me: for as I have sworn that the waters of Noah should no more go over the earth; so have I sworn that I would not be wroth with thee, nor rebuke thee. Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon' i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon' i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho. Dia ho toy ilay ranon' i Noe izany amiko, nony nianiana aho fa ilay ranon' i Noe tsy hiely intsony amin' ny tany: toy izany koa no nianianako fa tsy ho tezitra aminao na handrahona anao intsony aho. Ce sera pour moi comme au temps de Noé, quand j' ai juré que les eaux de Noé ne se répandraient plus sur la terre. Je jure de même de ne plus m' irriter contre toi, de ne plus te menacer.

  Book of Ezekiel Ezekiela Ezekiela Livre d'Ezéchiel
...............
Eze / Ez 14.14 Though these three men, Noah, Daniel, and Job, were in it, they should deliver but their own souls by their righteousness, saith the Lord GOD. na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo. ary eo amin' izany tany izany dia misy ireto olona telo ireto: Noe, Daniely sy Joba... dia hahavonjy ny fanahiny, amin' ny fahamarinany izy ireo; - teny marin' ny Tompo Iaveh. et qu' il y ait dans ce pays ces trois hommes, Noé, Daniel et Job, ces hommes sauveraient leur vie grâce à leur justice, oracle du Seigneur Yahvé.
...............
Eze / Ez 14.20 Though Noah, Daniel, and Job were in it, as I live, saith the Lord GOD, they shall deliver neither son nor daughter; they shall but deliver their own souls by their righteousness. na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany. ka eo afovoan' io tany io koa Noe sy Daniely ary Joba, velona aho - teny marin' ny Tompo Iaveh: tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, fa ny tenany ihany no hahavonjy ny fanahiny, noho ny fahamarinany. et que Noé, Daniel et Job soient dans ce pays : par ma vie, oracle du Seigneur Yahvé, ils ne sauveraient ni fils ni fille, mais ils sauveraient leur vie grâce à leur justice.

  The Gospel according to Matthew Matio Matio L'Évangile selon Saint Matthieu
...............
Mat / Mt 24.37 But as the days of Noe were, so shall also the coming of the Son of man be. Fa tahaka ny andron' i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian' ny Zanak' olona. Fa tahaka ny tamin' ny andron' i Noe, dia ho tahaka izany koa ny fihavian' ny Zanak' olona. " Comme les jours de Noé, ainsi sera l' avènement du Fils de l' homme.
Mat / Mt 24.38 For as in the days that were before the flood they were eating and drinking, marrying and giving in marriage, until the day that Noe entered into the ark, Fa tahaka ny tamin' ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin' ny andro izay nidiran' i Noa tao amin' ny sambo-fiara, Fa tamin' ny andro nialoha ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan' ny andro nidiran' i Noe tao amin' ny sambo fiara, En ces jours qui précédèrent le déluge, on mangeait et on buvait, on prenait femme et mari, jusqu' au jour où Noé entra dans l' arche,

  The Gospel according to Luke Lioka Lioka L'Évangile selon Saint Luc
...............
Lio / Lk 3.36 Which was the son of Cainan, which was the son of Arphaxad, which was the son of Sem, which was the son of Noe, which was the son of Lamech, zanak' i Kenana, zanak' i Arpaksada, zanak' i Sema, zanak' i Noa, zanak' i Lameka, zanak' i Kainàna, zanak' i Arfaksada, zanak' i Sema, zanak' i Noe, zanak' i Lameka, fils de Kaïnam, fils d' Arphaxad, fils de Sem, fils de Noé, fils de Lamech,
...............
Lio / Lk 17.26 And as it was in the days of Noe, so shall it be also in the days of the Son of man. Ary tahaka ny tamin' ny andron' i Noa, dia hisy toy izany koa amin' ny andron' ny Zanak' olona: Ary toy ny niseho tamin' ny andron' i Noe no hiseho koa amin' ny andron' ny Zanak' olona: " Et comme il advint aux jours de Noé, ainsi en sera-t-il encore aux jours du Fils de l' homme.
Lio / Lk 17.27 They did eat, they drank, they married wives, they were given in marriage, until the day that Noe entered into the ark, and the flood came, and destroyed them all. nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin' ny andro izay nidiran' i Noa tao amin' ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra. nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan' ny andro nidiran' i Noe tao amin' ny sambo fiara, dia tonga ny safo-drano ka nandringana azy rehetra. On mangeait, on buvait, on prenait femme ou mari, jusqu' au jour où Noé entra dans l' arche ; et vint le déluge, qui les fit tous périr.

  Letter to the Hebrews Hebreo Hebrio Épître de Saint Paul aux Hébreux
...............
Heb 11.7 By faith Noah, being warned of God of things not seen as yet, moved with fear, prepared an ark to the saving of his house; by the which he condemned the world, and became heir of the righteousness which is by faith. Finoana no nanamboaran' i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan' Andriamanitra hevitra ny amin' ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana. Ny finoana no nandrafetan' i Noe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan' Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an' izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin' ny finoana. Par la foi, Noé, divinement averti de ce qui n'était pas encore visible, saisi d' une crainte religieuse, construisit une arche pour sauver sa famille. Par la foi, il condamna le monde et il devint héritier de la justice qui s' obtient par la foi.

  1st Letter of Peter 1 Petera Piera I 1ère Épître de Saint Pierre
...............
1Pe / 1P 3.20 Which sometime were disobedient, when once the longsuffering of God waited in the days of Noah, while the ark was a preparing, wherein few, that is, eight souls were saved by water. dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon' Andriamanitra tamin' ny andron' i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran' ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano, dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon' Andriamanitra tamin' ny andron' i Noe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy ireo tamin' ny rano. à ceux qui jadis avaient refusé de croire lorsque se prolongeait la patience de Dieu, aux jours où Noé construisait l' Arche, dans laquelle un petit nombre, en tout huit personnes, furent sauvées à travers l' eau.

  2nd Letter of Peter 2 Petera Piera II 2ème Épître de Saint Pierre
...............
2Pe / 2P 2.5 And spared not the old world, but saved Noah the eighth person, a preacher of righteousness, bringing in the flood upon the world of the ungodly; ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an' i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin' ny ratsy fanahy teo amin' izao tontolo izao,- matoa tsy namindra fo tamin' izao tontolo izao fahiny izy, afa-tsy tamin' i Noe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony izy nahatonga safo-drano tamin ízao tontolo ratsy fanahy izao; s' il n' a pas épargné l' ancien monde, tout en préservant huit personnes dont Noé, héraut de justice, tandis qu' il amenait le Déluge sur un monde d' impies ;