<-
->

Si 44:1 Ataovintsika izao ny fiderana ny olo-malaza, sy ny razan' ny karazantsika. Faisons l'éloge des hommes illustres, de nos ancêtres dans leur ordre de succession.
Si 44:2 Nanao zava-mahagaga be voninahitra amin' izy ireo ny Tompo; naneho ny fahalehibeazany hatramin' ny voalohany izy. Le Seigneur a créé à profusion la gloire, et montré sa grandeur depuis les temps anciens.
Si 44:3 Izy ireo dia mpanjaka teo amin' ny fanjakany; lehilahy malaza noho ny fahefany, mpanolo-tsaina feno fahendrena, manambara ny sitrapon' Andriamanitra tamin' ny faminaniany; Des hommes exercèrent l' autorité royale et furent renommés pour leurs exploits; d' autres furent avisés dans les conseils et s' exprimèrent en oracles prophétiques.
Si 44:4 mpitarika ny vahoaka tamin' ny toroheviny amam-pahamalinany, mpampianatra ny vahoaka, nanoro azy tamin' ny teny maneho fahendrena; D' autres régirent le peuple par leurs conseils, leur intelligence de la sagesse populaire et les sages discours de leur enseignement;
Si 44:5 olona nianatra ny fahaiza-mamoron-kira masina, sady nandatsaka an-tsoratra tantara mirindra; d' autres cultivèrent la musique et écrivirent des récits poétiques;
Si 44:6 mpanan-karena, nanam-pananana be, nonina tao an-tranony tamim-piadanana: d' autres furent riches et doués de puissance, vivant en paix dans leur demeure.
Si 44:7 Izany olona rehetra izany dia nohajain' ny niara-belona taminy, samy voninahitry ny fotoana niainany avokoa. Tous ils furent honorés de leurs contemporains et glorifiés, leurs jours durant.
Si 44:8 Ny sasany tamin' izy ireo, namela anarana, ka azo atao ny mitantara ny fiderana azy. Certains d' entre eux laissèrent un nom qu' on cite encore avec éloges.
Si 44:9 Ny sasany kosa tsy misy ahatsiarovana azy intsony; fa levona toy ny tsy nisy akory; nanjary toy ny tsy teraka akory, ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy. D' autres n' ont laissé aucun souvenir et ont disparu comme s' ils n' avaient pas existé. Ils sont comme n' ayant jamais été, et de même leurs enfants après eux.
Si 44:10 Ireo voalohany dia olona tia vavaka, ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny. Mais voici des hommes de bien dont les bienfaits n' ont pas été oubliés.
Si 44:11 Raikitra ho anjaran' ny taranany ny hasambarana ary misy lova azo antoka ho an' ny zanany. Dans leur descendance ils trouvent un riche héritage, leur postérité.
Si 44:12 Maharitra tsy mivadika amin' ny fanekena ny taranany; mbamin' ny zanany koa noho ny amin' izy ireo. Leur descendance reste fidèle aux commandements et aussi, grâce à eux, leurs enfants.
Si 44:13 Maharitra mandrakizay ny taranany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny, Leur descendance demeurera à jamais, leur gloire ne ternira point.
Si 44:14 ny vatany nalevina tamim-piadanana, ary ny anarany velona amin' ny taona mifandimby. Leurs corps ont été ensevelis dans la paix et leur nom est vivant pour des générations.
Si 44:15 Ny vahoaka mankalaza ny fahendreny; ary ny fiangonana mitory fiderana azy. Les peuples proclameront leur sagesse, l' assemblée célébrera leurs louanges.
Si 44:16 Sitraky ny Tompo Henaoka ka nafindra; ohatra amin' ny fivalozana, ho an' ny taranaka. Hénok plut au Seigneur et fut enlevé, exemple pour la conversion des générations.
Si 44:17 Hita fa lavorary sady marina Noe; izy no avotra ho an' ny olombelona tamin' ny andron' ny fahatezerana, hany ka mbola nisy sisa tavela tamin' ny tany, tamin' ny nahatongavan' ny safo-drano. Noé fut trouvé parfaitement juste, au temps de la colère il fut le surgeon grâce à lui un reste demeura à la terre lorsque se produisit le déluge.
Si 44:18 Nisy fanekena mandrakizay natao taminy, mba tsy handringanana ny nofo rehetra amin' ny safo-drano intsony. Des alliances éternelles furent établies en lui, afin qu' aucune chair ne fût plus anéantie par le déluge.
Si 44:19 Raza-malazan' ny firenena maro Abrahama, ary tsy nisy olona nitovy voninahitra taminy. Abraham, ancêtre célèbre d' une multitude de nations, nul ne lui fut égal en gloire.
Si 44:20 Nitandrina ny lalan' ny Avo Indrindra izy, ary nanao fanekena taminy. Naoriny tamin' ny nofony izany fanekena izany; ary niseho ho mahatoky izy tamin' ny fizahan-toetra azy. Il observa la loi du Très-Haut et fit une alliance avec lui. Dans sa chair il établit cette alliance et au jour de l'épreuve il fut trouvé fidèle.
Si 44:21 Ka dia nanome toky azy tamim-pianianana Andriamanitra fa amin' ny taranany no hitahiana ny firenena; nomeny toky fa hohamaroiny toy ny vovoky ny tany izy sy hasandrany toy ny kintana ny taranany, ary homeny ho lovany ny hatramin' ny ranomasina ka hatramin' ny ranomasina, hatramin' ny ony ka hatramin' ny faran' ny tany. C' est pourquoi Dieu lui promit par serment de bénir toutes les nations en sa descendance, de la multiplier comme la poussière de la terre et d' exalter sa postérité comme les étoiles, de leur donner le pays en héritage, d' une mer à l' autre, depuis le Fleuve jusqu' aux extrémités de la terre.
Si 44:22 Nohamafisiny toy izany tamin' Isaaka koa noho ny amin' i Abrahama, ny fitahiana ny firenena rehetra, sy ny fanekena. A Isaac, à cause d' Abraham son père, il renouvela
Si 44:23 Rahefa izany dia nataony mipetraka teo an-dohan' i Jakoba izany fitahiany izany ka nataony anton' ny fitahiany ny olona izy; nomeny ho lovany ny tany; la bénédiction de tous les hommes; il fit reposer l' alliance sur la tête de Jacob. Il le confirma dans ses bénédictions et lui donna le pays en héritage; il le divisa en lots et le partagea entre les douze tribus.
Si 44:24 natokotokony maro izany, dia nozarainy tamin' ny foko roa ambin' ny folo.

<-
->