Chapitres et versets citant Naomy

  Ruth Rota Rota Livre de Ruth
...............
Rot Rt 1.2 And the name of the man was Elimelech, and the name of his wife Naomi, and the name of his two sons Mahlon and Chilion, Ephrathites of Bethlehemjudah. And they came into the country of Moab, and continued there. Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran' ny vadiny, ary ny anaran' ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin' ny tany Moaba izy ka nitoetra tany. Elimeleka no anaran-dralehilahy io, Noemì no anaran' ny vadiny, ary Mahalòna sy Seljòna no anaran' ny zanany roa lahy. Efrateana avy any Betleema any Jodà izy ireo, ary nankany amin' ny tanin' i Moaba sy nonina tany. Cet homme s' appelait Élimélek, sa femme Noémi, et ses deux fils Mahlôn et Kilyôn; ils étaient Éphratéens, de Bethléem de Juda. Arrivés dans les Champs de Moab, ils s' y établirent.
Rot Rt 1.3 And Elimelech Naomi' s husband died; and she was left, and her two sons. Ary maty Elimeleka, vadin' i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa. Ary maty Elimeleka vadin' i Noemì, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy. Élimélek, le mari de Noémi, mourut, et elle lui survécut avec ses deux fils.
...............
Rot Rt 1.8 And Naomi said unto her two daughters in law, Go, return each to her mother' s house: the Lord deal kindly with you, as ye have dealt with the dead, and with me. Ary hoy Naomy tamin' ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin' ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin' i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin' ny maty sy tamiko koa. Ary hoy Noemì tamin' ireto vinantony roa vavy: Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy hianareo. Enga anie ka hanao soa aminareo Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin' ireo maty sy tamiko koa. Noémi dit à ses deux brus : " Partez donc et retournez chacune à la maison de votre mère. Que Yahvé use de bienveillance envers vous comme vous en avez usé envers ceux qui sont morts et envers moi-même!
Rot Rt 1.9 The Lord grant you that ye may find rest, each of you in the house of her husband. Then she kissed them; and they lifted up their voice, and wept. Homen' i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin' izay tranon' ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany. Samy hampahitan' ny Tompo fiadanana anie any hianareo, any amin' ny tranon' izay ho vadinareo. Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany. Que Yahvé accorde à chacune de vous de trouver une vie paisible dans la maison d' un mari! " Elle les embrassa, mais elles se mirent à crier et à pleurer,
...............
Rot Rt 1.11 And Naomi said, Turn again, my daughters: why will ye go with me? are there yet any more sons in my womb, that they may be your husbands? Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo? Fa hoy Noemì: Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko? " Retournez, mes filles, répondit Noémi, pourquoi viendriez-vous avec moi ? Ai-je encore dans mon sein des fils qui puissent devenir vos maris ?
...............
Rot Rt 1.15 And she said, Behold, thy sister in law is gone back unto her people, and unto her gods: return thou after thy sister in law. Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin' ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao. Ka hoy Noemì: Nody ho any amin' ny fireneny sy ny andriamaniny iry ny zaobavinao, ka mba modia miaraka amin' ny zaobavinao koa. Noémi dit alors : " Vois, ta belle-soeur s' en est retournée vers son peuple et vers son dieu; retourne toi aussi, et suis-la. "
...............
Rot Rt 1.18 When she saw that she was stedfastly minded to go with her, then she left speaking unto her. Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy. Nony hitan' i Noemì fa tapa-kevitra ny hanaraka azy Rota, dia najanony ny teny nandodonany azy. Voyant que Ruth s' obstinait à l' accompagner Noémi cessa d' insister auprès d' elle.
Rot Rt 1.19 So they two went until they came to Bethlehem. And it came to pass, when they were come to Bethlehem, that all the city was moved about them, and they said, Is this Naomi? Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity? Dia niara-nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betleema. Nony niditra an' i Betleema izy ireo, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ary hoy ny vehivavy: Fa Noemì ve io e? Elles s' en allèrent donc toutes deux et arrivèrent à Bethléem. Leur arrivée à Bethléem mit toute la ville en émoi : " Est-ce bien là Noémi ? " s'écriaient les femmes.
Rot Rt 1.20 And she said unto them, Call me not Naomi, call me Mara: for the Almighty hath dealt very bitterly with me. Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon' ny Tsitoha amiko. Dia hoy izy tamin' ireo: Aza atao hoe Noemì intsony aho, fa ataovy hoe Marà, fa nataon' ny Tompo safotry ny mangidy aho. " Ne m' appelez plus Noémi, leur répondit-elle, appelez-moi Mara, car Shaddaï m' a remplie d' amertume.
Rot Rt 1.21 I went out full and the Lord hath brought me home again empty: why then call ye me Naomi, seeing the Lord hath testified against me, and the Almighty hath afflicted me? Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin' i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy? Feno tànana aho no nivoaka fa foan-tànana kosa no ampodin' ny Tompo. Ka ahoana no hiantsoanareo ahy hoe Noemì ihany; nefa Iaveh no efa nitsangan-kamely ahy, ary ny Tsitoha no efa nampahory ahy. Comblée j'étais partie, vide Yahvé me ramène! Pourquoi m' appelleriez-vous encore Noémi, alors que Yahvé a témoigné contre moi et que Shaddaï m' a rendue malheureuse ? "
Rot Rt 1.22 So Naomi returned, and Ruth the Moabitess, her daughter in law, with her, which returned out of the country of Moab: and they came to Bethlehem in the beginning of barley harvest. Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin' izy niverina avy tany amin' ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin' ny niandohan' ny taom-pijinjana ny vary hordea. Toy izany no nodian' i Noemì, ary niaraka taminy Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy any amin' ny tanin' i Moaba. Tonga tao Betleema izy ireo tamin' ny niandohan' ny fijinjana ny orja. C' est ainsi que Noémi revint, ayant avec elle sa belle-fille Ruth, la Moabite, celle qui était revenue des Champs de Moab. Elles arrivèrent à Bethléem au début de la moisson des orges.
Rot Rt 2.1 And Naomi had a kinsman of her husband' s, a mighty man of wealth, of the family of Elimelech; and his name was Boaz. Ary nisy havan' ny vadin' i Naomy avy amin' ny fokon' i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany. Nanana havam-bady anankiray Noemì; lehilahy manan-jò sy manan-karena, avy amin' ny fianakavian' i Elimeleka izy io, ary Booza no anarany. Noémi avait, du côté de son mari, un parent. C'était un homme de condition qui appartenait au même clan qu'Élimélek, il s' appelait Booz.
Rot Rt 2.2 And Ruth the Moabitess said unto Naomi, Let me now go to the field, and glean ears of corn after him in whose sight I shall find grace. And she said unto her, Go, my daughter. Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin' i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian' izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka. Ary hoy Rota ilay Moabita tamin' i Noemì: Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian' izay hahitako fitia eo imasony. Ka hoy izy namaly azy: Andeha, anaka. Ruth la Moabite dit à Noémi : " Permets-moi d' aller dans les champs glaner des épis derrière celui aux yeux duquel je trouverai grâce. " Elle lui répondit : " Va, ma fille. "
...............
Rot Rt 2.6 And the servant that was set over the reapers answered and said, It is the Moabitish damsel that came back with Naomi out of the country of Moab: Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an' i Naomy avy tany amin' ny tany Moaba io; An' iza io zazavavy io? Dia namaly ilay mpanompo nitandrina ny mpijinja nanao heo: Zazavavy Moabita niara-tonga tamin' i Noemì io avy any amin' ny tanin' i Moaba. Et le serviteur qui commandait aux moissonneurs répondit : " Cette jeune femme est la Moabite, celle qui est revenue des Champs de Moab avec Noémi.
...............
Rot Rt 2.20 And Naomi said unto her daughter in law, Blessed be he of the Lord, who hath not left off his kindness to the living and to the dead. And Naomi said unto her, The man is near of kin unto us, one of our next kinsmen. Dia hoy Naomy tamin' ny vinantonivavy: Hotahin' i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin' ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan' izay mahavotra antsika izy. Ary hoy Noemì tamin' ity vinantony: Hambinin' ny Tompo anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin' ireo maty ihany koa. Hoy Noemì taminy: Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan' izay mahazo manavotra antsika koa. Noémi dit à sa bru : " Qu' il soit béni de Yahvé qui ne cesse d' exercer sa bienveillance envers les vivants et les morts! " Et Noémi ajouta : " Cet homme est notre proche parent, il est de ceux qui ont sur nous droit de rachat. "
...............
Rot Rt 2.22 And Naomi said unto Ruth her daughter in law, It is good, my daughter, that thou go out with his maidens, that they meet thee not in any other field. Ary hoy Naomy tamin' i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin' ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa. Ka hoy Noemì tamin' i Rota vinantony: Tsara, anaka, raha miaraka amin' ny mpanompovaviny hianao, fandrao dia asian' ny olona ratsy, raha any an-tsaha hafa. Noémi dit à Ruth, sa bru : " Il est bon, ma fille, que tu ailles avec ses servantes, ainsi on ne te maltraitera pas dans un autre champ. "
Rot Rt 3.1 Then Naomi her mother in law said unto her, My daughter, shall I not seek rest for thee, that it may be well with thee? Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao? Dia hoy Noemì rafozany taminy: Te-hitady toeram-pitsaharana hiadananao aho, anaka. Noémi, sa belle-mère, lui dit : " Ma fille, ne dois-je pas chercher à t'établir pour que tu sois heureuse ?
...............
Rot Rt 3.16 And when she came to her mother in law, she said, Who art thou, my daughter? And she told her all that the man had done to her. Ary rehefa tonga tany amin' ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy. Nony tonga tany amin-drafozany Rota, dia hoy Noemì: Inona no nataonao, anaka? Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy. Lorsque Ruth rentra chez sa belle-mère, celle-ci lui dit : " Qu' en est-il de toi, ma fille ? " Ruth lui raconta tout ce que cet homme avait fait pour elle.
...............
Rot Rt 3.18 Then said she, Sit still, my daughter, until thou know how the matter will fall: for the man will not be in rest, until he have finished the thing this day. Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan' ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha. Ka hoy Noemì: Mijanòna eto, anaka, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io. " Ma fille, reste en repos, lui dit Noémi, jusqu'à ce que tu saches comment finira cette affaire; assurément, cet homme n' aura de cesse qu' il ne l' ait terminée aujourd' hui même. "
...............
Rot Rt 4.3 And he said unto the kinsman, Naomi, that is come again out of the country of Moab, selleth a parcel of land, which was our brother Elimelech' s: Dia niteny tamin' Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin' ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an' i Elimeleka rahalahintsika. Dia hoy izy tamin' ilay mahazo manavotra: Ny anjara tanin' i Elimeleka rahalahintsika dia namidin' i Noemì, ity efa tonga avy any amin' ny tanin' i Moaba. Alors il dit à celui qui avait droit de rachat : " La pièce de terre qui appartenait à notre frère Élimélek, Noémi, qui est revenue des Champs de Moab, la met en vente.
...............
Rot Rt 4.5 Then said Boaz, What day thou buyest the field of the hand of Naomi, thou must buy it also of Ruth the Moabitess, the wife of the dead, to raise up the name of the dead upon his inheritance. Dia hoy Boaza: Amin' izay andro ividiananao ny tany amin' ny tànan' i Naomy, dia amin' i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin' ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran' ny maty ao amin' ny lovany ianao. Ka hoy Booza: Amin' ny andro hahazoanao ny tany amin' ny tànan' i Noemì dia ho azonao koa izany amin' ny tànan' i Rota, ilay Moabita, vadin' ny maty, mba hamelomanao maso ny anaran' ny maty eo amin' ny lovany. Mais Booz dit : " Le jour où, de la main de Noémi, tu acquerras ce champ, tu acquiers aussi Ruth la Moabite, la femme de celui qui est mort, pour perpétuer le nom du mort sur son patrimoine. "
...............
Rot Rt 4.9 And Boaz said unto the elders, and unto all the people, Ye are witnesses this day, that I have bought all that was Elimelech' s, and all that was Chilion' s and Mahlon' s, of the hand of Naomi. Ary hoy Boaza tamin' ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin' ny tànan' i Naomy izay rehetra an' i Elimeleka sy izay rehetra an' i Kiliona sy Malona. Ary hoy Booza tamin' ireto loholona sy ny olona rehetra: Vavolombelona androany hianareo fa lasako tamin' ny tànan' i Noemì izay rehetra an' i Elimeleka sy izay rehetra an' i Seljòna sy Mahalòna; Booz dit aux anciens et à tout le peuple : " Vous êtes témoins aujourd' hui que j' acquiers de la main de Noémi tout ce qui appartenait à Élimélek et tout ce qui appartenait à Mahlôn et à Kilyôn,
...............
Rot Rt 4.14 And the women said unto Naomi, Blessed be the Lord, which hath not left thee this day without a kinsman, that his name may be famous in Israel. Ary hoy ireo vehivavy tamin' i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin' ny Isiraely. Dia hoy ny vehivavy tamin' i Noemì: Isaorana anie Iaveh fa tsy navelany tsy hanam-panavotra hianao ankehitriny. Hankalazaina anie ny anarany eo amin' Israely! Les femmes dirent alors à Noémi : " Béni soit Yahvé qui ne t' a pas laissé manquer aujourd' hui de quelqu' un pour te racheter. Que son nom soit proclamé en Israël!
...............
Rot Rt 4.16 And Naomi took the child, and laid it in her bosom, and became nurse unto it. Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy. Dia noraisin' i Noemì ny zaza ka nataony teny an-trotroany, ary izy no nitaiza azy. Et Noémi, prenant l' enfant, le mit sur son sein, et ce fut elle qui prit soin de lui.
Rot Rt 4.17 And the women her neighbours gave it a name, saying, There is a son born to Naomi; and they called his name Obed: he is the father of Jesse, the father of David. Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an' i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain' i Jese, rain' i Davida. Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy nanao hoe: Nahazo zazalahy Noemì, ka nataony hoe Obeda, no anarany. Izy no rain' i Isaia, rain' i Davida. Les voisines lui donnèrent un nom, elles dirent : " Il est né un fils à Noémi " et elles le nommèrent Obed. C' est le père de Jessé, père de David.