Chapitres et versets citant Artakserksesa

  Book of Ezra Ezra Esdrasa Livre d'Esdras
...............
Ezr / Esd 4.7 And in the days of Artaxerxes wrote Bishlam, Mithredath, Tabeel, and the rest of their companions, unto Artaxerxes king of Persia; and the writing of the letter was written in the Syrian tongue, and interpreted in the Syrian tongue. Ary tamin' ny andron' i Artaksersesy no nanoratan' i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin' ny namany sisa ho any amin' i Artaksersesy, mpanjakan' i Persia; ary ny soratra tamin' ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa. Ary tamin' ny andron' i Artakserksesa, Beselama, Mitridata, Tabeela, mbamin' ireo namany sisa, dia nanaratra ho any amin' i Artakserksesa mpanjakan' i Persa; tarehin-tsoratra arameana no nanoratany ny taratasy, ary nadikany ho fiteny arameana. Au temps d' Artaxerxès, Mithridate, Tabéel et leurs autres collègues écrivirent contre Jérusalem à Artaxerxès, roi de Perse. Le texte du document était d'écriture araméenne et de langue araméenne.
Ezr / Esd 4.8 Rehum the chancellor and Shimshai the scribe wrote a letter against Jerusalem to Artaxerxes the king in this sort: Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin' i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an' i Jerosalema toy izao: Rehoma governora sy Samsaì mpanoratra, nanoratra ho any amin' i Artakserksesa, nilaza ny amin' i Jerosalema, ka toy izao no teny ao amin' ny taratasy: Puis Rehum, gouverneur, et Shimshaï, secrétaire, écrivirent au roi Artaxerxès, contre Jérusalem, la lettre qui suit
...............
Ezr / Esd 4.11 This is the copy of the letter that they sent unto him, even unto Artaxerxes the king; Thy servants the men on this side the river, and at such a time. Izao no teny amin' ny taratasy nampitondrainy ho any amin' i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etý an-dafin' ny ony etý ..... Izao no kopian' ny taratasy nampitondrainy an' i Artakserksesa mpanjaka: Ny mpanomponao, ny olona aty an-dafin' ny ony, etc. Voici la copie de la lettre qu' ils lui envoyèrent "Au roi Artaxerxès, tes serviteurs, les gens de Transeuphratène Maintenant donc
...............
Ezr / Esd 4.23 Now when the copy of king Artaxerxes' letter was read before Rehum, and Shimshai the scribe, and their companions, they went up in haste to Jerusalem unto the Jews, and made them to cease by force and power. Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin' ny namany ny taratasin' i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin' ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny. Vantany vao voavaky teo anatrehan-dRehoma, Samsaì mpanoratra, ary ireo namany, ny kopian' ny taratasin' i Artakserksesa mpanjaka, dia nankany amin' ny Jody tany Jerosalema faingana izy, ka nasainy natsahatra an-keriny sy an-ditra ny asa. Dès que la copie du document du roi Artaxerxès eut été lue devant Rehum, le gouverneur, Shimshaï, le secrétaire, et leurs collègues, ils partirent en toute hâte pour Jérusalem chez les Juifs et, par la force des armes, arrêtèrent leurs travaux.
...............
Ezr / Esd 6.14 And the elders of the Jews builded, and they prospered through the prophesying of Haggai the prophet and Zechariah the son of Iddo. And they builded, and finished it, according to the commandment of the God of Israel, and according to the commandment of Cyrus, and Darius, and Artaxerxes king of Persia. Dia nanao ny trano ny loholon' ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian' i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak' Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin' Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin' i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan' i Persia. Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon' Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian' i Akzea mpaminany, sy Zakaria zanak' i Adao. Nanao izy dia nahavita araka ny didin' Andriamanitr' Israely sy araka ny didin' i Sirosa, Dariosa, Artakserksesa, mpanjakan' i Persa. Quant aux anciens des Juifs, ils continuèrent à bâtir, avec succès, sous l' inspiration d' Aggée le prophète et de Zacharie, fils d' Iddo. Ils achevèrent la construction conformément à l' ordre du Dieu d' Israël et à l' ordre de Cyrus et de Darius.
Ezr / Esd 7.1 Now after these things, in the reign of Artaxerxes king of Persia, Ezra the son of Seraiah, the son of Azariah, the son of Hilkiah, Ary rehefa afaka izany, tamin' ny nanjakan' i Artaksersesy, mpanjakan' i Persia, dia niakatra Ezra, zanak' i Seraia, zanak' i Azaria, zanak' i Hilklay Taty aorian' ireo zava-niseho ireo, tamin' ny andro nanjakan' i Artakserksesa mpanjakan' i Persa kosa indray, Esdrasa, zanak' i Saraiasa, zanak' i Azariasa, zanak' i Helkiasa, Après ces événements, sous le règne d' Artaxerxès, roi de Perse, Esdras, fils de Seraya, fils de Azarya, fils de Hilqiyya,
...............
Ezr / Esd 7.7 And there went up some of the children of Israel, and of the priests, and the Levites, and the singers, and the porters, and the Nethinims, unto Jerusalem, in the seventh year of Artaxerxes the king. Ary niakatra koa ny sasany amin' ny Zanak' Isiraely sy ny sasany amin' ny mpisorona mbamin' ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin' ny taona fahafito nanjakan' i Artaksersesy mpanjaka. Maromaro koa tamin' ny zanak' Israely, mpisorona, levita, mpihira, mpiandry varavarana, ary natineana, no niakatra ho any Jerosalema tamin' ny taona fahafito nanjakan' i Artakserksesa mpanjaka. Un certain nombre d' Israélites, de prêtres, de lévites, de chantres, de portiers et de "donnés" montèrent à Jérusalem la septième année du roi Artaxerxès.
...............
Ezr / Esd 7.11 Now this is the copy of the letter that the king Artaxerxes gave unto Ezra the priest, the scribe, even a scribe of the words of the commandments of the Lord, and of his statutes to Israel. Ary izao no tenin' ny taratasy izay nomen' i Artaksersesy mpanjaka an' i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin' ny lalàn' i Jehovah sy ny didiny tamin' ny Isiraely: Izao no kopian' ny taratasy nomen' i Artakserksesa mpanjaka, an' i Esdrasa - izay mpisorona sy mpampiana-dalàna, mpampiana-dalàna mahay ny didy aman-dalàn' ny Tompo ny amin' ny momba an' Israely. Voici la copie du document que le roi Artaxerxès remit à Esdras, le prêtre-scribe, savant interprète des commandements de Yahvé et de ses lois concernant Israël.
Ezr / Esd 7.12 Artaxerxes, king of kings, unto Ezra the priest, a scribe of the law of the God of heaven, perfect peace, and at such a time. Artaksersesy, mpanjakan' ny mpanjaka, ho an' i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn' Andriamanitry ny lanitra. Artakserksesa mpanjakan' ny mpanjaka, ho an' i Esdrasa mpisorona sy mpampiana-dalàna, mahay ny lalàn' Andriamanitry ny lanitra, etc. Artaxerxès, le roi des rois, au prêtre Esdras, Secrétaire de la Loi du Dieu du ciel, paix parfaite. Maintenant donc,
...............
Ezr / Esd 7.21 And I, even I Artaxerxes the king, do make a decree to all the treasurers which are beyond the river, that whatsoever Ezra the priest, the scribe of the law of the God of heaven, shall require of you, it be done speedily, Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin' ny mpitahiry ny haren' ny fanjakana rehetra izay any an-dafin' ny ony, fa na inona na inona no ilain' i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn' Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany, Izaho Artakserksesa mpanjaka manome didy ho an' ireo mpitahiry vola rehetra any an-dafin' ny ony, mba hanatanteraka tsy misy tomika izay rehetra hilain' i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mahay ny lalàn' Andriamanitry ny lanitra, aminareo, C' est moi-même, le roi Artaxerxès, qui donne cet ordre à tous les trésoriers de Transeuphratène : Tout ce que vous demandera le prêtre Esdras, Secrétaire de la Loi du Dieu du ciel, qu' on y fasse ponctuellement droit
Ezr / Esd 8.1 These are now the chief of their fathers, and this is the genealogy of them that went up with me from Babylon, in the reign of Artaxerxes the king. Ary izao no lohan' ny fianakaviana sy filazana ny firazanan' ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin' ny nanjakan' i Artaksersesy mpanjaka: Izao no loham-pianakaviana sy filazana ny firazanany, dia ireo niara-niakatra tamiko avy any Babilona, tamin' ny andro nanjakan' i Artakserksesa mpanjaka. Voici, avec leur généalogie, les chefs de famille qui partirent avec moi de Babylone sous le règne du roi Artaxerxès.

  Book of Nehemiah Nehemia Nehemia Livre de Néhémie
Neh / Ne 2.1 And it came to pass in the month Nisan, in the twentieth year of Artaxerxes the king, that wine was before him: and I took up the wine, and gave it unto the king. Now I had not been beforetime sad in his presence. Ary tamin' ny volana Nisana tamin' ny taona faharoa-polo nanjakan' i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko ka natolotro ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehany. Tamin' ny volana Nisana, taona faha-roapolo nanjakan' i Artakserksesa mpanjaka, raha ilay efa mby teo anoloany iny ny divay, dia noraisiko ny divay ka natolotro ny mpanjaka, ary nitandrina aho mba tsy halahelo teo anatrehany. Au mois de Nisan, la vingtième année du roi Artaxerxès, comme j'étais chargé du vin, je pris le vin et l' offris au roi. Je n' avais, auparavant, jamais été triste.
...............
Neh / Ne 5.14 Moreover from the time that I was appointed to be their governor in the land of Judah, from the twentieth year even unto the two and thirtieth year of Artaxerxes the king, that is, twelve years, I and my brethren have not eaten the bread of the governor. Ary koa, hatramin' ny andro nanendrena ahy ho governora amin' ny tany Joda, dia hatramin' ny taona faharoa-polo ka hatramin' ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan' i Artaksersesy, dia roa ambin' ny folo taona izay, izaho sy ny raha!ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman' ny governora. Hatramin' ny andro nametrahan' ny mpanjaka ahy ho governora teo amin' ny tanin' i Jodà, izany hoe: hatramin' ny taona faharoapolo, ka hatramin' ny taona faharoa amby telopolo nanjakan' i Artakserksesa, dia nandritra ny roa ambin' ny folo taona, tsy mba nihinana ny mofon' ny governora, na izaho na ireo rahalahiko. Bien plus, depuis le jour où le roi m' institua gouverneur au pays de Juda, de la vingtième à la trente-deuxième année du roi Artaxerxès, pendant douze ans, moi et mes frères n' avons jamais mangé la provende du gouverneur.
...............
Neh / Ne 13.6 But in all this time was not I at Jerusalem: for in the two and thirtieth year of Artaxerxes king of Babylon came I unto the king, and after certain days obtained I leave of the king: Fa tamin' izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin' ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan' i Artaksersesy, mpanjakan' i Babylona, no nahatongavako tany amin' ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin' ny mpanjaka aho; Tsy tao Jerosalema aho, fony nisy izany rehetra izany, satria tamin' ny taona faharoa amby teloplo nanjakan' i Artakserksesa, mpanjakan' i Babilona, dia niverina tany amin' ny mpanjaka aho. Ary afaka andro vitsivitsy, J'étais, durant tout cela, absent de Jérusalem, car dans la trente-deuxième année d' Artaxerxès, roi de Babylone, j'étais parti auprès du roi; mais, au bout d' un certain temps, je demandai au roi un congé