Entrée akondro
Partie du discours   nom
Définition malgache   Hazo fihinamboa, boribory ny vatany, mitapelaka boribory lavalava ny raviny, ny voniny fotsy madinidinika ary ny voany, bontolontolo lavalava, mitandahatra mikambana ho lafitra, izay miisa maromaro manodidina ny tahom-boany milofika miafara amin' ny emboka. Voankazo mamy ny akondro, tsy mba misy olitra na biby, vokatra mandavan-taona ary saika maniry eran' ny nosy, porofoin' ny fisian' ny anarany samy hafa hatraiza hatraiza: fontsy na ontsy, katakata, kida, anampisaka, kimalao... Misy karazany maro ny akondro: afontsy, batavia, boroboaka, mavokely, ranjalia, sarika, tsiemeroa, tsilavonomby [Rajemisa 1985]
Définition anglaise   the banana tree; the fruit of the banana. The stem, after being chopped, is given to oxen as food. The ashes obtained from burning the root are used in soapmaking. Musa sapientum, L., and M. paradisiaca, L. Same as ontsy (Sak.), and otsy (Bets.). The plantain tree and its fruit. [Mal. gala (?); Jav. gadang (?); Larika kora (?); Swa. mkanga; Taparua kala (?).] [Richardson 1885]
   a banana [Hallanger 1973]
Définition française   banane [Hallanger 1974]
Définition française   banane [SLP: Voambolana]
Exemples  
1Koba, akondro, mofogasy no hozarainy ho an-janany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 8]
2Rahefa mamangy izy dia mba mitondra fary, na akondro. [Andraina: Mitaraina, page 104]
Vocabulaire  
Nom scientifique   Musa sapientum, Musa paradisiaca
Synonymes   ontsy
Mots composés, titres, noms  
Citations  
Toponymie   Noms des lieux comprenant le mot akondro (3): Akondro, Iakondro, Sahakondro
Analogie   akondro sarika ~ katakata ~ kida ~ kida ~ mofo akondro endasina
Illustrations  

Entrée Akondro (akondro)
Partie du discours   nom propre (toponyme) [liste]
Vocabulaire  
Toponymie   akondro
Illustrations  

Mis à jour le 2013/03/30