| Entrée | 1 Andranobevava |
| Mots élémentaires | 2 rano, 3 be, 4 vava |
| Partie du discours | 5 nom propre (toponyme) [Liste complète] |
| Explications en malgache |
6 renirano eo afovoan' ny hetrina malalaka, anelanelan' ny rambon-tanin'
7 Amboditsiry sy ny an' Analamahitsy, vakin' ny arabe mianavaratra 8 (Antananarivo-Ambohimanga). Ny lohan' io renirano io dia any akaikin' 9 Andraisoro, mandeha mianavaratra ny anankiray, ary ao Ambodiakondro, mandeha 10 miankandrefana ny anankiray; mihaona eo akaikin' i Nanisana izy roa ireo, 11 ary hatreo ka mandra-pidiny amin' ilay lahindrano eo atsimon' Ivandry, no iantsoana azy ho 12 Andranobevava. 13 -- Tany aloha, raha mbola tsy voaisy fefiloha ity renirano ity, dia nanafotra ny hetrina 14 teo an-daniny roa ny tondraka amin' ny fahavaratra, ka manjary hoatra ny lehibe 15 ny vava-rano; izany no nahatonga ny anarany ho Andranobevava. 16 Ny nampahalaza azy indrindra anefa dia satria io no "rano" naha-avara-drano an' Avaradrano. [1.10#37.2] |
| Explications en français |
17 limite sud du territoire d'Avaradrano
[3.1] |
| Vocabulaire | 18 Géographie: rivières, lacs |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|