|
|
|
|

Entrée 1  Avaradrano
Mots élémentaires  2 avaratra, 3 rano
Partie du discours  4  nom propre (toponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  5 Andriamasinavalona, izay nahavory voalohany an' Imerina, dia nizara azy ho efa-toko. ka Avaradrano no nataony filaharana voalohany (1675-1710). -- Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina dia nitatra ny faritr' Imerina, ka nozarainy enim-toko izy, dia Avaradrano, Vakinisisaony, Marovatana, Ambodirano, Vonizongo, Vakinankaratra. -- Mizara telo indray Avaradrano, dia: Tsimahafotsy, Ambohimanga no renivohiny; Tsimiamboholahy, Ilafy no renivohiny; Mandiavato, Ambohidrabiby no renivohiny. Andranobevava eo atsimon' Analamahitsy, izay rano be mangeniheny tany aloha, no farany atsimo amin' Avaradrano, ka izany no naha-Avaradrano azy... [1.10#78.450]
Explications en français  6 le plus célèbre des six territoires de l'Imerina d'où est sorti celui qui devait porter le nom d'Andrianampoinimerina et dont les trois bourgs principaux furent à cette époque Ambohimanga (Tsimahafotsy), Ilafy (Tsimiamboholahy) et Ambohidrabiby (Mandiavato). Le territoire est situé sur la rive nord de la rivière Andranobevava, d'où le nom qu'on lui a donné. [1.11]
Exemples  7  Inona no mahalatsaka an'avaradrano noho Antananarivo? [1.336#]
8  koa raha resiny avaradrano, dia baboiny to'izany koa. [2.59#]
9  Novonoina ireo vehivavy tamin'avaradrano nisehoan'ny kabary. [2.298#]
Vocabulaire  10  Géographie: pays, peuples
Analogues  11  ambodirano, 12  ambodirano, 13  imerina enin-toko, 14  imerinaenintoko, 15  marovatana, 16  marovatana, 17  vakinankaratra, 18  vakinankaratra, 19  vakinisisaony, 20  vakinisisaony, 21  vonizongo, 22  vonizongo
Proverbes  23  Proverbes contenant ce mot

Mis à jour le 2026/04/21