|
|
|
|

Entrée (1/2)1 ataotaovy
Radical  2tao
Partie du discours  3 impératif du verbe passif ataotao [Liste complète]
Explications en malgache  [1.1]
Explications en français  [1.3]

Entrée (2/2)4 Ataotaovy
Mots élémentaires  5ataotaovy
Partie du discours  6 nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  7 Littérature: poèmes
Auteur  8Dox
Editions 
Texte complet  10 Ataotaovy aho rey olona, fa mavesatra ny anjarako,
He ! malama anie ity lalako ka tsy misy hamaharako !
Kotsan'ny fitiavana aho ... kotsakotsa mahonena !
Ho dify ihany ilay malala ... toa dia vatranao jerena.

11 Ataotaovy aho ray olona, sao dia raraka tsy fidiny
Ny fitia nisahiranako ka dia hahitako ngidiny !
ny felan'ny tatamo ve hahatondrako rano mody ?
ny hetahetako avy eto dia tsy hisy fanafody !

12 Ataotaovy aho ray olona, tokana 'ty siny ity ...
Raha montsamontsana eto, ho entiko aiza ny fitia,
Mitondra tanam-polo, mangaina sy mangaihay !

13 Ataotaovy aho ray olona, sao tsy tratrako ity havako !
Mahazo an-kodimirana izy ka manahy ny fitiavako
sao tsy hahatratra azy ! He 'ty elanelanay !


Anagrammes  14 Ataotaovy, ataotaovy

Mis à jour le 2025/11/06