| Explications en malgache |
8 Dray na Drey na Endrey na Adrey na Dray: tenim-piontanana voatonona amim-pahatairana raha misy mahagaga tsy nampoizina,
9 na mahafaly tampotampoka, na misy maharary tsy aritra.
10 (Ny tena ahalalana azy ho fanehoam-pahagagana, na hafaliana, na fangirifiriana anefa dia miankina
11 amin' ny feo sy ny anononan' ilay olona miteny azy mbamin' ny fahitana ny endriny sy ny fihetsiny eo am-pitenenana). --
12 Indraidray ny dray dia atao solony tambinteny hoe: izaitsiizy na tokoa tokoa, ets.;
13 ary ny fanao amin' izany dia ny Edrey, toy izao:
14 Lafo dia dray izany peratrao izany! ~ Lafo dia edrey izany peratrao izany !
[1.10]
15 Enti-milaza hatairana na hagagana na fangirifiriana koa aza indraindray:
16 Dray! mahafinaritra izany fiposahan' ny masoandro avy any ambadiky ny tendrombohitra toa memy afo mivaivay
[1.1]
|