|
|
|
|

Entrée1 Feo mahery
Mots élémentaires  2feo, 3mahery
Partie du discours  4 nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5 Littérature: poèmes
Auteur  6Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet  7 Ry fanahy mitanondrika, ry fanahy mahonena,
8 Fantatrao fa tsy eto no toerana doria ...
9 Fa ny aina dia nindramina, ka ho vovoka ny tena !
10 Kanefa aza very toky, matokia!

11 Ny malalanao anie, raha lasa, mialoha,
12 Fa tsy hoe afoy tanteraka: any hihaonanao aminy!
13 Ny nofo ihany no an'ny tany, hody tany ka ho lo;
14 Ny fanahy kosa tsy eto fa any an-danitra no taniny …

15 Tsy ny fahafatesana eto no atao ho fahavoazana ...
16 Fa ny diso lalam-piainana no ho diso tanindrazana
17 Tsy hihaona amin'ireo malala efa mialoha.

18 Mangidy moa ny fisarahana ka tsy maintsy alahelovana!
19 Ny nofo anefa no afoy fa ho tratram-pahalovana!
20 Miandrandrà fa aza miondrika amin'ity nofo ho lo!

Mis à jour le 2025/09/13