|
|
|
|

Entrée (1/2)1 indro
Partie du discours  2 adverbe [Liste complète]
Explications en malgache  3 Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao [1.1]
Explications en anglais  4 behold! Lo! Here! This is it! See indry. [1.2]
5 behold! look! there he (she, it) is! [1.7]
Explications en français  6 voici, voilà [1.3#280]
7 le (la) voilà [1.8]
Exemples  8 indro ny volanao. [2.4]
9 indro avereno izy! [2.298]

Entrée (2/2)10 Indro
Mots élémentaires  11indro
Partie du discours  12 nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  13 Littérature: poèmes
Auteur  14Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet  15 Indro ny Zanakavavin’ny Alina
16 Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina…
17 ‘Ndeha handro izy iny…

18 Ny volony lava toa setroka oly,
19 Ny maso baliakany toa hanangoly…
20 Mandrendri-bahiny!…

21 Mba mahina angaha sao misy mahita
22 Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita
23 dia indro tokoa…

24 Ingahy masoandro misalotra mena
25 malaina handao an’ity fijerena
26 An-dRavolana soa!…

27 Dia indro fa nihaona ny masony roa
28 Ka menatra indrindra Ravolana soa
29 Noraisiny haingana

30 ‘lay rahona kely mba sendra nandalo
31 ho enti-manafy an’ity tena mimalo
32 tsy ho hita mivaingana…

33 Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava…
34 Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava!
35 …Dia tena nitranga!

36 Nisosa malako, nandeha nilomano
37 namaky ny ony ‘zay manganohano:
38 Ny lanitra manga!

Anagrammes  39 indro, Indro, 40 ondry

Mis à jour le 2025/11/02