Entrée mihevitra (hevitra)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache Mamorona na manan-javatra ao an-tsaina, ao an-doha; misaintsaina: Tsy tsara ny mihevi-dratsy olona
¶ Mieritreritra: Latsadranomaso izy nihevitra ny fahorian-janany
¶ Mandinika lalina, miady hevitra momba: Mihevi-draharaha ny lehibe ka tsy azo kotabaina
¶ Mikasa, manampo, mikendry: Mihevitra ny hiainga rahampitso aho
¶ Mandray, mitsara: Ahoana no iheveranao an' izany fihetsiky ny zakaizanao izany
¶ Mino, mieritreritra: Iza no hihevitra fa hahavita izany Rangahy iny [Rajemisa 1985]
Traduction anglaise to think, to consider; to talk over [Hallanger 1973]
Traduction française penser, penser à; méditer, délibérer sur [Hallanger 1974]
Morphologie 
mihevitra
mihevi-
nihevitra
nihevi-
hihevitra
hihevi-
mihevera
Exemples 
1tsy very saina aho fa mihevitra nahoana hianao no toa mitomany? [Fox: Hainteny, numéro 312]
2Hano aloha ny hanina, fa rehefa avy eo indray, mihevitra. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 106]
3Hita ho nihevi-tena ho lehilahy lehibe sahady izy tamin' izany. [Andraina: Mitaraina, page 10]
Citations 

Mis à jour le 2020/07/31