Entrée mihiaka (hiaka)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache Manao feo mirehareha sy matoky hery, mihaika, mihantsy ady: Nihiaka Rakoto teo ambony lampihazo niandry izay sahy hifanandrina aminy
¶ Mibaiko amin' ny feo tokana, mafy sy maranitra: Nisy feo nihiaka tany anaty ala tany, dia indreny nisy lehilahy ampolony maro nivoaka ny kirihitra [Rajemisa 1985]
Définition anglaise to shout defiance; to shout [Hallanger 1973]
Définition française pousser des cris, prononcer des paroles de défi [Hallanger 1974]
Morphologie 
mihiaka
nihiaka
hihiaka
Exemples 
1niantsamboatra sy nihiaka tokana Rasoa nitairan' izy rehetra ho safotra. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 183]
2Ary ialahy, hoy izy nihiaka ohatra ny nihetsehan-tromba tampoka, toa mbola mitahiry zava-maranitra ihany? [Andraina: Mitaraina, page 227]
3hoy Railovy somary nihiaka tamin' ny hagagany, ka nanatona azy avokoa ny voronkely indray nialoka taminy. [Andriamalala: Zazavavindrano]
Citations 

2012/08/07