|
|
|
|

Entrée (1/2)1  tsikitsikinao
Radical  2 tsiky
Partie du discours  3  nom tsikitsiky et pronom
Exemples  4  Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany ! [1.291]

Entrée (2/2)5  Tsikitsikinao
Partie du discours  6  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  7  Littérature: poèmes
Auteur  8 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet  9 
10  Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana…
11  Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany…
12  Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana…
13  Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !

14  Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana,
15  Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana,
16  Nikaloan’ny fanahiny tsantatsantam-paniriana,
17  Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana !

18  Hisy angamba amin’ireny sahy hamboraka aminao
19  Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao
20  Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany !

21  Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny
22  Ny fitia vokatr’iny mba ho raki-mandra-matiny,
23  Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany !

Anagrammes  tsikitsikinao, Tsikitsikinao

Mis à jour le 2025/11/21