<-
->

Si 25:1 Misy zavatra telo ankasitrahako, sady tsara izy ireo eo anatrehan' ny Tompo sy ny olombelona: dia ny fifanarahan' ny mpirahalahy, ny fifankatiavan' ny mpihavana, ary ny fifanarahan' ny mpivady tsara. Il est trois choses que mon âme désire, qui sont agréables à Dieu et aux hommes l' accord entre frères, l' amitié entre voisins, un mari et une femme qui s' entendent bien.
Si 25:2 Fa misy olona telo karazana halako, sady tena tsy tiako fiaina mihitsy: dia ny mahantra miavonavona, ny mpanana manambaka, ary ny anti-panahy manaram-batana, tsy misy saina. Il est trois sortes de gens que hait mon âme, et dont l' existence me met hors de moi un pauvre gonflé d' orgueil, un riche menteur, un vieillard adultère et dénué de sens.
Si 25:3 Tsy nahangona na inona na inona hianao tamin' ny fahatanoranao, ahoana no hanananao amin' ny fahanteranao? Si tu n' as rien amassé dans ta jeunesse, comment dans ta vieillesse aurais-tu quelque chose?
Si 25:4 Zavatra tsara loatra ny itsaran' ny fotsy volo araka ny mety sy ny ahalalan' ny anti-panahy ny hevitra tsara! Quelle belle chose que le jugement joint aux cheveux blancs et, pour les anciens, de connaître le conseil!
Si 25:5 Tandrifiny tsara ho an' ny anti-panahy ny fahendrena, ary ho an' izay hajaina, ny fahamalinana amam-pisainana. Quelle belle chose que la sagesse chez les vieillards et chez les grands du monde une pensée réfléchie!
Si 25:6 Ny fehilohan' ny anti-panahy dia ny nahitany ny zavatra betsaka. Ny voninahiny, dia ny fahatahorana ny Tompo. La couronne des vieillards, c' est une riche expérience, leur fierté, c' est la crainte du Seigneur.
Si 25:7 Misy zavatra sivy tombanan' ny foko ho mahafaly, ary ny iray fahafolo koa ankalazain' ny lelako. Ny olona mahazo hafaliana amin' ny zanany, izay ampy andro iainana, hahita ny faharavan' ny fahavalony. Il y a neuf choses qui me viennent à l' esprit et que j' estime heureuses et une dixième que je vais vous dire un homme qui trouve sa joie dans ses enfants, celui qui voit, de son vivant, la chute de ses ennemis;
Si 25:8 Sambatra izay miara-monina amin' ny vehivavy manan-tsaina; mbamin' izay tsy manota amin' ny lelany. Sambatra izay nahazo sakaiza mahatoky, mbamin' izay tsy manompo tompo tsy manendrika azy! heureux celui qui vit avec une femme de sens, celui qui ne laboure pas avec un boeuf et un âne, celui qui n' a jamais péché par la parole, celui qui ne sert pas un maître indigne de lui;
Si 25:9 Sambatra izay mahazo fahamalinana, sady mampianatra izany amin' ny sofina mitandrina! heureux celui qui a trouvé la prudence et qui peut s' adresser à un auditoire attentif;
Si 25:10 Endrey ny halehiben' ny olona nahazo fahendrena! kanefa tsy ambony noho izay matahotra ny Tompo izy. comme il est grand celui qui a trouvé la sagesse, mais personne ne surpasse celui qui craint le Seigneur.
Si 25:11 Mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fahatahorana ny Tompo; zovy moa no hampitahaina amin' izay manana azy? Ny fahatahorana ny Tompo no fiandohan' ny fitiavana azy, ary ny finoana no fiandohan' ny firaiketana amin' Andriamanitra. Car la crainte du Seigneur l' emporte sur tout celui qui la possède, à quoi le comparer?
Si 25:12 Ny fahoriana rehetra anie, fa aza ny fahorian' ny fo; ny hasomparana rehetra anie, fa aza ny hasomparan' ny vehivavy!
Si 25:13 Ny loza rehetra anie, fa aza ny loza afitsoky ny rafilahy, ny famaliana rehetra anie, fa aza ny famalian' ny fahavalo! Toute blessure, sauf une blessure du coeur! toute méchanceté, sauf une méchanceté de femme!
Si 25:14 Tsy misy poizina ratsy noho ny poizin' ny menarana; ary tsy misy hatezerana lehibe noho ny hatezeran' ny vehivavy. tout malheur, sauf un malheur qui vient de l' adversaire! toute injustice, sauf une injustice qui vient de l' ennemi!
Si 25:15 Aleoko miara-monina amin' ny liona sy ny dragona, toy izay miara-monina amin' ny vehivavy ratsy fanahy. Il n' y a pire venin que le venin du serpent, il n' y a pire haine que la haine d' un ennemi.
Si 25:16 Manova endrika ny vehivavy ny haratsiam-panahiny, fa manamainty ny tarehiny tahaka ny lasaka. J' aimerais mieux habiter avec un lion ou un dragon qu' habiter avec une femme méchante.
Si 25:17 Mba mandeha mipetraka eo amin' ireo sakaizany ny lahy, ka misento fatratra izy, mandre an' ireo! La méchanceté d' une femme change son visage, elle fait grise mine, on dirait un ours.
Si 25:18 Maivana ny haratsiana rehetra, miolotra amin' ny haratsian' ny vehivavy: aoka ny anjaran' ny mpanota hianjera aminy. Son mari s' attable parmi ses voisins et, malgré lui, il gémit amèrement.
Si 25:19 Sahala amin' ny fiakarana be fasika, amin' ny tongotry ny anti-panahy, ny vehivavy basivava amin' ny vadiny bonaika. Toute malice n' est rien près d' une malice de femme que le sort des pécheurs lui advienne!
Si 25:20 Aza mety ho sodokan' izay hatsaran-tarehim-behivavy, aoka tsy hisy vehivavy hamelom-paniriana anao. Une montée sablonneuse sous les pas d' un vieillard, telle est une femme bavarde pour un homme tranquille.
Si 25:21 Zava-mahatezitra, fahafaham-baraka aman-kenatra be vava raha vehivavy mamonona fivelomana ho an' ny lahy. Ne te laisse pas prendre à la beauté d' une femme, ne t'éprends jamais d' une femme.
Si 25:22 Hareraham-po, endrika malahelo, fahoriam-panahy; izany no vokatry ny vehivavy ratsy fanahy. Tanana osa, lohalika ketraka: izany no vokatra avy amin' ny vehivavy tsy manome hafaliana ny vadiny. C' est un objet de colère, de reproche et de honte qu' une femme qui entretient son mari.
Si 25:23 Vehivavy iray no niandohan' ny fahotana: ka izy no anton' ny hahafatesantsika rehetra. Coeur abattu, visage triste, blessure secrète, voilà l' oeuvre d' une femme méchante. Mains inertes et genoux sans force, telle est la femme qui fait le malheur de son mari.
Si 25:24 Aza avela hanam-pivoahana ny rano, na hanam-pahefana akory ny vehivavy. C' est par la femme que le péché a commencé et c' est à cause d' elle que tous nous mourons.
Si 25:25 Raha tsy mandeha arak' izay itarihan' ny tananao azy izy, esory ho afaka amin' ny vatanao. Ne donne pas à l' eau un passage, ni à la femme méchante la liberté de parler.
Si 25:26 Si elle n' obéit pas au doigt et à l' oeil, sépare-toi d' elle.

<-
->