<-
->

Eze / Ez 24:1 Again in the ninth year, in the tenth month, in the tenth day of the month, the word of the Lord came unto me, saying, Ary tamin' ny andro fahafolo tamin' ny volana fahafolo tamin' ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo tamin' ny taona fahasivy, volana fahafolo, andro fahafolon' ny volana, nanao hoe: La neuvième année, au dixième mois, le dix du mois, la parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 24:2 Son of man, write thee the name of the day, even of this same day: the king of Babylon set himself against Jerusalem this same day. Ry zanak' olona, soratinao ny anaran' ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan' i Babylona miantomboka mamely an' i Jerosalema amin' izao andro anio izao. Ry zanak' olona, ataovy an-tsoratra izao andro izao: dia izao masonandro izao, fa amin' izao andro izao indrindra no niantorahan' ny mpanjakan' i Babilona tamin' i Jerosalema. Fils d' homme, mets par écrit la date d' aujourd' hui, d' aujourd' hui même, car le roi de Babylone s' est jeté sur Jérusalem aujourd' hui même.
Eze / Ez 24:3 And utter a parable unto the rebellious house, and say unto them, Thus saith the Lord GOD; Set on a pot, set it on, and also pour water into it: Ary milazà fanoharana amin' ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny; Manaova fanoharana amin' ny taranaka miodina, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Atsangàno ny vilany; atsangàno izy, ka asio rano. Prononce donc une parabole pour l' engeance de rebelles. Tu leur diras : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Mets au feu la marmite, mets-la, verses-y de l' eau.
Eze / Ez 24:4 Gather the pieces thereof into it, even every good piece, the thigh, and the shoulder; fill it with the choice bones. ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy. Dia arotsahy ao ny didin-kena, ny didiny tsara rehetra; ny nofom-peny ama-nofon-tsorony; fenoy taolana voafantina izy. Rassembles-y des morceaux, tout ce qu' il y a de bons morceaux, gigot, épaule; remplis-la des meilleurs os,
Eze / Ez 24:5 Take the choice of the flock, and burn also the bones under it, and make it boil well, and let them seethe the bones of it therein. Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany. Izay tsara indrindra amin' ny andian' ondry no alaovy, dia tohofy taolana betsaka eo ambanin' ny vilany; ataovy mangotraka mivadibadika fatratra izy mba ho masaka koa ny taolana ao anatiny. prends le meilleur du troupeau. Puis entasse du bois dessous, fais bouillir à gros bouillons, que soient cuits même les os qu' elle contient.
Eze / Ez 24:6 Wherefore thus saith the Lord GOD; Woe to the bloody city, to the pot whose scum is therein, and whose scum is not gone out of it! bring it out piece by piece; let no lot fall upon it. Koa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Lozan' ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana. Ka izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Loza ho an' ny tànana mpandatsa-dra, vilany misy taim-barahana ao anatiny, ka tsy afaka tao aminy ny taim-barahana! Loary tsirairay ny didin-kena, aza hanaovana filokana, Car ainsi parle le Seigneur Yahvé : Malheur à la ville sanguinaire, marmite toute rouillée, dont la rouille ne peut être ôtée! Vide-la morceau par morceau, sans qu' on tire au sort.
Eze / Ez 24:7 For her blood is in the midst of her; she set it upon the top of a rock; she poured it not upon the ground, to cover it with dust; Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin' ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin' ny tany hosaronan' ny vovoka izy. fa ny ra nalatsany dia mbola ao aminy; nataony teo amin' ny vatolampy mangadihady fa tsy nalatsany tamin' ny tany hosaronan' ny vovoka. Car son sang est au milieu d' elle, elle l' a mis sur le roc nu, elle ne l' a pas répandu sur le sol pour le recouvrir de poussière.
Eze / Ez 24:8 That it might cause fury to come up to take vengeance; I have set her blood upon the top of a rock, that it should not be covered. Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin' ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona. Mba hampirehitra ny hatezerana ary mba hanao famaliana azy, dia nataoko latsaka tamin' ny vatolampy mangadihady ny ra nalatsany tsy ho voasarona. Pour faire monter la fureur, pour tirer vengeance, j' ai mis mon sang sur le roc nu, sans le recouvrir.
Eze / Ez 24:9 Therefore thus saith the Lord GOD; Woe to the bloody city! I will even make the pile for fire great. Koa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Lozan' ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka. Ka izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Loza ho an' ny tànana mpandatsa-dra. Izaho koa hanangona antontan-kitay betsaka. Eh bien! ainsi parle le Seigneur Yahvé : Malheur à la ville sanguinaire! Moi aussi, je vais faire un grand bûcher.
Eze / Ez 24:10 Heap on wood, kindle the fire, consume the flesh, and spice it well, and let the bones be burned. Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy, ary aoka ho may ny taolana. Angony ny kitay hazo, ampireheto ny afo, ataovy motraka ny hena, ataovy mangotraka ny koban-kena, ary aoka ho levon' ny afo koa ny taolana. Amoncelle du bois, allume le feu, cuis la viande, prépare les épices, que les os brûlent.
Eze / Ez 24:11 Then set it empty upon the coals thereof, that the brass of it may be hot, and may burn, and that the filthiness of it may be molten in it, that the scum of it may be consumed. Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin' ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny. Dia ataovy eo ambony vainafo ny vilany foana, hahafana azy, hahamay ny varahana, hiempoan' ny lotony ao anatiny, hahalevona ny taim-barahany. Mets la marmite vide sur les charbons, afin qu' elle chauffe, que le bronze rougisse et que fonde la souillure qui s' y trouve, que soit consumée sa rouille.
Eze / Ez 24:12 She hath wearied herself with lies, and her great scum went not forth out of her: her scum shall be in the fire. Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin' ny afo ny harafesiny. Aim-bery foana! fa tsy mety afaka ny vonga-taim-barahany, maharitra ny afo ny taim-barahany. Mais la masse de rouille ne s' en va pas au feu.
Eze / Ez 24:13 In thy filthiness is lewdness: because I have purged thee, and thou wast not purged, thou shalt not be purged from thy filthiness any more, till I have caused my fury to rest upon thee. Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin' ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao. Misy zavatra lozan-tany amin' ny lotonao: satria tsy mety madio hianao, rahefa nodioviko dia tsy ho voadio amin' ny lotonao na oviana na oviana hianao, raha tsy efa nataoko mipetraka aminao ny hatezerako. Ta souillure est une infamie, car j' ai voulu te purifier, mais tu ne t' es pas laissé purifier de ta souillure. Tu ne seras donc plus purifiée jusqu'à ce que j' aie assouvi ma colère contre toi.
Eze / Ez 24:14 I the Lord have spoken it: it shall come to pass, and I will do it; I will not go back, neither will I spare, neither will I repent; according to thy ways, and according to thy doings, shall they judge thee, saith the Lord GOD. Izaho Jehovah no niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo. Izaho Iaveh no niteny, ho tonga izany ary hotanterahako; tsy hiahotrahotra aho, na hitsimbina, na hanenina. Hotsaraina araka ny nataonao sy ny helokao be vava hianao, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Moi, Yahvé, j' ai parlé et cela se réalise, j' agirai sans me reprendre, je n' aurai ni pitié ni compassion. C' est selon ta conduite et selon tes oeuvres qu' on te jugera, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 24:15 Also the word of the Lord came unto me, saying, Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo, nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 24:16 Son of man, behold, I take away from thee the desire of thine eyes with a stroke: yet neither shalt thou mourn nor weep, neither shall thy tears run down. Ry zanak' olona, indro, efa hesoriko amin' ny loza indray mamely monja ilay tian' ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao. Ry zanak' olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin' ny indray mitselaka monja, ilay fifalian' ny masonao; nefa aza midradradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory. Fils d' homme, voici que je vais t' enlever subitement la joie de tes yeux. Mais tu ne te lamenteras pas, tu ne pleureras pas, tu ne laisseras pas couler de larmes.
Eze / Ez 24:17 Forbear to cry, make no mourning for the dead, bind the tire of thine head upon thee, and put on thy shoes upon thy feet, and cover not thy lips, and eat not the bread of men. Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin' olona. Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty. Ataovy amin' ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana. Gémis en silence, ne prends pas le deuil des morts, noue ton turban sur ta tête, mets tes sandales à tes pieds, ne te couvre pas la barbe, ne mange pas de pain ordinaire.
Eze / Ez 24:18 So I spake unto the people in the morning: and at even my wife died; and I did in the morning as I was commanded. Ary nony maraina dia niteny tamin' ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho. Nony maraina dia niteny tamin' ny olona aho, ka ny harivan' izany ihany dia maty ny vadiko; ary ny ampitso maraina indray dia notanterahako izay nandidiana ahy. Je parlai au peuple le matin, et ma femme mourut le soir, et je fis le lendemain matin comme j' en avais reçu l' ordre.
Eze / Ez 24:19 And the people said unto me, Wilt thou not tell us what these things are to us, that thou doest so? Ary hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin' izao ataonao izao? Ka hoy ny olona tamiko: Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin' izao ataonao izao? Alors le peuple me dit : " Ne nous expliqueras-tu pas quel sens a pour nous ce que tu fais ? "
Eze / Ez 24:20 Then I answered them, The word of the Lord came unto me, saying, Dia hoy izaho taminy: Tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Dia izao no nolazaiko tamin' ireo: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo nanao hoe: Je leur dis : " La parole de Yahvé m' a été adressée en ces termes :
Eze / Ez 24:21 Speak unto the house of Israel, Thus saith the Lord GOD; Behold, I will profane my sanctuary, the excellency of your strength, the desire of your eyes, and that which your soul pitieth; and your sons and your daughters whom ye have left shall fall by the sword. Lazao amin' ny taranak' Isiraely hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan' ny herinareo, dia ilay tian' ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon' ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo. Lazao amin' ny taranak' Israely hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan' ny herinareo, fifalian' ny masonareo, fitiavan' ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanakalahinareo aman-janakavavinareo, izay nilaozanareo. Dis à la maison d' Israël : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Voici que je vais profaner mon sanctuaire, l' orgueil de votre force, la joie de vos yeux, la passion de vos âmes. Vos fils et vos filles, que vous avez abandonnés, tomberont par l'épée.
Eze / Ez 24:22 And ye shall do as I have done: ye shall not cover your lips, nor eat the bread of men. Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin' olona; Amin' izany hianareo, hanao toy izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana. Et vous ferez comme j' ai fait : vous ne vous couvrirez pas la barbe, vous ne mangerez pas de pain ordinaire,
Eze / Ez 24:23 And your tires shall be upon your heads, and your shoes upon your feet: ye shall not mourn nor weep; but ye shall pine away for your iniquities, and mourn one toward another. ary aoka ho eo an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko. Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo, tsy hidradradradra na hitomany, fa hihalevona ao anatin' ny helokareo hianareo, ka hitoloko eo am-pifanilanareo. vous garderez vos turbans sur la tête et vos sandales aux pieds, vous ne vous lamenterez pas et vous ne pleurerez pas. Vous dépérirez à cause de vos crimes et vous gémirez les uns avec les autres.
Eze / Ez 24:24 Thus Ezekiel is unto you a sign: according to all that he hath done shall ye do: and when this cometh, ye shall know that I am the Lord GOD. Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo. Ezekiela no famantarana ho anareo; izay rehetra nataony no hataonareo, rahefa tonga izany; dia ho fantatrareo fa izaho no Tompo Iaveh. Ézéchiel sera pour vous un présage; vous ferez exactement ce qu' il a fait. Et, quand cela arrivera, vous saurez que je suis le Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 24:25 Also, thou son of man, shall it not be in the day when I take from them their strength, the joy of their glory, the desire of their eyes, and that whereupon they set their minds, their sons and their daughters, Ary ianao, ry zanak' olona, amin' ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian' ny voninahiny, ilay tian' ny masony sy ilay tian' ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy, Ary hianao, ry zanak' olona, amin' ny andro hanesorako amin' izy ireo ny heriny, ny voninahiny, ny firavoravoany, ny fahafinaretan' ny masony, ary ny fanirian' ny fanahiny; - dia ny zanany lahy aman-janany vavy; - Et toi, fils d' homme, n' est-il pas vrai que le jour où je leur aurai pris ce qui fait leur force, leur parure de liesse, la joie de leurs yeux, la passion de leur âme, leurs fils et leurs filles,
Eze / Ez 24:26 That he that escapeth in that day shall come unto thee, to cause thee to hear it with thine ears? eny, amin' izany andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny sofinao izany; amin' izany andro izany, hisy olona mpandositra hankaty aminao, hilaza izany vaovao izany aminao. ce jour-là, arrivera vers toi le survivant qui apportera la nouvelle.
Eze / Ez 24:27 In that day shall thy mouth be opened to him which is escaped, and thou shalt speak, and be no more dumb: and thou shalt be a sign unto them; and they shall know that I am the Lord. amin' izany andro izany dia hisokatra miaraka amin' ny an' ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah. Amin' izany andro izany, dia amin' ny fahatongavan' ilay mpadositra vao hisokatra ny vavanao, ka hiteny hianao fa tsy ho moana intsony; ary ho famantarana ho azy ireo hianao, dia ho fantatr' izy ireo fa Tompo Iaveh aho. Ce jour-là, ta bouche s' ouvrira pour parler au survivant : tu parleras et tu ne seras plus muet; tu seras pour eux un présage et ils sauront que je suis Yahvé.

<-
->