<-
->

Eze / Ez 9:1 He cried also in mine ears with a loud voice, saying, Cause them that have charge over the city to draw near, even every man with his destroying weapon in his hand. Ary niantso tamin' ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana. Dia niantso mafy teo an-tsofiko izy nanao hoe: Manatòna hianareo, mpiambina ny tanàna; samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tànany avy. C' est alors que d' une voix forte il cria à mes oreilles : " Ils approchent, les fléaux de la ville, chacun son instrument de destruction à la main. "
Eze / Ez 9:2 And, behold, six men came from the way of the higher gate, which lieth toward the north, and every man a slaughter weapon in his hand; and one man among them was clothed with linen, with a writer' s inkhorn by his side: and they went in, and stood beside the brasen altar. Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin' ny lalana mankamin' ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin' ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin' ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan' ny alitara varahina. Ka indreo, avy tamin' ny làlan' ny vavahady ambony mitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tànany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan' izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan' ny mpanoratra, teo amin' ny fehinkibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan' ny otely varahana. Et voici que six hommes s' avancèrent, venant du porche supérieur qui regarde le nord, chacun son instrument pour frapper à la main. Au milieu d' eux, il y avait un homme vêtu de lin, qui portait à la ceinture une écritoire de scribe. Ils entrèrent et s' arrêtèrent devant l' autel de bronze.
Eze / Ez 9:3 And the glory of the God of Israel was gone up from the cherub, whereupon he was, to the threshold of the house. And he called to the man clothed with linen, which had the writer' s inkhorn by his side; Ary ny voninahitr' Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin' ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin' ny tokonam-baravaran' ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin' ny mpanoratra teo am-balahany. Ary ny voninahitry ny Andriamanitr' Israely, niakatra avy teo ambonin' ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran' ny trano. Ary Iaveh niantso an' ilay lehilahy nitafy rongony fotsy madinika sy nitondra fombam-panoratana teo amin' ny fehinkibony, La gloire du Dieu d' Israël s'éleva de sur le chérubin sur lequel elle était, vers le seuil du Temple, et il appela l' homme vêtu de lin qui avait une écritoire de scribe à la ceinture;
Eze / Ez 9:4 And the Lord said unto him, Go through the midst of the city, through the midst of Jerusalem, and set a mark upon the foreheads of the men that sigh and that cry for all the abominations that be done in the midst thereof. Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin' ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy. ka hoy Iaveh taminy hoe: Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an' i Jerosalema, ka asio marika Thau ny handrin' ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao. et Yahvé lui dit : " Parcours la ville, parcours Jérusalem et marque d' une croix au front les hommes qui gémissent et qui pleurent sur toutes les abominations qui se pratiquent au milieu d' elle. "
Eze / Ez 9:5 And to the others he said in mine hearing, Go ye after him through the city, and smite: let not your eye spare, neither have ye pity: Ary reko Izy nanao tamin' ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy, Dia hoy koa izy tamin' iretsy sasany, teo an-tsofiko: Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, hianareo, ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo hianareo. Je l' entendis dire aux autres : " Parcourez la ville à sa suite et frappez. N' ayez pas un regard de pitié, n'épargnez pas;
Eze / Ez 9:6 Slay utterly old and young, both maids, and little children, and women: but come not near any man upon whom is the mark; and begin at my sanctuary. Then they began at the ancient men which were before the house. Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin' ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin' ny lahy antitra izay teo anoloan' ny trano ireo. Na antidahy na zazalahy, na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny Thau ao aminy kosa, aza hatoninareo. Ary eo amin' ny fitoerako masina, manomboka. Dia manomboka tamin' ny antidahy teo anoloan' ny trano izy ireo. vieillards, jeunes gens, vierges, enfants, femmes, tuez et exterminez tout le monde. Mais quiconque portera la croix au front, ne le touchez pas. Commencez à partir de mon sanctuaire. " Ils commencèrent donc par les vieillards qui étaient dans le Temple.
Eze / Ez 9:7 And he said unto them, Defile the house, and fill the courts with the slain: go ye forth. And they went forth, and slew in the city. Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna. Ary hoy izy taminy: Lotoy ny trano; fenoy faty ny kianja. Mivoaha hianareo! Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo. Et il leur dit : " Souillez le Temple, emplissez les parvis de victimes, sortez. " Ils sortirent et frappèrent à travers la ville.
Eze / Ez 9:8 And it came to pass, while they were slaying them, and I was left, that I fell upon my face, and cried, and said, Ah Lord GOD! wilt thou destroy all the residue of Israel in thy pouring out of thy fury upon Jerusalem? Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin' ny Isiraely amin' izao ampidinanao ny fahatezeranao amin' i Jerosalema izao? Nony namely izy ireo, ka izaho irery no sisa teo, dia niankohoka aho, sady nitaraina hoe: Indrisy! Iaveh Tompo ô! dia haringanao avokoa va ny sisa amin' Israely, amin' izao ampidinanao ny hatezeranao amin' i Jerosalema izao? Or pendant qu' ils frappaient, je fus laissé seul et je tombai face contre terre. Je criai : " Ah! Seigneur Yahvé, vas-tu exterminer tout ce qui reste d' Israël en déversant ta fureur contre Jérusalem ? "
Eze / Ez 9:9 Then said he unto me, The iniquity of the house of Israel and Judah is exceeding great, and the land is full of blood, and the city full of perverseness: for they say, The Lord hath forsaken the earth, and the Lord seeth not. Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak' ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran' olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita. Ary hoy izy tamiko: Lehibe dia lehibe indrindra ny heloky ny taranak' Israely sy Jodà. Feno ran' olona ny tany, feno tsy fahamarinana ny tanàna; fa hoy izy ireo: Afoin' ny Tompo ny tany; tsy mahita na inona na inona Iaveh. Il me dit : " La faute de la maison d' Israël et de Juda est immense, le pays est plein de sang, la ville pleine de perversité. Car ils disent : "Yahvé a quitté le pays, Yahvé ne voit pas. "
Eze / Ez 9:10 And as for me also, mine eye shall not spare, neither will I have pity, but I will recompense their way upon their head. Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony. Izaho koa, dia tsy hiantra ny masoko; ary tsy hamindra fo aho; hatsingeriko amin' ny lohany, izay nataony. Eh bien! moi non plus je n' aurai pas un regard de pitié, je n'épargnerai pas. Je leur demande compte de leur conduite. "
Eze / Ez 9:11 And, behold, the man clothed with linen, which had the inkhorn by his side, reported the matter, saying, I have done as thou hast commanded me. Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy. Dia indro tamy ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika nitondra fombam-panoratana teo amin' ny fehinkibony, nilaza ny nataony, nanao hoe: Vitako izay nandidinao ahy. C' est alors que l' homme vêtu de lin, portant une écritoire à la ceinture, vint rendre compte en ces termes : " J' ai exécuté ce que tu m' as ordonné. "

<-
->