<-
->

Eze / Ez 25:1 The word of the Lord came again unto me, saying, Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 25:2 Son of man, set thy face against the Ammonites, and prophesy against them; Ry zanak' olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy, Ry zanak' olona, atodiho mankany amin' ny taranak' i Amona ny tavanao, ka maminania ny hanjo azy ireo. Fils d' homme, tourne-toi vers les Ammonites et prophétise contre eux.
Eze / Ez 25:3 And say unto the Ammonites, Hear the word of the Lord GOD; Thus saith the Lord GOD; Because thou saidst, Aha, against my sanctuary, when it was profaned; and against the land of Israel, when it was desolate; and against the house of Judah, when they went into captivity; ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin' i Jehovah Tompo: Izao no lazain' i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, Ary noravana ny tanin' ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak' i Joda, Lazao amin' ny taranak' i Amona hoe: Mihainoa ny tenin' ny Tompo Iaveh ! Izao no lazain' ny Tompo Iaveh : Noho hianao nanakora hoe: Hià! Hià! ny amin' ny fitoerako masina satria efa voavetaveta, sy ny amin' ny tanin' Israely, satria efa voarava, sy ny amin' ny taranak' i Jodà, satria lasan-ko babo izy ireo; Tu diras aux Ammonites : Écoutez la parole du Seigneur Yahvé. Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Parce que tu as dit : " Ha! ha! " sur mon sanctuaire lorsqu' il a été profané, sur la terre d' Israël lorsqu' elle a été dévastée et sur la maison de Juda lorsqu' elle est partie pour l' exil,
Eze / Ez 25:4 Behold, therefore I will deliver thee to the men of the east for a possession, and they shall set their palaces in thee, and make their dwellings in thee: they shall eat thy fruit, and they shall drink thy milk. Dia indro kosa, hatolotro ho fananan' ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao. noho izany dia indro hatolotro hozakain' ny zanaky ny Atsinanana kosa hianao; ka hanorina ny tobiny eo aminao izy ireo, sy hiorim-ponenana ao aminao; izy no hihinana ny voankazonao, sy hisotro ny ronononao. eh bien! voici que je te livre en possession aux fils de l' Orient; ils établiront chez toi leurs campements, ils feront chez toi leur demeure. Ce sont eux qui mangeront tes fruits, ce sont eux qui boiront ton lait.
Eze / Ez 25:5 And I will make Rabbah a stable for camels, and the Ammonites a couching place for flocks: and ye shall know that I am the Lord. Ary Raba dia hataoko tany fitoeran' ny rameva, ary ny taranak' i Amona ho tany fandrian' ny ondry aman' osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. Ary Rabata hataoko tany fihinanan-drameva; ary ny tanin' ny taranak' i Amona ho valan' ondry, dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. Je ferai de Rabba un parc à chameaux et des villes d' Amon un bercail de brebis. Et vous saurez que je suis Yahvé.
Eze / Ez 25:6 For thus saith the Lord GOD; Because thou hast clapped thine hands, and stamped with the feet, and rejoiced in heart with all thy despite against the land of Israel; Fa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin' ny tongotrao ary ny nifalian' ny fonao tamin' ny fanaovana tsinontsinona ny tanin' ny Isiraely, Fa izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Noho hianao niteha-tànana sy nigado-tongotra, ary nifaly tao am-ponao tamin' ny fanesoanao rehetra, ny amin' ny momba ny tanin' Israely; Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Parce que tu as battu des mains et frappé du pied, et que tu t' es réjoui, l'âme pleine de dédain, au sujet du pays d' Israël,
Eze / Ez 25:7 Behold, therefore I will stretch out mine hand upon thee, and will deliver thee for a spoil to the heathen; and I will cut thee off from the people, and I will cause thee to perish out of the countries: I will destroy thee; and thou shalt know that I am the Lord. Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon' ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin' ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. noho izany dia indro aho haninji-tànana aminao: hanolotra anao ho babon' ny firenena, hamongotra anao, eo amin' ny vahoaka, hanesotra anao tsy ho isan' ny tany; handringana anao aho, ka ho fantatrao fa Iaveh aho. eh bien! voici que j'étends la main contre toi; je vais te livrer au pillage des nations, te retrancher d' entre les peuples et t' exterminer d' entre les pays. Je t' anéantirai, et tu sauras que je suis Yahvé.
Eze / Ez 25:8 Thus saith the Lord GOD; Because that Moab and Seir do say, Behold, the house of Judah is like unto all the heathen; Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan' i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak' i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao, Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Noho Moaba sy Seira manao hoe: Indro ny taranak' i Jodà fa sahala amin' izao firenena rehetra izao ihany, Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Parce que Moab et Séïr ont dit : " Voici que la maison de Juda est semblable à toutes les nations ",
Eze / Ez 25:9 Therefore, behold, I will open the side of Moab from the cities, from his cities which are on his frontiers, the glory of the country, Bethjeshimoth, Baalmeon, and Kiriathaim, Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin' ny Moaba, hatrany amin' ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima, noho izany dia indro hotatahako ny lanivoan' i Moaba, hatrany amin' ny tanàna, hatrany amin' ny tanànany, hatrany amin' ny faritry ny taniny, tabihan' ny tany, Betjesimota, Beelmeona, Kariataina. eh bien, je vais ouvrir les hauteurs de Moab, ses villes ne seront plus des villes, sur toute son étendue - les joyaux du pays : Bet-ha-Yeshimot, Baal-Meôn et jusqu'à Qiryatayim.
Eze / Ez 25:10 Unto the men of the east with the Ammonites, and will give them in possession, that the Ammonites may not be remembered among the nations. Ho an' ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak' i Amona' ihany, eny, hatolotro ho fananan' ireny izy, mba tsy hotsarovana ao amin' ny firenena intsony ny taranak' i Amona. Hotatahako hidiran' ny zanaky ny Atsinanana izy, toraky ny tanin' ny taranak' i Amona, hatolotro hozakainy izy, mba tsy hotsaroana intsony eny amin' ny firenena ny taranak' i Amona. C' est aux fils de l' Orient que je les donne en possession, en plus des Ammonites, afin qu' on ne s' en souvienne plus parmi les nations.
Eze / Ez 25:11 And I will execute judgments upon Moab; and they shall know that I am the Lord. Ary hotanterahiko ny fitsarana an' i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah. Hanao fitsarana any amin' i Moaba aho, ka ho fantany fa Iaveh aho. De Moab, je ferai justice, et on saura que je suis Yahvé.
Eze / Ez 25:12 Thus saith the Lord GOD; Because that Edom hath dealt against the house of Judah by taking vengeance, and hath greatly offended, and revenged himself upon them; Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Noho ny namelezan' i Edoma ny taranak' i Joda tamin' ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy, Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Noho Edoma namaly an-kalozana ny taranak' i Jodà, ka nanao heloka makadiry tamin' ny namaliany azy ireo; Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Parce qu'Édom a exercé sa vengeance contre la maison de Juda, parce qu' il s' est rendu gravement coupable en se vengeant d' elle,
Eze / Ez 25:13 Therefore thus saith the Lord GOD; I will also stretch out mine hand upon Edom, and will cut off man and beast from it; and I will make it desolate from Teman; and they of Dedan shall fall by the sword. Dia izao no lazain' i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin' i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon' ny sabatra hatrany Dedana. noho izany dia izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Haninji-tànana amin' i Edoma aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedàna. eh bien! ainsi parle le Seigneur Yahvé : Je vais étendre la main contre Édom et je vais en retrancher bêtes et gens. J' en ferai une désolation, de Témân à Dédân on périra par l'épée.
Eze / Ez 25:14 And I will lay my vengeance upon Edom by the hand of my people Israel: and they shall do in Edom according to mine anger and according to my fury; and they shall know my vengeance, saith the Lord GOD. Ary ny tanan' ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an' i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo. Ny hanaovako famaliana an' i Edoma, dia ny tànan' Israely, vahoakako; hasiany araka ny hatezerako amam-pahavinirako i Edoma, ka ho fantany ny famaliako, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Je mettrai ma vengeance contre Édom dans la main de mon peuple Israël. Il traitera Édom selon ma colère et ma fureur et l' on connaîtra ma vengeance, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 25:15 Thus saith the Lord GOD; Because the Philistines have dealt by revenge, and have taken vengeance with a despiteful heart, to destroy it for the old hatred; Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon' ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin' ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela, Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Noho ny Filistina nanampatra ny famaliana, sady namaly an-kalozana, tamin' ny fanesoana ao am-po, mba handringana izao rehetra izao noho ny fankahalany tsy misy farany, Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Parce que les Philistins ont exercé leur vengeance et se sont vengés, l'âme pleine de dédain, en cherchant à détruire avec une haine éternelle,
Eze / Ez 25:16 Therefore thus saith the Lord GOD; Behold, I will stretch out mine hand upon the Philistines, and I will cut off the Cherethims, and destroy the remnant of the sea coast. Dia izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin' ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina; noho izany dia izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro aho haninji-tànana amin' ny Filistina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina. eh bien! ainsi parle le Seigneur Yahvé. Voici que j'étends la main contre les Philistins, je vais retrancher les Kérétiens, détruire ce qui reste des habitants de la côte.
Eze / Ez 25:17 And I will execute great vengeance upon them with furious rebukes; and they shall know that I am the Lord, when I shall lay my vengeance upon them. Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako. Hanao famaliana lehibe azy ireo aho, manasazy azy amin-katezerana mafy, ka ho fantany fa Iaveh aho, rahefa mampihatra aminy ny famaliako aho. J' exercerai contre eux de terribles vengeances, des châtiments furieux, et ils sauront que je suis Yahvé quand je leur imposerai ma vengeance.

<-
->