<-
->

Mat / Mt 10:1 And when he had called unto him his twelve disciples, he gave them power against unclean spirits, to cast them out, and to heal all manner of sickness and all manner of disease. Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin' ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin' ny rofy rehetra. Ary niantso ny mpianany roa ambin' ny folo lahy izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin' ny rofy rehetra. Ayant appelé à lui ses douze disciples, Jésus leur donna pouvoir sur les esprits impurs, de façon à les expulser et à guérir toute maladie et toute langueur.
Mat / Mt 10:2 Now the names of the twelve apostles are these; The first, Simon, who is called Peter, and Andrew his brother; James the son of Zebedee, and John his brother; Ary izao no anaran' ny Apostoly roa ambin' ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak' i Zebedio, sy Jaona rahalahiny; Ary ireto no anaran' ny Apostoly roa ambin' ny folo lahy: Ny voalohany dia Simona izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny, Les noms des douze apôtres sont les suivants : le premier, Simon appelé Pierre, et André son frère ; puis Jacques, le fils de Zébédée, et Jean son frère ;
Mat / Mt 10:3 Philip, and Bartholomew; Thomas, and Matthew the publican; James the son of Alphaeus, and Lebbaeus, whose surname was Thaddaeus; Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak' i Alfeo, Jakoba zanak' i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikàna, Jakoba zanak' i Alfe sy Tade, Philippe et Barthélemy ; Thomas et Matthieu le publicain ; Jacques, le fils d' Alphée, et Thaddée ;
Mat / Mt 10:4 Simon the Canaanite, and Judas Iscariot, who also betrayed him. sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy. Simona ilay Kananeana, ary Jodasy Iskariota ilay namadika azy. Simon le Zélé et Judas l' Iscariote, celui-là même qui l' a livré.
Mat / Mt 10:5 These twelve Jesus sent forth, and commanded them, saying, Go not into the way of the Gentiles, and into any city of the Samaritans enter ye not: Ireo roa ambin' ny folo lahy ireo dia nirahin' i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin' ny lalan' ny jentilisa, ary aza miakatra amin' izay tanànan' ny Samaritana, Ireo ny roa ambin' ny folo lahy izay niarahin' i Jeso rahefa nohafatrafarany hoe: Aza manaraka ny làlana mankany amin' ny Jentily, ary aza miditra amin' ny tanànan' ny Samaritana, Ces douze, Jésus les envoya en mission avec les prescriptions suivantes : " Ne prenez pas le chemin des païens et n' entrez pas dans une ville de Samaritains ;
Mat / Mt 10:6 But go rather to the lost sheep of the house of Israel. fa aleo mankany amin' ny ondry very amin' ny taranak' isiraely. fa aleo mankany amin' ny ondry very amin' ny taranak' Israely. allez plutôt vers les brebis perdues de la maison d' Israël.
Mat / Mt 10:7 And as ye go, preach, saying, The kingdom of heaven is at hand. Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan' ny lanitra. Ary raha mandeha hianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan' ny lanitra. Chemin faisant, proclamez que le Royaume des Cieux est tout proche.
Mat / Mt 10:8 Heal the sick, cleanse the lepers, raise the dead, cast out devils: freely ye have received, freely give. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana hianareo, koa manomeza maimaim-poana. Guérissez les malades, ressuscitez les morts, purifiez les lépreux, expulsez les démons. Vous avez reçu gratuitement, donnez gratuitement.
Mat / Mt 10:9 Provide neither gold, nor silver, nor brass in your purses, Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin' ny fehin-kibonareo, Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin' ny fehin-kibonareo, Ne vous procurez ni or, ni argent, ni menue monnaie pour vos ceintures,
Mat / Mt 10:10 Nor scrip for your journey, neither two coats, neither shoes, nor yet staves: for the workman is worthy of his meat. na kitapom-batsy ho amin' izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny. na kitapom-batsy eny an-dàlana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina. ni besace pour la route, ni deux tuniques, ni sandales, ni bâton : car l' ouvrier mérite sa nourriture.
Mat / Mt 10:11 And into whatsoever city or town ye shall enter, enquire who in it is worthy; and there abide till ye go thence. Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo. Ary amin' izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. " En quelque ville ou village que vous entriez, faites-vous indiquer quelqu' un d' honorable et demeurez-y jusqu'à ce que vous partiez.
Mat / Mt 10:12 And when ye come into an house, salute it. Ary raha vao miditra ao amin' ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao. Ary raha vao miditra ao amin' ny trano hianareo, dia miarahabà hoe: Ho amin' ity trano ity anie ny fiadanana; En entrant dans la maison, saluez-la :
Mat / Mt 10:13 And if the house be worthy, let your peace come upon it: but if it be not worthy, let your peace return to you. Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo. si cette maison en est digne, que votre paix vienne sur elle ; si elle ne l' est pas, que votre paix vous soit retournée.
Mat / Mt 10:14 And whosoever shall not receive you, nor hear your words, when ye depart out of that house or city, shake off the dust of your feet. Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin' izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin' ny tongotrareo. Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin' izany trano izany, na amin' izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin' ny tongotrareo. Et si quelqu' un ne vous accueille pas et n'écoute pas vos paroles, sortez de cette maison ou de cette ville et secouez la poussière de vos pieds.
Mat / Mt 10:15 Verily I say unto you, It shall be more tolerable for the land of Sodom and Gomorrha in the day of judgment, than for that city. Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin' ny tany Sodoma sy Gomora amin' ny andro fitsarana noho ny ho amin' izany tanàna izany. Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa ny hatao amin' i Sodoma sy Gomora amin' ny andro fitsarana noho ny hatao amin' izany tanàna izany. En vérité je vous le dis : au Jour du Jugement, il y aura moins de rigueur pour le pays de Sodome et de Gomorrhe que pour cette ville-là.
Mat / Mt 10:16 Behold, I send you forth as sheep in the midst of wolves: be ye therefore wise as serpents, and harmless as doves. Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan' ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala. Indro izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan' ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava hianareo, ary mbà tsotra toy ny voromailala. Voici que je vous envoie comme des brebis au milieu des loups ; montrez-vous donc prudents comme les serpents et candides comme les colombes.
Mat / Mt 10:17 But beware of men: for they will deliver you up to the councils, and they will scourge you in their synagogues; Ary mitandrema ianareo noho ny amin' ny olona; fa hatolony ho amin' ny Synedriona sy hokapohiny ao amin' ny synagogany ianareo; Mitandrema, fa hotorin' ny olona amin' ny fitsarany hianareo, sy hokapohiny ao amin' ny sinagogany; " Méfiez-vous des hommes : ils vous livreront aux sanhédrins et vous flagelleront dans leurs synagogues ;
Mat / Mt 10:18 And ye shall be brought before governors and kings for my sake, for a testimony against them and the Gentiles. ary ho entiny eo anatrehan' ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin' ny jentilisa. ary hoentiny eo anatrehan' ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin' ny jentily. vous serez traduits devant des gouverneurs et des rois, à cause de moi, pour rendre témoignage en face d' eux et des païens.
Mat / Mt 10:19 But when they deliver you up, take no thought how or what ye shall speak: for it shall be given you in that same hour what ye shall speak. Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin' izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo. Fa raha hatolony hianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany; Mais, lorsqu' on vous livrera, ne cherchez pas avec inquiétude comment parler ou que dire : ce que vous aurez à dire vous sera donné sur le moment,
Mat / Mt 10:20 For it is not ye that speak, but the Spirit of your Father which speaketh in you. Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin' ny Rainareo no miteny ao anatinareo. satria tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahin' ny Rainareo no hiteny ao aminareo. car ce n' est pas vous qui parlerez, mais l' Esprit de votre Père qui parlera en vous.
Mat / Mt 10:21 And the brother shall deliver up the brother to death, and the father the child: and the children shall rise up against their parents, and cause them to be put to death. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin' ny rainy aman-dreniny ka hamono azy; " Le frère livrera son frère à la mort, et le père son enfant ; les enfants se dresseront contre leurs parents et les feront mourir.
Mat / Mt 10:22 And ye shall be hated of all men for my name' s sake: but he that endureth to the end shall be saved. Ary ho halan' ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin' ny farany no hovonjena. ary ho halan' ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay haharitra hatramin' ny farany no ho voavonjy. Et vous serez haïs de tous à cause de mon nom, mais celui qui aura tenu bon jusqu' au bout, celui-là sera sauvé.
Mat / Mt 10:23 But when they persecute you in this city, flee ye into another: for verily I say unto you, Ye shall not have gone over the cities of Israel, till the Son of man be come. Ary raha manenjika anareo amin' ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin' ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan' ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan' ny Zanak' olona. Raha enjehina amin' ny tanàna anankiray hianareo, dia mandosira any amin' ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan' Israely hianareo mandra-pahatongan' ny Zanak' olona. " Si l' on vous pourchasse dans telle ville, fuyez dans telle autre, et si l' on vous pourchasse dans celle-là, fuyez dans une troisième ; en vérité je vous le dis, vous n' achèverez pas le tour des villes d' Israël avant que ne vienne le Fils de l' homme.
Mat / Mt 10:24 The disciple is not above his master, nor the servant above his lord. Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony. Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony; " Le disciple n' est pas au-dessus du maître, ni le serviteur au-dessus de son patron.
Mat / Mt 10:25 It is enough for the disciple that he be as his master, and the servant as his lord. If they have called the master of the house Beelzebub, how much more shall they call them of his household? Fa ampy amin' ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany? fa ampy ho an' ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an' ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan' ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany: Il suffit pour le disciple qu' il devienne comme son maître, et le serviteur comme son patron. Du moment qu' ils ont traité de Béelzéboul le maître de maison, que ne diront-ils pas de sa maisonnée !
Mat / Mt 10:26 Fear them not therefore: for there is nothing covered, that shall not be revealed; and hid, that shall not be known. Koa amin' izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. koa aza matahotra azy hianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. " N' allez donc pas les craindre ! Rien, en effet, n' est voilé qui ne sera révélé, rien de caché qui ne sera connu.
Mat / Mt 10:27 What I tell you in darkness, that speak ye in light: and what ye hear in the ear, that preach ye upon the housetops. Izay lazaiko aminareo ao amin' ny maizina, dia ambarao eo amin' ny mazava, ary izay ren' ny sofinareo, dia torio eo ambonin' ny tampon-trano. Izay lazaiko aminareo ao amin' ny maizina, dia ambarao eo amin' ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin' ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; Ce que je vous dis dans les ténèbres, dites-le au grand jour ; et ce que vous entendez dans le creux de l' oreille, proclamez-le sur les toits.
Mat / Mt 10:28 And fear not them which kill the body, but are not able to kill the soul: but rather fear him which is able to destroy both soul and body in hell. Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin' ny helo. ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin' ny afobe. " Ne craignez rien de ceux qui tuent le corps, mais ne peuvent tuer l'âme ; craignez plutôt Celui qui peut perdre dans la géhenne à la fois l'âme et le corps.
Mat / Mt 10:29 Are not two sparrows sold for a farthing? and one of them shall not fall on the ground without your Father. Tsy varidimiventy ihany va no vidin' ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin' ireny ho latsaka amin' ny tany, raha tsy avelan' ny Rainareo. Moa tsy varifitoventy monja va no vidin' ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin' ny tany iray akory raha tsy avelan' ny Rainareo. Ne vend-on pas deux passereaux pour un as ? Et pas un d' entre eux ne tombera au sol à l' insu de votre Père !
Mat / Mt 10:30 But the very hairs of your head are all numbered. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Et vous donc ! vos cheveux même sont tous comptés !
Mat / Mt 10:31 Fear ye not therefore, ye are of more value than many sparrows. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro hianareo. Soyez donc sans crainte ; vous valez mieux, vous, qu' une multitude de passereaux.
Mat / Mt 10:32 Whosoever therefore shall confess me before men, him will I confess also before my Father which is in heaven. Ary amin' izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan' ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan' ny Raiko Izay any an-danitra. Ary amin' izany izay rehetra hanaiky ahy eo anatrehan' ny olona dia ho ekeko izy eo anatrehan' ny Raiko izay any an-danitra; " Quiconque se déclarera pour moi devant les hommes, moi aussi je me déclarerai pour lui devant mon Père qui est dans les cieux ;
Mat / Mt 10:33 But whosoever shall deny me before men, him will I also deny before my Father which is in heaven. Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan' ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan' ny Raiko Izay any an-danitra. ary izay handà ahy eo anatrehan' ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan' ny Raiko izay any an-danitra. mais celui qui m' aura renié devant les hommes, à mon tour je le renierai devant mon Père qui est dans les cieux.
Mat / Mt 10:34 Think not that I am come to send peace on earth: I came not to send peace, but a sword. Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin' ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra. Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eo an-tany aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra; " N' allez pas croire que je sois venu apporter la paix sur la terre ; je ne suis pas venu apporter la paix, mais le glaive.
Mat / Mt 10:35 For I am come to set a man at variance against his father, and the daughter against her mother, and the daughter in law against her mother in law. Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin' ny rainy, ary ny zanakavavy amin' ny reniny, ary ny vinantovavy amin' ny rafozanivavy; fa tonga aho mba hampisaraka ny zanakalahy amin' ny rainy, sy ny zanakavavy amin' ny reniny, ary ny vinantovavy amin' ny rafozany vavy; Car je suis venu opposer l' homme à son père, la fille à sa mère et la bru à sa belle-mère :
Mat / Mt 10:36 And a man' s foes shall be they of his own household. ary ny ankohonan' ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6). ary ny ankohonan' ny olona ihany no ho fahavalony. on aura pour ennemis les gens de sa famille.
Mat / Mt 10:37 He that loveth father or mother more than me is not worthy of me: and he that loveth son or daughter more than me is not worthy of me. Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy. Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy. " Qui aime son père ou sa mère plus que moi n' est pas digne de moi. Qui aime son fils ou sa fille plus que moi n' est pas digne de moi.
Mat / Mt 10:38 And he that taketh not his cross, and followeth after me, is not worthy of me. Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy. Qui ne prend pas sa croix et ne suit pas derrière moi n' est pas digne de moi.
Mat / Mt 10:39 He that findeth his life shall lose it: and he that loseth his life for my sake shall find it. Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy. Qui aura trouvé sa vie la perdra et qui aura perdu sa vie à cause de moi la trouvera.
Mat / Mt 10:40 He that receiveth you receiveth me, and he that receiveth me receiveth him that sent me. Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy. Izay mandray anareo, mandray ahy; ary izay mandray ahy, dia mandray izay naniraka ahy. " Qui vous accueille m' accueille, et qui m' accueille accueille Celui qui m' a envoyé.
Mat / Mt 10:41 He that receiveth a prophet in the name of a prophet shall receive a prophet' s reward; and he that receiveth a righteous man in the name of a righteous man shall receive a righteous man' s reward. Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian' ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian' ny olona marina. Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan' ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan' ny olo-marina; " Qui accueille un prophète en tant que prophète recevra une récompense de prophète, et qui accueille un juste en tant que juste recevra une récompense de juste.
Mat / Mt 10:42 And whosoever shall give to drink unto one of these little ones a cup of cold water only in the name of a disciple, verily I say unto you, he shall in no wise lose his reward. Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran' ny kapoaka ihany aza hosotroin' ny anankiray amin' ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany. ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran' ny kapoaka monja aza hosotroin' ny anankiray amin' ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. " Quiconque donnera à boire à l' un de ces petits rien qu' un verre d' eau fraîche, en tant qu' il est un disciple, en vérité je vous le dis, il ne perdra pas sa récompense. "

<-
->