<-
->

Mat / Mt 7:1 Judge not, that ye be not judged. Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo. Aza mitsara mba tsy hotsaraina hianareo; " Ne jugez pas, afin de n'être pas jugés ;
Mat / Mt 7:2 For with what judgment ye judge, ye shall be judged: and with what measure ye mete, it shall be measured to you again. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana anareo koa. car, du jugement dont vous jugez on vous jugera, et de la mesure dont vous mesurez on mesurera pour vous.
Mat / Mt 7:3 And why beholdest thou the mote that is in thy brother' s eye, but considerest not the beam that is in thine own eye? Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin' ny mason' ny rahalahinao, fa ny andry eo amin' ny masonao dia tsy mba tsaroanao? Ary nahoana hianao no mahita ny tapak' ahitra ao amin' ny mason' ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin' ny masonao? Qu' as-tu à regarder la paille qui est dans l' oeil de ton frère ? Et la poutre qui est dans ton oeil à toi, tu ne la remarques pas !
Mat / Mt 7:4 Or how wilt thou say to thy brother, Let me pull out the mote out of thine eye; and, behold, a beam is in thine own eye? Ary ahoana no hilazanao amin' ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin' ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin' ny masonao? Ary ahoana no ilazanao amin' ny rahalahinao hoe: Avelao hesoriko ny tapak' ahitra amin' ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin' ny anao? Ou bien comment vas-tu dire à ton frère : "Laisse-moi ôter la paille de ton oeil", et voilà que la poutre est dans ton oeil !
Mat / Mt 7:5 Thou hypocrite, first cast out the beam out of thine own eye; and then shalt thou see clearly to cast out the mote out of thy brother' s eye. Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin' ny masonao, ary amin' izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin' ny mason' ny rahalahinao. Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin' ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao ny mason' ny rahalahinao. Hypocrite, ôte d' abord la poutre de ton oeil, et alors tu verras clair pour ôter la paille de l' oeil de ton frère.
Mat / Mt 7:6 Give not that which is holy unto the dogs, neither cast ye your pearls before swine, lest they trample them under their feet, and turn again and rend you. Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan' ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo. Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin' ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy. " Ne donnez pas aux chiens ce qui est sacré, ne jetez pas vos perles devant les porcs, de crainte qu' ils ne les piétinent, puis se retournent contre vous pour vous déchirer.
Mat / Mt 7:7 Ask, and it shall be given you; seek, and ye shall find; knock, and it shall be opened unto you: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita; dony, dia hovohana; " Demandez et l' on vous donnera ; cherchez et vous trouverez ; frappez et l' on vous ouvrira.
Mat / Mt 7:8 For every one that asketh receiveth; and he that seeketh findeth; and to him that knocketh it shall be opened. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, Car quiconque demande reçoit ; qui cherche trouve ; et à qui frappe on ouvrira.
Mat / Mt 7:9 Or what man is there of you, whom if his son ask bread, will he give him a stone? Ary iza moa aminareo, raha angatahan' ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary izay mandondòna no hovohana. Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny; Quel est d' entre vous l' homme auquel son fils demandera du pain, et qui lui remettra une pierre ?
Mat / Mt 7:10 Or if he ask a fish, will he give him a serpent? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana? na hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny? ou encore, s' il lui demande un poisson, lui remettra-t-il un serpent ?
Mat / Mt 7:11 If ye then, being evil, know how to give good gifts unto your children, how much more shall your Father which is in heaven give good things to them that ask him? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an' ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an' izay mangataka aminy? Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an' izay mangataka aminy? Si donc vous, qui êtes mauvais, vous savez donner de bonnes choses à vos enfants, combien plus votre Père qui est dans les cieux en donnera-t-il de bonnes à ceux qui l' en prient !
Mat / Mt 7:12 Therefore all things whatsoever ye would that men should do to you, do ye even so to them: for this is the law and the prophets. Koa amin' izany na inona na inona tianareo hataon' ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. Koa amin' izany, izay rehetra tianareo hataon' ny olona aminareo, dia mba ataovy amin' ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. " Ainsi, tout ce que vous voulez que les hommes fassent pour vous, faites-le vous mêmes pour eux : voilà la Loi et les Prophètes.
Mat / Mt 7:13 Enter ye in at the strait gate: for wide is the gate, and broad is the way, that leadeth to destruction, and many there be which go in thereat: Midira amin' ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin' ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Midira amin' ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny làlana mankany amin' ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; " Entrez par la porte étroite. Large, en effet, et spacieux est le chemin qui mène à la perdition, et il en est beaucoup qui s' y engagent ;
Mat / Mt 7:14 Because strait is the gate, and narrow is the way, which leadeth unto life, and few there be that find it. Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin' ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny làlana mankany amin' ny fiainana, ka vitsy no mahita azy! mais étroite est la porte et resserré le chemin qui mène à la Vie, et il en est peu qui le trouvent.
Mat / Mt 7:15 Beware of false prophets, which come to you in sheep' s clothing, but inwardly they are ravening wolves. Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin' ny fitafian' ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian' ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; " Méfiez-vous des faux prophètes, qui viennent à vous déguisés en brebis, mais au-dedans sont des loups rapaces.
Mat / Mt 7:16 Ye shall know them by their fruits. Do men gather grapes of thorns, or figs of thistles? Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin' ny tsilo va ny olona, na aviavy amin' ny songosongo? ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin' ny tsilo va ny olona, na voanaviavy amin' ny hery? C' est à leurs fruits que vous les reconnaîtrez. Cueille-t-on des raisins sur des épines ? ou des figues sur des chardons ?
Mat / Mt 7:17 Even so every good tree bringeth forth good fruit; but a corrupt tree bringeth forth evil fruit. Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ainsi tout arbre bon produit de bons fruits, tandis que l' arbre gâté produit de mauvais fruits.
Mat / Mt 7:18 A good tree cannot bring forth evil fruit, neither can a corrupt tree bring forth good fruit. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Un bon arbre ne peut porter de mauvais fruits, ni un arbre gâté porter de bons fruits.
Mat / Mt 7:19 Every tree that bringeth not forth good fruit is hewn down, and cast into the fire. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: Tout arbre qui ne donne pas un bon fruit, on le coupe et on le jette au feu.
Mat / Mt 7:20 Wherefore by their fruits ye shall know them. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. Ainsi donc, c' est à leurs fruits que vous les reconnaîtrez.
Mat / Mt 7:21 Not every one that saith unto me, Lord, Lord, shall enter into the kingdom of heaven; but he that doeth the will of my Father which is in heaven. Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin' ny fanjakan' ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon' ny Raiko Izay any an-danitra. Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin' ny fanjakan' ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon' ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin' ny fanjakan' ny lanitra. " Ce n' est pas en me disant : "Seigneur, Seigneur", qu' on entrera dans le Royaume des Cieux, mais c' est en faisant la volonté de mon Père qui est dans les cieux.
Mat / Mt 7:22 Many will say to me in that day, Lord, Lord, have we not prophesied in thy name? and in thy name have cast out devils? and in thy name done many wonderful works? Maro no hanao amiko amin' izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin' ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin' ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin' ny anaranao va izahay? Amin' izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin' ny anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin' ny anaranao va izahay, moa tsy efa nanao fahagagana tamin' ny anaranao va izahay? Beaucoup me diront en ce jour-là : "Seigneur, Seigneur, n' est-ce pas en ton nom que nous avons prophétisé ? en ton nom que nous avons chassé les démons ? en ton nom que nous avons fait bien des miracles ?"
Mat / Mt 7:23 And then will I profess unto them, I never knew you: depart from me, ye that work iniquity. Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. Ary amin' izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory hianareo na oviana na oviana; mialà amiko hianareo mpanao ratsy. Alors je leur dirai en face : "Jamais je ne vous ai connus ; écartez-vous de moi, vous qui commettez l' iniquité. "
Mat / Mt 7:24 Therefore whosoever heareth these sayings of mine, and doeth them, I will liken him unto a wise man, which built his house upon a rock: Koa amin' izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin' ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin' ny vatolampy. Koa amin' izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin' ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin' ny vatolampy; " Ainsi, quiconque écoute ces pare-les que je viens de dire et les met en pratique, peut se comparer à un homme avisé qui a bâti sa maison sur le roc.
Mat / Mt 7:25 And the rain descended, and the floods came, and the winds blew, and beat upon that house; and it fell not: for it was founded upon a rock. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin' ny vatolampy. ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin' ny vatolampy. La pluie est tombée, les torrents sont venus, les vents ont soufflé et se sont déchaînés contre cette maison, et elle n' a pas croulé : c' est qu' elle avait été fondée sur le roc.
Mat / Mt 7:26 And every one that heareth these sayings of mine, and doeth them not, shall be likened unto a foolish man, which built his house upon the sand: Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin' ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin' ny fasika. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin' ny fasika; Et quiconque entend ces paroles que je viens de dire et ne les met pas en pratique, peut se comparer à un homme insensé qui a bâti sa maison sur le sable.
Mat / Mt 7:27 And the rain descended, and the floods came, and the winds blew, and beat upon that house; and it fell: and great was the fall of it. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany. ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany. La pluie est tombée, les torrents sont venus, les vents ont soufflé et se sont rués sur cette maison, et elle s' est écroulée. Et grande a été sa ruine ! "
Mat / Mt 7:28 And it came to pass, when Jesus had ended these sayings, the people were astonished at his doctrine: Ary nony efa vitan' i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, Ary nony efa vitan' i Jeso izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin' ny fampianarany, Et il advint, quand Jésus eut achevé ces discours, que les foules étaient frappées de son enseignement :
Mat / Mt 7:29 For he taught them as one having authority, and not as the scribes. satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy. satria nampianatra toy ny manana fahefana izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisiana. car il les enseignait en homme qui a autorité, et non pas comme leurs scribes.

<-
->