Chapitres et versets citant Farao

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 12.15 The princes also of Pharaoh saw her, and commended her before Pharaoh: and the woman was taken into Pharaoh' s house. Ary nahita azy ny tandapan' i Farao ka nidera azy tamin' i Farao; dia nentina tao an-tranon' i Farao izy. Nony nahita azy ny lehibe ao amin' i Faraona dia nataony laza masaka tamin' i Faraona izy: ary nalaina ho ao an-dapan' i Faraona ravehivavy. Les officiers de Pharaon la virent et la vantèrent à Pharaon; et la femme fut emmenée au palais de Pharaon.
Gen / Jen 12.16 And he entreated Abram well for her sake: and he had sheep, and oxen, and he asses, and menservants, and maidservants, and she asses, and camels. Ary Abrama nasian' i Farao soa noho ny amin' i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy. Nasiany soa Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondravavy sy rameva. Celui-ci traita bien Abram à cause d' elle : il eut du petit et du gros bétail, des ânes, des esclaves, des servantes, des ânesses, des chameaux.
Gen / Jen 12.17 And the Lord plagued Pharaoh and his house with great plagues because of Sarai Abram' s wife. Dia nasian' i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin' i Saray, vadin' i Abrama. Nefa loza mafy dia mafy no namelezan' ny Tompo an' i Faraona sy ny ankohonany, noho ny amin' i Saray vadin' i Abrama, Mais Yahvé frappa Pharaon de grandes plaies, et aussi sa maison, à propos de Saraï, la femme d' Abram.
Gen / Jen 12.18 And Pharaoh called Abram and said, What is this that thou hast done unto me? why didst thou not tell me that she was thy wife? Ary Farao dia nampaka an' i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? ka nampaka an' i Abrama Faraona nilazany hoe: Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy, Pharaon appela Abram et dit : Qu' est-ce que tu m' as fait ? Pourquoi ne m' as-tu pas déclaré qu' elle était ta femme ?
...............
Gen / Jen 12.20 And Pharaoh commanded his men concerning him: and they sent him away, and his wife, and all that he had. Dia nomen' i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin' i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin' ny fananany rehetra ireo. Dia nohafatrafaran' i Faraona ny mpanompony, ny amin' i Abrama, ka nalefany hody izy sy ny vadiny, omban' ny fananany rehetra. Pharaon le confia à des hommes qui le reconduisirent à la frontière, lui, sa femme et tout ce qu' il possédait.
...............
Gen / Jen 37.36 And the Midianites sold him into Egypt unto Potiphar, an officer of Pharaoh' s, and captain of the guard. Ary ny Midianita nivarotra an' i Josefa tany Egypta tamin' i Potifara, tandapan' i Farao sady mpifehy ny mpiambina. Namidin' ny Madianita tany Ejipta Josefa tamin' i Potifara, tandapan' i Faraona, lehiben' ny mpiambina. Cependant, les Madianites l' avaient vendu en Égypte à Potiphar, eunuque de Pharaon et commandant des gardes.
Gen / Jen 39.1 And Joseph was brought down to Egypt; and Potiphar, an officer of Pharaoh, captain of the guard, an Egyptian, bought him of the hands of the Ishmeelites, which had brought him down thither. Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan' i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin' ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. Nentina tany Ejipta Josefa, ary Potifara, Ejipsiana, tandapan' i Faraona, lehiben' ny mpiambina, no nividy azy tamin ny Ismaelita, izay nitondra azy tany. Joseph avait donc été emmené en Égypte. Potiphar, eunuque de Pharaon et commandant des gardes, un Égyptien, l' acheta aux Ismaélites qui l' avaient emmené là-bas.
...............
Gen / Jen 40.2 And Pharaoh was wroth against two of his officers, against the chief of the butlers, and against the chief of the bakers. Ary tezitra indrindra tamin' ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin' ny lehiben' ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben' ny mpanao mofo. Ka tezitra Faraona tamin' ireo manamboninahiny roa lahy ireo, dia ny lehiben' ny mpandroso divay sy ny lehiben' ny mpitàntana mofo. Pharaon s' irrita contre ses deux eunuques, le grand échanson et le grand panetier,
...............
Gen / Jen 40.7 And he asked Pharaoh' s officers that were with him in the ward of his lord' s house, saying, Wherefore look ye so sadly to day? Dia nanontanian' i Josefa ny tandapan' i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon' ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny? Dia nanontanian' i Josefa ireto mpanao raharahan' i Faraona niara-notanana an-tranomaizina taminy, tao an-tranon' ny tompony, nataony hoe: Nahoana izato hianareo no malahelo tarehy anio? et il demanda aux eunuques de Pharaon qui étaient avec lui aux arrêts chez son maître : Pourquoi faites-vous mauvais visage aujourd' hui ?
...............
Gen / Jen 40.11 And Pharaoh' s cup was in my hand: and I took the grapes, and pressed them into Pharaoh' s cup, and I gave the cup into Pharaoh' s hand. Ary teny an-tanako ny kapoakan' i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin' ny kapoakan' i Farao, dia natolotro teo an-tànan' i Farao ny Kapoaka. Ary teny an-tànako ny kopin' i Faraona, ka nalaiko ny voaloboka, nofiazako ho ao anaty kopin' i Faraona ny ranony, dia natolotro teo an-tànan' i Faraona ny kopy. J' avais en main la coupe de Pharaon, je pris les raisins, je les pressai sur la coupe de Pharaon et je mis la coupe dans la main de Pharaon.
...............
Gen / Jen 40.13 Yet within three days shall Pharaoh lift up thine head, and restore thee unto thy place: and thou shalt deliver Pharaoh' s cup into his hand, after the former manner when thou wast his butler. Ato anatin' ny hateloana dia hasandratr' i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin' ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan' i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany. Ka hateloana sisa dia hasandratr' i Faraona ny lohanao, haveriny amin' ny raharahanao indray hianao, ka hametraka ny kopin' i Faraona ho eo an-tànany hianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony hianao mpandroso divay azy. Encore trois jours et Pharaon t'élèvera la tête, et il te rendra ton emploi : tu mettras la coupe de Pharaon en sa main, comme tu avais coutume de faire autrefois où tu étais son échanson.
Gen / Jen 40.14 But think on me when it shall be well with thee, and shew kindness, I pray thee, unto me, and make mention of me unto Pharaoh, and bring me out of this house: Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin' i Farao aho, ka avoahy amin' ity trano ity; Koa raha avy izay hahatongavanao any amin' ny fahasambarana indray, ka mba mahatsiaro ahy hianao, sy mba te-hanisy soa amiko, dia lazao any amin' i Faraona any aho, asaovy hesorina amin' ity trano ity. Souviens-toi de moi, lorsqu' il te sera arrivé du bien, et sois assez bon pour parler de moi à Pharaon, qu' il me fasse sortir de cette maison.
...............
Gen / Jen 40.17 And in the uppermost basket there was of all manner of bakemeats for Pharaoh; and the birds did eat them out of the basket upon my head. ary teo anatin' ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan' i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon' ny mpanao mofo; ary nohanin' ny vorona teo anatin' ny karaba izay nololohaviko izany. ka tao anatin' ilay karaba ambony indrindra, nisy ny mofomamy isan-karazany rehetra ho an' i Faraona, ary nohanin' ny vorona tao anaty karaba nololohaviko ireny. Dans la corbeille du dessus, il y avait toutes sortes de pâtisseries que mange Pharaon, mais les oiseaux les mangeaient dans la corbeille, sur ma tête.
...............
Gen / Jen 40.19 Yet within three days shall Pharaoh lift up thy head from off thee, and shall hang thee on a tree; and the birds shall eat thy flesh from off thee. Ato anatin' ny hateloana dia hasandratr' i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin' ny hazo ianao) dia hohanin' ny vorona ny nofonao. Ka hateloana sisa dia hesorin' i Faraona ho afaka aminao ny lohanao, ary hahantony amin' ny hazo hianao, ka hohanin' ny vorona ny nofonao eo aminao. Encore trois jours et Pharaon t'élèvera la tête, il te pendra au gibet et les oiseaux mangeront la chair de dessus toi.
Gen / Jen 40.20 And it came to pass the third day, which was Pharaoh' s birthday, that he made a feast unto all his servants: and he lifted up the head of the chief butler and of the chief baker among his servants. Ary tamin' ny andro fahatelo, izay niherenan' ny taona nahaterahan' i Farao, dia nanao fanasana ho an' ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan' ny lehiben' ny mpitondra kapoaka sy ny lohan' ny lehiben' ny mpanao mofo teo amin' ny mpanompony. Nony tamin' ny andro fahatelo, izay fitsingerenan' ny andro nahaterahan' i Faraona, dia nanao fanasana ho an' ny mpanompony rehetra Faraona, ka samy nasandrany tokoa ny lohan' ny lehiben' ny mpandroso divay sy ny lohan' ny lehiben' ny mpitàntana mofo; Effectivement, le troisième jour, qui était l' anniversaire de Pharaon, celui-ci donna un banquet à tous ses officiers et il relâcha le grand échanson et le grand panetier au milieu de ses officiers.
Gen / Jen 40.21 And he restored the chief butler unto his butlership again; and he gave the cup into Pharaoh' s hand: Ary ny lehiben' ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin' ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan' i Farao izy; ny lehiben' ny mpandroso divay naveriny amin' ny raharahany indray, ka nametraka ny kopy teo an-tànan' i Faraona, Il rétablit le grand échanson dans son échansonnerie et celui-ci mit la coupe dans la main de Pharaon;
Gen / Jen 41.1 And it came to pass at the end of two full years, that Pharaoh dreamed: and, behold, he stood by the river. Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron' i Neily izy. Nony afaka roa taona nipaka dia nanonofy Faraona: Indro nitsangana teo amoron' ny ony izy; Deux ans après, il advint que Pharaon eut un songe : il se tenait près du Nil
...............
Gen / Jen 41.4 And the ill favoured and leanfleshed kine did eat up the seven well favoured and fat kine. So Pharaoh awoke. Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao. Ary nohanin' ireto ombivavy ratsy tarehy sady mahia iretsy ombivavy mahafinaritra sady matavy. Dia nahatsiaro Faraona. Et les vaches laides d' apparence et maigres de chair dévorèrent les sept vaches grasses et belles d' apparence. Alors Pharaon s'éveilla.
...............
Gen / Jen 41.7 And the seven thin ears devoured the seven rank and full ears. And Pharaoh awoke, and, behold, it was a dream. Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany. Ary natelin' ireto salohim-bary mahia, iretsy salohim-bary vaventy sady feno tsara. Dia nahatsiaro Faraona; ka indro nofy izany. Et les épis grêles engloutirent les sept épis gros et pleins. Alors Pharaon s'éveilla : voilà que c'était un songe !
Gen / Jen 41.8 And it came to pass in the morning that his spirit was troubled; and he sent and called for all the magicians of Egypt, and all the wise men thereof: and Pharaoh told them his dream; but there was none that could interpret them unto Pharaoh. Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran' i Farao tamin' ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin' i Farao. Nitebiteby ny fanahin' i Faraona nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin' ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin' i Faraona. Au matin, l' esprit troublé, Pharaon fit appeler tous les magiciens et tous les sages d'Égypte et il leur raconta le songe qu' il avait eu, mais personne ne put l' expliquer à Pharaon.
Gen / Jen 41.9 Then spake the chief butler unto Pharaoh, saying, I do remember my faults this day: Dia niteny tamin' i Farao ilay lehiben' ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako: Izay ilay lehiben' ny mpandroso divay vao niteny ka nilaza tamin' i Faraona nanao hoe: Ndeha hampahatsiaro ny fahadisoako taloha aho anio. Alors, le grand échanson adressa la parole à Pharaon et dit : Je dois confesser aujourd' hui mes fautes !
Gen / Jen 41.10 Pharaoh was wroth with his servants, and put me in ward in the captain of the guard' s house, both me and the chief baker: Farao dia tezitra tamin' ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin' ny tranon' ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben' ny mpanao mofo. Fony Faraona tezitra tamin' ny mpanompony ka nandatsaka ahy an-tranomaizina, tao an-tranon' ny lehiben' ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben' ny mpitàntana mofo, Pharaon s'était irrité contre ses serviteurs et les avait mis aux arrêts chez le commandant des gardes, moi et le grand panetier.
...............
Gen / Jen 41.13 And it came to pass, as he interpreted to us, so it was; me he restored unto mine office, and him he hanged. Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin' ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony. Ary tanteraka ny zavatra araka ny hevitra nambarany, fa izaho moa, naverin' i Faraona amin' ny raharahako; izy kosa nahantona. Et juste comme il nous l' avait expliqué, ainsi arriva-t-il : je fus rétabli dans mon emploi et l' autre fut pendu.
Gen / Jen 41.14 Then Pharaoh sent and called Joseph, and they brought him hastily out of the dungeon: and he shaved himself, and changed his raiment, and came in unto Pharaoh. Dia naniraka Farao ka nampaka an' i Josefa, dia nalaina faingana niala tao andavaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin' i Farao. Dia nampiantsoin' i Faraona Josefa, ka navoaka hiala faingana tao an-tranomaizina. Ary niharatra sy niova fitafiana izy, dia nankany amin' i Faraona. Alors Pharaon fit appeler Joseph, et on l' amena en hâte de la prison. Il se rasa, changea de vêtements et se présenta devant Pharaon.
Gen / Jen 41.15 And Pharaoh said unto Joseph, I have dreamed a dream, and there is none that can interpret it: and I have heard say of thee, that thou canst understand a dream to interpret it. Ary hoy Farao tamin' i Josefa : Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny. Ary hoy Faraona tamin' i Josefa: Nanonofy aho, ka tsy nisy nahalaza ny heviny, ary nandre fa hoe mahalaza ny hevitry ny nofy ambara aminao hianao. Pharaon dit à Joseph : J' ai eu un songe et personne ne peut l' interpréter. Mais j' ai entendu dire de toi qu' il te suffit d' entendre un songe pour savoir l' interpréter.
Gen / Jen 41.16 And Joseph answered Pharaoh, saying, It is not in me: God shall give Pharaoh an answer of peace. Ary Josefa dia namaly an' i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan' i Farao. Dia hoy ny navalin' i Josefa tamin' i Faraona: Tsy izaho fa Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan' i Faraona. Joseph répondit à Pharaon : Je ne compte pas ! C' est Dieu qui donnera à Pharaon une réponse favorable.
Gen / Jen 41.17 And Pharaoh said unto Joseph, In my dream, behold, I stood upon the bank of the river: Ary hoy Farao tamin' i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron' i Neily aho; Ka hoy Faraona tamin' i Josefa: Nofiko nitsangana teo amoron' ny ony aho; Alors Pharaon parla ainsi à Joseph : Dans mon songe, il me semblait que je me tenais sur la rive du Nil.
...............
Gen / Jen 41.25 And Joseph said unto Pharaoh, The dream of Pharaoh is one: God hath shewed Pharaoh what he is about to do. Ary hoy Josefa tamin' i Farao: Ny nofin' i Farao dia iray ihany; izay efa hataon' Andriamanitra no nambarany tamin' i Farao. Dia hoy Josefa tamin' i Faraona: Iray ihany ny nofin' i Faraona, ary izay efa hataon' Andriamanitra no nambarany tamin' i Faraona. Joseph dit à Pharaon : Le Pharaon n' a fait qu' un seul songe : Dieu a annoncé à Pharaon ce qu' il va accomplir.
...............
Gen / Jen 41.28 This is the thing which I have spoken unto Pharaoh: What God is about to do he sheweth unto Pharaoh. Izany dia ilay efa nolazaiko tamin' i Farao teo hoe: Izay efa hataon' Andriamanitra no asehony amin' i Farao. Koa izany no teny nataoko tamin' i Faraona: izay efa hataon' Andriamanitra no nasehony tamin' i Faraona. C' est ce que j' ai dit à Pharaon; Dieu a montré à Pharaon ce qu' il va accomplir :
...............
Gen / Jen 41.32 And for that the dream was doubled unto Pharaoh twice; it is because the thing is established by God, and God will shortly bring it to pass. Ary naverina indroa ny nofin' i Farao, satria efa voatendrin' Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin' Andriamanitra faingana. Ary ny nofin' i Faraona no naverina indroa, dia satria zavatra naraikitr' Andriamanitra izany sady hotanterahin' Andriamanitra faingana. Et si le songe de Pharaon s' est renouvelé deux fois, c' est que la chose est bien décidée de la part de Dieu et que Dieu a hâte de l' accomplir.
Gen / Jen 41.33 Now therefore let Pharaoh look out a man discreet and wise, and set him over the land of Egypt. Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta. Koa ankehitriny aoka Faraona hizaha lehilahy manan-tsaina sy hendry, ka hanendry azy hanapaka ny tany Ejipta. Maintenant, que Pharaon discerne un homme intelligent et sage et qu' il l'établisse sur le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41.34 Let Pharaoh do this, and let him appoint officers over the land, and take up the fifth part of the land of Egypt in the seven plenteous years. Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin' ny vokatry ny tany Egypta amin' ny taon-jina fito. Aoka koa Faraona hanendry mpikarakara hitandrina ny tany, hanangona ny ampahadimin' ny vokatra ao amin' ny tany Ejipta mandritra ny fito taon-jina. Que Pharaon agisse et qu' il institue des fonctionnaires sur le pays; il imposera au cinquième le pays d'Égypte pendant les sept années d' abondance,
Gen / Jen 41.35 And let them gather all the food of those good years that come, and lay up corn under the hand of Pharaoh, and let them keep food in the cities. Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin' ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin' ny anaran' i Farao ho fihinana any amin' ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy Aoka hovorin' ireo ny vokatra rehetra azony amin' ireo taona tsara ho avy; aoka hangoniny be dia be ny vary hapetraka eo am-pelatànan' i Faraona ary hatao fitaovana amin' ny tanàna ka hotahirizina. ils ramasseront tous les vivres de ces bonnes années qui viennent, ils emmagasineront le blé sous l' autorité de Pharaon, ils mettront les vivres dans les villes et les y garderont.
...............
Gen / Jen 41.37 And the thing was good in the eyes of Pharaoh, and in the eyes of all his servants. Ary sitrak' i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany. Sitrak' i Faraona sy ny mpanompony rehetra izany teny izany; Le discours plut à Pharaon et à tous ses officiers
Gen / Jen 41.38 And Pharaoh said unto his servants, Can we find such a one as this is, a man in whom the Spirit of God is? Dia hoy Farao tamin' ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin' Andriamanitra ao anatiny, va isika? Ka hoy Faraona tamin' ny mpanompny: Hahita lehilahy tahaka an' ity indray va isika, izay manana ny fanahin' Andriamanitra ao aminy? et Pharaon dit à ses officiers : Trouverons-nous un homme comme celui-ci, en qui soit l' esprit de Dieu ?
Gen / Jen 41.39 And Pharaoh said unto Joseph, Forasmuch as God hath shewed thee all this, there is none so discreet and wise as thou art: Ary hoy koa Farao tamin' i Josefa: Satria efa nampahafantarin' Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao; Dia hoy Faraona tamin' i Josefa: Rehefa hianao no efa nampahafantarin' Andriamanitra izany rehetra izany, dia tsy hisy olona hanan-tsaina sy hendry tahaka anao indray. Alors Pharaon dit à Joseph : Après que Dieu t' a fait connaître tout cela, il n' y a personne d' intelligent et de sage comme toi.
...............
Gen / Jen 41.41 And Pharaoh said unto Joseph, See, I have set thee over all the land of Egypt. Ary hoy indray Farao tamin' i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. Ary hoy Faraona tamin' i Josefa: Indro atsangako hanapaka ny tany Ejipta rehetra hianao. Pharaon dit à Joseph : Vois : je t'établis sur tout le pays d'Égypte
Gen / Jen 41.42 And Pharaoh took off his ring from his hand, and put it upon Joseph' s hand, and arrayed him in vestures of fine linen, and put a gold chain about his neck; Dia nesorin' i Farao ny peratra tamin' ny tanany ka nataony tamin' ny tànan' i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony; Dia nalain' i Faraona ny peratra tamin' ny tànany, ka nataony tamin' ny tànan' i Josefa; sady nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony. et Pharaon ôta son anneau de sa main et le mit à la main de Joseph, il le revêtit d' habits de lin fin et lui passa au cou le collier d' or.
...............
Gen / Jen 41.44 And Pharaoh said unto Joseph, I am Pharaoh, and without thee shall no man lift up his hand or foot in all the land of Egypt. Ary hoy Farao tamin' i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin' ny tany Egypta rehetra. Ary hoy Faraona tamin' i Josefa: Izaho no Faraona, ary raha tsy teninao, tsy hisy hanainga ny tànany na ny tongony eto amin' ny tany Ejipta rehetra. Pharaon dit à Joseph : Je suis Pharaon, mais sans ta permission personne ne lèvera la main ni le pied dans tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41.45 And Pharaoh called Joseph' s name Zaphnathpaaneah; and he gave him to wife Asenath the daughter of Potipherah priest of On. And Joseph went out over all the land of Egypt. Ary nataon' i Farao hoe Zafenata-panea no anaran' i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin' i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta. Nomen' i Faraona anarana hoe Tsafnata-Paneaka Josefa; ary natolony ho vadiny Aseneta zanakavavin' i Potifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga Josefa hamangy ny tany Ejipta. Et Pharaon imposa à Joseph le nom de Çophnat-Panéah et il lui donna pour femme Asnat, fille de Poti-Phéra, prêtre d' On. Et Joseph partit pour le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41.46 And Joseph was thirty years old when he stood before Pharaoh king of Egypt. And Joseph went out from the presence of Pharaoh, and went throughout all the land of Egypt. Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan' i Farao, mpanjakan' i Egypta. Dia niala teo anatrehan' i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra. Efa telopolo taona Josefa raha niseho teo anatrehan' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta. Ary niala teo anatrehan' i Faraona izy handeha hitety ny tany Ejipta rehetra. Joseph avait trente ans lorsqu' il se présenta devant Pharaon, roi d'Égypte, et Joseph quitta la présence de Pharaon et parcourut tout le pays d'Égypte.
...............
Gen / Jen 41.55 And when all the land of Egypt was famished, the people cried to Pharaoh for bread: and Pharaoh said unto all the Egyptians, Go unto Joseph; what he saith to you, do. Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin' i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin' ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin' i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy. Taty aoriana tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin' i Faraona ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy Faraona tamin' ny Ejipsiana rehetra: Mankanesa any amin' i Josefa, ary ataovy izay lazainy aminareo. Puis tout le pays d'Égypte souffrit de la faim et le peuple demanda à grands cris du pain à Pharaon, mais Pharaon dit à tous les Égyptiens : Allez à Joseph et faites ce qu' il vous dira. -
...............
Gen / Jen 42.15 Hereby ye shall be proved: By the life of Pharaoh ye shall not go forth hence, except your youngest brother come hither. dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atý ianareo, raha tsy tonga atý izany zandrinareo faralahy izany. Ka hotsapaina ny amin' izany hianareo. Raha velona koa Faraona tsy hiala aty hianareo, raha tsy tonga ilay zandrinareo faralahy. Voici l'épreuve que vous subirez : aussi vrai que Pharaon est vivant, vous ne partirez pas d' ici à moins que votre plus jeune frère n' y vienne !
Gen / Jen 42.16 Send one of you, and let him fetch your brother, and ye shall be kept in prison, that your words may be proved, whether there be any truth in you: or else by the life of Pharaoh surely ye are spies. Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo. Ny iray aminareo alefao haka ilay rahalahinareo, fa hianareo sisa kosa mijanòna ao an-tranomaizina; izany no hanamarinana ny teninareo raha ao aminareo ny fahamarinana. Fa raha tsy izany, dia mpisafo tokoa hianareo, raha velona koa Faraona. Envoyez l' un de vous chercher votre frère; pour vous, restez prisonniers. On éprouvera vos paroles et l' on verra si la vérité est avec vous ou non. Sinon, aussi vrai que Pharaon est vivant, vous êtes des espions !
...............
Gen / Jen 44.18 Then Judah came near unto him, and said, Oh my lord, let thy servant, I pray thee, speak a word in my lord' s ears, and let not thine anger burn against thy servant: for thou art even as Pharaoh. Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan' itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin' ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an' i Farao ianao. Ary tamin' izay Jodà nanatona an' i Josefa ka nanao hoe: Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo alàlana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan' ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin' ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin' i Faraona hianao. Alors Juda s' approcha de lui et dit : S' il te plaît, Monseigneur, permets que ton serviteur fasse entendre un mot aux oreilles de Monseigneur, sans que ta colère s' enflamme contre ton serviteur, car tu es vraiment comme Pharaon !
...............
Gen / Jen 45.2 And he wept aloud: and the Egyptians and the house of Pharaoh heard. Dia nitomany mafy izy, ka ren' ny Egyptiana, ary ren' ny tao an-tranon' i Farao koa. Nanandra-peo izy nitomany ka ren' ny Ejipsiana sy ren' ny tao an-tranon' i Faraona. mais il pleura tout haut et tous les Égyptiens entendirent, et la nouvelle parvint au palais de Pharaon.
...............
Gen / Jen 45.8 So now it was not you that sent me hither, but God: and he hath made me a father to Pharaoh, and lord of all his house, and a ruler throughout all the land of Egypt. Ary amin' izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atý, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain' i Farao, sy ho tompon' ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra. Koa amin' izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho atý, fa Andriamanitra. Izy no nanangana ahy ho rain' i Faraona sy ho tompon' ny tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo. Ainsi, ce n' est pas vous qui m' avez envoyé ici, c' est Dieu, et il m' a établi comme père pour Pharaon, comme maître sur toute sa maison, comme gouverneur dans tout le pays d'Égypte.
...............
Gen / Jen 45.16 And the fame thereof was heard in Pharaoh' s house, saying, Joseph' s brethren are come: and it pleased Pharaoh well, and his servants. Ary re tao an-tranon' i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin' i Josefa; dia sitrak' i Farao sy ny mpanompony izany. Niely ny teny tao an-tranon' i Faraona fa hoe: tonga ny rahalahin' i Josefa, ary samy faly amin' izany Faraona sy ny mpanompony. La nouvelle parvint au palais de Pharaon que les frères de Joseph étaient venus, et Pharaon comme ses officiers virent cela d' un bon oeil.
Gen / Jen 45.17 And Pharaoh said unto Joseph, Say unto thy brethren, This do ye; lade your beasts, and go, get you unto the land of Canaan; Ary hoy Farao tamin' i Josefa: Lazao amin' ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin' ny bibinareo, ka mankanesa any amin' ny tany Kanana; Dia hoy Faraona tamin' i Josefa: Lazao amin' ny rahalahinao hoe: Izao no hataonareo: Ataingeno ny entana ho entin' ny bibinareo, ka mankanesa any amin' ny tany Kanaana. Pharaon parla ainsi à Joseph : Dis à tes frères : Faites ceci : chargez vos bêtes et allez-vous-en au pays de Canaan.
...............
Gen / Jen 45.21 And the children of Israel did so: and Joseph gave them wagons, according to the commandment of Pharaoh, and gave them provision for the way. Ary nataon' ny zanak' Isiraely izany, ka dia nomen' i Josefa sariety izy, araka ny tenin' i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy. Dia nataon' ny zanak' Israely izany. Nomen' i Josefa sarety izy, araka ny teny azony tamin' i Faraona, ary vatsy koa hohaniny eny an-dàlana. Ainsi firent les fils d' Israël. Joseph leur procura des chariots selon l' ordre de Pharaon, et les munit de provisions de route.
...............
Gen / Jen 46.5 And Jacob rose up from Beersheba: and the sons of Israel carried Jacob their father, and their little ones, and their wives, in the wagons which Pharaoh had sent to carry him. Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak' Isiraely nitondra an' i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin' ny sariety, izay efa nampitondrain' i Farao hitondrana azy. Dia niainga Jakoba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak' Israely nametraka an' i Jakoba rainy, mbamin' ny vadiny aman-janany, teo ambonin' ny sarety nalefan' i Faraona hitondrana azy. Jacob partit de Bersabée, et les fils d' Israël firent monter leur père Jacob, leurs petits enfants et leurs femmes sur les chariots que Pharaon avait envoyés pour le prendre.
...............
Gen / Jen 46.31 And Joseph said unto his brethren, and unto his father' s house, I will go up, and shew Pharaoh, and say unto him, My brethren, and my father' s house, which were in the land of Canaan, are come unto me; Ary hoy Josefa tamin' ny rahalahiny sy ny ankohonan' ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin' i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan' ny raiko, izay tany amin' ny tany Kanana, dia efa tonga atý amiko. Ary hoy Josefa tamin' ireo rahalahiny sy ny ankohonan-drainy: Handeha hampandre an' i Faraona aho, ary izao no holazaiko aminy: Tonga aty amiko ny rahalahiko sy ny ankohonan' ikaky, izay tany amin' ny tany Kanaana. Alors Joseph dit à ses frères et à la famille de son père : Je vais monter avertir Pharaon et lui dire : Mes frères et la famille de mon père, qui étaient au pays de Canaan, sont arrivés auprès de moi.
...............
Gen / Jen 46.33 And it shall come to pass, when Pharaoh shall call you, and shall say, What is your occupation? Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe : Inona no raharaha fanaonareo? Koa raha antsoin' i Faraona hianareo, sy anontaniany hoe: Inona no raharahanareo? Aussi, lorsque Pharaon vous appellera et vous demandera : Quel est votre métier ?
Gen / Jen 47.1 Then Joseph came and told Pharaoh, and said, My father and my brethren, and their flocks, and their herds, and all that they have, are come out of the land of Canaan; and, behold, they are in the land of Goshen. Ary Josefa nankao amin' i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman' osiny sy ny ombiny mbamin' izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin' ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin' ny tany Gosena izy. Dia nankany amin' i Faraona Josefa hilaza izany vaovao izany, ka hoy izy: Tonga avy any amin' ny tany Kanaana ny raiko sy ny rahalahiko mbamin' ny ondriny sy ny ombiny sy izay rehetra ananany; ka indreo izy ao amin' ny tany Gesena. Donc Joseph alla avertir Pharaon : Mon père et mes frères, dit-il, sont arrivés du pays de Canaan avec leur petit et leur gros bétail et tout ce qui leur appartient; les voici dans la terre de Goshèn.
Gen / Jen 47.2 And he took some of his brethren, even five men, and presented them unto Pharaoh. Ary ny dimy lahy tamin' ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan' i Farao. Ary nitondra dimy lahy tamin' ireo rahalahiny izy ho eo anatrehan' i Faraona. Il avait pris cinq de ces frères, qu' il présenta à Pharaon.
Gen / Jen 47.3 And Pharaoh said unto his brethren, What is your occupation? And they said unto Pharaoh, Thy servants are shepherds, both we, and also our fathers. Ary hoy Farao tamin' ireo rahalahin' i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin' i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin' ny razanay. Ka hoy Faraona tamin' ireo: Inona no raharahanareo? Ka hoy ireo tamin' i Faraona: Mpiandry ondry toy ny razanay ihany koa, izahay mpanomponao. Celui-ci demanda à ses frères : Quel est votre métier ?, et ils répondirent : Tes serviteurs sont des bergers, nous-mêmes comme déjà nos pères.
Gen / Jen 47.4 They said morever unto Pharaoh, For to sojourn in the land are we come; for thy servants have no pasture for their flocks; for the famine is sore in the land of Canaan: now therefore, we pray thee, let thy servants dwell in the land of Goshen. Ary hoy koa izy tamin' i Farao: Mba hivahiny eto amin' ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an' ny ondry aman' osin' ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin' ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin' ny tany Gosena ny mpanomponao. Dia hoy koa izy tamin' i Faraona: Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin' ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin' ny ondrin' ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin' ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin' ny tany Gesena ny mpanomponao. Ils dirent aussi à Pharaon : Nous sommes venus séjourner dans le pays, car il n' y a plus de pâture pour les troupeaux de tes serviteurs : la famine, en effet, accable le pays de Canaan. Permets maintenant que tes serviteurs demeurent dans la terre de Goshèn
Gen / Jen 47.5 And Pharaoh spake unto Joseph, saying, Thy father and thy brethren are come unto thee: Ary Farao dia niteny tamin' i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atý aminao; Dia hoy Faraona tamin' i Josefa: Tonga atý aminao ireto ny rainao sy ny rahalahinao; koa indro eo anoloanao ny tany Ejipta; amponeno amin' izay tany tsara indrindra ny rainao sy ny rahalahinao. Alors Pharaon dit à Joseph : Jacob et ses fils vinrent en Égypte auprès de Joseph. Pharaon, roi d'Égypte, l' apprit et il dit à Joseph : Ton père et tes frères sont arrivés près de toi. Le pays d'Égypte est à ta disposition : établis ton père et tes frères dans la meilleure région.
...............
Gen / Jen 47.7 And Joseph brought in Jacob his father, and set him before Pharaoh: and Jacob blessed Pharaoh. Dia nentin' i Josefa ho eo anatrehan' i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an' i Farao. Nampanalain' i Josefa Jakoba rainy, ka nasehony an' i Faraona; dia nisaotra an' i Faraona Jakoba. Alors Joseph introduisit son père Jacob et le présenta à Pharaon, et Jacob salua Pharaon.
Gen / Jen 47.8 And Pharaoh said unto Jacob, How old art thou? Ary hoy Farao tamin' i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? Ary hoy Faraona tamin' i Jakoba: Firy taona ny andro niainanao? Pharaon demanda à Jacob : Combien comptes-tu d' années de vie ?
Gen / Jen 47.9 And Jacob said unto Pharaoh, The days of the years of my pilgrimage are an hundred and thirty years: few and evil have the days of the years of my life been, and have not attained unto the days of the years of the life of my fathers in the days of their pilgrimage. Dia hoy Jakoba tamin' i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan' ny razako tamin' ny andro nivahiniany. Ka hoy Jakoba tamin' i Faraona: Telo-polo amby zato taona no andron ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan' ny razako tamin' ny fivahiniany. et Jacob répondit à Pharaon : Les années de mon séjour sur terre ont été de cent trente ans, mes années ont été brèves et malheureuses et n' ont pas atteint l'âge de mes pères, les années de leur séjour.
Gen / Jen 47.10 And Jacob blessed Pharaoh, and went out from before Pharaoh. Ary Jakoba, rehefa nisaotra an' i Farao, dia lasa niala teo anatrehany. Dia nisaotra an' i Faraona indray Jakoba, dia lasa niala teo anatrehany. Jacob salua Pharaon et prit congé de lui.
Gen / Jen 47.11 And Joseph placed his father and his brethren, and gave them a possession in the land of Egypt, in the best of the land, in the land of Rameses, as Pharaoh had commanded. Dia namponenin' i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin' ny tany Egypta, dia tao amin' ny tany tsara indrindra, tao amin' ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian' i Farao. Koa nampiorim-ponenana an-drainy sy ny rahalahiny Josefa ka nanome azy zara tany, eo amin' ny tany Ejipta, dia ny tsara indrindra amin' ny tany, ao amin' ny faritanin' i Ramsesa, araka ny teny nomen' i Faraona azy. Joseph établit son père et ses frères et il leur donna une propriété au pays d'Égypte, dans la meilleure région, la terre de Ramsès, comme l' avait ordonné Pharaon.
...............
Gen / Jen 47.14 And Joseph gathered up all the money that was found in the land of Egypt, and in the land of Canaan, for the corn which they bought: and Joseph brought the money into Pharaoh' s house. Dia nangonin' i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin' ny tany Egypta sy tany amin' ny tany Kanana, dia izay vidin' ny vary novidin' ny olona, ka nampidirin' i Josefa tao an-tranon' i Farao ny vola. Lasan' i Josefa tamin' ny vidim-bary novidin' ny olona avokoa ny vola tany amin' ny tany Ejipta sy tany amin' ny tany Kanaana, ka nampidiriny tao an-tranon' i Faraona izany vola izany. Joseph ramassa tout l' argent qui se trouvait au pays d'Égypte et au pays de Canaan en échange du grain qu' on achetait et il livra cet argent au palais de Pharaon.
...............
Gen / Jen 47.19 Wherefore shall we die before thine eyes, both we and our land? buy us and our land for bread, and we and our land will be servants unto Pharaoh: and give us seed, that we may live, and not die, that the land be not desolate. nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon' i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany. Kanefa aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay sy ny taninay! Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon' i Faraona izahay sy ny taninay. Ary omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany. Pourquoi devrions-nous mourir sous tes yeux, nous et notre terroir ? Acquiers donc nos personnes et notre terroir pour du pain, et nous serons, avec notre terroir, les serfs de Pharaon. Mais donne-nous de quoi semer pour que nous restions en vie et ne mou
Gen / Jen 47.20 And Joseph bought all the land of Egypt for Pharaoh; for the Egyptians sold every man his field, because the famine prevailed over them: so the land became Pharaoh' s. Dia notakalozan' i Josefa ho an' i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan' i Farao ny tany. Dia lasan' i Josefa ho an' i Faraona ny tany Ejipta manontolo; fa ny Ejipsiana samy nanakalo ny sahany avy, fa resi-mosary, any ka tonga fananan' i Faraona ny tany. Ainsi Joseph acquit pour Pharaon tout le terroir d'Égypte, car les Égyptiens vendirent chacun son champ, tant les pressait la famine, et le pays passa aux mains de Pharaon.
...............
Gen / Jen 47.22 Only the land of the priests bought he not; for the priests had a portion assigned them of Pharaoh, and did eat their portion which Pharaoh gave them: wherefore they sold not their lands. Ny tanin' ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin' i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen' i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny. Ny tanin' ny mpisorona no hàny sisa tsy lasany, fa nanana anjara hanina tamin' i Faraona ny mpisorona, ka nisy hivelomany, izay anjara nomen' i Faraona azy, izany no tsy mba nanakalozany ny taniny. Il n' y eut que le terroir des prêtres qu' il n' acquit pas, car les prêtres recevaient une rente de Pharaon et vivaient de la rente qu' ils recevaient de Pharaon. Aussi n' eurent-ils pas à vendre leur terroir.
Gen / Jen 47.23 Then Joseph said unto the people, Behold, I have bought you this day and your land for Pharaoh: lo, here is seed for you, and ye shall sow the land. Dia hoy Josefa tamin' ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an' i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany. Dia hoy Josefa tamin' ny vahoaka: Voavidiko androany ho an' i Faraona hianareo sy ny taninareo. Koa indreny ny voa hafafinareo dia fafazo ny tany. Puis Joseph dit au peuple : Donc, je vous ai maintenant acquis pour Pharaon, avec votre terroir. Voici pour vous de la semence, pour ensemencer votre terroir.
Gen / Jen 47.24 And it shall come to pass in the increase, that ye shall give the fifth part unto Pharaoh, and four parts shall be your own, for seed of the field, and for your food, and for them of your households, and for food for your little ones. Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an' i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin' izay ao an-tranonareo ary hohanin' ny zanakareo. Rahefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an' i Faraona; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin' ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman' ny zanakareo. Mais, sur la récolte, vous devrez donner un cinquième à Pharaon, et les quatre autres parts seront à vous, pour la semence du champ, pour votre nourriture et celle de votre famille, pour la nourriture des personnes à votre charge.
Gen / Jen 47.25 And they said, Thou hast saved our lives: let us find grace in the sight of my lord, and we will be Pharaoh' s servants. Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason' itompokolahy izahay, dia ho mpanompon' i Farao. Ka hoy ny olona: Hianao no namonjy ny ainay. Hahita fitia eo imason itompokolahy anie izahay ary ho mpanompon' i Faraona izahay. Ils répondirent : Tu nous as sauvé la vie ! Puissions-nous seulement trouver grâce aux yeux de Monseigneur, et nous serons les serfs de Pharaon.
Gen / Jen 47.26 And Joseph made it a law over the land of Egypt unto this day, that Pharaoh should have the fifth part, except the land of the priests only, which became not Pharaoh' s. Dia nataon' i Josefa ho lalana tany amin' ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an' i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin' ny mpisorona ihany no tsy mba lasan' i Farao. Dia nataon' i Josefa lalàna izany amin' ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak' androany, ka araka izany lalàna izany dia an' i Faraona ny ampahadimin' ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin' ny mpisorona ihany no hàny tsy azy. De cela, Joseph fit une règle, qui vaut encore aujourd' hui pour le terroir d'Égypte : on verse le cinquième à Pharaon. Seul le terroir des prêtres ne fut pas à Pharaon.
...............
Gen / Jen 50.4 And when the days of his mourning were past, Joseph spake unto the house of Pharaoh, saying, If now I have found grace in your eyes, speak, I pray you, in the ears of Pharaoh, saying, Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin' ny tao an-tranon' i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin' i Farao, ka ataovy hoe: Nony tapitra ny andro nisaonany azy, dia niteny Josefa tamin' ny olona ao an-tranon' i Faraona nanao hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonareo koa aho, dia mba lazao kely ho henon' i Faraona izao: Quand fut écoulé le temps des pleurs, Joseph parla ainsi au palais de Pharaon : Si vous avez de l' amitié pour moi, veuillez rapporter ceci aux oreilles de Pharaon :
...............
Gen / Jen 50.6 And Pharaoh said, Go up, and bury thy father, according as he made thee swear. Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao. Ary hoy ny navalin' i Faraona: Miakara àry, aleveno ny rainao, araka ny nampianianany anao. Pharaon répondit : Monte et enterre ton père, comme il te l' a fait jurer.
Gen / Jen 50.7 And Joseph went up to bury his father: and with him went up all the servants of Pharaoh, the elders of his house, and all the elders of the land of Egypt, Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon' i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin' ny tany Egypta, Dia niakatra handevina an-drainy Josefa. Niara-niakatra taminy koa ny mpanompon' i Faraona rehetra, ny loholona tao an-tranony, ny loholona rehetra tamin' ny tany Ejipta, Joseph monta enterrer son père, et montèrent avec lui tous les officiers de Pharaon, les dignitaires de son palais et tous les dignitaires du pays d'Égypte,

  Exodus Fanafahana na Eksodosy Fanafahana na Eksaody L'Exode
...............
Eks 1.11 Therefore they did set over them taskmasters to afflict them with their burdens. And they built for Pharaoh treasure cities, Pithom and Raamses. Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin' ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an' i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa. Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an' Israely izy, mba hamoritra azy amin' ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitehirizan-javatra ho an' i Faraona dia Pitaoma sy Ramsesa. On imposa donc à Israël des chefs de corvée pour lui rendre la vie dure par les travaux qu' ils exigeraient. C' est ainsi qu' il bâtit pour Pharaon les villes-entrepôts de Pitom et de Ramsès.
...............
Eks 1.19 And the midwives said unto Pharaoh, Because the Hebrew women are not as the Egyptian women; for they are lively, and are delivered ere the midwives come in unto them. Fa hoy ny mpampivelona tamin' i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy. Fa hoy ny navalin' ny mpampivelona tamin' i Faraona: Tsy mba tahaka ny Ejipsiana anie ny vehivavy Hebrio: matanjaka izy, ka mbola tsy tonga akory ny mpampivelona dia teraka izy. Elles répondirent à Pharaon : " Les femmes des Hébreux ne sont pas comme les Egyptiennes, elles sont vigoureuses. Avant que l' accoucheuse n' arrive auprès d' elles, elles se sont délivrées. "
...............
Eks 1.22 And Pharaoh charged all his people, saying, Every son that is born ye shall cast into the river, and every daughter ye shall save alive. Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an' i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy. Ary Faraona nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona. Pharaon donna alors cet ordre à tout son peuple : " Tout fils qui naîtra, jetez-le au Fleuve, mais laissez vivre toute fille.
...............
Eks 2.5 And the daughter of Pharaoh came down to wash herself at the river; and her maidens walked along by the river' s side; and when she saw the ark among the flags, she sent her maid to fetch it. Ary nidina ny zanakavavin' i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron' i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin' i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy. Dia nidina handro eo amin' ny ony ny zanakavavin' i Faraona, ka nitsangantsangana teny amoron' ny ony teny ny zazavavy namany. Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata dia nasainy nalain' ilay ankizivaviny. Or la fille de Pharaon descendit au Fleuve pour s' y baigner, tandis que ses servantes se promenaient sur la rive du Fleuve. Elle aperçut la corbeille parmi les roseaux et envoya sa servante la prendre.
...............
Eks 2.7 Then said his sister to Pharaoh' s daughter, Shall I go and call to thee a nurse of the Hebrew women, that she may nurse the child for thee? Dia hoy kosa ny anabaviny tamin' ny zanakavavin' i Farao: Handeha haka mpitaiza amin' ny vehivavy Hebreo va aho hankatý aminao mba hitaiza ny zaza ho anao? Tamin' izay kosa ny anabavin' ity zaza dia niteny tamin' ny zanakavavin' i Faraona nanao hoe: Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin' ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io? La soeur de l' enfant dit alors à la fille de Pharaon : " Veux-tu que j' aille te chercher, parmi les femmes des Hébreux, une nourrice qui te nourrira cet enfant ? -
Eks 2.8 And Pharaoh' s daughter said to her, Go. And the maid went and called the child' s mother. Ary hoy ny zanakavavin' i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin' ny zaza. Mandehana, hoy ity zanakavavin' i Faraona. Dia lasa razazavavy naka ny renin' ny zaza. Va ", lui répondit la fille de Pharaon. La jeune fille alla donc chercher la mère de l' enfant.
Eks 2.9 And Pharaoh' s daughter said unto her, Take this child away, and nurse it for me, and I will give thee thy wages. And the women took the child, and nursed it. Ary hoy ny zanakavavin' i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy. Ary hoy ny zanakavavin' i Faraona taminy: Ento ity zaza ity ka tezao ho ahy, fa homeko anao ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy. La fille de Pharaon lui dit : " Emmène cet enfant et nourris-le moi, je te donnerai moi-même ton salaire. " Alors la femme emporta l' enfant et le nourrit.
Eks 2.10 And the child grew, and she brought him unto Pharaoh' s daughter, and he became her son. And she called his name Moses: and she said, Because I drew him out of the water. Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin' ny zanakavavin' i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin' ny rano no nangalako azy. Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin' ny zanakavavin' i Faraona, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Moizy, fa teo amin' ny rano no nanalako azy, hoy izy. Quand l' enfant eut grandi, elle le ramena à la fille de Pharaon qui le traita comme un fils et lui donna le nom de Moïse, car, disait-elle, " je l' ai tiré des eaux ".
...............
Eks 2.15 Now when Pharaoh heard this thing, he sought to slay Moses. But Moses fled from the face of Pharaoh, and dwelt in the land of Midian: and he sat down by a well. Ary rehefa ren' i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an' i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan' i Farao ka nonina tany amin' ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan' ny lavaka fantsakana izy. Nony ren' i Faraona ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina Moizy, saingy nandositra ny tànan' i Faraona izy, ka nankany amin' ny tany Madiana, dia nipetraka teo anilan' ny lavaka fantsakana. Pharaon entendit parler de cette affaire et chercha à tuer Moïse. Moïse s' enfuit loin de Pharaon ; il se rendit au pays de Madiân et s' assit auprès d' un puits.
...............
Eks 3.10 Come now therefore, and I will send thee unto Pharaoh, that thou mayest bring forth my people the children of Israel out of Egypt. Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin' i Farao hitondra ny Zanak' Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta. Koa handeha hianao amin' izao, irahiko ho any amin' i Faraona, hitondranao mivoaka ny zanak' Israely vahoakako. Maintenant va, je t' envoie auprès de Pharaon, fais sortir d'Égypte mon peuple, les Israélites. "
Eks 3.11 And Moses said unto God, Who am I, that I should go unto Pharaoh, and that I should bring forth the children of Israel out of Egypt? Fa hoy Mosesy tamin' Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin' i Farao sy hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any Egypta? Fa hoy Moizy tamin' Andriamanitra: Zinona moa aho no hankany amin' i Faraona sy hitondra ny zanak' Israely hivoaka avy any Ejipta? Moïse dit à Dieu : " Qui suis-je pour aller trouver Pharaon et faire sortir d'Égypte les Israélites ? "
...............
Eks 4.21 And the Lord said unto Moses, When thou goest to return into Egypt, see that thou do all those wonders before Pharaoh, which I have put in thine hand: but I will harden his heart, that he shall not let the people go. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan' i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatànanao ireo; hataonao eo anatrehan' i Faraona ireo. Fa izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka. Yahvé dit à Moïse : " Tandis que tu retourneras en Égypte, vois les prodiges que j' ai mis en ton pouvoir : tu les accompliras devant Pharaon, mais moi, j' endurcirai son coeur et il ne laissera pas partir le peuple.
Eks 4.22 And thou shalt say unto Pharaoh, Thus saith the Lord, Israel is my son, even my firstborn: Ary lazao amin' i Farao hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely; Hianao hilaza amin' i Faraona hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Israely dia zanako, zanako lahimatoa. Alors tu diras à Pharaon : Ainsi parle Yahvé : mon fils premier-né, c' est Israël.
Eks 5.1 And afterward Moses and Aaron went in, and told Pharaoh, Thus saith the Lord God of Israel, Let my people go, that they may hold a feast unto me in the wilderness. Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin' i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra. Rahefa izany, lasa nankao amin' i Faraona Moizy sy Aarona ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitr' Israely: Alefaso handeha ny vahoakako hanao fety fankalazana ahy, any an' efitra. Après cela, Moïse et Aaron vinrent trouver Pharaon et lui dirent : " Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël : laisse partir mon peuple, qu' il célèbre une fête pour moi dans le désert. "
Eks 5.2 And Pharaoh said, Who is the Lord, that I should obey his voice to let Israel go? I know not the Lord, neither will I let Israel go. Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely. Fa hoy ny navalin' i Faraona: Iza moa Iaveh no hoekeko teny, ka handefasako an' Israely handeha? Izaho tsy mahalala izay Iaveh, ka tsy havelako handeha Israely. Pharaon répondit : " Qui est Yahvé, pour que j'écoute sa voix et que je laisse partir Israël ? Je ne connais pas Yahvé, et quant à Israël, je ne le laisserai pas partir. "
...............
Eks 5.5 And Pharaoh said, Behold, the people of the land now are many, and ye make them rest from their burdens. Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin' ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin' ny fanompoany mafy. Dia hoy Faraona: Indro efa be izao ny vahoaka eto amin' ny tany, ka hotadiavinareo hatsahatra ve ny fanompoany? Pharaon dit : " Maintenant que le peuple est nombreux dans le pays, vous voudriez lui faire interrompre ses corvées ?
Eks 5.6 And Pharaoh commanded the same day the taskmasters of the people, and their officers, saying, Ary tamin' izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin' ny mpifehy azy ka nanao hoe: Androtr' izay ihany dia nomen' i Faraona teny ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra nataony hoe: Le jour même, Pharaon donna cet ordre aux surveillants du peuple et aux scribes :
...............
Eks 5.10 And the taskmasters of the people went out, and their officers, and they spake to the people, saying, Thus saith Pharaoh, I will not give you straw. Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin' ny mpifehy azy ka niteny tamin' ny olona nanao hoe: Izao no lazain' i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony; Dia tonga ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra, ka nilaza tamin' ny vahoaka hoe: Izao no lazain' i Faraona: Tsy hanome mololo anareo intsony aho, Les surveillants du peuple et les scribes allèrent dire au peuple : " Ainsi parle Pharaon : Je ne vous donne plus de paille hachée.
...............
Eks 5.14 And the officers of the children of Israel, which Pharaoh' s taskmasters had set over them, were beaten, and demanded, Wherefore have ye not fulfilled your task in making brick both yesterday and to day, as heretofore? Ary ny mpifehy ny Zanak' Isiraely, izay notendren' ny mpampiasa avy amin' i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin' ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha ? Ary voakapoka ny mpanoratry ny zanak' Israely, izay notendren' ny mpampiasan' i Faraona hifehy azy ireo, fa hoy ny mpampiasa: Nahoana hianareo omaly sy androany, no tsy nahavita ny biriky fanaonareo toraky ny taloha? On frappa les scribes des Israélites, ceux que les surveillants de Pharaon leur avaient imposés en disant : " Pourquoi n' avez-vous pas terminé la quantité de briques prescrite, aujourd' hui comme hier et avant-hier ?
Eks 5.15 Then the officers of the children of Israel came and cried unto Pharaoh, saying, Wherefore dealest thou thus with thy servants? Dia nankao amin' i Farao ny mpifehy ny Zanak' Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin' ny mpanomponao ianao? Koa lasa nitaraina tany amin' i Faraona ny mpanoratry ny zanak' Israely nanao hoe: Nahoana hianao no dia manao toy izany amin' ny mpanomponao? Les scribes des Israélites vinrent se plaindre auprès de Pharaon en disant : " Pourquoi traiter ainsi tes serviteurs ?
...............
Eks 5.17 But he said, Ye are idle, ye are idle: therefore ye say, Let us go and do sacrifice to the Lord. Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah. Fa hoy kosa Faraona: Olona kamo hianareo; olona kamo! Ka izany no ilazanareo hoe: Maniry ta-handeha hanolotra sorona amin' ny Tompo izahay. Il répondit : " Vous êtes des paresseux, des paresseux, voilà pourquoi vous dites : "Nous voulons aller sacrifier à Yahvé. "
...............
Eks 5.20 And they met Moses and Aaron, who stood in the way, as they came forth from Pharaoh: Ary izy ireo dia nihaona tamin' i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin' i Farao izy; Ary izy nahita an' i Moizy sy Aarona, izay efa tao rahateo, miandry azy ireo hivoaka avy ao amin' i Faraona, Ayant quitté Pharaon, ils se heurtèrent à Moïse et à Aaron qui se tenaient devant eux.
Eks 5.21 And they said unto them, The Lord look upon you, and judge; because ye have made our savour to be abhorred in the eyes of Pharaoh, and in the eyes of his servants, to put a sword in their hand to slay us. dia hoy izy tamin' izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan' i Farao sy eo anatrehan' ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay. ka nilaza taminy hoe: Aoka Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin' i Faraona sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tànany izy hamonoana anay. Ils leur dirent : " Que Yahvé vous observe et qu' il juge !Vous nous avez rendus odieux aux yeux de Pharaon et de ses serviteurs et vous leur avez mis l'épée en main pour nous tuer. "
...............
Eks 5.23 For since I came to Pharaoh to speak in thy name, he hath done evil to this people; neither hast thou delivered thy people at all. Fa hatrizay nankanesako tao amin' i Farao mba hiteny amin' ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin' ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao. Fa hatrizay nankanesako tany amin' i Faraona hiteny amin' ny anaranao izay, ny vahoaka tsy itondrany roa intsony, nefa hianao tsy nanafaka ny vahoakanao velively akory. Depuis que je suis venu trouver Pharaon et que je lui ai parlé en ton nom, il maltraite ce peuple, et tu ne fais rien pour délivrer ton peuple. "
Eks 6.1 Then the Lord said unto Moses, Now shalt thou see what I will do to Pharaoh: for with a strong hand shall he let them go, and with a strong hand shall he drive them out of his land. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin' i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin' ny taniny. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay afitsoko an' i Faraona, fa noho ny tànana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tànana mahery dia handroaka azy hiala amin' ny taniny. Yahvé dit alors à Moïse : " Maintenant, tu vas voir ce que je vais faire à Pharaon. Une main forte l' obligera à les laisser partir, une main forte l' obligera à les expulser de son pays.
...............
Eks 6.11 Go in, speak unto Pharaoh king of Egypt, that he let the children of Israel go out of his land. Mankanesa ao amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak' Isiraely hiala amin' ny taniny. Mandehana hianao miteny amin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, mba handefany ny zanak' Israely ho any ivelan' ny taniny. " Va dire à Pharaon, le roi d'Égypte, qu' il laisse partir les Israélites de son pays. "
Eks 6.12 And Moses spake before the Lord, saying, Behold, the children of Israel have not hearkened unto me; how then shall Pharaoh hear me, who am of uncircumcised lips? Ary Mosesy niteny teo anatrehan' i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak' Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan' i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra? Fa Moizy namaly teo anatrehan' ny Tompo hoe: Ny zanak' Israely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan' i Faraona ahy? izay izaho votsa vava iny? Mais Moïse prit la parole en présence de Yahvé et dit : " Les Israélites ne m' ont pas écouté, comment Pharaon m'écouterait-il, moi qui n' ai pas la parole facile ? "
Eks 6.13 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, and gave them a charge unto the children of Israel, and unto Pharaoh king of Egypt, to bring the children of Israel out of the land of Egypt. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin' ny Zanak' Isiraely sy ho amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, mba hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy amin' ny tany Egypta. Dia niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh ary nanafatra azy ny amin' ny zanak' Israely, sy ny amin' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, momba ny famoahana ny zanak' Israely, hiala amin' ny tany Ejipta. Yahvé parla à Moïse et à Aaron et les envoya auprès de Pharaon, le roi d'Égypte, pour faire sortir les Israélites du pays d'Égypte.
...............
Eks 6.27 These are they which spake to Pharaoh king of Egypt, to bring out the children of Israel from Egypt: these are that Moses and Aaron. Ireo no niteny tamin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, mba hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona. Ireo no niteny tamin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, mba hitondra ny zanak' Israely hivoaka avy any Ejipta; dia io Moizy io sy io Aarona io. Ce sont eux qui parlèrent à Pharaon, le roi d'Égypte, pour faire sortir d'Égypte les Israélites, - Moïse et Aaron.
...............
Eks 6.29 That the Lord spake unto Moses, saying, I am the Lord: speak thou unto Pharaoh king of Egypt all that I say unto thee. dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao. dia izao no nolazain' ny Tompo tamin' i Moizy: Izaho no Iaveh: Lazao amin' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao. Yahvé dit à Moïse : " Je suis Yahvé. Dis à Pharaon, le roi d'Égypte, tout ce que moi je vais te dire. "
Eks 6.30 And Moses said before the Lord, Behold, I am of uncircumcised lips, and how shall Pharaoh hearken unto me? Ary Mosesy niteny teo anatrehan' i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan' i Farao ahy! Ary izao no navalin' i Moizy teo anatrehan' ny Tompo: Indro fa votsa fiteny aho, ka ahoana ange no hihainoan' i Faraona ahy? Moïse dit en présence de Yahvé : " Je n' ai pas la parole facile, comment Pharaon m'écouterait-il ? "
Eks 7.1 And the Lord said unto Moses, See, I have made thee a god to Pharaoh: and Aaron thy brother shall be thy prophet. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an' i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Indro hianao efa nataoko ho Andriamanitra eo imason' i Faraona, ary Aarona rahalahinao no ho mpaminaninao. Yahvé dit à Moïse : " Vois, j' ai fait de toi un dieu pour Pharaon, et Aaron, ton frère, sera ton prophète.
Eks 7.2 Thou shalt speak all that I command thee: and Aaron thy brother shall speak unto Pharaoh, that he send the children of Israel out of his land. Hianao hilaza izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin' i Farao, mba handefasany ny Zanak' Isiraely hiala amin' ny taniny, Hianao moa hilaza izay rehetra handidiako anao; Aarona rahalahinao kosa, hiteny amin' i Faraona mba handefany ny zanak' Israely hiala amin' ny taniny. Toi, tu lui diras tout ce que je t' ordonnerai, et Aaron, ton frère, le répétera à Pharaon pour qu' il laisse les Israélites partir de son pays.
Eks 7.3 And I will harden Pharaoh' s heart, and multiply my signs and my wonders in the land of Egypt. Ary Izaho hanamafy ny fon' i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin' ny tany Egypta. Ary izaho hanamafy ny fon' i Faraona, sy hampitombo ny famantarako amam-pahagagako amin' ny tany Ejipta. Pour moi, j' endurcirai le coeur de Pharaon et je multiplierai mes signes et mes prodiges dans le pays d'Égypte.
Eks 7.4 But Pharaoh shall not hearken unto you, that I may lay my hand upon Egypt, and bring forth mine armies, and my people the children of Israel, out of the land of Egypt by great judgments. Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an' i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon' ny Zanak' Isiraely oloko hiala amin' ny tany Egypta. Tsy hihaino anareo Faraona, ary haninjitra ny tànako amin' i Ejipta aho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin' ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak' Israely. Pharaon ne vous écoutera pas, alors je porterai la main sur l'Égypte et je ferai sortir mes armées, mon peuple, les Israélites, du pays d'Égypte, avec de grands jugements.
...............
Eks 7.7 And Moses was fourscore years old, and Aaron fourscore and three years old, when they spake unto Pharaoh. Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin' i Farao izy mirahalahy. Efa valo-polo taona Moizy ary telo amby valo-polo taona Aarona, tamin' izy ireo niteny tamin' i Faraona. Moïse était âgé de quatre-vingts ans et Aaron de quatre-vingt-trois ans lorsqu' ils parlèrent à Pharaon.
...............
Eks 7.9 When Pharaoh shall speak unto you, saying, Shew a miracle for you: then thou shalt say unto Aaron, Take thy rod, and cast it before Pharaoh, and it shall become a serpent. Raha miteny aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao amin' i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan' i Farao, dia ho tonga menarana iny. Raha avy izay hilazan' i Faraona aminareo hoe: Manaova fahagagana, dia lazao amin' i Aarona hoe: Raiso ny tehinao ka atsipazo eo anatrehan' i Faraona, fa hanjary bibilava iny. " Si Pharaon vous dit d' accomplir un prodige, tu diras à Aaron : Prends ton bâton, jette-le devant Pharaon, et qu' il se change en serpent. "
Eks 7.10 And Moses and Aaron went in unto Pharaoh, and they did so as the Lord had commanded: and Aaron cast down his rod before Pharaoh, and before his servants, and it became a serpent. Ary Mosesy sy Arona nankao amin' i Farao ka nanao araka izay efa nandidian' i Jehovah; dia natsipin' i Arona teo anatrehan' i Farao sy teo anatrehan' ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny. Dia nankany amin' i Faraona Moizy sy Aarona, nataony avokoa izay nandidian' ny Tompo azy ireo. Natsipin' i Aarona ny tehiny teo anoloan' i Faraona sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava. Moïse et Aaron allèrent trouver Pharaon et firent comme l' avait ordonné Yahvé. Aaron jeta son bâton devant Pharaon et ses serviteurs, et il se changea en serpent.
Eks 7.11 Then Pharaoh also called the wise men and the sorcerers: now the magicians of Egypt, they also did in like manner with their enchantments. Dia nampanalain' i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin' ny fankatovany. Fa mba nantsoin' i Faraona koa ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak' izany koa, tamin' ny fankatoavany. Pharaon à son tour convoqua les sages et les enchanteurs, et, avec leurs sortilèges, les magiciens d'Égypte en firent autant.
...............
Eks 7.13 And he hardened Pharaoh' s heart, that he hearkened not unto them; as the Lord had said. Dia nihamafy ny fon' i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain' i Jehovah. Ka nihamafy ny fon' i Faraona, fa tsy nihaino an' i Moizy sy Aarona izy, araka ny efa voalazan' ny Tompo rahateo. Cependant le coeur de Pharaon s' endurcit et il ne les écouta pas, comme l' avait prédit Yahvé.
Eks 7.14 And the Lord said unto Moses, Pharaoh' s heart is hardened, he refuseth to let the people go. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Efa mafy ny fon' i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Efa nihamafy ny fon' i Faraona ka mandà tsy handefa ny vahoaka. Yahvé dit à Moïse : " Le coeur de Pharaon s' est appesanti et il a refusé de laisser partir le peuple.
Eks 7.15 Get thee unto Pharaoh in the morning; lo, he goeth out unto the water; and thou shalt stand by the river' s brink against he come; and the rod which was turned to a serpent shalt thou take in thine hand. Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin' ny rano izy; dia mijanona eo amoron' i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao), Rahampitso maraina mankanesa any amin' i Faraona hianao, fa hivoaka ho any amoron-drano izy, ka dia ho eo amoron' ny ony hianao miandry azy. Hoentinao eo an-tànana ilay tehina voaova ho bibilava, Va, demain matin, trouver Pharaon, à l' heure où il se rend au bord de l' eau, et tiens-toi à l' attendre sur la rive du Fleuve. Tu prendras en main le bâton qui s' est changé en serpent.
...............
Eks 7.20 And Moses and Aaron did so, as the Lord commanded; and he lifted up the rod, and smote the waters that were in the river, in the sight of Pharaoh, and in the sight of his servants; and all the waters that were in the river were turned to blood. Ary nataon' i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian' i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason' i Farao sy teo imason' ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily; Dia nataon' i Moizy sy Aarona izay nandidian' ny Tompo azy. Naingain' i Aarona ny tehina, nokapohiny teo anatrehan' i Faraona sy ny mpanompony ny rano tamin' ny ony, ka nanjary rà avokoa ny rano rehetra tamin' ny ony; Moïse et Aaron firent comme l' avait ordonné Yahvé. Il leva son bâton et il frappa les eaux qui sont dans le Fleuve aux yeux de Pharaon et de ses serviteurs, et toutes les eaux qui sont dans le Fleuve se changèrent en sang.
...............
Eks 7.22 And the magicians of Egypt did so with their enchantments: and Pharaoh' s heart was hardened, neither did he hearken unto them; as the Lord had said. Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin' ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon' i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain' i Jehovah. Nahavita torak' izany tamin' ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin' i Ejipta, ka nihamafy ny fon' i Faraona, fa tsy nihaino an' i Moizy sy Aarona izy, araka ny voalazan' ny Tompo rahateo. Mais les magiciens d'Égypte avec leurs sortilèges en firent autant ; le coeur de Pharaon s' endurcit et il ne les écouta pas, comme l' avait prédit Yahvé.
Eks 7.23 And Pharaoh turned and went into his house, neither did he set his heart to this also. Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza. Dia nody Faraona ka nony tonga tany an-tranony, tsy nandinika izany akory tao am-pony. Pharaon s' en retourna et rentra dans sa maison sans même prêter attention à cela.
...............
Eks 7.25 And seven days were fulfilled, after that the Lord had smitten the river. Ary nisy hafitoana taorian' ny namelezan' i Jehovah an' i Neily. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mankanesa ao amin' i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin' ny sahona; dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin' ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin' ny farafaranao sy any amin' ny tranon' ny mpanomponao sy amin' ny vahoakanao ary eny amin' ny fanendasa-mofonao sy eny amin' ny vilia fanaova-mofonao. Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran' ny sahona. Lasa ny andro fito taorian' ny namelezan' ny Tompo ny ony. Sept jours s'écoulèrent après que Yahvé eut frappé le Fleuve.
Eks 7.26 Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mankanesa ao amin' i Faraona, lazao aminy hoe: Izao no tenin' ny Tompo: Avelao handeha ny vahoakako hanompo ahy. Yahvé dit à Moïse : " Va trouver Pharaon et dis-lui : Ainsi parle Yahvé : "Laisse partir mon peuple, qu' il me serve. "
...............
Eks 8.4 And the frogs shall come up both on thee, and upon thy people, and upon all thy servants. Ary Farao dia nampaka an' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin' i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin' ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah. Ary Faraona nampaka an' i Moizy sy Aarona nilazany hoe: Mangataha amin' ny Tompo mba hanesorany ny sahona amiko sy amin' ny vahoakako, fa halefako handeha ny vahoaka, hanolorany sorona amin' ny Tompo. Pharaon appela Moïse et Aaron et dit : " Priez Yahvé de détourner les grenouilles de moi et de mon peuple, et je m' engage à laisser partir le peuple pour qu' il sacrifie à Yahvé. "
Eks 8.5 And the Lord spake unto Moses, Say unto Aaron, Stretch forth thine hand with thy rod over the streams, over the rivers, and over the ponds, and cause frogs to come up upon the land of Egypt. Ary hoy Mosesy tamin' i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin' ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy? Ka hoy Moizy tamin' i Faraona: Lazao amiko àry izay sitraponao: Ho amin' ny fotoana inona no hanaovako fivavahana ho anao sy ho an' ny mpanomponao amam-bahoakanao, mba hanalavitan' ny Tompo ny sahona aminao sy amin' ny tranonao, ka tsy hisiany intsony, afa-tsy ao amin' ny ony ihany. Dia hoy izy: Moïse dit à Pharaon : " A toi l' avantage !Pour quand dois-je prier pour toi, pour tes serviteurs et pour ton peuple, afin que les grenouilles soient supprimées de chez toi et de vos maisons pour ne rester que dans le Fleuve ? "
...............
Eks 8.8 Then Pharaoh called for Moses and Aaron, and said, Intreat the Lord, that he may take away the frogs from me, and from my people; and I will let the people go, that they may do sacrifice unto the Lord. Ary Mosesy sy Arona niala teo amin' i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin' i Jehovah ny amin' ny sahona izay efa nataony tamin' i Farao. Nivoaka avy ao amin' i Faraona Moizy sy Aarona; ary Moizy nitaraina tamin' ny Tompo ny amin' ny sahona nameliny an' i Faraona. Moïse et Aaron sortirent de chez Pharaon, et Moïse cria vers Yahvé au sujet des grenouilles qu' il avait infligées à Pharaon.
...............
Eks 8.11 And the frogs shall depart from thee, and from thy houses, and from thy servants, and from thy people; they shall remain in the river only. Fa nony hitan' i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain' i Jehovah. Nony hitan' i Faraona anefa nisy hiainana dia nohamafisiny ny fony, ka tsy nihaino an' i Moizy sy Aarona izy, araka ny efa voalazan' ny Tompo. Pharaon vit qu' il y avait un répit ; il appesantit son coeur et il ne les écouta pas, comme l' avait prédit Yahvé.
...............
Eks 8.15 But when Pharaoh saw that there was respite, he hardened his heart, and hearkened not unto them; as the Lord had said. Dia hoy ny ombiasy tamin' i Farao: Rantsan-tànan' Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon' i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain' i Jehovah. Fa hoy ny mpanao ody tamin' i Faraona: Rantsan-tànan' Andriamanitra izany. Ary nihamafy anefa ny fon' i Faraona ka tsy nihaino azy ireo izy, araka ny efa voalazan' ny Tompo. Les magiciens dirent à Pharaon : " C' est le doigt de Dieu ", mais le coeur de Pharaon s' endurcit et il ne les écouta pas, comme l' avait prédit Yahvé.
Eks 8.16 And the Lord said unto Moses, Say unto Aaron, Stretch out thy rod, and smite the dust of the land, that it may become lice throughout all the land of Egypt. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan' i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin' ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mifohaza maraina koa ka tongava eo anatrehan' i Faraona amin' ilay fotoana ivoahany ho any amoron-drano iny. Lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Avelao handeha ny vahoakako hanompoany ahy. Yahvé dit à Moïse : " Lève-toi de bon matin et tiens-toi devant Pharaon quand il se rendra au bord de l' eau. Tu lui diras : Ainsi parle Yahvé : "Laisse partir mon peuple, qu' il me serve. "
...............
Eks 8.20 And the Lord said unto Moses, Rise up early in the morning, and stand before Pharaoh; lo, he cometh forth to the water; and say unto him, Thus saith the Lord, Let my people go, that they may serve me. Ary nataon' i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin' ny tranon' i Farao sy tao amin' ny tranon' ny mpanompony ary teny amin' ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra. Dia nataon' ny Tompo izany ka tongan' ny lalibe zavon-tany ny tranon' i Faraona sy ny an' ny mpanompony, ary simban' ny lalibe daholo ny tany Ejipta manontolo. Yahvé fit ainsi, et des taons en grand nombre entrèrent dans la maison de Pharaon, dans les maisons de ses serviteurs et dans tout le pays d'Égypte ; le pays fut ruiné à cause des taons.
Eks 8.21 Else, if thou wilt not let my people go, behold, I will send swarms of flies upon thee, and upon thy servants, and upon thy people, and into thy houses: and the houses of the Egyptians shall be full of swarms of flies, and also the ground whereon they are. Ary Farao nampaka an' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an' Andriamanitrareo eto amin' ity tany ity. Nampanalain' i Faraona Moizy sy Aarona nilazany hoe: Mandehana hianareo manolotra sorona amin' ny Andriamanitrareo eto amin' ity tany ity. Pharaon appela Moïse et Aaron et leur dit : " Allez sacrifier à votre Dieu dans le pays. "
...............
Eks 8.24 And the Lord did so; and there came a grievous swarm of flies into the house of Pharaoh, and into his servants' houses, and into all the land of Egypt: the land was corrupted by reason of the swarm of flies. Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy. Dia hoy Faraona: Halefako handeha ihany hianareo, hanolotra sorona amin' ny Tompo Andriamanitrareo, any an' efitra, nefa aza lasan-davitra loatra hianareo amin' izany fandehananareo izany. Ary manaova fivavahana ho ahy. Pharaon dit : " Moi je vais vous laisser partir pour sacrifier à votre Dieu dans le désert, seulement vous n' irez pas très loin. Priez pour moi. "
Eks 8.25 And Pharaoh called for Moses and for Aaron, and said, Go ye, sacrifice to your God in the land. Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin' i Jehovah mba hialan' ny lalitra amin' i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i' Jehovah. Ary hoy Moizy: Indro hivoaka ato aminao aho, dia hangataka amin' ny Tompo, ka rahampitso ny lalibe dia hiala amin' i Faraona sy ny mpanompony ary ny vahoakany. Fa aoka kosa Faraona tsy hamitaka intsony, ka tsy hamela ny vahoaka handeha hanolotra sorona amin' ny Tompo. Moïse dit : " Dès que je serai sorti de chez toi, je prierai Yahvé. Demain les taons s'éloigneront de Pharaon, de ses serviteurs et de son peuple. Que Pharaon, toutefois, cesse de se moquer de nous en ne laissant pas le peuple partir pour sacrifier à Yahvé. "
Eks 8.26 And Moses said, It is not meet so to do; for we shall sacrifice the abomination of the Egyptians to the Lord our God: lo, shall we sacrifice the abomination of the Egyptians before their eyes, and will they not stone us? Ary Mosesy niala teo amin' i Farao ka nangataka tamin' i Jehovah Vao niala avy ao amin' i Faraona Moizy, dia nivavaka tamin' ny Tompo; Moïse sortit de chez Pharaon et pria Yahvé.
Eks 8.27 We will go three days' journey into the wilderness, and sacrifice to the Lord our God, as he shall command us. Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin' i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin' i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza. ary notanterahin' ny Tompo ny tenin' i Moizy ka dia niala tamin' i Faraona sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny lalibe ka tsy nisy tavela, na dia iray aza. Yahvé fit ce que demandait Moïse et les taons s'éloignèrent de Pharaon, de ses serviteurs et de son peuple ; il n' en resta plus un seul.
Eks 8.28 And Pharaoh said, I will let you go, that ye may sacrifice to the Lord your God in the wilderness; only ye shall not go very far away: intreat for me. Kanjo Farao nanamafy ny fony indray tamin' izany ka tsy nandefa ny olona. Nefa mbola nanamafy ny fony ihany indray Faraona tamin' izany, ka tsy nalefany handeha ny vahoaka. Mais Pharaon appesantit son coeur, cette fois encore, et il ne laissa pas partir le peuple.
Eks 9.1 Then the Lord said unto Moses, Go in unto Pharaoh, and tell him, Thus saith the Lord God of the Hebrews, Let my people go, that they may serve me. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mankanesa ao amin' i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mankanesa ao amin' i Faraona ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitray ny Hebrio: Alefaso hanompo ahy ny vahoakako. Yahvé dit à Moïse : " Va trouver Pharaon et dis-lui : Ainsi parle Yahvé, le Dieu des Hébreux : "Laisse partir mon peuple, qu' il me serve. "
...............
Eks 9.7 And Pharaoh sent, and, behold, there was not one of the cattle of the Israelites dead. And the heart of Pharaoh was hardened, and he did not let the people go. Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin' ny Zanak' Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon' i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy. Nampamototra Faraona ka tsy nisy maty tokoa ny bibin' ny zanak' Israely, na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon' i Faraona ka tsy nalefany handeha ny vahoaka. Pharaon fit une enquête, et voici que des troupeaux d' Israël pas une seule bête n'était morte. Mais le coeur de Pharaon s' appesantit et il ne laissa pas partir le peuple.
Eks 9.8 And the Lord said unto Moses and unto Aaron, Take to you handfuls of ashes of the furnace, and let Moses sprinkle it toward the heaven in the sight of Pharaoh. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin' ny tananao ao amin' ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin' i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason' i Farao izany. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy sy Aarona: Mandraofa hianareo lavenona eran' ny tànanareo, eo amin' ny lafaoro lehibe, dia hataon' i Moizy savoan-danitra eo imason' i Faraona izany, Yahvé dit à Moïse et à Aaron : " Prenez plein vos mains de suie de fourneau et que Moïse la lance en l' air, sous les yeux de Pharaon.
...............
Eks 9.10 And they took ashes of the furnace, and stood before Pharaoh; and Moses sprinkled it up toward heaven; and it became a boil breaking forth with blains upon man, and upon beast. Dia naka lavenona tamin' ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan' i Farao; dia natopin' i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin' ny olona sy tamin' ny biby fiompy. Koa nandraoka lavenona tao amin' ny lafaoro lehibe izy ireo, dia nankany anatrehan' i Faraona, ary nataon' i Moizy savoan-danitra ny lavenona, ka nahatonga boiboika, nipoipoitra ho vay tamin' ny olona sy ny biby. Ils prirent de la suie de fourneau et se tinrent devant Pharaon ; Moïse la lança en l' air et gens et bêtes furent couverts d' ulcères bourgeonnant en pustules.
...............
Eks 9.12 And the Lord hardened the heart of Pharaoh, and he hearkened not unto them; as the Lord had spoken unto Moses. Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon' i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain' i Jehovah tamin' i Mosesy. Nohamafisin' ny Tompo anefa ny fon' i Faraona ka tsy nihaino an' i Moizy sy Aarona Faraona, araka ny efa voalazan' ny Tompo tamin' i Moizy. Yahvé endurcit le coeur de Pharaon et il ne les écouta pas, comme l' avait prédit Yahvé à Moïse.
Eks 9.13 And the Lord said unto Moses, Rise up early in the morning, and stand before Pharaoh, and say unto him, Thus saith the Lord God of the Hebrews, Let my people go, that they may serve me. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan' i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mifohaza maraina koa hianao ka tongava any amin' i Faraona, dia lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitry ny Hebrio: Alefao handeha hanompo ahy ny vahoakako. Yahvé dit à Moïse : " Lève-toi de bon matin et tiens-toi devant Pharaon. Tu lui diras : Ainsi parle Yahvé, le Dieu des Hébreux : "Laisse partir mon peuple, qu' il me serve. "
...............
Eks 9.20 He that feared the word of the Lord among the servants of Pharaoh made his servants and his cattle flee into the houses: Ary izay natahotra ny tenin' i Jehovah teo amin' ny mpanompon' i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano; Ka izay natahotra ny tenin' ny Tompo, teo amin' ny mpanompon' i Faraona, dia nampiditra an-trano ny mpanompony mbamin' ny bibiny. Celui des serviteurs de Pharaon qui craignit la parole de Yahvé fit rentrer en hâte ses esclaves et ses troupeaux dans les maisons.
...............
Eks 9.27 And Pharaoh sent, and called for Moses and Aaron, and said unto them, I have sinned this time: the Lord is righteous, and I and my people are wicked. Dia naniraka Farao nampaka an' i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin' izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka. Nampiantso an' i Moizy sy Aarona Faraona ka nanao taminy hoe: Nanota aho tamin' ity indray maka ity; Iaveh no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka. Pharaon fit appeler Moïse et Aaron et leur dit : " Cette fois, j' ai péché ; c' est Yahvé qui est juste, moi et mon peuple, nous sommes coupables.
...............
Eks 9.33 And Moses went out of the city from Pharaoh, and spread abroad his hands unto the Lord: and the thunders and hail ceased, and the rain was not poured upon the earth. Ary Mosesy niala teo amin' i Farao ka nankeo ivelan' ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin' i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin' ny tany intsony. Niala avy ao amin' i Faraona ary nivoaka ny tanàna Moizy, dia nanandratra ny tànany tany amin' ny Tompo, ka ny kotrok' orana sy ny havandra nitsahatra, ary ny ranonorana nijanona tsy nilatsaka tamin' ny tany intsony. Moïse sortit de chez Pharaon et de la ville ; il étendit les mains vers Yahvé ; le tonnerre et la grêle cessèrent, et la pluie ne se déversa plus sur la terre.
Eks 9.34 And when Pharaoh saw that the rain and the hail and the thunders were ceased, he sinned yet more, and hardened his heart, he and his servants. Ary nony hitan' i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony. Fa Faraona kosa nony nahita fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrok' orana, dia mbola nanohy ny fahotany indray. Quand Pharaon vit que la pluie, la grêle et le tonnerre avaient cessé, il recommença à pécher, et lui et ses serviteurs appesantirent leur coeur.
Eks 9.35 And the heart of Pharaoh was hardened, neither would he let the children of Israel go; as the Lord had spoken by Moses. Dia nihamafy ny fon' i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak' Isiraely izy, araka izay efa nampilazain' i Jehovah an' i Mosesy. Nihadonto ny fon' i Faraona ka tsy nalefany handeha ny zanak' Israely, araka ny efa voalazan' ny Tompo tamin' ny vavan' i Moizy. Le coeur de Pharaon s' endurcit et il ne laissa pas partir les Israélites, comme Yahvé l' avait prédit par Moïse.
Eks 10.1 And the Lord said unto Moses, Go in unto Pharaoh: for I have hardened his heart, and the heart of his servants, that I might shew these my signs before him: Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mankanesa ao amin' i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon' ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy; Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mankanesa any amin' i Faraona, fa efa nahadonto ny fony sy ny fon' ny mpanompony aho, hanaovako ny famantarako eo afovoany, Yahvé dit à Moïse : " Va trouver Pharaon car c' est moi qui ai appesanti son coeur et le coeur de ses serviteurs afin d' opérer mes signes au milieu d' eux,
...............
Eks 10.3 And Moses and Aaron came in unto Pharaoh, and said unto him, Thus saith the Lord God of the Hebrews, How long wilt thou refuse to humble thyself before me? let my people go, that they may serve me. Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin' i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy. Dia nankany amin' i Faraona Moizy sy Aarona ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitry ny Hebrio: Mandra-pahoviana no handavanao tsy hietry eo anatrehako? Alefaso ny vahoakako hanompo ahy. Moïse et Aaron allèrent trouver Pharaon et lui dirent : " Ainsi parle Yahvé le Dieu des Hébreux : Jusqu'à quand refuseras-tu de t' humilier devant moi ? Laisse partir mon peuple, qu' il me serve.
...............
Eks 10.6 And they shall fill thy houses, and the houses of all thy servants, and the houses of all the Egyptians; which neither thy fathers, nor thy fathers' fathers have seen, since the day that they were upon the earth unto this day. And he turned himself, and went out from Pharaoh. dia hameno ny tranonao sy ny tranon' ny mpanomponao rehetra ary ny tranon' ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan' ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr' izay andro niainany tetý ambonin' ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin' i Farao. ho hipoka azy avokoa ny tranonao sy ny tranom-panomponao, ary ny an' ny Ejipsiana rehetra. Tsy mbola nisy nahita loza toy izany na ny rainao na ny raibenao, hatrizay nisiany tety ambonin' ny tany, ka mandrak' ankehitriny. Dia lasa Moizy, ka niala teo amin' i Faraona. Elles rempliront tes maisons, les maisons de tous tes serviteurs et les maisons de tous les Égyptiens, ce que tes pères et les pères de tes pères n' ont jamais vu, depuis le jour où ils sont venus sur terre, jusqu'à ce jour. " Puis il se retourna et sortit de chez Pharaon.
Eks 10.7 And Pharaoh' s servants said unto him, How long shall this man be a snare unto us? let the men go, that they may serve the Lord their God: knowest thou not yet that Egypt is destroyed? Ary hoy ny mpanompon' i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an' i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta? Ka hoy ny mpanompon' i Faraona taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika ho antsika ralehilahy iny? Alefaso handeha ireo olona ireo, hanompoany an' ny Tompo Andriamaniny. Tsy mbola hitanao ve fa efa ho levona ity Ejipta? Les serviteurs de Pharaon lui dirent : " Jusqu'à quand celui-ci nous sera-t-il un piège ? Laisse partir ces gens, qu' ils servent Yahvé leur Dieu. Ne sais-tu pas encore que l'Égypte va à sa ruine ? "
Eks 10.8 And Moses and Aaron were brought again unto Pharaoh: and he said unto them, Go, serve the Lord your God: but who are they that shall go? Dia nisy nampiverina an' i Mosesy sy Arona hankao amin' i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an' i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha? Dia nasaina niverina ho eo amin' i Faraona Moizy sy Aarona, ka hoy izy taminy: Mandehana àry, manompoa an' ny Tompo Andriamanitrareo. Iza avy moa no tsy maintsy mankany? On fit revenir Moïse et Aaron auprès de Pharaon qui leur dit : " Allez servir Yahvé votre Dieu, mais qui sont ceux qui vont s' en aller ? "
...............
Eks 10.10 And he said unto them, Let the Lord be so with you, as I will let you go, and your little ones: look to it; for evil is before you. Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin' ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo. Fa hoy Faraona tamin' izy ireo: Homba anareo anie Iaveh, araka ny hamelako anareo handeha, dia hianareo sy ny zanakareo. Tandremo fa manan-kevi-dratsy hianareo! Pharaon dit : " Que Yahvé soit avec vous comme je vais vous laisser partir, vous, vos femmes et vos enfants !Voyez comme vous avez de mauvais desseins !
Eks 10.11 Not so: go now ye that are men, and serve the Lord; for that ye did desire. And they were driven out from Pharaoh' s presence. Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an' i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan' i Farao. Tsia, hianareo lehilahy no mandehana ka manompoa an' ny Tompo, fa izany ihany no angatahinareo. Dia noroahina hiala teo anatrehan' i Faraona izy ireo. Non !Allez, vous, les hommes, servir Yahvé, puisque c' est là ce que vous demandez. " Et on les expulsa de la présence de Pharaon.
...............
Eks 10.16 Then Pharaoh called for Moses and Aaron in haste; and he said, I have sinned against the Lord your God, and against you. Ary Farao dia nampaka an' i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin' i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho. Koa nampanalain' i Faraona faingana Moizy sy Aarona nilazany hoe: Efa nanota tamin' ny Tompo Andriamanitrareo sy taminareo aho. Pharaon se hâta d' appeler Moïse et Aaron et dit : " J' ai péché contre Yahvé votre Dieu et contre vous.
...............
Eks 10.18 And he went out from Pharaoh, and intreated the Lord. Dia niala teo amin' i Farao izy ka nangataka tamin' i Jehovah. Niala avy ao amin' i Faraona Moizy, dia nangataka tamin' ny Tompo, Moïse sortit de chez Pharaon et pria Yahvé.
...............
Eks 10.20 But the Lord hardened Pharaoh' s heart, so that he would not let the children of Israel go. Nefa Jehovah nanamafy ny fon' i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak' Isiraely izy. Nohamafisin' ny Tompo anefa ny fon' i Faraona ka tsy nalefan' i Faraona handeha ny zanak' Israely. Mais Yahvé endurcit le coeur de Pharaon et il ne laissa pas partir les Israélites.
...............
Eks 10.24 And Pharaoh called unto Moses, and said, Go ye, serve the Lord; only let your flocks and your herds be stayed: let your little ones also go with you. Ary Farao dia nampaka an' i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an' i Jehovah; fa ny ondry aman' osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa. Koa nampaka an' i Moizy Faraona nilazany hoe: Mandehana hianareo, manompoa an' ny Tompo, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa. Pharaon appela Moïse et lui dit : " Allez servir Yahvé, mais votre petit et votre gros bétail devra rester ici. Même vos femmes et vos enfants pourront aller avec vous. "
...............
Eks 10.27 But the Lord hardened Pharaoh' s heart, and he would not let them go. Ary Jehovah dia nanamafy ny fon' i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy. Nohamafisin' ny Tompo anefa ny fon' i Faraona, ka tsy nety nandefa azy ireo Faraona. Mais Yahvé endurcit le coeur de Pharaon et il ne voulut pas les laisser partir.
Eks 10.28 And Pharaoh said unto him, Get thee from me, take heed to thyself, see my face no more; for in that day thou seest my face thou shalt die. Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin' izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao. Fa hoy Faraona tamin' i Moizy: Mialà amiko eto. Ary tandremo fandrao mitranga aty anatrehako aty intsony, fa izay andro hitranganao aty anatrehako dia ho faty hianao. Pharaon dit à Moïse : " Hors d' ici !Prends garde à toi !ne te présente plus devant moi, car le jour où tu te présenteras devant moi, tu mourras. "
Eks 11.1 And the Lord said unto Moses, Yet will I bring one plague more upon Pharaoh, and upon Egypt; afterwards he will let you go hence: when he shall let you go, he shall surely thrust you out hence altogether. Fa Jehovah nilaza tamin' i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin' i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atý izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atý. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Loza iray sisa hameliko an' i Faraona sy Ejipta, fa rahefa afaka izany, dia halefany hiala aty hianareo; ary rahefa handefa anareo tokoa izy, dia horoahiny aza hianareo hiala aty. Yahvé dit à Moïse : " Je vais encore envoyer une plaie à Pharaon et à l'Égypte, après quoi il vous renverra d' ici. Quand il vous renverra, ce sera fini, et même, il vous expulsera d' ici.
...............
Eks 11.3 And the Lord gave the people favour in the sight of the Egyptians. Moreover the man Moses was very great in the land of Egypt, in the sight of Pharaoh' s servants, and in the sight of the people. Dia nataon' i Jehovah nahita fitia teo imason' ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin' ny tany Egypta, dia teo imason' ny mpanompon' i Farao sy teo imason' ny vahoaka. Dia nataon' ny Tompo nahita fitia teo imason' ny Ejipsiana ny vahoaka; ary Moizy aza dia tonga nanan-kaja indrindra tany an-tany Ejipta, na tamin' ny mpanompon' i Faraona na tamin' ny vahoaka. Yahvé fit que le peuple trouvât grâce aux yeux des Égyptiens. Moïse lui-même était un très grand personnage au pays d'Égypte, aux yeux des serviteurs de Pharaon et aux yeux du peuple.
...............
Eks 11.5 And all the firstborn in the land of Egypt shall die, from the first born of Pharaoh that sitteth upon his throne, even unto the firstborn of the maidservant that is behind the mill; and all the firstborn of beasts. dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin' ny tany Egypta, hatramin' ny matoan' i Farao izay mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianany ka hatramin' ny matoan' ny ankizivaviny izay eo anilan' ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. ka ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin' ny tany Ejipta, hatramin' ny lahimatoan' i Faraona mipetraka eo amin' ny seza fiandrianany, ka hatramin' ny lahimatoan' ny andevovaviny eo am-pototry ny vato fitotoam-bary, mbamin' ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. et tous les premiers-nés mourront dans le pays d'Égypte, aussi bien le premier-né de Pharaon qui doit s' asseoir sur son trône, que le premier-né de la servante qui est derrière la meule, ainsi que tous les premiers-nés du bétail.
...............
Eks 11.8 And all these thy servants shall come down unto me, and bow down themselves unto me, saying, Get thee out, and all the people that follow thee: and after that I will go out. And he went out from Pharaoh in a great anger. Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin' i Farao tamin' ny fahatezerana mirehitra Mosesy. Izay ny mpanomponao rehetra etoana dia hidina hankany amiko sy hiankohoka eo anatrehako, ka hanao hoe: Mandehana any avokoa, hianao sy ny vahoaka rehetra manaraka anao. Ary izay koa aho vao handeha. Dia tamim-pahatezerana mirehitra no nivoahan' i Moizy avy ao amin' i Faraona. Alors tous tes serviteurs que voici viendront me trouver et se prosterneront devant moi en disant : "Va-t' en, toi et tout le peuple qui marche à ta suite ! " Après quoi je partirai. " Et, enflammé de colère, il sortit de chez Pharaon.
Eks 11.9 And the Lord said unto Moses, Pharaoh shall not hearken unto you; that my wonders may be multiplied in the land of Egypt. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan' ny fahagagana izay hataoko eto amin' ny tany Egypta. Hoy Iaveh tamin' i Moizy nanao hoe: Tsy hihaino anareo Faraona mba hahamaro ny fahagagana hataoko amin' ny tany Ejipta. Yahvé dit à Moïse : " Pharaon ne vous écoutera pas, afin que se multiplient mes prodiges au pays d'Égypte. "
Eks 11.10 And Moses and Aaron did all these wonders before Pharaoh: and the Lord hardened Pharaoh' s heart, so that he would not let the children of Israel go out of his land. Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin' i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon' i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak' Isiraely hiala tamin' ny taniny izy. Nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo anatrehan' i Faraona Moizy sy Aarona ary nohamafisin' ny Tompo ny fon' i Faraona, ka tsy navelany hiala amin' ny taniny ny zanak' Israely. Moïse et Aaron accomplirent tous ces prodiges devant Pharaon ; mais Yahvé endurcit le coeur de Pharaon et il ne laissa pas les Israélites partir de son pays.
...............
Eks 12.29 And it came to pass, that at midnight the Lord smote all the firstborn in the land of Egypt, from the firstborn of Pharaoh that sat on his throne unto the firstborn of the captive that was in the dungeon; and all the firstborn of cattle. Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin' ny tany Egypta, hatramin' ny lahimatoan' i Farao izay nipetraka teo ambonin' ny seza fiandrianany ka hatramin' ny lahimatoan' ny babo izay tao amin' ny trano-maizina, mbamin' izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. Nony nisasaka ny alina dia novonoin' ny Tompo avokoa ny lahimatoa tany amin' ny tany Ejipta, hatramin' ny lahimatoan' i Faraona mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianany, ka hatramin' ny lahimatoan' ny babo izay tao amin' ny tranomaizina, ary ny lahy voalohan-teraky ny biby rehetra. Au milieu de la nuit, Yahvé frappa tous les premiers-nés dans le pays d'Égypte, aussi bien le premier-né de Pharaon qui devait s' asseoir sur son trône, que le premier-né du captif dans la prison et tous les premiers-nés du bétail.
Eks 12.30 And Pharaoh rose up in the night, he, and all his servants, and all the Egyptians; and there was a great cry in Egypt; for there was not a house where there was not one dead. Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana. Nifoha iny alina iny ihany Faraona sy ny mpanompony mbamin' ny Ejipsiana rehetra, ka fidradradradrana lozan-tany no re eran' i Ejipta, fa tsy nisy trano tsy nisy maty. Pharaon se leva pendant la nuit, ainsi que tous ses serviteurs et tous les Égyptiens, et ce fut en Égypte une grande clameur car il n' y avait pas de maison où il n' y eût un mort.
Eks 12.31 And he called for Moses and Aaron by night, and said, Rise up, and get you forth from among my people, both ye and the children of Israel; and go, serve the Lord, as ye have said. Dia nampaka an' i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin' ny vahoakako ianareo sy ny Zanak' Isiraely, ary mandehana ka manompoa an' i Jehovah araka ny nolazainareo. Mbola alina dia nampaka an' i Moizy sy Aarona Faraona ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eto amin' ny vahoakako hianareo sy ny zanak' Israely; mandehana manompo an' ny Tompo araka ny voalazanareo. Pharaon appela Moïse et Aaron pendant la nuit et leur dit : " Levez-vous et sortez du milieu de mon peuple, vous et les Israélites, et allez servir Yahvé comme vous l' avez demandé.
...............
Eks 13.15 And it came to pass, when Pharaoh would hardly let us go, that the Lord slew all the firstborn in the land of Egypt, both the firstborn of man, and the firstborn of beast: therefore I sacrifice to the Lord all that openeth the matrix, being males; but all the firstborn of my children I redeem. ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin' i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin' ny tany Egypta, hatramin' ny lahimatoan' ny olona ka hatramin' ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an' i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin' ny zanako dia soloako. Fa rahefa nikiry tsy nety nandefa anay Faraona dia novonoin' ny Tompo ny lahimatoa rehetra tamin' ny tany Ejipta, hatramin' ny lahimatoan' ny olona, ka hatramin' ny lahy voalohan-teraky ny biby. Izany no anolorako ny lahy voalohan-teraka rehetra ho sorona amin' ny Tompo sy hanavotako ny lahimatoa rehetra amin' ny zanako lahy. Comme Pharaon s' entêtait à ne pas nous laisser partir, Yahvé fit périr tous les premiers-nés au pays d'Égypte, aussi bien les premiers-nés des hommes que les premiers-nés du bétail. C' est pourquoi je sacrifie à Yahvé tout mâle sorti le premier du sein maternel et je rachète tout premier-né de mes fils. "
...............
Eks 13.17 And it came to pass, when Pharaoh had let the people go, that God led them not through the way of the land of the Philistines, although that was near; for God said, Lest peradventure the people repent when they see war, and they return to Egypt: Ary rehefa nalefan' i Farao ny olona, dia tsy mba nentin' Andriamanitra tamin' ny lalana nankany amin' ny tanin' ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta. Nony nalefan' i Faraona handeha ny vahoaka, dia tsy nentin' Andriamanitra hihazo ny làlana amin' ny tanin' ny Filistìna, na iny aza no akaiky, satria hoy Andriamanitra: Sao dia manenina ny vahoaka raha mahita ny ady, ka hiverina any Ejipta. Lorsque Pharaon eut laissé partir le peuple, Dieu ne lui fit pas prendre la route du pays des Philistins, bien qu' elle fût plus proche, car Dieu s'était dit qu'à la vue des combats le peuple pourrait se repentir et retourner en Égypte.
...............
Eks 14.3 For Pharaoh will say of the children of Israel, They are entangled in the land, the wilderness hath shut them in. Ary Farao hilaza ny Zanak' Isiraely hoe: Azon' ny tamberintany izy ka voahidin' ny efitra. Dia izao no ho filazan' i Faraona ny zanak' Israely: Very làlana any ho any izy ireo ka tafahitsoka any an' efitra. Pharaon dira des Israélites : "Les voilà qui errent dans le pays, le désert s' est refermé sur eux. "
Eks 14.4 And I will harden Pharaoh' s heart, that he shall follow after them; and I will be honoured upon Pharaoh, and upon all his host; that the Egyptians may know that I am the Lord. And they did so. Dia hanamafy ny fon' i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin' i Farao sy amin' ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon' ny Zanak' Isiraely izany. Ary hohamafisiko ny fon' i Faraona ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin' i Faraona sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejipsiana fa Iaveh aho. Dia nataon' ny zanak' Israely izany. J' endurcirai le coeur de Pharaon et il se lancera à leur poursuite. Je me glorifierai aux dépens de Pharaon et de toute son armée, et les Égyptiens sauront que je suis Yahvé. " C' est ce qu' ils firent.
Eks 14.5 And it was told the king of Egypt that the people fled: and the heart of Pharaoh and of his servants was turned against the people, and they said, Why have we done this, that we have let Israel go from serving us? Ary nisy nanambara tamin' ny mpanjakan' i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon' i Farao sy ny mpanompony ny amin' ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin' ny fanompoany antsika isika? Nilazana ny mpanjakan' i Ejipta fa hoe: lasa nandositra ny vahoaka. Tamin' izay dia voaova ny fon' i Faraona sy ny mpanompony, ny amin' ny vahoaka, fa hoy izy ireo: Naninona ity isika no nandefa an' Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika? Lorsqu' on annonça au roi d'Égypte que le peuple avait fui, le coeur de Pharaon et de ses serviteurs changea à l'égard du peuple. Ils dirent : " Qu' avons-nous fait là, de laisser Israël quitter notre service !"
Eks 14.6 And he made ready his chariot, and took his people with him: Dia nasainy nofehezina tamin' ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy. Dia nasain' i Faraona nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany. Pharaon fit atteler son char et emmena son armée.
...............
Eks 14.8 And the Lord hardened the heart of Pharaoh king of Egypt, and he pursued after the children of Israel: and the children of Israel went out with an high hand. Ary Jehovah nanamafy ny fon' i Farao, mpanjakan' i Egypta, dia nanenjika ny Zanak' Isiraely izy, na dia tamin' ny tanana avo aza no nivoahany. Nohamafisin' ny Tompo ny fon' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, ka nanenjika ny zanak' Israely Faraona, ary tamin' ny tànana voasandratra no nivoahan' ny zanak' Israely. Yahvé endurcit le coeur de Pharaon, le roi d'Égypte, qui se lança à la poursuite des Israélites sortant la main haute.
Eks 14.9 But the Egyptians pursued after them, all the horses and chariots of Pharaoh, and his horsemen, and his army, and overtook them encamping by the sea, beside Pihahiroth, before Baalzephon. Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin' i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron' ny ranomasina, teo anilan' i Pi-hahirota, tandrifin' i Balazefona. Koa nanenjika azy ny Ejipsiana ka nahatratra azy tao akaikin' ny ranomasina izay nitobiany: nahatratra azy teo akaikin' i Fihahirota, tandrifin' i Beelsefona avokoa ny soavaly mpitarika kalesin' i Faraona sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin' ny tafiny rehetra. Les Égyptiens se lancèrent à leur poursuite et les rejoignirent alors qu' ils campaient au bord de la mer - tous les chevaux de Pharaon, ses chars, ses cavaliers et son armée - près de Pi-Hahirot, devant Baal-Çephôn.
Eks 14.10 And when Pharaoh drew nigh, the children of Israel lifted up their eyes, and, behold, the Egyptians marched after them; and they were sore afraid: and the children of Israel cried out unto the Lord. Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin' ny Zanak' Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak' Isiraely ka nitaraina tamin' i Jehovah. Nony mby akaiky Faraona, natopin' ny zanak' Israely ny masony, dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejipsiana, ka raiki-tahotra mafy ny zanak' Israely, sy velon-taraina tamin' ny Tompo. Comme Pharaon approchait, les Israélites levèrent les yeux, et voici que les Égyptiens les poursuivaient. Les Israélites eurent grand-peur et crièrent vers Yahvé.
...............
Eks 14.17 And I, behold, I will harden the hearts of the Egyptians, and they shall follow them: and I will get me honour upon Pharaoh, and upon all his host, upon his chariots, and upon his horsemen. Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon' ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin' i Farao sy amin' ny miaramilany rehetra mbamin' ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, ary izaho hanamafy ny fon' ny Ejipsiana hanarahany azy ireo avy ao aoriana, ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin' i Faraona sy ny tafiny rehetra, mbamin' ny kalesiny amam-pitaingin-tsoavaliny. Moi, j' endurcirai le coeur des Égyptiens, ils pénétreront à leur suite et je me glorifierai aux dépens de Pharaon, de toute son armée, de ses chars et de ses cavaliers.
Eks 14.18 And the Egyptians shall know that I am the Lord, when I have gotten me honour upon Pharaoh, upon his chariots, and upon his horsemen. dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin' i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. Ka ho fantatry ny Ejipsiana fa Iaveh aho, rahefa hanehoako ny voninahitro Faraona sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny. Les Égyptiens sauront que je suis Yahvé quand je me serai glorifié aux dépens de Pharaon, de ses chars et de ses cavaliers. "
...............
Eks 14.23 And the Egyptians pursued, and went in after them to the midst of the sea, even all Pharaoh' s horses, his chariots, and his horsemen. Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan' ny ranomasina, dia ny soavalin' i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. Nanenjika azy ny Ejipsiana, ka niditra nanaraka azy teo afovoan' ny ranomasina avokoa ny soavalin' i Faraona mbamin' ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny. Les Égyptiens les poursuivirent, et tous les chevaux de Pharaon, ses chars et ses cavaliers pénétrèrent à leur suite au milieu de la mer.
...............
Eks 14.28 And the waters returned, and covered the chariots, and the horsemen, and all the host of Pharaoh that came into the sea after them; there remained not so much as one of them. Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan' i Farao rehetra izay niditra teo amin' ny ranomasina nanenjika ny Zanak' Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. Nony nikatona ny rano dia nanafotra ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly mbamin' ny tafik' i Faraona rehetra izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak' Israely: tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza. Les eaux refluèrent et recouvrirent les chars et les cavaliers de toute l' armée de Pharaon, qui avaient pénétré derrière eux dans la mer. Il n' en resta pas un seul.
...............
Eks 15.4 Pharaoh' s chariots and his host hath he cast into the sea: his chosen captains also are drowned in the Red sea. Ny kalesin' i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin' ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin' ny Ranomasina Mena. Ny kalesy aman-tafik' i Faraona navariny an-dranomasina; Ny kapiteny voafantina natelin' ny ranomasina Mena; Les chars de Pharaon et son armée, il les a jetés à la mer, l'élite de ses officiers, la mer des Roseaux l' a engloutie.
...............
Eks 15.19 For the horse of Pharaoh went in with his chariots and with his horsemen into the sea, and the Lord brought again the waters of the sea upon them; but the children of Israel went on dry land in the midst of the sea. Fa niditra teo amin' ny ranomasina ny soavalin' i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak' Isiraely kosa nandeha tamin' ny tany maina teo afovoan' ny ranomasina. Fa ny soavalin' i Faraona Sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny dia tafiditra ny ranomasina; Ka nosaforan' ny Tompo Ny ranon' ny ranomasina izy ireo, Ary ny zanak' Israely kosa nandia Tany maina teo afovoan' ny ranomasina. Car lorsque la cavalerie de Pharaon avec ses chars et ses cavaliers était entrée dans la mer, Yahvé avait fait refluer sur eux les eaux de la mer, alors que les Israélites avaient marché à pied sec au milieu de la mer.
...............
Eks 18.4 And the name of the other was Eliezer; for the God of my father, said he, was mine help, and delivered me from the sword of Pharaoh: ary Eliezera kosa no anaran' ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan' ny sabatr' i Farao. ary ny iray natao hoe: Eliezera, fa hoy izy: Novonjen' ny Andriamanitry ny raiko aho, fa nafahany tamin' ny sabatr' i Faraona. l' autre s' appelait Éliézer car, " le Dieu de mon père est mon secours et m' a délivré de l'épée de Pharaon ".
...............
Eks 18.8 And Moses told his father in law all that the Lord had done unto Pharaoh and to the Egyptians for Israel' s sake, and all the travail that had come upon them by the way, and how the Lord delivered them. Ary nambaran' i Mosesy tamin' ny rafozany izay rehetra efa nataon' i Jehovah tamin' i Farao sy tamin' ny Egyptiana noho ny amin' ny Isiraely, mbamin' ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen' i Jehovah azy. Notantarain' i Moizy tamin' ny rafozany avokoa ny nataon' ny Tompo tamin' i Faraona sy ny Ejipsiana, noho ny amin' Israely; ny fahoriana rehetra nanjò azy teny an-dàlana, ary ny namonjen' ny Tompo azy. Moïse raconta à son beau-père tout ce que Yahvé avait fait à Pharaon et aux Égyptiens à cause d' Israël, ainsi que toutes les tribulations qu' ils avaient rencontrées en chemin, et dont Yahvé les avait délivrés.
...............
Eks 18.10 And Jethro said, Blessed be the Lord, who hath delivered you out of the hand of the Egyptians, and out of the hand of Pharaoh, who hath delivered the people from under the hand of the Egyptians. Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin' ny tanan' ny Egyptiana sy tamin' ny tànan' i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin' ny Egyptiana. Ary hoy Jetrao: Isaorana anie Iaveh izay nanafaka anareo tamin' ny tànan' ny Ejipsiana. Jéthro dit alors : " Béni soit Yahvé qui vous a délivrés de la main des Égyptiens et de la main de Pharaon, qui a délivré le peuple de la sujétion égyptienne.

  Deuteronomy Fifanekena na Detoronomia Fifanekena na Detoronomy Le Deutéronome
...............
Deo / Dt 6.21 Then thou shalt say unto thy son, We were Pharaoh' s bondmen in Egypt; and the Lord brought us out of Egypt with a mighty hand: Dia holazainao aminy hoe: Andevon' i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran' i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta. dia lazao amin' ny zanakao hoe: Andevon' i Faraona tany Ejipta izahay; ary tànana mahery no nitondran' ny Tompo anay nivoaka avy tany Ejipta; tu diras à ton fils : " Nous étions esclaves de Pharaon, en Égypte, et Yahvé nous a fait sortir d'Égypte par sa main puissante.
Deo / Dt 6.22 And the Lord shewed signs and wonders, great and sore, upon Egypt, upon Pharaoh, and upon all his household, before our eyes: Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin' ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika. fahagagana amam-pamantarana lehibe sy mandoza no nataon' ny Tompo, namelezany an' i Ejipta sy Faraona mbamin' ny ankohonany rehetra teo imasonay; Yahvé a accompli sous nos yeux des signes et des prodiges grands et terribles contre l'Égypte, Pharaon et toute sa maison.
...............
Deo / Dt 7.8 But because the Lord loved you, and because he would keep the oath which he had sworn unto your fathers, hath the Lord brought you out with a mighty hand, and redeemed you out of the house of bondmen, from the hand of Pharaoh king of Egypt. fa ny nitiavan' i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin' ny razanareo no nitondran' i Jehovah anareo tamin' ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin' ny trano nahandevozana dia tamin' ny tànan' i Farao, mpanjakan' i Egypta. fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin' ny razanareo, dia nentin' ny Tompo nivoaka, tamin' ny tànana mahery, sy navotany tamin' ny trano fanandevozana hianareo, dia tamin' ny tànan' i Faraona mpanjakan' i Ejipta. Mais c' est par amour pour vous et pour garder le serment juré à vos pères, que Yahvé vous a fait sortir à main forte et t' a délivré de la maison de servitude, du pouvoir de Pharaon, roi d'Égypte.
...............
Deo / Dt 7.18 Thou shalt not be afraid of them: but shalt well remember what the Lord thy God did unto Pharaoh, and unto all Egypt; dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon' i Jehovah Andriamanitrao tamin' i Farao sy ny Egyptiana rehetra, dia aza matahotra azy, fa tsarovy ao an-tsainao ny nataon' ny Tompo Andriamanitrao, tamin' i Faraona sy Ejipta rehetra. Ne les crains pas : rappelle-toi donc ce que Yahvé ton Dieu a fait à Pharaon et à toute l'Égypte,
...............
Deo / Dt 11.3 And his miracles, and his acts, which he did in the midst of Egypt unto Pharaoh the king of Egypt, and unto all his land; sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, sy ny taniny rehetra, ny fahagagana aman' asa nataony teo afovoan' i Ejipta, tamin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta sy tamin' ny taniny rehetra; les signes et les oeuvres qu' il a accomplis au coeur de l'Égypte, contre Pharaon, roi d'Égypte, et tout son pays,
Deo / Dt 29.1 These are the words of the covenant, which the Lord commanded Moses to make with the children of Israel in the land of Moab, beside the covenant which he made with them in Horeb. Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon' i Jehovah teo imasonareo tany amin' ny tany Egypta tamin' i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, Niantso an' Israely rehetra Moizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon' ny Tompo teo imasonareo, tany amin' ny tany Ejipta, tamin' i Faraona sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, Moïse convoqua tout Israël et leur dit : Vous avez vu tout ce que Yahvé a fait sous vos yeux au pays d'Égypte, tant à Pharaon et à tous ses serviteurs qu'à tout son pays :
...............
Deo / Dt 34.11 In all the signs and the wonders, which the Lord sent him to do in the land of Egypt to Pharaoh, and to all his servants, and to all his land, tamin' ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan' i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin' i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra na ny amin' ny famantarana amam-pahagagana nanirahan' ny Tompo azy tany Ejipta, hanaovany izany tamin' i Faraona sy ny mpanompony mbamin' ny taniny rehetra, Que de signes et de prodiges Yahvé lui fit accomplir au pays d'Égypte, contre Pharaon, tous ses serviteurs et tout son pays !

  1st Samuel 1 Samoela Samoela I 1er Livre de Samuel
...............
1Sm / 1Sam 2.27 And there came a man of God unto Eli, and said unto him, Thus saith the Lord, Did I plainly appear unto the house of thy father, when they were in Egypt in Pharaoh' s house? Ary nisy lehilahin' Andriamanitra nankany amin' i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin' ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon' i Farao izy? Ary nisy olon' Andriamanitra anankiray tonga tao amin' i Helì ary nilaza taminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Tsy efa niseho mazava tamin' ny ankohonan-drainao va aho, fony izy mbola tany Ejipta tao an-tranon' i Faraona? Un homme de Dieu vint chez Éli et lui dit : " Ainsi parle Yahvé. Voilà donc que je me suis révélé à la maison de ton père quand ils étaient en Égypte, esclaves de la maison de Pharaon.
...............
1Sm / 1Sam 6.6 Wherefore then do ye harden your hearts, as the Egyptians and Pharaoh hardened their hearts? when he had wrought wonderfully among them, did they not let the people go, and they departed? Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian' ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa? Nahoana hianareo no dia hanamafy ny fonareo, toy ny nanamafisan' i Ejipta sy Faraona ny fony? Tsy nalefan' ireo handeha va ny zanak' Israely, nony efa nasiany tamin' ny saziny izy ireo? Pourquoi endurciriez-vous votre coeur comme l' ont endurci les Égyptiens et Pharaon ? Lorsque Dieu les eut malmenés, ne les ont-ils pas laissés partir ?

  1st Book of Kings 1 Mpanjaka Mpanjaka I 1er Livre des Rois
1Mp 3.1 And Solomon made affinity with Pharaoh king of Egypt, and took Pharaoh' s daughter, and brought her into the city of David, until he had made an end of building his own house, and the house of the Lord, and the wall of Jerusalem round about. Ary Solomona tonga vinanton' i Farao, mpanjakan' i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin' i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan' i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon' i Jehovah ary ny màndan' i Jerosalema manodidina. Nisy fihavanam-panambadiana nampiray an' i Salomona tamin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, fa nanambady ny zanakavavin' i Faraona izy, dia nitondra azy ho ao an-tanànan' i Davida, mandra-pahatapitra ny fanorenana ny tranony sy ny tranon' ny Tompo ary ny manda manodidina an' i Jerosalema. Salomon devint le gendre de Pharaon, le roi d'Égypte ; il prit pour femme la fille de Pharaon et l' introduisit dans la cité de David, en attendant d' avoir achevé de construire son palais, le Temple de Yahvé et le rempart de Jérusalem.
...............
1Mp 7.8 And his house where he dwelt had another court within the porch, which was of the like work. Solomon made also an house for Pharaoh' s daughter, whom he had taken to wife, like unto this porch. Ary ny tranony izay nitoerany teo amin' ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin' io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an' ny zanakavavin' i Farao, izay efa nampakariny ho vady. Ny trano nitoerany dia nataony torak' izany koa, tao amin' ny kianja anankiray manarakaraka ny trano heva, ary nanao trano mitovy amin' io trano heva io koa izy, ho an' ny zanakavavin' i Faraona izay nampakarin' i Salomona ho vady. Son habitation privée, dans l' autre cour et à l' intérieur par rapport au vestibule, avait la même façon ; il y avait aussi une maison, semblable à ce vestibule, pour la fille de Pharaon, qu' il avait épousée.
...............
1Mp 9.16 For Pharaoh king of Egypt had gone up, and taken Gezer, and burnt it with fire, and slain the Canaanites that dwelt in the city, and given it for a present unto his daughter, Solomon' s wife. (fa Farao, mpanjakan' i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an' i Gazera ka nandoro azy tamin' ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an' ny zananivavy, vadin' i Solomona), Faraona mpanjakan' i Ejipta, dia efa niakatra ka nahafaka an' i Gazera, dia nodorany ny tanàna, novonoiny ny Kananeana nonina tao an-tanàna, dia nomeny ho haren-jazavavy izy, ho an' ilay zanany vadin' i Salomona. Pharaon, le roi d'Égypte, fit une expédition, prit Gézèr, l' incendia et massacra les Cananéens qui y habitaient, puis il donna la ville en cadeau de noces à sa fille, la femme de Salomon,
...............
1Mp 9.24 But Pharaoh' s daughter came up out of the city of David unto her house which Solomon had built for her: then did he build Millo. Ary rehefa niakatra avy any an-Tanànan' i Davida ny zanakavavin' i Farao hankany amin' ny tranony izay nataon' i Solomona ho azy, dia nanao an' i Milo koa izy. Ary niakatra ny zanakavavin' i Faraona avy any an-tanànan' i Davida, ho ao amin' ny tranony, izay nataon' i Salomona ho azy, ka tamin' izay izy no nanorina an' i Melao. Dès que la fille de Pharaon fut montée de la Cité de David à sa maison qu' il lui avait construite, alors il bâtit le Millo.
1Mp 11.1 But king Solomon loved many strange women, together with the daughter of Pharaoh, women of the Moabites, Ammonites, Edomites, Zidonians, and Hittites: Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin' i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita, Afatsy ny zanakavavin' i Faraona, maro koa no vehivavy hafa firenena tian' i Salomona, dia ny Moabita, ny Amonita, ny Edomita, ny Sidoniana, ny Heteana, Le roi Salomon aima beaucoup de femmes étrangères - outre la fille de Pharaon - : des Moabites, des Ammonites, des Édomites, des Sidoniennes, des Hittites,
...............
1Mp 11.18 And they arose out of Midian, and came to Paran: and they took men with them out of Paran, and they came to Egypt, unto Pharaoh king of Egypt; which gave him an house, and appointed him victuals, and gave him land. Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa. Nony niala tany Madiana izy, dia nankany Farana, ary naka olona avy tao Farana hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, ka nomen' izy io trano Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany. Ils partirent de Madiân et arrivèrent à Parân ; ils prirent avec eux des hommes de Parân et allèrent en Égypte auprès de Pharaon, roi d'Égypte, qui lui donna une maison, assura son entretien et lui assigna une terre.
1Mp 11.19 And Hadad found great favour in the sight of Pharaoh, so that he gave him to wife the sister of his own wife, the sister of Tahpenes the queen. Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason' i Farao, ka dia ny rahavavin' i Tapanesa, vadin' ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny. Nahita fitia teo imason' i Faraona tokoa Adada, fa nomeny ho vadiny aza ny rahavavin' ny vadiny, dia ny rahavavin' i Tafnesa mpanjakavavy. Hadad jouit d' une grande faveur auprès de Pharaon, qui lui fit épouser la soeur de sa femme, la soeur de Tahpnès la Grande Dame.
1Mp 11.20 And the sister of Tahpenes bare him Genubath his son, whom Tahpenes weaned in Pharaoh' s house: and Genubath was in Pharaoh' s household among the sons of Pharaoh. Ary ny rahavavin' i Tapanesa niteraka zazalahy tamin' i Hadada, dia Genobata, izay notazan' i Tapanesa tao an-tranon' i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin' ny zanakalahin' i Farao tao an-dapa. Nitera-dahy taminy ny rahavavin' i Tafnesa, dia Genobata, izay notazain' i Tafnesa tao an-tranon' i Faraona, dia nipetraka tao an-tranon' i Faraona Genobata teo afovoan' ny zanak' i Faraona. La soeur de Tahpnès lui enfanta son fils Genubat, que Tahpnès éleva dans le palais de Pharaon, et Genubat vécut dans le palais de Pharaon, parmi les enfants de Pharaon.
1Mp 11.21 And when Hadad heard in Egypt that David slept with his fathers, and that Joab the captain of the host was dead, Hadad said to Pharaoh, Let me depart, that I may go to mine own country. Ary rehefa ren' i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin' ny razany, sady maty koa Joaba, komandin' ny miaramila, dia hoy izy tamin' i Farao: Alefaso aho hody any amin' ny tanin-drazako. Nony ren' i Adada, tany Ejipta, fa hoe nodimandry any amin' ny razany Davida, ary maty koa Joaba filohan' ny tafika, dia hoy izy tamin' i Faraona: Avelao aho hody any amin' ny taniko. Quand Hadad apprit, en Égypte, que David s'était couché avec ses pères et que Joab, chef de l' armée, était mort, il dit à Pharaon : " Laisse-moi partir, que j' aille dans mon pays. "
1Mp 11.22 Then Pharaoh said unto him, But what hast thou lacked with me, that, behold, thou seekest to go to thine own country? And he answered, Nothing: howbeit let me go in any wise. Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atý amiko, no dia mitady hody any amin' ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho. Fa hoy Faraona taminy: Inona no tsy mahampy ny ilainao eto amiko, no dia maniry hody any amin' ny taninao hianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy inona tsy inona akory fa avelao ihany aho mba handeha. Pharaon lui dit : " Que te manque-t-il chez moi pour que tu cherches à aller dans ton pays ? " Il répondit : " Rien, mais laisse-moi partir. "

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 17.7 For so it was, that the children of Israel had sinned against the Lord their God, which had brought them up out of the land of Egypt, from under the hand of Pharaoh king of Egypt, and had feared other gods, Ary ny nahatongavan' izany dia noho ny nanotan' ny Zanak' Isiraely tamin' i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta ho afaka tamin' ny tànan' i Farao, mpanjakan' i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy Izany no tonga, dia noho ny zanak' Israely nanota tamin' ny Tompo Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany amin' ny tany Ejipta, avy teo ambanin' ny fahefan' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, sy noho izy ireo natahotra andriamani-kafa. Cela arriva parce que les Israélites avaient péché contre Yahvé leur Dieu, qui les avait fait monter du pays d' Egypte, les soustrayant à l' emprise de Pharaon, roi d' Egypte. Ils adorèrent d' autres dieux,
...............
2Mp 18.21 Now, behold, thou trustest upon the staff of this bruised reed, even upon Egypt, on which if a man lean, it will go into his hand, and pierce it: so is Pharaoh king of Egypt unto all that trust on him. Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan' olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan' i Egypta, amin' izay rehetra matoky azy. Indro fa volotara vaky no itokianao ankehitriny, dia i Ejipta, ka izay mitehina aminy voatsindrony sy voatrobany avokoa, fa izany tokoa Faraona mpanjakan' i Ejipta ho an' izay rehetra matoky azy. Voici que tu te fies au soutien de ce roseau brisé, l' Egypte, qui pénètre et perce la main de qui s' appuie sur lui. Tel est Pharaon, roi d' Egypte, pour tous ceux qui se fient en lui.
...............
2Mp 23.29 In his days Pharaohnechoh king of Egypt went up against the king of Assyria to the river Euphrates: and king Josiah went against him; and he slew him at Megiddo, when he had seen him. Tamin' ny andro nanjakan' i Josia no niakaran' i Farao-neko, mpanjakan' i Egypta, hankany amoron' ny ony Eofrata hiady amin' ny mpanjakan' i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin' i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy. Tamin' ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan' i Asiria any amin' ny ony Elfrata, Faraona-Nekao mpanjakan' i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan' i Faraona izy dia matiny tao Magedao. De son temps, le Pharaon Neko, roi d' Egypte, monta vers le roi d' Assyrie, sur le fleuve de l' Euphrate. Le roi Josias se porta au-devant de lui mais Neko le fit périr à Megiddo, à la première rencontre.
...............
2Mp 23.33 And Pharaohnechoh put him in bands at Riblah in the land of Hamath, that he might not reign in Jerusalem; and put the land to a tribute of an hundred talents of silver, and a talent of gold. Ary nafatotr' i Farao-neko tao Ribla any amin' ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana. Nogadran' i Faraona Nekao tany Reblà amin' ny tany Emata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema intsony, ary nampandoaviny hetra talenta volafotsy zato, sy talenta volamena iray ny tany. Le Pharaon Neko le mit aux chaînes à Ribla, dans le territoire de Hamat, pour qu' il ne règne plus à Jérusalem, et il imposa au pays une contribution de cent talents d' argent et de talents d' or.
2Mp 23.34 And Pharaohnechoh made Eliakim the son of Josiah king in the room of Josiah his father, and turned his name to Jehoiakim, and took Jehoahaz away: and he came to Egypt, and died there. Ary Farao-neko nanendry an' i Eliakima, zanak' i Josia, ho mpanjaka hisolo an' i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany. Eliasima zanak' i Josiasa no natsangan' i Faraona Nekao ho mpanjaka, hisolo an' i Josiasa rainy, ary novany hoe Joakima ny anarany. Fa Joakaza izay nosamboriny kosa dia nankany Ejipta ka maty tany. Le Pharaon Neko établit comme roi Elyaqim, fils de Josias, à la place de son père Josias, et il changea son nom en celui de Joiaqim. Quant à Joachaz, il le prit et l' emmena en Egypte, où il mourut.
2Mp 23.35 And Jehoiakim gave the silver and the gold to Pharaoh; but he taxed the land to give the money according to the commandment of Pharaoh: he exacted the silver and the gold of the people of the land, of every one according to his taxation, to give it unto Pharaohnechoh. Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen' i Joiakima an' i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin' i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an' i Farao-neko. Joakima dia nanome volafotsy sy volamena ho an' i Faraona, fa nampandoaviny hetra ny tany, hanomezana ny totalim-bola nodidian' i Faraona haloa; koa samy nampandoa volafotsy sy volamena ny vahoakan' ny tany avy izy ireo arak' izay voafetra ho anjarany. Joiaqim livra à Pharaon l' argent et l' or mais il dut imposer le pays pour livrer la somme exigée par Pharaon : il leva sur chacun, selon sa fortune, l' argent et l' or qu' il fallait donner au Pharaon Neko.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 4.18 And his wife Jehudijah bare Jered the father of Gedor, and Heber the father of Socho, and Jekuthiel the father of Zanoah. And these are the sons of Bithiah the daughter of Pharaoh, which Mered took. Ary Jehodia vadiny niteraka an' i Jareda, razamben' ny any Gedora, sy Hebera, razamben' ny any Soko, ary Jakotiela, razamben' ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin' i Bitia, zanakavavin' i Farao, izay novadin' i Mareda. Ilay vehivavy jody vadiny anankiray, niteraka an' i Jareda, rain' i Gedora, sy Hebera, rain' i Sokao, ary Ikotiela, rain' i Zanoe. Ireo no zanakalahin' i Betià, zanakavavin' i Faraona, nalain' i Mereda ho vady. dont la femme judéenne enfanta Yéred père de Gedor, Héber père de Soko et Yequtiel père de Zanoah. Tels sont les fils de Bitya, la fille du Pharaon qu' avait épousée Méred.

  2nd Book of Chronicles 2 Tantara Tantara II 2ème Livre des Chroniques
...............
2Tt / 2Tan 8.11 And Solomon brought up the daughter of Pharaoh out of the city of David unto the house that he had built for her: for he said, My wife shall not dwell in the house of David king of Israel, because the places are holy, whereunto the ark of the Lord hath come. Ary Solomona nitondra ny zanakavavin' i Farao niakatra avy tany an-Tanànan' i Davida ho ao amin' ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon' i Davida, mpanjakan' ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran' ny fiaran' i Jehovah. an-Tanànan' i Davida ho ao amin' ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon' i Davida, mpanjakan' ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran' ny fiaran' i Jehovah. Nasain' i Salomona niakatra avy any an-tanànan' i Davida, ny zanakavavin' i Faraona, ho ao amin' ny trano nataony ho azy, fa hoy izy: Tsy hitoetra ao an-tranon' i Davida mpanjakan' Israely ny vadiko, satria masina izany fitoerana izany, izay efa nidiran' ny fiaran' Andriamanitra. Salomon fit monter de la Cité de David la fille de Pharaon jusqu'à la maison qu' il lui avait construite. Il disait en effet : " Une femme ne saurait demeurer à cause de moi dans le palais de David, roi d' Israël; ce sont des lieux sacrés où vint l' arche de Yahvé. "

  Book of Nehemiah Nehemia Nehemia Livre de Néhémie
...............
Neh / Ne 9.10 And shewedst signs and wonders upon Pharaoh, and on all his servants, and on all the people of his land: for thou knewest that they dealt proudly against them. So didst thou get thee a name, as it is this day. dia nanao famantarana sy fahagagana tamin' i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin' ny olona rehetra tany amin' ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin' izao anio izao. Nanao famantarana amam-pahagagana namely an' i Faraona hianao sy namely ny mpanompony mbamin' ny vahoakan' ny taniny rehetra, satria hitanao fa tamim-pianjonanjonana no nitondrany ny razanay, ka dia nahazo laza ny anaranao, araka izay hita mandraka androany. Tu opéras signes et prodiges contre Pharaon, tous ses valets et tout le peuple de son pays; car tu savais quelle fut envers eux leur arrogance. Tu t' acquis un renom qui dure encore.

      Makabeo I 1er Livre des Maccabées
...............
1M 4.9 fa tsarovy ny namonjena ny razantsika tao amin' ny ranomasina Mena, fony izy nenjehin' i Faraona nomban-tafika lehibe. Rappelez-vous que nos pères furent sauvés à la mer Rouge quand Pharaon les poursuivait avec une armée,

  The Psalms Salamo Salamo Les Psaumes
...............
Sal 135.9 Who sent tokens and wonders into the midst of thee, O Egypt, upon Pharaoh, and upon all his servants. Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin' i Farao sy ny mpanompony rehetra, Naneho famantarana amam-pahagagana izy, teo afovoanao, ry Ejipta, namelezany an' i Faraona sy ny mpanompony rehetra. il envoya signes et prodiges au milieu de toi, Egypte, sur Pharaon et tous ses serviteurs.
...............
Sal 136.15 But overthrew Pharaoh and his host in the Red sea: for his mercy endureth for ever. Fa nanary an' i Farao sy ny miaramilany tao anatin' ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), Ary namarina an' i Faraona sy ny tafiny tao amin' ny ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindram-pony. Y culbutant Pharaon et son armée, car éternel est son amour!

  The Song of Songs Tononkira Tononkira Le Cantique des Cantiques
...............
Ton 1.9 I have compared thee, O my love, to a company of horses in Pharaoh' s chariots. Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin' ny soavalivaviko mitarika ny kalesin' i Farao. Amin' ny soavalivaviko mitarika ny kalesin' i Faraona no ampitahako anao, ry malalako. A ma cavale, attelée au char de Pharaon, je te compare, ma bien-aimée.

  Book of Isaiah Isaia Izaia Livre d'Isaïe
...............
Isa / Iz 19.11 Surely the princes of Zoan are fools, the counsel of the wise counsellors of Pharaoh is become brutish: how say ye unto Pharaoh, I am the son of the wise, the son of ancient kings? Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak' izay hendry indrindra amin' ny mpanolotsain' i Farao; Ahoana no ilazanareo amin' i Farao hoe: Zanak' olon-kendry aho sady taranak' ireo mpanjaka fahagola? Ny mpanapaka an' i Tanisy adala foana; ny an' ireo hendry amin' ny mpanolo-tsain' i Faraona dia hadalana no toroheviny. Ahoana no ahasahianareo milaza amin' i Faraona hoe: Zanak' olon-kendry aho, tanarak' andriana fahagola aho? Oui, insensés sont les princes de Çoân, les plus sages conseillers du pharaon forment un conseil stupide. Comment osez-vous dire à Pharaon : " Je suis fils des sages, fils des rois de jadis ? "
...............
Isa / Iz 30.2 That walk to go down into Egypt, and have not asked at my mouth; to strengthen themselves in the strength of Pharaoh, and to trust in the shadow of Egypt! Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin' ny vavako, handositra ho any amin' ny fiarovana mafin' i Farao sy hialokaloka ao amin' ny alokalok' i Egypta. Dia midina eny amin' ny làlana mankany Ejipta izy ireo nefa tsy manontany ny vavako, mba hialoka eo ambany fiarovan' i Faraona sy hialokaloka eo amin' ny alokalok' i Ejipta. Ils partent pour descendre en Égypte, sans m' avoir consulté, pour se mettre sous la protection du Pharaon et s' abriter à l' ombre de l'Égypte.
Isa / Iz 30.3 Therefore shall the strength of Pharaoh be your shame, and the trust in the shadow of Egypt your confusion. Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin' i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin' ny alokalok' i Egypta. Hody henatra ho anareo, ny fiarovan' i Faraona; ary ho fanalam-baraka ho anareo, ny fialokalofana ao amin' ny alokalok' i Ejipta. Mais la protection du Pharaon tournera à votre honte, l' abri de l' ombre de l'Égypte à votre confusion.
...............
Isa / Iz 36.6 Lo, thou trustest in the staff of this broken reed, on Egypt; whereon if a man lean, it will go into his hand, and pierce it: so is Pharaoh king of Egypt to all that trust in him. Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan' olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan' i Egypta, amin' izay rehetra matoky azy. Indro fa ny itokianao hitehenana dia ilay volotara folaka, i Ejipta, izay manindrona sy manaboroaka ny tanan' izay rehetra mitehina aminy; fa izany no afitsok' i Faraona amin' izay rehetra matoky azy. Voici que tu te fies au soutien de ce roseau brisé, l'Égypte, qui pénètre et perce la main de qui s' appuie sur lui. Tel est Pharaon, roi d'Égypte, pour tous ceux qui se fient à lui.

  Book of Jeremiah Jeremia Jeremia Livre de Jérémie
...............
Jer / Jr 25.19 Pharaoh king of Egypt, and his servants, and his princes, and all his people; ary Farao, mpanjakan' i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin' ny vahoakany rehetra, Faraona mpanjakan' i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin' ny vahoakany rehetra, Pharaon, roi d' Egypte, avec ses serviteurs, ses princes et tout son peuple,
...............
Jer / Jr 37.5 Then Pharaoh' s army was come forth out of Egypt: and when the Chaldeans that besieged Jerusalem heard tidings of them, they departed from Jerusalem. Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan' i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an' i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy. Ny tafik' i Faraona kosa efa nivoaka niala teny Ejipta; ary ny Kaldeana nanao fahirano an' i Jerosalema. Cependant l' armée de Pharaon était sortie d' Egypte; à cette nouvelle, les Chaldéens qui assiégeaient Jérusalem avaient dû lever le siège.
...............
Jer / Jr 37.7 Thus saith the Lord, the God of Israel; Thus shall ye say to the king of Judah, that sent you unto me to enquire of me; Behold, Pharaoh' s army, which is come forth to help you, shall return to Egypt into their own land. Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin' ny mpanjakan' ny Joda, izay naniraka anareo hankatý amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan' i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny; Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Izao no teny hataonareo amin' ny mpanjakan' i Jodà, naniraka anareo hanontany amiko: Ny tafik' i Faraona izay efa nivoaka hamonjy anareo, dia hiverina ho any amin' ny taniny any Ejipta indray; Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël. Au roi de Juda qui vous a envoyés vers moi pour me consulter, vous donnerez cette réponse : L' armée de Pharaon est sortie à votre secours? Elle va s' en retourner en son pays d' Egypte!
...............
Jer / Jr 37.11 And it came to pass, that when the army of the Chaldeans was broken up from Jerusalem for fear of Pharaoh' s army, Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan' ny Kaldeana noho ny amin' ny miaramilan' i Farao, Tamin' ny nialan' ny tafiky ny Kaldeana tao Jerosalema noho ny amin' ny tafik' i Faraona, A l'époque où l' armée des Chaldéens dut lever le siège de Jérusalem à cause de l' armée de Pharaon,
...............
Jer / Jr 43.9 Take great stones in thine hand, and hide them in the clay in the brickkiln, which is at the entry of Pharaoh' s house in Tahpanhes, in the sight of the men of Judah; Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin' ny feta ao amin' ny gorodona taila, izay eo akaikin' ny vavahady amin' ny tranon' i Farao ao Tapanesa, eo imason' ny lehilahy amin' ny Joda, Mitondrà vato lehibe eny an-tànanao, ka afeno eo anatrehan' ny lehilahy amin' i Jodà, ataovy ao anaty simenitra eo amin' ny ngorodona taila, izay anoloan' ny tranon' i Faraona, ao Tafnesa; Prends de grandes pierres et, en présence des Judéens, enfouis-les dans du ciment sur la terrasse qui se trouve à l' entrée du palais de Pharaon, à Tahpanhès.
...............
Jer / Jr 44.30 Thus saith the Lord; Behold, I will give Pharaohhophra king of Egypt into the hand of his enemies, and into the hand of them that seek his life; as I gave Zedekiah king of Judah into the hand of Nebuchadrezzar king of Babylon, his enemy, and that sought his life. Izao no lazain' i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan' i Egypta, hatolotro eo an-tànan' ny fahavalony sy eo an-tànan' izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an' i Zedekia, mpanjakan' ny Joda, ho eo an-tànan' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy. Izao no lazain' ny Tompo: Indro aho manolotra an' i Hofra Faraona, mpanjakan' i Ejipta, eo an-tànan' ny fahavalony, sy eo an-tànan' izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an' i Sedesiasa, mpanjakan' i Jodà, tamin' i Nabokodonozora, mpanjakan' i Babilona, fahavalony sy nitady ny ainy. Ainsi parle Yahvé. Voici, je vais livrer le Pharaon Hophra, roi d' Egypte, aux mains de ses ennemis et de ceux qui en veulent à sa vie, de la même façon que j' ai livré Sédécias, roi de Juda, aux mains de Nabuchodonosor, roi de Babylone, son ennemi qui en voulait à sa vie.
...............
Jer / Jr 46.2 Against Egypt, against the army of Pharaohnecho king of Egypt, which was by the river Euphrates in Carchemish, which Nebuchadrezzar king of Babylon smote in the fourth year of Jehoiakim the son of Josiah king of Judah. Ny amin' i Egypta. Ny amin' ny miaramilan' i Farao-neko, mpanjakan' i Egypta, izay teny amoron' ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Joiakima, zanak' i Josia, mpanjakan' ny Joda: Ny amin' i Ejipta. Teny mamely ny tafik' i Nekao Faraona mpanjakan' i Ejipta, teo amoron' ny ony Eofrata, tao Karkemisa, izay resin' i Nabokodonozora, mpanjakan' i Babilona, tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Joakima, zanak' i Josiasa, mpanjakan' i Jodà. Sur l' Egypte. Contre l' armée du Pharaon Neko, roi d' Egypte, qui se trouvait près du fleuve Euphrate, vers Karkémish, quand Nabuchodonosor, roi de Babylone, la battit; c'était la quatrième année de Joiaqim, fils de Josias, roi de Juda.
...............
Jer / Jr 46.17 They did cry there, Pharaoh king of Egypt is but a noise; he hath passed the time appointed. Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan' i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy. Izao no fiantsoantsony any: Voa Faraona, mpanjakan' i Ejipta: nandiso ny fotoana mety izy! On a donné ce nom à Pharaon, le roi d' Egypte du-"Bruit!-mais-il-manque-l' occasion!"
...............
Jer / Jr 46.25 The Lord of hosts, the God of Israel, saith; Behold, I will punish the multitude of No, and Pharaoh, and Egypt, with their gods, and their kings; even Pharaoh, and all them that trust in him: Ary hoy Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin' ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy; Hoy Iavehn' ny tafika, Andriamanitr' Israely: Indro, hovangiako avokoa Amona any No, sy Faraona sy Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany, ary Faraona mbamin' ireo natoky azy. Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël, a dit : Voici que je vais visiter Amon de No, le Pharaon, l' Egypte, ses dieux et ses rois, Pharaon et ceux qui se fient à lui.
Jer / Jr 47.1 The word of the Lord that came to Jeremiah the prophet against the Philistines, before that Pharaoh smote Gaza. Ny tenin' i Jehovah izay tonga tamin' i Jeremia mpaminany ny amin' ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an' i Gaza. Tenin' ny Tompo, tonga tamin' i Jeremia mpanimany, ny amin' ny Filistina, fony Faraona tsy mbola namely an' i Gazà. Parole de Yahvé qui fut adressée au prophète Jérémie sur les Philistins, avant que Pharaon ne frappe Gaza

  Book of Ezekiel Ezekiela Ezekiela Livre d'Ezéchiel
...............
Eze / Ez 17.17 Neither shall Pharaoh with his mighty army and great company make for him in the war, by casting up mounts, and building forts, to cut off many persons: Ary amin' ny hanandratan' ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin' ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza. Ary rahefa avy ny ady, ka hanandratana tovon-tany sy hanorenana manda handringanana olona maro dia tsy hiasa hanampy azy amin' ny tafika lehibe sy vahoaka maro Faraona. Avec sa grande armée et ses troupes nombreuses, le Pharaon ne le sauvera pas par la guerre, lorsqu' on élèvera un remblai et qu' on construira des retranchements, pour détruire tant de vies humaines.
...............
Eze / Ez 29.2 Son of man, set thy face against Pharaoh king of Egypt, and prophesy against him, and against all Egypt: Ry zanak' olona, manandrifia an' i Farao, mpanjakan' i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin' i Egypta rehetra. Ry zanak' olona, atodiho mankany amin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta ny tavanao, ka maminania ny aminy sy ny amin' i Ejipta manontolo. Fils d' homme, tourne-toi vers Pharaon, roi d'Égypte, et prophétise contre lui et contre l'Égypte tout entière.
Eze / Ez 29.3 Speak, and say, Thus saith the Lord GOD; Behold, I am against thee, Pharaoh king of Egypt, the great dragon that lieth in the midst of his rivers, which hath said, My river is mine own, and I have made it for myself. Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan' i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin' ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an' ny tenako. Mitenena ka ataovy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro ho avy ao aminao aho, ry Faraona, mpanjakan' i Ejipta, hianao ilay mamba makadiry, mandry eo afovoan' ireo oninao, sy nanao hoe: Ahy ny oniko, fa izaho no nanao azy ho an' ny tenako. Parle et dis-lui : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Je me déclare contre toi, Pharaon, roi d'Égypte, grand crocodile étendu au milieu de ses Nils, qui as dit : " Mon Nil est à moi, c' est moi qui l' ai fait. "
...............
Eze / Ez 29.9 And the land of Egypt shall be desolate and waste; and they shall know that I am the Lord: because he hath said, The river is mine, and I have made it. Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy, ka ho zary tany lao sy efitra ny tany Ejipta. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho. Noho i Faraona nanao hoe: Ahy ny ony, ary izaho no nanao azy; Le pays d'Égypte deviendra désolation et ruine, et l' on saura que je suis Yahvé. Car il a dit : " Le Nil est à moi, c' est moi qui l' ai fait. "
...............
Eze / Ez 30.21 Son of man, I have broken the arm of Pharaoh king of Egypt; and, lo, it shall not be bound up to be healed, to put a roller to bind it, to make it strong to hold the sword. Ry zanak' olona, ny sandrin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra. Ry zanak' olona, ny sandrin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, dia notapahako, ka indro tsy notsaboina, tsy nasiam-panafody na nopetahana bandy, hitsaboana azy mba hahatanjaka azy, hahatan-tsabatra. Fils d' homme, j' ai brisé le bras de Pharaon, roi d'Égypte, et voici que nul n' a pansé sa blessure en y appliquant des remèdes, en y mettant un bandage et en le pansant pour qu' il retrouve la force de manier l'épée.
Eze / Ez 30.22 Therefore thus saith the Lord GOD; Behold, I am against Pharaoh king of Egypt, and will break his arms, the strong, and that which was broken; and I will cause the sword to fall out of his hand. Koa izany no nanaovan' i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an' i Farao, mpanjakan' i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho. Ka izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro aho ho avy amin' ny Faraona mpanjakan' i Ejipta; hotapahako ny sandriny roa, na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka, ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tànany. C' est pourquoi, ainsi parle le Seigneur Yahvé. Voici que je me déclare contre Pharaon, roi d'Égypte; je lui briserai les bras, celui qui est valide et celui qui est brisé, et je ferai tomber l'épée de sa main.
...............
Eze / Ez 30.24 And I will strengthen the arms of the king of Babylon, and put my sword in his hand: but I will break Pharaoh' s arms, and he shall groan before him with the groanings of a deadly wounded man. Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin' ny mpanjakan' i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin' i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan' ny voatrabaka izy. Fa ny sandrin' ny mpanjakan' i Babilona, hohatanjahako, ary ny sabatro, hataoko eo an-tànany; hotapahako kosa ny sandrin' i Faraona ka hitoloko eo anoloany izy, toy ny fitolokon' ny maratra ho faty. Je fortifierai les bras du roi de Babylone et je mettrai mon épée dans sa main. Je briserai les bras de Pharaon et celui-ci poussera devant son ennemi des gémissements de mourant.
Eze / Ez 30.25 But I will strengthen the arms of the king of Babylon, and the arms of Pharaoh shall fall down; and they shall know that I am the Lord, when I shall put my sword into the hand of the king of Babylon, and he shall stretch it out upon the land of Egypt. Eny, hampahatanjahiko ny sandrin' ny mpanjakan' i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin' i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan' ny mpanjakan' i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta. Ny sandrin' ny mpanjakan' i Babilona, hohatanjahako; ny sandrin' i Faraona kosa hianjera; ary ho fantatry ny olona fa Iaveh aho, rahefa ataoko eo an-tanan' ny mpanjakan' i Babilona ny sabatro; ka hoentiny mamely ny tany Ejipta. Je fortifierai les bras du roi de Babylone, mais les bras de Pharaon tomberont. Et l' on saura que je suis Yahvé, quand je mettrai mon épée dans les mains du roi de Babylone et qu' il la brandira contre le pays d'Égypte.
...............
Eze / Ez 31.2 Son of man, speak unto Pharaoh king of Egypt, and to his multitude; Whom art thou like in thy greatness? Ry zanak' olona, ataovy amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, sy amin' ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an' iza moa ianao amin' ny fahalehibiazanao ? Ry zanak' olona, lazao amin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta sy amin' ny vahoakany maro hoe: Tahaka an' iza moa hianao, amin' ny fahalehibeazanao? Fils d' homme, dis à Pharaon, roi d'Égypte, et à la multitude de ses sujets : A quoi te comparer dans ta grandeur ?
...............
Eze / Ez 31.18 To whom art thou thus like in glory and in greatness among the trees of Eden? yet shalt thou be brought down with the trees of Eden unto the nether parts of the earth: thou shalt lie in the midst of the uncircumcised with them that be slain by the sword. This is Pharaoh and all his multitude, saith the Lord GOD. Tahaka an' iza amin' ny hazo any Edena moa ianao amin' izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin' ny tany miaraka amin' ny hazo any Edena ianao; Eo amin' ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin' izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo. Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana, ireo hazon' i Edena? Havarina hianao miaraka amin' ny hazon' i Edena any ambanin' ny tany; hamparina eo amin' ireo tsy voafora, miaraka amin' ireo voatrobaky ny sabatra. Izany no hanjo an' i Faraona, mbamin' ny vahoakany maro, - teny marin' ny Tompo Iaveh. A qui donc comparer ta gloire et ta grandeur parmi les arbres d'Éden ? Pourtant tu fus précipité avec les arbres d'Éden vers le pays souterrain, au milieu des incirconcis, et te voilà couché avec les victimes de l'épée. Tel est Pharaon et toute sa multitude, oracle du Seigneur Yahvé.
...............
Eze / Ez 32.2 Son of man, take up a lamentation for Pharaoh king of Egypt, and say unto him, Thou art like a young lion of the nations, and thou art as a whale in the seas: and thou camest forth with thy rivers, and troubledst the waters with thy feet, and fouledst their rivers. Ry zanak' olona, manaova hira fahalahelovana ny amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin' ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin' ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin' ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin' ny tongotrao ka nahaloto ny ony. Ry zanak' olona, manaova hira fitomaniana an' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, ka lazao aminy hoe: Ry lionan' ny firenena ocirc;, levona hianao! Tahaka ny mamba teo anatin' ny ranomasina hianao, niezaka tany amin' ny oninao hianao, ary nanakobana ny ranony tamin' ny tongotrao, ary nandoto ny lakan-dranony. Fils d' homme, prononce une complainte sur Pharaon, roi d'Égypte. Tu lui diras : Lionceau des nations, te voilà anéanti! Tu étais comme un crocodile dans les mers, tu bondissais dans tes fleuves, tu troublais l' eau avec tes pattes, tu en agitais les flots.
...............
Eze / Ez 32.31 Pharaoh shall see them, and shall be comforted over all his multitude, even Pharaoh and all his army slain by the sword, saith the Lord GOD. Ireny dia ho hitan' i Farao, ka dia hionona izy ny amin' ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin' ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo. Hahita azy Faraona, ka hanonon-tena, ny amin' ny vahoakany maro be. Niara-voatrobaky ny sabatra, Faraona sy ny miaramilany rehetra, - teny marin' ny Tompo Iaveh!. Pharaon les verra et il se consolera à la vue de toute cette multitude victime de l'épée - Pharaon et toute son armée - oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 32.32 For I have caused my terror in the land of the living: and he shall be laid in the midst of the uncircumcised with them that are slain with the sword, even Pharaoh and all his multitude, saith the Lord GOD. Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin' ny tanin' ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin' ny tsy voafora, miaraka amin' ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin' ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo. Fa efa nanely ny fahatahorana azy aho teny amin' ny tanin' ny velona; ary indro izy miara-miampatra amin' ny tsy voafora, miaraka amin' izay voatrobaky ny sabatra, izy Faraona sy ny vahoakany rehetra alinalina; - teny marin' ny Tompo Iaveh. Parce qu' il avait répandu la terreur au pays des vivants, on l'étendra parmi les incirconcis, parmi les victimes de l'épée - Pharaon et toute son armée - oracle du Seigneur Yahvé.

  The Acts of the Apostles Asa Asa Les Actes des Apôtres
...............
Asa 7.10 And delivered him out of all his afflictions, and gave him favour and wisdom in the sight of Pharaoh king of Egypt; and he made him governor over Egypt and all his house. ka nahafaka azy tamin' ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason' i Farao, mpanjakan' i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin' izay rehetra tao an-dapany. Fa nesoriny tamin' ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahan' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, sy natsangany ho mpanapaka an' i Ejipta, mbamin' izay rehetra tao an-dapany. il le tira de toutes ses tribulations et lui donna grâce et sagesse devant Pharaon, roi d'Égypte, qui l'établit gouverneur de l'Égypte et de toute sa maison.
...............
Asa 7.13 And at the second time Joseph was made known to his brethren; and Joseph' s kindred was made known unto Pharaoh. Ary tamin' ny fanindroany dia fantatr' izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr' i Farao koa ny havan' i Josefa. Ary tamin' ny fanindroany dia fantatry ny rahalahiny Josefa, sady fantatr' i Faraona koa ny nihaviany. la deuxième fois, Joseph se fit reconnaître de ses frères, et son origine fut révélée à Pharaon.
...............
Asa 7.21 And when he was cast out, Pharaoh' s daughter took him up, and nourished him for her own son. Fa rehefa nariana izy, dia nalain' ny zanakavavin' i Farao ka notezainy ho zanany. Ary nony nariana indray, dia nalain' ny zanakavavin' i Faraona, sy notezainy ho zanany izy, puis, comme il avait été exposé, la fille de Pharaon le recueillit et l'éleva comme son propre fils.

  Letter to the Romans Romanina Romana Épître de Saint Paul aux Romains
...............
Rom / Rm 9.17 For the scripture saith unto Pharaoh, Even for this same purpose have I raised thee up, that I might shew my power in thee, and that my name might be declared throughout all the earth. Fa hoy ny Soratra Masina tamin' i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin' ny tany rehetra (Eks. 9. 16). Fa hoy ny Soratra Masina tamin' i Faraona: Ny hoentiko mampiharihary ny heriko, sy hanambarana ny anarako amin' ny tany rehetra no nananganako anao. Car l'Écriture dit au Pharaon : Je t' ai suscité à dessein pour montrer en toi ma puissance et pour qu' on célèbre mon nom par toute la terre.

  Letter to the Hebrews Hebreo Hebrio Épître de Saint Paul aux Hébreux
...............
Heb 11.24 By faith Moses, when he was come to years, refused to be called the son of Pharaoh' s daughter; Finoana no nandavan' i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin' i Farao, rehefa lehibe izy,- Ny finoana no namoizan' i Moizy ny anarana hoe zanaky ny zanakavavin' i Faraona, nony efa lehibe izy, Par la foi, Moïse, devenu grand, refusa d'être appelé fils d' une fille d' un Pharaon,