<-
->

Gen / Jen 41:1 And it came to pass at the end of two full years, that Pharaoh dreamed: and, behold, he stood by the river. Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron' i Neily izy. Nony afaka roa taona nipaka dia nanonofy Faraona: Indro nitsangana teo amoron' ny ony izy; Deux ans après, il advint que Pharaon eut un songe : il se tenait près du Nil
Gen / Jen 41:2 And, behold, there came up out of the river seven well favoured kine and fatfleshed; and they fed in a meadow. Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin' ny bararata. ary indro nisy ombivavy fito mahafinaritra sady matavy, niakatra avy ao amin' ny ony sy lasa niraotra tao amin' ny ahi-maitso. et il vit monter du Nil sept vaches de belle apparence et grasses de chair, qui pâturèrent dans les joncs.
Gen / Jen 41:3 And, behold, seven other kine came up after them out of the river, ill favoured and leanfleshed; and stood by the other kine upon the brink of the river. Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan' ireo ombivavy teo amoron' i Neily. Nanaraka ireo indray dia indreto ombivavy fito hafa ratsy tarehy, mahia, niakatra avy ao amin' ny ony, dia nankeo anilan' iretsy ombivavy efa teo amoron' ny ony rahateo. Mais voici que sept autres vaches montèrent du Nil derrière elles, laides d' apparence et maigres de chair, et elles se rangèrent à côté des premières, sur la rive du Nil.
Gen / Jen 41:4 And the ill favoured and leanfleshed kine did eat up the seven well favoured and fat kine. So Pharaoh awoke. Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao. Ary nohanin' ireto ombivavy ratsy tarehy sady mahia iretsy ombivavy mahafinaritra sady matavy. Dia nahatsiaro Faraona. Et les vaches laides d' apparence et maigres de chair dévorèrent les sept vaches grasses et belles d' apparence. Alors Pharaon s'éveilla.
Gen / Jen 41:5 And he slept and dreamed the second time: and, behold, seven ears of corn came up upon one stalk, rank and good. Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin' ny tahony iray, sady vokatra no tsara. Fa natory indray izy dia nanonofy fanindroany; ary indreo nisy salohim-bary fito sady vaventy no tsara tarehy, nisondrotra avy amin' ny tahony iray ihany. Il se rendormit et eut un second songe : sept épis montaient d' une même tige, gros et beaux.
Gen / Jen 41:6 And, behold, seven thin ears and blasted with the east wind sprung up after them. Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main' ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny. Nanaraka ireo indray nisy salohim-bary fito naniry sady mahia no main' ny rivotra avy any atsinanana. Mais voici que sept épis grêles et brûlés par le vent d' est poussèrent après eux.
Gen / Jen 41:7 And the seven thin ears devoured the seven rank and full ears. And Pharaoh awoke, and, behold, it was a dream. Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany. Ary natelin' ireto salohim-bary mahia, iretsy salohim-bary vaventy sady feno tsara. Dia nahatsiaro Faraona; ka indro nofy izany. Et les épis grêles engloutirent les sept épis gros et pleins. Alors Pharaon s'éveilla : voilà que c'était un songe !
Gen / Jen 41:8 And it came to pass in the morning that his spirit was troubled; and he sent and called for all the magicians of Egypt, and all the wise men thereof: and Pharaoh told them his dream; but there was none that could interpret them unto Pharaoh. Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran' i Farao tamin' ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin' i Farao. Nitebiteby ny fanahin' i Faraona nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin' ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin' i Faraona. Au matin, l' esprit troublé, Pharaon fit appeler tous les magiciens et tous les sages d'Égypte et il leur raconta le songe qu' il avait eu, mais personne ne put l' expliquer à Pharaon.
Gen / Jen 41:9 Then spake the chief butler unto Pharaoh, saying, I do remember my faults this day: Dia niteny tamin' i Farao ilay lehiben' ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako: Izay ilay lehiben' ny mpandroso divay vao niteny ka nilaza tamin' i Faraona nanao hoe: Ndeha hampahatsiaro ny fahadisoako taloha aho anio. Alors, le grand échanson adressa la parole à Pharaon et dit : Je dois confesser aujourd' hui mes fautes !
Gen / Jen 41:10 Pharaoh was wroth with his servants, and put me in ward in the captain of the guard' s house, both me and the chief baker: Farao dia tezitra tamin' ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin' ny tranon' ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben' ny mpanao mofo. Fony Faraona tezitra tamin' ny mpanompony ka nandatsaka ahy an-tranomaizina, tao an-tranon' ny lehiben' ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben' ny mpitàntana mofo, Pharaon s'était irrité contre ses serviteurs et les avait mis aux arrêts chez le commandant des gardes, moi et le grand panetier.
Gen / Jen 41:11 And we dreamed a dream in one night, I and he; we dreamed each man according to the interpretation of his dream. Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay. dia nanonofy izahay, indray alina, ka samy nanana ny nofiny izaho sy izy, samy araka ny hevitry ny nofiny avy. Nous eûmes un songe, la même nuit, lui et moi, mais la signification du songe était différente pour chacun.
Gen / Jen 41:12 And there was there with us a young man, an Hebrew, servant to the captain of the guard; and we told him, and he interpreted to us our dreams; to each man according to his dream he did interpret. Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon' ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. Niaraka taminay kosa, dia nisy tao zatovo Hebrio, mpanompon' ny lehiben' ny mpiambina, nitantaranay ny nofinay, ka nambarany taminay ny heviny, samy nilazany ny hevitry ny azy avy izahay. Il y avait là avec nous un jeune Hébreu, un esclave du commandant des gardes. Nous lui avons raconté nos songes et il nous les a interprétés : il a interprété le songe de chacun.
Gen / Jen 41:13 And it came to pass, as he interpreted to us, so it was; me he restored unto mine office, and him he hanged. Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin' ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony. Ary tanteraka ny zavatra araka ny hevitra nambarany, fa izaho moa, naverin' i Faraona amin' ny raharahako; izy kosa nahantona. Et juste comme il nous l' avait expliqué, ainsi arriva-t-il : je fus rétabli dans mon emploi et l' autre fut pendu.
Gen / Jen 41:14 Then Pharaoh sent and called Joseph, and they brought him hastily out of the dungeon: and he shaved himself, and changed his raiment, and came in unto Pharaoh. Dia naniraka Farao ka nampaka an' i Josefa, dia nalaina faingana niala tao andavaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin' i Farao. Dia nampiantsoin' i Faraona Josefa, ka navoaka hiala faingana tao an-tranomaizina. Ary niharatra sy niova fitafiana izy, dia nankany amin' i Faraona. Alors Pharaon fit appeler Joseph, et on l' amena en hâte de la prison. Il se rasa, changea de vêtements et se présenta devant Pharaon.
Gen / Jen 41:15 And Pharaoh said unto Joseph, I have dreamed a dream, and there is none that can interpret it: and I have heard say of thee, that thou canst understand a dream to interpret it. Ary hoy Farao tamin' i Josefa : Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny. Ary hoy Faraona tamin' i Josefa: Nanonofy aho, ka tsy nisy nahalaza ny heviny, ary nandre fa hoe mahalaza ny hevitry ny nofy ambara aminao hianao. Pharaon dit à Joseph : J' ai eu un songe et personne ne peut l' interpréter. Mais j' ai entendu dire de toi qu' il te suffit d' entendre un songe pour savoir l' interpréter.
Gen / Jen 41:16 And Joseph answered Pharaoh, saying, It is not in me: God shall give Pharaoh an answer of peace. Ary Josefa dia namaly an' i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan' i Farao. Dia hoy ny navalin' i Josefa tamin' i Faraona: Tsy izaho fa Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan' i Faraona. Joseph répondit à Pharaon : Je ne compte pas ! C' est Dieu qui donnera à Pharaon une réponse favorable.
Gen / Jen 41:17 And Pharaoh said unto Joseph, In my dream, behold, I stood upon the bank of the river: Ary hoy Farao tamin' i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron' i Neily aho; Ka hoy Faraona tamin' i Josefa: Nofiko nitsangana teo amoron' ny ony aho; Alors Pharaon parla ainsi à Joseph : Dans mon songe, il me semblait que je me tenais sur la rive du Nil.
Gen / Jen 41:18 And, behold, there came up out of the river seven kine, fatfleshed and well favoured; and they fed in a meadow: koa, indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana teny amin' ny bararata ireny. ary indreo nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy, niakatra avy ao amin' ny ony ka lasa niraotra tao amin' ny ahi-maitso. Voici que montèrent du Nil sept vaches grasses de chair et belles d' aspect, qui pâturèrent dans les joncs.
Gen / Jen 41:19 And, behold, seven other kine came up after them, poor and very ill favoured and leanfleshed, such as I never saw in all the land of Egypt for badness: Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin' ny tany Egypta rehetra. Nanaraka ireo, dia indreo ombivavy fito hafa koa, mahia, ratsy tarehy, sady kaozatra ery, tsy mbola hitako izay ratsy toy izany teto amin' ny tany Ejipta rehetra. Mais voici que sept autres vaches montèrent après elles, efflanquées, très laides d' aspect et maigres de chair, je n' en ai jamais vu d' aussi laides dans tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41:20 And the lean and the ill favoured kine did eat up the first seven fat kine: Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy. Nohanin' ireo ombivavy mahia sady ratsy tarehy iretsy ombivavy nialoha azy, dia ireo matavy, Les vaches maigres et laides dévorèrent les sept premières, les vaches grasses.
Gen / Jen 41:21 And when they had eaten them up, it could not be known that they had eaten them; but they were still ill favoured, as at the beginning. So I awoke. Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin' ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho. ka tafiditra tao an-kibony ireo; nefa tsy fantatra ho mby ao an-kibony akory, fa mbola ratsy toy ny taloha ihany ny fijery azy. Izay dia nahatsiaro aho. Et lorsqu' elles les eurent avalées, on ne s' aperçut pas qu' elles les avaient avalées, car leur apparence était aussi laide qu' au début. Là-dessus, je m'éveillai.
Gen / Jen 41:22 And I saw in my dream, and, behold, seven ears came up in one stalk, full and good: Ary hitako tamin' ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin' ny tahony iray, sady vokatra no tsara; Fa nanonofy indray aho, ka indreo nisy salohim-bary fito feno voa sady tsara tarehy nisondrotra avy amin' ny tahony iray ihany. Puis j' ai vu en songe sept épis monter d' une même tige, pleins et beaux.
Gen / Jen 41:23 And, behold, seven ears, withered, thin, and blasted with the east wind, sprung up after them: ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main' ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny; Ary indreo kosa nisy salohim-bary fito botry, mahia sady main' ny rivotra avy any atsinanana, izay naniry nanaraka an' ireny. Mais voici que sept épis desséchés, grêles et brûlés par le vent d' est poussèrent après eux.
Gen / Jen 41:24 And the thin ears devoured the seven good ears: and I told this unto the magicians; but there was none that could declare it to me. ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin' ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko. Ary natelin' ireto salohim-bary mahia, iretsy salohim-bary tsara tarehy. Nambarako tamin' ny mpanoratra izany, fa tsy misy mahalaza ny heviny. Et les épis grêles engloutirent les sept beaux épis. J' ai dit cela aux magiciens, mais il n' y a personne qui me donne la réponse.
Gen / Jen 41:25 And Joseph said unto Pharaoh, The dream of Pharaoh is one: God hath shewed Pharaoh what he is about to do. Ary hoy Josefa tamin' i Farao: Ny nofin' i Farao dia iray ihany; izay efa hataon' Andriamanitra no nambarany tamin' i Farao. Dia hoy Josefa tamin' i Faraona: Iray ihany ny nofin' i Faraona, ary izay efa hataon' Andriamanitra no nambarany tamin' i Faraona. Joseph dit à Pharaon : Le Pharaon n' a fait qu' un seul songe : Dieu a annoncé à Pharaon ce qu' il va accomplir.
Gen / Jen 41:26 The seven good kine are seven years; and the seven good ears are seven years: the dream is one. Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito taona; iray ihany ny nofy. Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ny salohim-bary fito tsara tarehy dia fito taona koa; nofy iray ihany izany. Les sept belles vaches représentent sept années, et les sept beaux épis représentent sept années, c' est un seul et même songe.
Gen / Jen 41:27 And the seven thin and ill favoured kine that came up after them are seven years; and the seven empty ears blasted with the east wind shall be seven years of famine. Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main' ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena. Ny ombivavy fito saozanina sy ratsy tarehy niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ny salohim-bary foana sy main' ny rivotra avy any atsinanana moa, dia ho fito taona mosarena. Les sept vaches maigres et laides qui montent ensuite représentent sept années et aussi les sept épis grêles et brûlés par le vent d' est : c' est qu' il y aura sept années de famine.
Gen / Jen 41:28 This is the thing which I have spoken unto Pharaoh: What God is about to do he sheweth unto Pharaoh. Izany dia ilay efa nolazaiko tamin' i Farao teo hoe: Izay efa hataon' Andriamanitra no asehony amin' i Farao. Koa izany no teny nataoko tamin' i Faraona: izay efa hataon' Andriamanitra no nasehony tamin' i Faraona. C' est ce que j' ai dit à Pharaon; Dieu a montré à Pharaon ce qu' il va accomplir :
Gen / Jen 41:29 Behold, there come seven years of great plenty throughout all the land of Egypt: Indro, hisy fito taona zina indrindra eran' ny tany Egypta rehetra; Indro hisy fito taona zina indrindra eran' ny tany Ejipta rehetra. voici que viennent sept années où il y aura grande abondance dans tout le pays d'Égypte,
Gen / Jen 41:30 And there shall arise after them seven years of famine; and all the plenty shall be forgotten in the land of Egypt; and the famine shall consume the land; ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin' ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany; Manaraka izany, hisy kosa fito taona mosarena, ka amin' ny tany Ejipta ho hadino izany fahavokaram-be rehetra izany, ary ny mosary handevona ny tany. puis leur succéderont sept années de famine et on oubliera toute l' abondance dans le pays d'Égypte; la famine épuisera le pays
Gen / Jen 41:31 And the plenty shall not be known in the land by reason of that famine following; for it shall be very grievous. ary ny fahavokarana eo amin' ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany. Tsy ho fantatra intsony ny nisian' ilay fahavokarana noho ny mosary hanaraka izany ao amin' ny tany, fa ho mafy erý. et l' on ne saura plus ce qu'était l' abondance dans le pays, en face de cette famine qui suivra, car elle sera très dure.
Gen / Jen 41:32 And for that the dream was doubled unto Pharaoh twice; it is because the thing is established by God, and God will shortly bring it to pass. Ary naverina indroa ny nofin' i Farao, satria efa voatendrin' Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin' Andriamanitra faingana. Ary ny nofin' i Faraona no naverina indroa, dia satria zavatra naraikitr' Andriamanitra izany sady hotanterahin' Andriamanitra faingana. Et si le songe de Pharaon s' est renouvelé deux fois, c' est que la chose est bien décidée de la part de Dieu et que Dieu a hâte de l' accomplir.
Gen / Jen 41:33 Now therefore let Pharaoh look out a man discreet and wise, and set him over the land of Egypt. Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta. Koa ankehitriny aoka Faraona hizaha lehilahy manan-tsaina sy hendry, ka hanendry azy hanapaka ny tany Ejipta. Maintenant, que Pharaon discerne un homme intelligent et sage et qu' il l'établisse sur le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41:34 Let Pharaoh do this, and let him appoint officers over the land, and take up the fifth part of the land of Egypt in the seven plenteous years. Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin' ny vokatry ny tany Egypta amin' ny taon-jina fito. Aoka koa Faraona hanendry mpikarakara hitandrina ny tany, hanangona ny ampahadimin' ny vokatra ao amin' ny tany Ejipta mandritra ny fito taon-jina. Que Pharaon agisse et qu' il institue des fonctionnaires sur le pays; il imposera au cinquième le pays d'Égypte pendant les sept années d' abondance,
Gen / Jen 41:35 And let them gather all the food of those good years that come, and lay up corn under the hand of Pharaoh, and let them keep food in the cities. Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin' ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin' ny anaran' i Farao ho fihinana any amin' ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy Aoka hovorin' ireo ny vokatra rehetra azony amin' ireo taona tsara ho avy; aoka hangoniny be dia be ny vary hapetraka eo am-pelatànan' i Faraona ary hatao fitaovana amin' ny tanàna ka hotahirizina. ils ramasseront tous les vivres de ces bonnes années qui viennent, ils emmagasineront le blé sous l' autorité de Pharaon, ils mettront les vivres dans les villes et les y garderont.
Gen / Jen 41:36 And that food shall be for store to the land against the seven years of famine, which shall be in the land of Egypt; that the land perish not through the famine. Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin' ny tany ho amin' ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin' ny tany Egypta, mba tsy ho simban' ny mosary ny tany. Dia izany hanina tehirizina izany, no ho fitaovana amin' ny fito taona mosarena ho tonga amin' ny tany Ejipta; dia tsy ho levon' ny mosary ny tany. Ces vivres serviront de réserve au pays pour les sept années de famine qui s' abattront sur le pays d'Égypte, et le pays ne sera pas exterminé par la famine.
Gen / Jen 41:37 And the thing was good in the eyes of Pharaoh, and in the eyes of all his servants. Ary sitrak' i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany. Sitrak' i Faraona sy ny mpanompony rehetra izany teny izany; Le discours plut à Pharaon et à tous ses officiers
Gen / Jen 41:38 And Pharaoh said unto his servants, Can we find such a one as this is, a man in whom the Spirit of God is? Dia hoy Farao tamin' ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin' Andriamanitra ao anatiny, va isika? Ka hoy Faraona tamin' ny mpanompny: Hahita lehilahy tahaka an' ity indray va isika, izay manana ny fanahin' Andriamanitra ao aminy? et Pharaon dit à ses officiers : Trouverons-nous un homme comme celui-ci, en qui soit l' esprit de Dieu ?
Gen / Jen 41:39 And Pharaoh said unto Joseph, Forasmuch as God hath shewed thee all this, there is none so discreet and wise as thou art: Ary hoy koa Farao tamin' i Josefa: Satria efa nampahafantarin' Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao; Dia hoy Faraona tamin' i Josefa: Rehefa hianao no efa nampahafantarin' Andriamanitra izany rehetra izany, dia tsy hisy olona hanan-tsaina sy hendry tahaka anao indray. Alors Pharaon dit à Joseph : Après que Dieu t' a fait connaître tout cela, il n' y a personne d' intelligent et de sage comme toi.
Gen / Jen 41:40 Thou shalt be over my house, and according unto thy word shall all my people be ruled: only in the throne will I be greater than thou. koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao. Koa dia hianao no hanapaka ny momba ny tranoko, ary ny vahoaka rehetra hanaraka ny teninao; ny seza fiandrianana ihany no haha-ambony ahy noho hianao. C' est toi qui seras mon maître du palais et tout mon peuple se conformera à tes ordres, je ne te dépasserai que par le trône.
Gen / Jen 41:41 And Pharaoh said unto Joseph, See, I have set thee over all the land of Egypt. Ary hoy indray Farao tamin' i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. Ary hoy Faraona tamin' i Josefa: Indro atsangako hanapaka ny tany Ejipta rehetra hianao. Pharaon dit à Joseph : Vois : je t'établis sur tout le pays d'Égypte
Gen / Jen 41:42 And Pharaoh took off his ring from his hand, and put it upon Joseph' s hand, and arrayed him in vestures of fine linen, and put a gold chain about his neck; Dia nesorin' i Farao ny peratra tamin' ny tanany ka nataony tamin' ny tànan' i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony; Dia nalain' i Faraona ny peratra tamin' ny tànany, ka nataony tamin' ny tànan' i Josefa; sady nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony. et Pharaon ôta son anneau de sa main et le mit à la main de Joseph, il le revêtit d' habits de lin fin et lui passa au cou le collier d' or.
Gen / Jen 41:43 And he made him to ride in the second chariot which he had; and they cried before him, Bow the knee: and he made him ruler over all the land of Egypt. dia nampitaingeniny teo anatin' ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy. Nampitaingeniny ny kalesiny faharoa izy, ary nisy niantso teo alohany hoe: Mandohaliha. Toy izany no nananganana azy ho mpanapaka ny tany Ejipta rehetra. Il le fit monter sur le meilleur char qu' il avait après le sien et on criait devant lui Abrek . Ainsi fut-il établi sur tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41:44 And Pharaoh said unto Joseph, I am Pharaoh, and without thee shall no man lift up his hand or foot in all the land of Egypt. Ary hoy Farao tamin' i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin' ny tany Egypta rehetra. Ary hoy Faraona tamin' i Josefa: Izaho no Faraona, ary raha tsy teninao, tsy hisy hanainga ny tànany na ny tongony eto amin' ny tany Ejipta rehetra. Pharaon dit à Joseph : Je suis Pharaon, mais sans ta permission personne ne lèvera la main ni le pied dans tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41:45 And Pharaoh called Joseph' s name Zaphnathpaaneah; and he gave him to wife Asenath the daughter of Potipherah priest of On. And Joseph went out over all the land of Egypt. Ary nataon' i Farao hoe Zafenata-panea no anaran' i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin' i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta. Nomen' i Faraona anarana hoe Tsafnata-Paneaka Josefa; ary natolony ho vadiny Aseneta zanakavavin' i Potifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga Josefa hamangy ny tany Ejipta. Et Pharaon imposa à Joseph le nom de Çophnat-Panéah et il lui donna pour femme Asnat, fille de Poti-Phéra, prêtre d' On. Et Joseph partit pour le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41:46 And Joseph was thirty years old when he stood before Pharaoh king of Egypt. And Joseph went out from the presence of Pharaoh, and went throughout all the land of Egypt. Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan' i Farao, mpanjakan' i Egypta. Dia niala teo anatrehan' i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra. Efa telopolo taona Josefa raha niseho teo anatrehan' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta. Ary niala teo anatrehan' i Faraona izy handeha hitety ny tany Ejipta rehetra. Joseph avait trente ans lorsqu' il se présenta devant Pharaon, roi d'Égypte, et Joseph quitta la présence de Pharaon et parcourut tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41:47 And in the seven plenteous years the earth brought forth by handfuls. Ary ny tany dia nahavokatra tsy omby fàmpana tamin' ny taon-jina fito. Nahavokatra tsy omby fampana ny tany, nandritra ny taon-jina fito. Pendant les sept années d' abondance, la terre produisit à profusion
Gen / Jen 41:48 And he gathered up all the food of the seven years, which were in the land of Egypt, and laid up the food in the cities: the food of the field, which was round about every city, laid he up in the same. Dia namory ny hanina rehetra tamin' izany fito taona izany teo amin' ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin' ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin' ny tanàna. Ka Josefa namory ny vokatry ny tany rehetra tamin' izany fito taona izany tany Ejipta, nanangona fitaovana tamin' ny tanàna izy, fa isan-tanàna dia samy nampidirany ny vokatry ny tany manodidina azy avy. et il ramassa tous les vivres des sept années où il y eut abondance au pays d'Égypte et déposa les vivres dans les villes, mettant dans chaque ville les vivres de la campagne environnante.
Gen / Jen 41:49 And Joseph gathered corn as the sand of the sea, very much, until he left numbering; for it was without number. Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa. Koa nahangona vary hoatra ny fasika any an-dranomasina Josefa; ary noho ny fahabetsahany mihoa-pampana dia najanona ny fanisana azy, fa efa tsy tambo hisaina intsony. Joseph emmagasina le blé comme le sable de la mer, en telle quantité qu' on renonça à en faire le compte, car cela dépassait toute mesure.
Gen / Jen 41:50 And unto Joseph were born two sons before the years of famine came, which Asenath the daughter of Potipherah priest of On bare unto him. Ary nisy zazalahy roa naterak' i Asenata, zanakavavin' i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin' i Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena. Talohan' ny nahatongavan' ny taona mosarena, dia niteraka roa lahy Josefa, izay naterak' i Aseneta, zanakavavin' i Potifara mpisorona tao Ona, taminy. Avant que vînt l' année de la famine, il naquit à Joseph deux fils que lui donna Asnat, fille de Poti-Phéra, prêtre d' On.
Gen / Jen 41:51 And Joseph called the name of the firstborn Manasseh: For God, said he, hath made me forget all my toil, and all my father' s house. Ary ny anaran' ny lahimatoa dia nataon' i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon' ny raiko. Ka ny lahimatoa nataon' i Josefa hoe Manase, fa hoy izy: Efa nampanadinoin' Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra sy ny tranon' ikaky rehetra; Joseph donna à l' aîné le nom de Manassé, car, dit-il, Dieu m' a fait oublier toute ma peine et toute la famille de mon père .
Gen / Jen 41:52 And the name of the second called he Ephraim: For God hath caused me to be fruitful in the land of my affliction. Ary ny anaran' ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin' ny tanin' ny fahoriako. ary ny zandriny nataony hoe Efraima, fa hoy izy: Efa nampitombo ahy Andriamanitra atý amin' ny tany nijaliako. Quant au second, il l' appela Éphraïm, car, dit-il, Dieu m' a rendu fécond au pays de mon malheur .
Gen / Jen 41:53 And the seven years of plenteousness, that was in the land of Egypt, were ended. Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin' ny tany Egypta; Nony tapitra ny taon-jina fito tamin' ny tany Ejipta, Alors prirent fin les sept années d' abondance qu' il y eut au pays d'Égypte
Gen / Jen 41:54 And the seven years of dearth began to come, according as Joseph had said: and the dearth was in all lands; but in all the land of Egypt there was bread. dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain' i Josefa; ary nisy mosary tany amin' ny tany rehetra; nefa eran' ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany. dia niandoha kosa ny fihavian' ny taona fito mosarena, araka ny voalazan' i Josefa. Ny tany rehetra dia nisy mosary, fa ny tany Ejipta kosa dia nanan-kanin-kohanina. et commencèrent à venir les sept années de famine, comme l' avait dit Joseph. Il y avait famine dans tous les pays, mais il y avait du pain dans tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41:55 And when all the land of Egypt was famished, the people cried to Pharaoh for bread: and Pharaoh said unto all the Egyptians, Go unto Joseph; what he saith to you, do. Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin' i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin' ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin' i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy. Taty aoriana tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin' i Faraona ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy Faraona tamin' ny Ejipsiana rehetra: Mankanesa any amin' i Josefa, ary ataovy izay lazainy aminareo. Puis tout le pays d'Égypte souffrit de la faim et le peuple demanda à grands cris du pain à Pharaon, mais Pharaon dit à tous les Égyptiens : Allez à Joseph et faites ce qu' il vous dira. -
Gen / Jen 41:56 And the famine was over all the face of the earth: and Joseph opened all the storehouses, and sold unto the Egyptians; and the famine waxed sore in the land of Egypt. Ary ny mosary dia tany amin' ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin' ny Egyptiana. Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan' i Josefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin' ny Ejipsiana izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin' ny tany Ejipta. La famine sévissait par toute la terre. - Alors Joseph ouvrit tous les magasins à blé et vendit du grain aux Égyptiens. La famine s' aggrava encore au pays d'Égypte.
Gen / Jen 41:57 And all countries came into Egypt to Joseph for to buy corn; because that the famine was so sore in all lands. Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin' i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin' ny tany rehetra. Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin' ny tany rehetra, hividy vary amin' i Josefa, fa nihamafy ny mosary tamin' ny tany rehetra. De toute la terre on vint en Égypte pour acheter du grain à Joseph, car la famine s' aggravait par toute la terre.

<-
->