Index

Proverbes : manganana

Proverbe Aza fatra-pitady ny manganana, fandrao sendra ny mangidy tsy telina. [Veyrières 1913]
Aza fatra-pitady ny manganana, tohatra ny mangidy tsy ho telina. [Veyrières 1913]
Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina. [Rajemisa 1985]
Fatra-pitady ny manganana, ka tohatry ny mangidy tsy ho telina. [Cousins 1871 #946, Nicol 1935 #242]
Fatra-pitady ny manganana, ka tohatry ny mangidy tsy telina. [Rinara 1974 #1151]
Ny fatra-pitady manganana ho sehatry ny mangidy tsy ho telina. [Rinara 1974]
Interprétation malgache Fatra-panihika ka nihatra amin' ny fotaka; nitady tombony ka natombiny; nitady sitrany ka nasitriny. [Rajemisa 1985]
Indraindray ny fikatsahana hahazo baba na tsaratsara kokoa dia vao mainka mety hampahita angano. [Rajemisa 1985]
Loza raha hitady ny mangidingidy ka nahita ny tena mangidy nampivivy, izany hoe loza raha hitady tombony, nefa fahavoazana indray no hita. [Rajemisa 1985]
Traduction française Ne cherchez pas trop les douceurs de la vie facile de peur de tomber sur une amertume insupportable. [Veyrières 1913 #3891]
Rechercher avec trop d' avidité ce qui est doux, et trouver ce qui est amer et impossible à avaler.. [Houlder 1895]
Trop chercher l'exquis; et rencontrer la dernière amertume. [Nicol 1935 #242]
Interprétation française Se disait de ceux qui cherchaient ce qui était le plus facile à la corvée et dans les travaux communs, et qui rencontraient tout le contraire. [Veyrières 1913 #3891]

Proverbe Ny miera manganana, ny mandry be mafana. [Veyrières 1913 #5209, Cousins 1871 #2348]
Traduction française Se concerter, c' est comme le bon goût venant après l' amertume ; coucher à plusieurs ensemble, cela donne chaud. [Veyrières 1913 #5209]
Interprétation française Se disait de l' entente. [Veyrières 1913 #5209]

Proverbe Ny miera manganana, ny soa am-po mampirintona. [Rinara 1974 #3145]

Index