Entrée mangidy (ngidy)
Partie du discours adjectif
Définition malgache Manana tsiro ratsy be amin' ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin' ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian' ny zaza
¶ Masiaka: Mangidy ny sakay
¶ Mampahory izaitsizy, mampangirifiry
¶ Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay
¶ Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon' ny hena ankehitriny izany
¶ Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra
¶ Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin' ny manampahefana
¶ Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina
Mitovy hevitra: hentona ~ mafaitra ~ mangananganana ~ mangeroka ~ mangidy ohatra ny vahona ~ mangidy toy ny tangena ~ monta [Rajemisa 1985]
Définition anglaise bitter [Richardson 1885, Hallanger 1973]
Définition française amer [Hallanger 1974]
Mots composés, titres, noms 
Exemples Ireo sady tsy manam-bary no tsy manam-bola dia mangidy indrindra ny manjo azy. [Andraina: Mitaraina]
Citations 

Entrée mangidy
Partie du discours adjectif
Définition malgache  [Taisaka] saro-tongavina [Rakotosaona 1972]
Définition anglaise expensive [Hallanger 1973]
Définition française qui coûte cher [Hallanger 1974]

Entrée mangidy (hidy)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache  [Taisaka] mangidihidy [Rakotosaona 1972]

2012/07/11